10 Koa hiverina any Ziona amim-pihobiana+ ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo, ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+
10 Hampodiko avy any Ejipta izy ireo,+ ary avy any Asyria no hanangonako azy.+ Hoentiko ho any Gileada+ sy Libanona izy ireo, satria tsy misy toerana ho antonona azy rehetra.+
31 Haniraka ny anjeliny amin’ny feon’ny trompetra mafy izy,+ ary ireo dia hanangona ny olom-boafidiny+ avy any amin’ny vazan-tany* efatra,+ avy any amin’ny faravodilanitra rehetra.