Salamo 66:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 66 Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitra, ry mponin’ny tany manontolo.+ Salamo 98:2 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 Nampahafantatra ny famonjeny i Jehovah.+Teo imason’ireo firenena no nampiharihariany ny fahamarinany.+ Isaia 49:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Ary hoy izy: “Tsy zavatra kely ny nahatongavanao ho mpanompoko hanangana ny fokon’i Jakoba, sy hampody an’ireo narovana teo amin’i Israely.+ Nomeko ho fahazavan’ny hafa firenena+ koa ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”+ Lioka 2:30 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 30 satria efa hitan’ny masoko ny fomba hitondranao famonjena,+ Asan’ny Apostoly 28:28 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 28 Koa aoka ho fantatrareo fa hambara any amin’ny hafa firenena ilay ampiasain’Andriamanitra hitondra famonjena.+ Ireny no azo antoka fa hihaino ny fitoriana momba azy.”+ Titosy 2:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Efa naseho+ ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra,+ dia hatsaram-panahy mitondra famonjena+ ho an’ny karazan’olona rehetra,+
2 Nampahafantatra ny famonjeny i Jehovah.+Teo imason’ireo firenena no nampiharihariany ny fahamarinany.+
6 Ary hoy izy: “Tsy zavatra kely ny nahatongavanao ho mpanompoko hanangana ny fokon’i Jakoba, sy hampody an’ireo narovana teo amin’i Israely.+ Nomeko ho fahazavan’ny hafa firenena+ koa ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”+
28 Koa aoka ho fantatrareo fa hambara any amin’ny hafa firenena ilay ampiasain’Andriamanitra hitondra famonjena.+ Ireny no azo antoka fa hihaino ny fitoriana momba azy.”+
11 Efa naseho+ ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra,+ dia hatsaram-panahy mitondra famonjena+ ho an’ny karazan’olona rehetra,+