-
Estera 3:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nantsoina ireo mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folon’ny volana voalohany. Ary izay rehetra nandidian’i Hamana no nosoratana+ ho an’ireo lehibem-paritany+ notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany samy hafa ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka ny fomba fanoratry+ ny faritany tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany, ka natao tamin’ny anaran’i+ Ahasoerosy Mpanjaka, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+
-
-
Estera 8:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary ny mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka, dia nantsoina tamin’io andro fahatelo amby roapolon’ny volana fahatelo io, izany hoe ny volana Sivana. Ary izay rehetra nandidian’i Mordekay no nosoratana ho an’ny Jiosy sy ny lehibem-paritany+ sy ny governora ary ny mpifehy isam-paritany tany amin’ireo faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia.+ Nosoratana araka ny fomba fanoratra+ ao amin’ny faritany tsirairay sy araka ny fitenin’ny+ firenena tsirairay izany, ary nosoratana ho an’ny Jiosy koa araka ny fomba fanoratr’izy ireo sy ny fiteniny.+
-