FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Kanefa na ireo mpitsarany aza tsy nohenoiny. Nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’ny andriamani-kafa+ kosa izy ireo, ary niankohoka teo anatrehan’ireny. Efa nivily sahady niala tamin’ny lalana nalehan’ny razany izy ireo. Nankatò ny didin’i Jehovah mantsy ny razany,+ fa tsy mba toy izany kosa izy ireo.

  • 1 Samoela 8:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nahafoy ahy foana izy ireo+ sady nanompo andriamani-kafa.+ Ary toy izany foana no efa nataony, hatramin’ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta+ ka mandraka androany. Izany koa no ataony aminao izao.

  • 2 Mpanjaka 22:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Nahafoy ahy mantsy izy ireo ka nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa,+ mba hampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany rehetra.+ Ary nirehitra tamin’ity toerana ity ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’”’+

  • 2 Tantara 28:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Dia nanao sorona ho an’ireo andriamanitr’i+ Damaskosy+ izay namely azy izy, ka niteny hoe: “Manampy an’ireo mpanjakan’i Syria ny andriamaniny,+ ka hanolorako sorona mba hanampiany+ ahy koa.” Koa ireo andriamanitra ireo no nanjary vato mahatafintohina teo anoloany sy ny Israely rehetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara