Ny mpikarakara momba ny asa: fitahiana ho an’ny olon’i Jehovah
“Aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona [minisitra, MN ] izy, raha tsy manan-tsiny [raha tsy manana antony iampangana azy, MN ].” — I TIMOTY 3:10.
1. Iza no mitondra fahasambarana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny kongregasiona?
“ANDRIAMANITRA sambatra” Jehovah ary iriny ho sambatra ireo mpanompony (I Timoty 1:11, MN ). Izany no antony nanomanany loholona sy mpikarakara momba ny asa ho fitahiana ny vahoakany. Ireny lehilahy ireny izay nanankinana asa sasany dia mitondra ny fanampiany mba hahasoa ny kongregasiona kristiana, mba hahasambatra sy tafaray azy ka hiasany tsy misy fifandonana. Velom-pankasitrahana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah afaka mandray soa amin’ny asa mahasoa tokoa sy feno fitiavana ataon’ireny lehilahy ireny eo anivon’ny fandaminana teokratikan’Andriamanitra.
2. Inona no fihetsika tokony hananan’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa, nefa inona no tsy tokony hohadinoiny?
2 Na dia mitondra fanampiana tena ilaina ho an’ny kongregasiona aza ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa, dia tsy tokony hihevi-tena ho zavatra akory izy ireo. Hotadidiany fa Jesosy Kristy dia nananatra an’ireo mpianany mba hanetry tena hatrany. Izao no nolazainy tamin’izy ireo indray andro: “Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:4). Ary nanoratra toy izao Jakoba mpianatra: “Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.” (Jakoba 4:10; Romana 12:3). Tsy milaza anefa akory izany hoe mba hisehoana ho manetry tena dia tokony hohamaivanina ny adidiny amin’ny maha-loholona na mpikarakara momba ny asa. Afaka mitarika asa fanompoana izy ireo kanefa hanetry tena hatrany. Tsy tokony hohadinoiny na oviana na oviana ny soa rehetra entin’ny asany, ary hotadidiany foana fa eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ireo rahalahiny kristiana, dia tsy maintsy manatontosa ireo andraikiny araka izay farany azony atao izy ireo.
3. Azo oharina amin’inona moa ny firaisan-tsaina mampiavaka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ahoana no mety hanohanan’ny olona be fandavan-tena izany firaisan-tsaina izany sy ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana?
3 Ny firaisan-tsaina mampiavaka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia azo ampitahaina amin’ny an’ny tenan’olombelona. Marina tokoa fa ny apostoly Paoly dia nampitaha ny tena ara-panahin’i Kristy tamin’ny tenan’olombelona voaforo’ny rantsam-batana sy faritra maro. Miasa amim-pifandrindrana ireo mba hahasoa ny tena manontolo (I Korintiana 12:12-31). Ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa dia tsy isalasalana mihitsy fa fitahiana ho an’ny olon’i Jehovah, satria izy ireo mitondra fifandrindrana ho an’ny fiasan’ny kongregasiona kristiana (jereo Kolosiana 2:18, 19). Ny olona izay miezaka amim-pandavan-tena mba hanohana ny fandaharana voatendrin’i Jehovah amin’ny ‘faniriana ny asan’ny mpitandrina [mpiandraikitra, MN ] dia mitondra fanampiana tena lehibe mba hisian’ny firaisan-tsaina kristiana sy ny fandrosoan’ny tombontsoan’ilay Fanjakana (I Timoty 3:1). Aoka hojerentsika aloha ny hoe inona avy no toetra ara-panahy tokony hananan’ny kristiana iray mba hahatongavana ho mpikarakara momba ny asa.
“Aoka hotsapaina aloha ireo mba hitsarana ny fahaizany”
4. a) Nahoana moa ireo ho mpikarakara momba ny asa no tokony ‘hotsapaina aloha mba hitsarana ny fahaizany’? b) Tokony ho vonona ho amin’ny inona moa ireny lehilahy ireny?
4 Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy izay notakina tamin’ireo mpikambana lehilahy tao amin’ny kongregasiona talohan’ny hahafahana manendry azy ho mpikarakara momba ny asa. Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no nosoratany: “Aoka hotsapaina aloha ireo mba hitsarana ny fahaizany, avy eo dia aoka izy hiasa amin’ny maha-minisitra raha tsy manana antony iampangana azy.” (I Timoty 3:10, MN ). Hohalavirina amin’izany ny fanendrena lehilahy tsy hanana ireo toetra ilaina, tsy hahafeno ireo fepetra tena lehibe takin’ny Soratra Masina. Ambonin’izany, dia hisy fotoana hamantarana ny antony manosika ireo ho mpikarakara momba ny asa. Azo antoka fa izy ireny dia tsy tokony hohetsehin’ny faniriana hahazo laza, ka hanamarika tsy fananana fanetren-tena izany. Noho ny fiaikena kosa fa rehefa manolo-tena ho an’Andriamanitra ny kristiana iray, dia manao izany tsy misy fepetra izy ary ny fanapahan-kevitra toy izany dia mahafaoka ny lafiny rehetra, ny rahalahy iray dia tokony ho vonona ny hiasa amin’ny raharaha rehetra hoheverin’i Jehovah fa tsara hampiasana azy ao anatin’ny fandaminany. Ireo ho mpikarakara momba ny asa dia tokony hanana faniriana ny hanompo tahaka an’Isaia mahatoky, izay nanambara hoe: “Inty aho, iraho aho.” — Isaia 6:8.
5. a) Fepetra takina amin’ny mpikarakara momba ny asa inona no hitantsika ao amin’ny I Timoty 3:8? b) Inona moa no dikan’ny hoe “maotina”? d) Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoratra izy fa ny mpikarakara momba ny asa dia tokony ‘tsy hiroa teny’?
5 Nanazava toy izao koa i Paoly: “Toy izany koa dia ilaina ny mpikarakara momba ny asa mba ho maotina, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto.” (I Timoty 3:8, MN ). Na dia mety ho azo lazaina hoe tanora aza ireo mpikarakara momba ny asa, dia tsy zatovo intsony akory izy ireny, ary tokony ho “maotina”. Tokony ho efa nianatra nihevitra tsara ny zava-dehibe izy ireny (jereo Ohabolana 22:15). Takina ny hahamendrika itokisana sy tia miasa tsara azy ireny fa tsy hirona amin’ny fanamaivanana ireo andraikiny. Tokony ho azo atao ny hiantehitra amin’izy ireny satria manatanteraka tsara ny asany izy. Rehefa dinihina tokoa, moa ve misy zavatra mendrika fiheverana tsara kokoa noho ny fanompoana masina ho an’i Jehovah? Raharaha mahakasika ny fiainana na ny fahafatesana izany ho an’ireo mpikarakara momba ny asa, nefa koa ho an’ny hafa (jereo I Timoty 4:16). Afa-tsy izany koa, Paoly dia milaza mazava fa ireo mpikarakara momba ny asa dia tsy tokony “hiroa teny”, ka ny tiana holazaina amin’izany dia hoe tokony hanana fahatsorana izy ireny ka hilaza ny marina; tsy azony atao àry ny ho be resaka foana na hihatsaravelatsihy na hiolakolaka. — Ohabolana 3:32.
6. Amin’ny lafiny inona avy moa ireo mpikarakara momba ny asa no tokony hiseho hahalala ny antonony?
6 Ny kristiana mahay manao ny asan’ny mpikarakara momba ny asa dia tena tsy maintsy miseho ho mahalala ny antonony eo amin’ny fiainany andavanandro. Rehefa nanoratra izy fa ireny kristiana ireny dia tsy afaka ny ‘ho tia divay be na harena maloto’, ny tian’i Paoly holazaina miharihary dia ny amin’ny tokony ho efa nanarian’izy ireny ny fimamoana, ny fitiavan-karena fatratra sy ny tsy fanaovana ny marina. Ireny olona ireny dia hanalavitra koa ny fanaovana na dia izay hiheverana fotsiny aza fa mihevitra loatra ny fahafinaretana sy ny fananana ara-nofo izy ireny. Tokony hiezaka hatrany izy hanome ho an’ny zavatra ara-panahy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. Izany dia hanampy azy ireny hitana “fieritreretana madio” eo anatrehan’ny olona sy eo anatrehan’Andriamanitra, ka mbola zava-dehibe kokoa ihany izany. — I Timoty 3:8, 9.
7. a) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny andraikitry ny mpikarakara momba ny asa dia tsy natao ho an’ny zazalahy kely? b) Mety hilaza inona moa ny maha-mpitovo ny mpikarakara momba ny asa iray?
7 Tsy natao ho an’ny zatovo akory ireo andraikitra tena lehibe ankinina amin’ny mpikarakara momba ny asa. Ny Soratra Masina tokoa dia mampiseho ny mpikarakara momba ny asa ho lehilahy eo amin’ny taona efa mety hanambadiana sy hiterahana. Raha toy izany izy ireny, dia tokony “hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany” izy. ( I Timoty 3:12.) Milaza ve izany fa tsy afaka ny ho tonga mpikarakara momba ny asa ny zazalahy iray raha tsy rehefa manambady ka mitaiza zanaka? Tsia, tsy izany velively. Raha ny marina, ny tsy mahadodona azy hanambady raha tsy efa ampy fiomanana sy alohan’ny hahitana namana kristiana vita batisa mety aminy dia mety ho mariky ny fahamasahana sasany. Tena ilaina izany fahamasahana izany mba hikarakarana tsara ny raharahan’ny tena manokana sy mba hiantsorohana andraikitra lehibe lavitra ihany, ao anatin’ny faritry ny kongregasiona.
8. Araka ny I Timoty 3:13 sy Matio 24:14, inona moa no andraikitr’ireo mpikarakara momba ny asa?
8 Nanampy teny i Paoly fa “ireo izay manompo amin’ny fomba tsara dia tsara dia mahazo laharana tsara sy fahatsorana lehibe ao amin’ny finoana izay mahakasika an’i Kristy Jesosy”. (I Timoty 3:13, MN.) Ny fomba iray hampisehoana fa manana izany “fahatsorana lehibe” takina amin’ireo mpikarakara momba ny asa izany ny tena dia ny fandraisana anjara amim-paharisihana amin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:14, MN.) Tokony ho fantatr’ireny kristiana ireny fa, miaraka amin’ireo loholona, izy ireny dia manana andraikitra hanome ohatra raha ny amin’ny fitoriana isan-trano sy ny fandraisana anjara amin’ny karazam-panompoana hafa (Asan’ny apostoly 5:42; 20:20, 21). Koa satria manatona haingana ny fahataperany ny fandehan-javatra ratsin’i Satana, dia mifono heviny mahadodona tsy misy toy izany ny fitoriana. Ireo mpikarakara momba ny asa àry dia tokony hanao izay hahatsapan’ny kongregasiona foana fa ilaina maika dia maika ny fitoriana ilay Fanjakana amin’ny fanomezan’ny tenan’izy ireo ohatra tsara dia tsara eo amin’ny fanompoana.
Ny fanompoana manontolo andro: fanampiana
9. Rehefa heverina amin’ny andro farany iainantsika, asa inona no ataon’ny kristiana be dia be?
9 Noho isika miaina amin’ny fotoana fanapahan-javatra, dia kristiana lehilahy sy vehivavy be dia be no nanomboka ny fanompoana manontolo andro. Maro be tamin’izy ireny, antsoina hoe mpitory maharitra, no mandany amin’ny ara-keviny ora roa ka hatramin’ny dimy isan’andro amin’ny fitoriana, ny sasany amin’ny maha-misionera any an-tany hafa. Ny hafa miasa manontolo andro ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower na ao amin’ny anankiray amin’ireo sampany, saika hatraiza hatraiza maneran-tany. Io asa io dia loharanom-pifaliana sy fahafahampo ho azy ireo sy ho an’ireo izay ampiany amin’izany fomba izany. Amin’ny toe-javatra maro, ny asa manontolo andro dia nanampy ny kristiana hamboly ireo toetra takina mba hanompoana amin’ny fomba mahasoa ao anatin’ireo kongregasiona amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa.
10, 11. Araka ny asehon’ny resaka voalaza eo, ahoana no azon’ny kristiana maniry ho tonga mpikarakara momba ny asa andraisan-tsoa amin’ny asa manontolo andro?
10 Ny anankiray tamin’ireny kristiana ireny, izay loholona ao amin’ny kongregasiona iray any Berlin (Alemaina) amin’izao andro izao rehefa avy nanao ny raharahan’ny mpikarakara momba ny asa, dia miresaka toy izao ny amin’ny asan’ny mpitory maharitra nataony nandritra ny taona maromaro fony izy mbola tanora: “Azoko atao ny milaza fa izany dia dingana iray tsy nanenenako mihitsy. Nitahy ahy Jehovah. Nanjary mafy kokoa ny fifandraisako taminy.” Marina tokoa fa tahaka ny mpitory maharitra hafa an’arivony maro, io rahalahy io dia nahatsapa fa ny fanompoana manontolo andro dia mety hanamafy ny fifandraisana manokana tanan’ny tena amin’i Jehovah ka hanafaingana ny fandrosoana atao ho amin’ny fahamasahana kristiana.
11 Ny kristiana hafa iray, izay mpitory maharitra hatramin’ny ela be, dia manazava ny fomba nanampian’ny asa manontolo andro azy. Hoy izy: “Nanjary tony kokoa aho, nahonon-tena kokoa, tsy mora nitsara kokoa. Sambatra kokoa sy mahay milefitra kokoa aho eo amin’ny fifampikasohako amin’ny sokajin’olona isan-karazany.” Moa ve izany tsy toetra tokony hasehon’ny olona izay maniry ho tonga mpikarakara momba ny asa?
12. a) Inona avy moa no karazam-panompoana manontolo andro azonao atao? b) Amin’ny ahoana ny asa manontolo andro no hanampy ny mpikarakara momba ny asa hanatontosa tsara kokoa ireo adidy ankinina aminy?
12 Rehefa mamela azy hanao izany ireo andraikiny kristiana, ny fanompoana manontolo andro dia manolotra ho an’ireo mpikambana lehilahy ao amin’ny kongregasiona, fahafahana tsara dia tsara ‘hotsapaina mba hitsarana ny fahaizany’. Ny sasany manao ny asa amin’ny fomba maharitra, ny hafa mandray anjara amin’izany indraindray. Ny tanora kokoa dia afaka manao izany mandritra ny fotoana tsy fianarany, ary ny be taona kokoa, amin’ny fotoam-pialany sasatra na ny fotoana hafa ao anatin’ny taona. Mazava ho azy fa ny asa manontolo andro dia mitaky fandaharana mety sy voahevitra tsara. Izany anefa dia anisan’ireo fepetra tokony hofenoin’ny mpikarakara momba ny asa koa mba hanatontosana tsara ny adidiny. Raha ny marina, inona moa izany adidiny izany?
Ireo adidin’ny mpikarakara momba ny asa
13. Inona no asehon’ny Asan’ny apostoly 6:1-6 raha ny amin’ny karazana adidy ankinina amin’ireo mpikarakara momba ny asa?
13 Na dia tsy mahakasika mivantana ny fanendrena mpikarakara momba ny asa aza ny Asan’ny apostoly 6:1-6, io soratra io dia mahatonga hahazo an-tsaina ihany ny amin’ny karazana asa sy adidy izay mandrakariva ankinina amin’ireo mpikarakara momba ny asa. Tsy tamin’ny fampianarana ireo rahalahiny, fa tamin’ny fizarana ny sakafo no namelan’ireo ‘fito lahy tsara laza’ voafidy tamin’izay an’ireo apostoly ‘haharitra tamin’ny fivavahana sy ny fampianarana’. Amin’ny fikarakarana adidy sasany karazan’izany, ireo mpikarakara momba ny asa dia mamela amin’izao fotoana izao an’ireo loholona handany fotoana misimisy kokoa amin’ny fikarakarana sy ny fampianarana ny “ondrin’Andriamanitra”. — I Petera 5:2, 3.
14. Andraikitra maro karazana inona avy no azo ankinina amin’ny mpikarakara momba ny asa?
14 Ny amin’ireo adidy ankinina amin’ny mpikarakara momba ny asa, dia izao no vakina ao amin’ilay boky hoe Organisés pour bien remplir notre ministère: “Ny mpikarakara momba ny asa iray dia mety hanankinana ireo bokin’ny kongregasiona, mba hahafahan’ny tsirairay avy mahazo mora foana izay ilainy manokana ny amin’ny fitoriana. Hikarakara ny gazety ny anankiray hafa. Ny sasany hikarakara ny taratasin’ny kongregasiona, ny an’ny kaonty sy ny faritany, ohatra. Mety hikarakara ny fanamafisam-peo, ny fandefasana zavamaneno sy ny lampihazo, na hanampy ireo loholona amin’ny fomba hafa koa ireo mpikarakara. Misy zavatra be dia be tokony hatao mba hanamboarana ny Efitrano Fanjakana sy hitanana azy ho madio. Matetika ireo mpikarakara momba ny asa no asaina hitondra ny fanampiany mba hiantsoroka ireo andraikitra ireo. Mety ho voatendry handray ireo izay tonga ao amin’ireo fivoriana koa izy ireny, indrindra fa ireo vaovao, sy mba hanampy amin’ny fitandroana ny filaminana mandritra ireo fivoriana ireo.” — Pejy faha-57.
15. a) Ankoatra ny fahaizana asa, mila inona koa moa ny mpikarakara momba ny asa iray mba hanompoana tsara? b) Na dia mikarakara zavatra be dia be aza ireo mpikarakara momba ny asa, inona indrindra moa no ahiny?
15 Izay rehetra mety ho rahalahy manana fahaiza-miasa sasany ve dia ho afaka hanao izany karazana asa izany? Tsia. Tamin’ny taonjato voalohany, ireo lehilahy nofidina dia “tsara laza” sy “feno fanahy sy fahendrena”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, izany dia ‘lehilahy araka ny fanahy sy mahay mampihatra’. (Asan’ny apostoly 6:3, Phillips.) Na dia efa loholona teo amin’ny vahoakan’i Jehovah aza ireny kristiana ireny, ny adidy nankinina taminy dia azo ampitahaina amin’ny ataon’ny mpikarakara momba ny asa amin’izao andro izao. Mba hahatonga an’ireo hanatontosa tsara ny andraikiny àry, dia tokony ho ‘lehilahy araka ny fanahy sy mahay mampihatra’ izy ireo. Na dia mikarakara asa fandaminana lehibe na kely kokoa aza izy ireo, ny tokony ho zavatra hahiny voalohany indrindra dia ny fiasana mba hahasoa ara-panahy ny olona karakarainy.
16. Raha tsy ampy ny loholona ao anatin’ny kongregasiona iray, andraikitra inona avy no azo ankinina amin’ireo mpikarakara momba ny asa?
16 Koa satria ireo mpikarakara momba ny asa tokony ho lehilahy araka ny fanahy, indraindray izy ireny dia mety hampiasaina hanao asa fanaon’ireo loholona. Manazava toy izao ny boky Organisés pour bien remplir notre ministère (pejy faha-58): “Raha tsy ampy ny loholona hitarika ireo fianarana ny bokin’ny kongregasiona, dia ho azo atao ny manankina ny sasany amin’izany amin’ny mpikarakara momba ny asa anisan’ireo mahay indrindra. Angamba hangatahina izy ireo mba handray anjara amin’ny fivoriana momba ny asa sy ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, sy hanao lahateny ampahibemaso ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana. Misy tombontsoa hafa koa azo ankinina amin’ny sasany amin’izy ireny raha misy ilàna izany manokana ary raha manana ireo toetra takina mba hiantsorohana ireny andraikitra ireny izy. — Jereo I Petera 4:10.”
17. Karazan-dehilahy nanao ahoana moa Stefana, ary mametraka fanontaniana inona izany ny amin’ny mpikarakara momba ny asa?
17 Anisan’ireo ‘fito lahy tsara laza’ i ‘Stefana, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina’. (Asan’ny apostoly 6:5) Talohan’ny hahafatesana ho maritiora tamim-pahatokiana, Stefana dia nanao fanambarana nampihetsi-po teo anoloan’ny Synedriona jiosy. Vakio ny fitantarana izany, dia hiaiky ianao fa Stefana dia lehilahy araka ny fanahy, vavolombelona niavaka izay nanaiky ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra ka vonona ny hanome ny fiainany mba hanompoana an’i Jehovah (Asan’ny apostoly 6:8 ka hatramin’ny 7:60). Raha mpikarakara momba ny asa ianao, moa ve ireo adidy ankinina aminao ao anatin’ny kongregasiona sy ny asa fitoriana heverinao ho zava-dehibe toy ny miharihary fa niheveran’i Stefana izany tamin’ny fiantsorohana ny andraikiny sy ny tombontsoany hiresaka ny fahamarinana?
Mendrika ve izy ireo?
18. Inona no azo lazaina ny amin’ny asa tontosain’ny mpikarakara momba ny asa maro, ary afaka matoky ny amin’ny inona izy ireo?
18 Mpikarakara momba ny asa be dia be no manome oha-piainana kristiana tsara dia tsara, miantsoroka tsara dia tsara ireo andraikitra ankinina amin’izy ireo ao anatin’ny kongregasiona ary manome ohatra tsara amin’ny fitoriana. Mankasitraka be dia be ny asany ireo namany, ary tsy hanadino ny hamaly soa azy Jehovah. Ny kristiana hebreo tokoa dia nomena izao toky izao: “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.” — Hebreo 6:10.
19. a) Afaka mametraka fanontaniana hoe ahoana avy amin’ny tenany ny mpikarakara momba ny asa rehetra? b) Nahoana no hahasoa ny hijerena ny zava-manahirana sasany hitan’ny mpikarakara momba ny asa?
19 Afaka manontany tena toy izao anefa ny tsirairay avy amin’ny mpikarakara momba ny asa: “Mahafeno ireo fepetra takin’ny Soratra Masina ve aho? Moa ve aho tena mandray anjara tokoa amin’ny firaisan-tsaina eo anivon’ny kongregasiona? Moa ve aho miantsoroka tsara sy amin-kafanam-po ireo adidy ankinina amiko? Ohatra eo amin’ny fitoriana ve aho? Manan-java-manahirana ny mpikarakara momba ny asa sasany ka tsy mahafeno fepetra. Aoka àry hodinihintsika ny sasany amin’ireny zava-manahirana ireny. Izany dia mety hanampy ny mpikarakara momba ny asa tsirairay avy “hizaha toetra ny asany avy”. (Galatiana 6:4.) Izany dia tokony hanosika ny kristiana hafa koa hankamamy bebe kokoa ny asan’ireny lehilahy ireny izay manatontosa amim-pitiavana asa mahasoa tokoa eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tena fitahiana ho an’ny olon’Andriamanitra.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny ahoana moa ny mpikarakara momba ny asa no fitahiana ho an’ny olon’i Jehovah?
◻ Ahoana no mety hanampian’ny asa manontolo andro ireo rahalahy izay maniry ho tonga mpikarakara momba ny asa?
◻ Nahoana moa ireo mpikarakara momba ny asa no tokony ho ‘lehilahy araka ny fanahy sy mahay mampihatra’?
◻ Nahoana moa Stefana nahatoky no ohatra tsara ho an’ireo mpikarakara momba ny asa?
[Sary, pejy 15]
Ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa dia fitahiana ho an’ny kongregasiona.
[Sary, pejy 17]
Ny asan’ny mpitory maharitra dia fampiofanana tsara dia tsara ho an’izay maniry ho tonga mpikarakara momba ny asa na loholona.