FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 20:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ny sasany miresaka momba ny kalesin’adiny, ary ny hafa miresaka momba ny soavaly,+

      Fa izahay kosa hiresaka momba ny anaran’i Jehovah Andriamanitray.+

  • Salamo 33:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tsy misy mpanjaka ho voavonjy na dia manana tafika maro be aza,+

      Ary ny olona matanjaka dia tsy ho voavonjin’ny hery lehibe ananany.+

  • Hosea 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ny taranak’i Joda kosa no hamindrako fo,+ ary ny herin’i Jehovah Andriamaniny no hamonjeko azy.+ Tsy amin’ny tsipìka na sabatra na ady, na soavaly na mpitaingin-tsoavaly anefa no hamonjeko azy.”+

  • Hosea 14:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tsy hamonjy anay i Asyria,+ ary tsy hitaingin-tsoavaly izahay.+ Tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony izahay hoe: “Ry Andriamanitray ô!”, satria noho ianao no anehoana famindram-po amin’ny kamboty ray.’+

  • Zakaria 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hofoanako tsy hisy kalesin’ady ao Efraima, ary tsy hisy soavaly ao Jerosalema.+ Hofoanana koa ny tsipìkan’ady.+ Fihavanana no horesahiny amin’ireo firenena.+ Ary hipaka hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny fanjakany, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara