FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/12 p. 19-24
  • Ry mpikarakara momba ny asa, tano ny laharana tsara!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry mpikarakara momba ny asa, tano ny laharana tsara!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fijanonana ho mpitovo sy ny fanambadiana
  • Asa sy fitiavana ny zavatra ara-nofo
  • Ny tsy fivadihana amin’ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ilaina ny hitomboana amin’ny fanandraman-javatra
  • Ny fomba handresena ny fahakiviana
  • Azo atao ny manampy azy ireny
  • Ny mpikarakara momba ny asa: fitahiana ho an’ny olon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mpikarakara Fiangonana Manao Fanompoana Sarobidy
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Inona ny Andraikitry ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Fihazonana ny Firindrana Eo Amin’ireo Loholona sy Ireo Mpikarakara Momba ny Asa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/12 p. 19-24

Ry mpikarakara momba ny asa, tano ny laharana tsara!

“Ireo izay manompo amin’ny fomba tsara dia tsara dia mahazo laharana tsara sy fahatsorana lehibe ao amin’ny finoana mifandray amin’i Kristy Jesosy.” — I TIMOTY 3:13, MN.

1. Inona no tokony ho zava-kendren’ny kristiana iray rehefa voatendry ho mpikarakara momba ny asa izy, ary tokony ho vonona ny hanao inona ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona?

IREO kristiana izay mpikarakara momba ny asa amin’izao andro izao dia ‘notsapaina aloha mba hitsarana ny fahaizany’. (I Timoty 3:10.) Tsy ny fanendrena azy ireo ho amin’io raharaha io anefa no tena zava-kendrena. Ny zava-kendreny dia tokony ho ny hanohy ‘hitana laharana tsara’ amin’ny fanatontosana ny adidiny “amin’ny fomba tsara dia tsara”. (I Timoty 3:13, MN.) Ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana tafaray dia haniry hanampy azy ireny hahatratra an’io zava-kendrena io.

2. Amin’ny ahoana moa ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona no voakasik’izay ataon’ireo mpikarakara momba ny asa?

2 Nasehon’ny apostoly Paoly fa izay rehetra anisan’ny tena ara-panahin’i Kristy dia hahazo soa amin’ny fiaraha-miasa sy amin’ny fifampiahiana (I Korintiana 12:12-31). Toy izany koa, rehefa miantsoroka “amin’ny fomba tsara dia tsara” ny adidy ankinin’Andriamanitra aminy ireo mpikarakara momba ny asa, ny mpikambana tsirairay avy ao anatin’ny kongregasiona dia mandray soa avy amin’izany. Mifanohitra amin’izany, rehefa misy mpikarakara momba ny asa manan-java-manahirana izay misakana azy ireny tsy hanao tsara ny adidiny, ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona dia mety hahita fahasahiranana noho izany.

3. a) Inona avy moa no zava-manahirana iombonan’ny mpanompon’i Jehovah rehetra? b) Nahoana no hahasoa ny hiheverana ny vokatry ny famotopotorana natao vao haingana?

3 Ireo mpanompon’i Jehovah dia samy tokony hanao ady mitovy daholo, ‘ady, tsy amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra’. (Efesiana 6:12.) Etsy andaniny koa, ny tsirairay avy dia tokony hiady amin’ny tsy fahatanterahan’ny tenany sy ny fironana hanota. Amin’ny ankapobeny anefa, ireo mpikarakara momba ny asa dia tojo zava-manahirana amin’ny fomba miavaka kokoa noho ny sokajim-bavolombelona hafa. Mba hanazavana ny teninay, dia hahasoa ny handinihana ireo vokatry ny famotopotorana natao vao haingana tany amin’ny tany iray any Eoropa andrefana teo anilan’ny kongregasiona maherin’ny 320 izay nisy mpikarakara momba ny asa 1 360 tamin’ny fitambarany.

Ny fijanonana ho mpitovo sy ny fanambadiana

4. Ahoana no tokony hiheveran’ireo mpikarakara momba ny asa tsy manambady ny fijanonany ho mpitovo, ary inona no fampaherezana azon’ny kristiana hafa omena azy ireny?

4 Tamin’ny fitambaran’ireo mpikarakara momba ny asa resahina, dia zara raha nisy 10 isan-jato mahery no mbola mpitovo. Tamin’izany izy dia afaka tamin’ny andraikitra sasany iombonan’ireo 90 isan-jato taminy izay nanambady. Ireo rahalahy mpitovo anefa dia tokony hiahy ny amin’ny tsy hampiasana izany fahafahana izany noho ny tombontsoa manokana fotsiny, ohatra mba hanokanana fotoana be loatra amin’ny fialam-boly na ny fivorian’ny mpisakaiza. Hitandrina koa izy ireny mba tsy hahatonga ny faniriany ara-dalàna hanambady hitana ny lohalaharana amin’ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainany (Matio 6:33). Tsy havelany ireo sakaizany manambady hanery azy ireny hiditra amin’ny fanambadiana maika loatra na tsy mampiseho fahendrena. Ny kristiana mifampiahy dia azo antoka fa hanaja ny fijanonan’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana ho mpitovo ka hamporisika azy ireny kosa hanararaotra ny fahafahany lehibe kokoa mba hanokanana fotoana misimisy kokoa ho amin’ny zavatra teokratika, angamba amin’ny fidirana hanao ny fanompoana manontolo andro.

5. Inona no loza mety ho mafimafy kokoa ho an’ireo mpikarakara momba ny asa manambady noho ireo tsy toy izany?

5 Araka ny famotopotorana voalaza eo ambony, dia eo amin’ny 62 isan-jato amin’ireo mpikarakara momba ny asa no raim-pianakaviana. Noho izany, ny fony dia mety ho mora ‘vesaran’ny’ “fiahiahian’izao fiainana izao”. (Lioka 21:34-36.) Noho izany antony izany, raha namporisika hijanona ho mpitovo i Paoly dia nanoratra toy izao: “Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manam-bady kosa miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy (...). Ka izay manome ny zanani-vavy virijina ampakarina [ny maha-virijina azy, MN ] dia manao tsara, ary izay tsy manome azy (...) no manao tsaratsara kokoa.” — I Korintiana 7:32-38.

6. Inona no tokony hataon’ireo mpikarakara momba ny asa manambady, ary iza no afaka manolotra fanipazan-kevitra mahasoa ho azy ireny?

6 Tsy mihevitra akory ireo mpanompon’i Jehovah fa ‘atao any an-danitra ny fanambadiana’, kanefa fantany na dia izany aza fa tena ilaina ny fahendrena avy any ambony mba handaminana ireo zava-manahirana ara-panambadiana (Salamo 19:7; Ohabolana 3:5, 6). Ireo mpikarakara momba ny asa manambady àry dia tokony hanaraka akaiky araka izay azo atao ireo torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hahita fifandanjana tsara izy eo amin’ny fanatanterahana ireo andraikiny ara-panambadiana kanefa tsy hampiasa izany na oviana na oviana ho fialan-tsiny mba hanaovana tsirambina ireo adidiny teokratika eo anivon’ny kongregasiona. Ankoatra ny zavatra hafa, dia tena ilaina ny fandaharana iray noeritreretina tsara. Raha angatahina hanao izany izy, ny mpivady be taona kokoa na za-draharaha kokoa dia angamba ho afaka hanolotra ho an’ny tanora kokoa, fanipazan-kevitra mahasoa amin’io lafiny io.

7. a) Ahoana no mety hahatonga ny fianakavian’ny mpikarakara momba ny asa hisy heriny eo amin’ny fiezahany sy ny fandrosoany ara-panahy? b) Inona no tsy hohadinoin’ireo mpikarakara momba ny asa mikasa ny hanambady?

7 Ny mpikarakara momba ny asa manambady iray dia hahazo fanampiana be dia be amin’ny fanohanana hoentin’ireo mpianakaviny ho azy. Raha mitaky fotoana sy fiheverana be loatra avy aminy ireo na raha mitady zavatra tafahoatra eo amin’ny lafiny ara-nofo, dia miharihary fa hisakana azy tsy handroso amin’ny lafiny ara-panahy izy. Nefa kosa, rehefa manohana ny fiezahany ny fianakaviany manontolo mba ‘hanompoana amin’ny fomba tsara dia tsara’, dia tena fitahiana izy (I Timoty 3:13, MN ). Zava-dehibe tokoa àry, alohan’ny hitarihan’ny fihetseham-pony azy hiditra amin’ny vahivavy iray, ny hitadiavan’ny mpikarakara momba ny asa mpitovo iray hamantatra raha tena hanohana ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy izy io.

Asa sy fitiavana ny zavatra ara-nofo

8. a) Mety ho tojo loza inona mifamatotra amin’ny asany moa ireo mpikarakara momba ny asa? b) Ny fandinihana andinin-teny inona avy ao amin’ny Soratra Masina no mety hanampy azy hiady amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo?

8 Tao amin’ilay famotopotorana voatonona eo ambony, dia mpikarakara momba ny asa valo tamin’ny folo no latsaka ny 60 taona. Noho izany, amin’ny ankapoben’ny toe-javatra, dia manana asa izy ireny mba hamelomana ny tenany sy ny ankohonany. Eo amin’ny dimy amin’ny folo no eo anelanelan’ny 20 sy 40 taona, izany hoe taona ananan’ireo lehilahy eo amin’izao tontolo izao asa tsy mihilangilana, mahatafiditra azy ao amin’ny raharaha iray na itadiavany hahazo fisondrotana mba ho fialofana ara-bola. Noho izany, raha mpikarakara momba ny asa ianao ka ao anatin’izany sokajin-taona izany, dia aza atao ambanin-javatra na oviana na oviana ny loza ateraky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo izay manjaka eo amin’izao tontolo izao izay mety hampaosa anao ara-panahy. Tadidio izao tenin’i Paoly izao: “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (I Timoty 6:8). Jesosy koa dia nanome ohatra tsara dia tsara izay mety hanampy antsika rehetra hiady amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Ho hitanao ao amin’ny Matio 6:19-34 izany.

9. Mifanaraka amin’ny Matio 16:26, inona no lalam-pahendrena, indrindra fa ho an’ireo mpikarakara momba ny asa tanora?

9 Ianareo izay mpikarakara momba ny asa azo lazaina hoe tanora, dia hevero ny olona izay “nahomby” tamin’ny raharaha teo amin’izao tontolo izao na tamin’ny fanangonan-karena, kanefa namela an’i Jehovah ho any ivelan’ny planiny (jereo Ohabolana 16:3; 19:21). Ho fahendrena ve ny hakana ho ohatra ireny olona fatra-pitia ny zavatra ara-nofo sy tsy manana fiainana ara-panahy ireny izay tsy ho ela ny fiainany dia ho voakosoka amin’ny “fahoriana lehibe”? (Matio 24:21.) Mpanompon’i Jehovah iza no haniry hanakalo ny toerany amin’ny an’ireny olona ireny? Raha raisina indray ny tenin’i Jesosy, “inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy”? (Matio 16:26.) Ny lalam-pahendrena dia tsy isalasalana mihitsy fa natao hanorenana ho avy azo antoka miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah fa tsy mba hanorenana ho avy marefo sy tsy maharitra miaraka amin’izao tontolo izao eo am-bavahaona izay mitoetra eo ambany fahefan’i Satana. — I Jaona 5:19.

Ny tsy fivadihana amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

10. Inona no fihetsika narahin’ireo “andian-jatovo” mahafaoka ny mpikarakara momba ny asa eo anoloan’ireo raharaha ara-politika?

10 Ny amin’ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah, dia izao no nolazaina ara-paminaniana: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao [andian-jatovonao, MN ].” (Salamo 110:3). Eo am-pahatanterahany io faminaniana io nanomboka tamin’ny 1914, ary ireo anisan’izany andian-jatovo’ izany, izay tsy mitsahatra ny mihamaro, dia mahatakatra fa tokony hekeny voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra izay Jesosy Kristy nomem-boninahitra no Mpanjakany. Marina fa ireny olona ireny izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra — ary anisan’izany ireo mpikarakara momba ny asa — dia manaiky amin’ny fomba voafetra ireo “fahefana lehibe”, izany hoe ireo fitondram-panjakana. Kanefa, rehefa misy fifanoherana amin’ireny fahefana ireny sy Andriamanitra, dia “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona”. (Romana 13:1; Asan’ny apostoly 5:29.) Raha raisina indray ny tenin’i Jesosy, dia ‘tsy naman’izao tontolo izao’ ireo mpianany. (Jaona 15:19; 18:36.) Mialanalana hatrany àry izy ireny raha ny amin’ny raharaha ara-politikan’ireo firenena, noho ny fahatsapana fa raha hafa noho izany no nataony, dia ho nivadika tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo.

11. Afaka matoky ny amin’ny inona ireo rahalahy voasedra noho ny fihetsiny mialanalana?

11 Ary raha mamoy ny asany ny mpikarakara momba ny asa na kristiana hafa, na mamoy ny fahafahany mihitsy aza noho ny nitanana izany fihetsika kristiana mialanalana izany (Isaia 2:2-4; Jaona 17:16)? Fantany fa ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy dia hanao izay rehetra azony atao mba hanampiana azy ireny ara-panahy sy ara-nofo raha ilaina izany. Toy izany no izy satria mifampiahy ireo mpanompon’i Jehovah. — Jereo Jaona 13:34, 35; I Korintiana 12:24, 25.

Ilaina ny hitomboana amin’ny fanandraman-javatra

12. Inona indrindra moa no tokony hatao mba ‘hahazoana laharana tsara’?

12 Eo amin’ny ampahatelon’ireo mpikarakara momba ny asa nanaovana famotopotorana voalaza eo ambony no Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny folo taona latsaka. Miharihary tokoa fa ireny olona ireny dia nanaiky ny fanampiana sy ny torohevitry ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona za-draharaha kokoa noho izy ireny. Kanefa, mba ‘hahazoana laharana tsara’ dia ilaina ny manohy mianatra amin’ny hafa sy ny mitombo amin’ny fanandraman-javatra. Izany dia milaza koa famerana zava-kendrena manokana tsy tapaka sy fiezahana amim-pieritreretana tsara hanatratra izany. Koa raha irinao amim-pahatsorana ny hanompo noho ny antony mahasoa amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa na raha maniry fatratra hahazo an’io tombontsoa io ianao, nametra zava-kendrena ho an’ny tenanao ve ianao? Ohatra, nahoana ianao no tsy hanapa-kevitra ny hamaky ny Baiboly manontolo manomboka izao ka hatramin’ny daty iray na ho mpitory maharitra mpanampy indraindray?

13. Torohevitra inona avy nomena an’i Timoty no hahasoa tokoa ny rahalahy iray maniry ho tonga mpikarakara momba ny asa na efa toy izany?

13 Raha tanora ianao na tsy ampy fanandraman-javatra dia hahasoa anao tokoa ny teny voasoratra ao amin’ny I Timoty 4:12-15. Marina fa tamin’izany i Paoly dia niteny tamin’ny mpiandraikitra tanora iray, Timoty, kanefa ny ankamaroan’izay nolazainy taminy ny amin’ny teny sy ny fitondrantena dia hahasoa tokoa ny rahalahy rehetra izay maniry ho tonga mpikarakara momba ny asa na efa manao an’io raharaha io. Izao no nosoratan’ilay apostoly: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana. Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona. Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” Amin’ny zavatra inona indrindra moa no tokony hanaovanao fiezahana mba “hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao’? Fero ao amin’ny vavaka izay tokony hataonao, avy eo dia ataovy izany amin’ny fianteherana amin’ny fanampian’i Jehovah.

Ny fomba handresena ny fahakiviana

14, 15. a) Inona no fampaherezana omen’ny Baiboly an’ireo mpikarakara momba ny asa tsy maintsy miady amin’ny taona na ny faharatsian’ny fahasalamana? b) Ahoana no azon’ireny lehilahy ireny amporisihana ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona?

14 Mpikarakara momba ny asa maro no tsy manana intsony ireo zava-manahirana fahitan’ny zazalahy. Efa zokinjokiny anefa izy ireny na manan-java-manahirana ara-pahasalamana, ka izany dia mety hahakivy azy ireny. Kanefa raha matanjaka ara-panahy hatrany ireny kristiana ireny dia hanovo fampaherezana amin’izao teny izao, izay nataon’ny apostoly Paoly ho an’ireo rahalahiny ara-panahy nandray hosotra: “Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny. Fa ny fahorianay maivana izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” (II Korintiana 4:16-18). Ireo mpanompon’i Jehovah manana fanantenana ny ho eto an-tany koa dia manana fahatsinjovan-javatra mampahery aoka izany, dia: ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. — Lioka 23:43, MN; Jaona 17:3.

15 Ireo mpikarakara momba ny asa tsy afaka mandany hery toy ny hafa noho ny faharatsian’ny fahasalamany na ny taonany dia rariny tokoa raha ho falifaly hatrany sy hanana fijery manorina. Hasehony amin’izany ny fiheverany ho sarobidy tokoa ny fahamarinana sy ny finoany lalina ireo zavatra ara-panahy. Ambonin’izany, io toe-tsaina tsara io, ampiarahina amin’ny asa atao amim-panetren-tena dia hahasoa tokoa sy hampahery ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona.

16. Nahoana moa ny mpikarakara momba ny asa iray no tsy tokony ho kivy satria tsy voatendry ho loholona?

16 Raha mpikarakara momba ny asa ianao, dia manohiza ‘maniry ny asan’ny mpiandraikitra’ amin’ny fanatsarana ny fahaizanao mampianatra sy ireo toetranao ara-panahy (I Timoty 3:1, MN ). Aza ketraka anefa raha tsy voatendry haingana ho loholona ianao. Aza hadinoina fa raha toa, amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa, ka miantsoroka ny andraikitrao “amin’ny fomba tsara dia tsara” ianao, dia manompo noho ny antony mahasoa ary sarobidy tokoa ho an’ny kongregasiona. Tombontsoa lehibe ny manompo amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah sy ny manampy ireo rahalahy hiantsoroka ny asa kristiana ho fitoriana ilay Fanjakana. — Matio 24:14; 28:19, 20.

Azo atao ny manampy azy ireny

17. Ahoana no mety hanampian’ny vady aman-janany ny mpikarakara momba ny asa iray?

17 Noho ny fahatakarana fa tena mahasoa ny asa tontosain’ireo mpikarakara momba ny asa, ireo mpanompon’i Jehovah hafa dia tokony ho vonona hanohana ny fiezahan’izy ireo. Ohatra, ho mora kokoa amin’ny mpikarakara momba ny asa iray ny hanohy ‘hanompo amin’ny fomba tsara dia tsara’ raha toa ny vadiny sy ireo zanany ka mianina amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana ary tsy mitaky zavatra tafahoatra maro hahatonga azy ho voatery hanao fiezahana amboniny amin’ny asany tsy ara-pivavahana. — I Timoty 6:6-8.

18. a) Ahoana no azon’ny loholona anampiana ny mpikarakara momba ny asa? b) Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny hisian’ny fifandraisana tsara eo amin’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa?

18 Ireo loholona dia hanampy ireo mpikarakara momba ny asa amin’ny fanomezana azy ireny ny fitarihana sy ny torohevitra ilainy angamba. Tsy hanadino ny hidera azy ireny koa izy raha mandroso izy ireny. Azony atao, ankoatra ny zavatra hafa, ny miaraka amin’izy ireny amin’ny fanompoana isan-trano, ny manampy azy hanomana ny famelabelarana hataony sy manao izay handraisany soa amin’ny fanandraman-javatra kristiana betsaka efa nataony. Toa tsy natao foana izany. Ohatra, indray andro ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray dia niresaka tamin’ny mpikarakara momba ny asa iray ny amin’ny filazana asany tsy dia tsara, dia namaly azy toy izao ilay niresahany: “Nahoana no miresaka ny amin’izany amiko ianao? Efa naharitra taona maro izany, nefa ianao no voalohany niresaka ny amin’izany tamiko.” Rehefa manome amim-pitiavana torohevitra manorina ho an’ireo mpikarakara momba ny asa izy ireny ka manampy azy amim-paharetana handamina ny zava-manahirana azy, dia matetika ireo loholona no manana fifaliana mahatsapa vokany miavaka.

19. Ahoana no azon’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona anampiana ireo mpikarakara momba ny asa hitana ny laharany tsara?

19 Raha ny marina, ny tsirairay avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia afaka manampy ireo mpikarakara momba ny asa hitana ny laharany tsara. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fiaraha-miasa amin’izy ireny sy amin’ny fanehoana fankasitrahana amim-pahatsorana noho ny asany. Toy ny iasan’ny momba ny tenantsika rehetra amin’ny fomba mirindra amin’ny fotoana ara-dalàna mba hiarovana ny fahasalamantsika ara-batana, dia toy izany koa fa ny kristiana rehetra dia tokony hiara-hiasa mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasiona (jereo I Korintiana 12:24, 25). Ireo mpikarakara momba ny asa be zotom-po tokoa izay manompo noho ny antony mahasoa ka noho izany dia mahazo laharana tsara, dia mandray anjara be dia be amin’izany. Enga anie izy ireny, dia izy sy ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky rehetra, hibanjina ny ho avy izay hitondra ho azy ireny, fahasambarana mandrakizay ka hanohy amim-piraisan-tsaina tsara, hampifaly ny fon’ilay “Andriamanitra sambatra”. — I Timoty 1:11, MN; Ohabolana 27:11.

Hazavao

◻ Mety ho tojo zava-manahirana inona avy ireo mpikarakara momba ny asa?

◻ Ahoana no hanampian’ny vady aman-janaky ny mpikarakara momba ny asa azy?

◻ Ahoana no azon’ireo loholona anampiana ny mpikarakara momba ny asa?

◻ Ahoana no hanampian’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona ny mpikarakara momba ny asa?

[Sary, pejy 20]

Ireo mpikarakara momba ny asa dia tokony hiantsoroka amim-pahatokiana ny andraikiny eo anivon’ny kongregasiona sy amin’ny asa fanaovana mpianatra.

[Sary, pejy 23]

Ireo mpikarakara momba ny asa efa zokinjokiny dia afaka manao zavatra be dia be mba hanampiana sy hampaherezana ny kongregasiona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara