FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 15:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Koa hoy i Samoela: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah+ kokoa noho ny mankatò ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò+ no tsara kokoa noho ny sorona,+ ary ny mihaino no tsara kokoa noho ny tavin’ondrilahy.+

  • Salamo 50:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+

      Ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.+

  • Hosea 6:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Hatsaram-panahy feno fitiavana mantsy no sitrako+ fa tsy sorona,+ ary fahalalana an’Andriamanitra fa tsy fanatitra dorana manontolo.+

  • Mika 6:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ho tian’i Jehovah ve ny ondrilahy an’arivony, na ny menaka be dia be toy ny renirano an’aliny?+ Ny zanako lahimatoa ve no homeko noho ny fikomiako, sa ny naloaky ny kiboko no homeko noho ny fahotako?+

  • Matio 12:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Raha mba azonareo mantsy ny hevitry ny hoe: ‘Famindram-po+ no sitrako fa tsy sorona’,+ dia tsy ho nomelohinareo izay tsy meloka.

  • Marka 12:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara