FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 28:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Mametraka vato fototra ao Ziona+ aho, dia vato+ voasedra,+ eny, ilay vato fehizoro+ sarobidy izay fototra+ azo antoka. Tsy ho raiki-tahotra izay mino azy.+

  • Zakaria 4:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe?+ Ho lasa tany lemaka ianao eo anatrehan’i Zerobabela.+ Ary hitondra ny vato+ fametraka eny an-tampony izy. Dia hihoby+ ny olona mahita izany, ka hanao hoe: “Tena tsara tarehy izy izany! Tena tsara tarehy mihitsy!”’”+

  • Lioka 20:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa nijery azy ireo i Jesosy, ka nanao hoe: “Koa inona àry no dikan’ilay voasoratra hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanao trano+ no tonga vato fehizoro lehibe indrindra’?*+

  • Asan’ny Apostoly 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Izy ‘ilay vato nohamavoinareo mpanao trano, nefa tonga vato fehizoro.’+

  • 1 Korintianina 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa tsy misy afaka mametraka fototra+ hafa ankoatra izay efa napetraka, dia i Jesosy Kristy.+

  • Efesianina 2:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary efa naorina teo ambony fototra,+ dia ny apostoly+ sy ny mpaminany+ ianareo, fa i Kristy Jesosy kosa no vato fehizoro.+

  • 1 Petera 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: “Mametraka vato ao Ziona aho, dia vato voafidy, vato fehizoro sarobidy. Tsy hisy ho diso fanantenana mihitsy izay mino azy io.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara