Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1994
Toromarika
Mandritra ny taona 1994, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
BOKY HIANARANA: Ny Baiboly, ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina [uw], “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile” [si] sy Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany [gt] ary ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly [td], no hiorenan’ireo anjara.
Hanomboka amin’ny hira sy ny vavaka ary teny fiarahabana tonga soa ny sekoly ary avy eo dia ho toy izao ny fizotrany:
ANJARA VOAL.: 15 minitra. Loholona iray na mpikarakara momba ny asa mahay iray no tokony hanao itỳ lahateny itỳ. Hiorina amin’ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile” izany. Tokony haseho ho toy ny lahateny fampianarana 10 ka hatramin’ny 12 minitra itỳ anjara itỳ, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra izay hampiasana ireo fanontaniana ao amin’ilay boky. Tsy ny fandinihana ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny antony maha-azo ampiharina ilay fanazavana resahina, amin’ny fanasongadinana izay hahasoa indrindra ny kongregasiona. Ny loha hevitra aseho no tokony hampiasaina. Ampirisihina ny rehetra mba hanao fanomanana mialoha amim-pitandremana mba handraisana soa feno avy amin’io zavatra ianarana io.
Tokony hitandrina mba tsy hihoatra ny fotoana ireo rahalahy notendrena hanao io lahateny io. Azo atao ny manome torohevitra manokana raha ilaina izany.
HEVI-DEHIBE AVY AMIN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY: 6 minitra. Itỳ dia tokony hataon’ny mpiandraikitra ny sekoly na loholona hafa iray na mpikarakara momba ny asa, izay hampihatra amin’ny fomba mandaitra ny zavatra dinihina amin’izay ilaina eo an-toerana. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ilay natao hovakina itỳ. Fero ho 30 ka hatramin’ny 60 segondra ny famerenana amin’ny ambangovangony ireo toko natao hovakina. Ny zava-kendrena lehibe indrindra dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ary hoe amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasy samihafa ireo mpianatra.
ANJARA FAHA-2: 5 minitra. Itỳ dia famakiana ilay fizarana nasaina novakina, hataon’ny rahalahy iray. Hampiharina ao amin’ny kilasy lehibe ary koa ao amin’ireo kilasy hafa izany. Mazàna dia fohy ireo fizarana nasaina novakina mba hahafahan’ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy ny teny famaranana hataony. Azo ampidirina ao amin’izany ny fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na ara-pampianarana sy fampiharana fotopoto-pitsipika. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy ireo andinin-teny rehetra raha ny marina. Mazava ho azy fa rehefa tsy misesy ireo andinin-teny tokony hovakina, dia azon’ilay mpianatra atao ny manonona ilay andinin-teny izay hitohizan’ny famakian-teny.
ANJARA FAHA-3: 5 minitra. Homena ireo anabavy itỳ anjara itỳ. Hiorina amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ny foto-kevitra amin’itỳ anjara itỳ. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra notendrena hanao azy. Azon’ilay mpianatra atao ny mipetraka na mitsangana rehefa manao ilay anjara. Hanendry mpanampy azy iray ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy azy fanampiny. Tsara kokoa raha asa fanompoana na fanaovana fanambarana tsy ara-potoana no faritra fidina. Ilay manana ny anjara dia mahazo manomboka ilay resaka mba hamaritana ilay faritra, na mangataka ny (ireo) mpanampy azy hanao izany. Tsy ny faritra akory no tokony homena fiheverana lehibe indrindra fa ilay fanazavana. Tokony hampiasa ilay loha hevitra voatondro ilay mpianatra.
ANJARA FAHA-4: 5 minitra. Asaina hataon’ny rahalahy iray na ny anabavy iray itỳ. Hiorina amin’ny bokikely “Foto-dresaka Araka ny Baiboly” izany. Rehefa rahalahy no voatendry hanao azy, dia tokony ho lahateny ho an’ny mpanatrika rehetra izany. Mazàna tsara indrindra ny hanomanan’ilay rahalahy itỳ anjara itỳ amin’ny fieritreretana an’ireo mpanatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba tena handraisan’ireo mandre azy fampianarana sy soa tokoa. Kanefa, raha mifanentana kokoa sy mifandray tsara kokoa amin’ny faritra misy karazana mpihaino hafa ilay fanazavana, dia mahazo mifidy ny hamelabelatra ny anjarany araka izany ilay rahalahy. Tokony hampiasa ilay loha hevitra voatondro ilay mpianatra.
Rehefa anabavy no voatendry hanao azy, dia tokony haseho araka ny voasoritra ho an’ny Anjara faha-3 ilay fanazavana.
TOROHEVITRA SY FANAMARIHANA: Aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay, dia hanome torohevitra voafaritra tsara ny mpiandraikitra ny sekoly, kanefa tsy voatery hanaraka ny filaharan’ireo torohevitra voalaza ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny lahateny. Tokony hifantoka amin’ireo lafin-javatra izay ilan’ilay mpianatra hihatsarana kosa izy. Raha mendrika ny hahazo “T” ilay mpianatra, ka tsy misy toetra hafa voamarika hoe “M” na “I”, ilay mpanome torohevitra dia tokony hanisy faribolana eo amin’ilay faritra fametrahana ny hoe “T”, “M” na “I”, mifanandrify amin’ilay toetra takina tokony hotandreman’ilay mpianatra amin’ny manaraka. Hampahafantatra ny amin’izany an’ilay mpianatra izy amin’io hariva io ary hametaka io toetra takina io eo amin’ny taratasy Fanomezana Anjara Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (S-89). Ireo manana anjara dia tokony hipetraka eny aloha ao amin’ny efitrano. Izany dia hampitsitsy fotoana ary mba hahafahan’ny mpiandraikitra ny sekoly hanome ny toroheviny mivantana amin’ny mpianatra tsirairay avy. Raha mamela hanao izany ny fotoana aorian’ny nanomezana ny torohevitra am-bava ilaina, dia azon’ilay mpanome torohevitra atao ny milaza hevitra ahitana fianarana sy azo ampiharina izay tsy noresahin’ireo mpianatra. Tokony hitandrina ny mpiandraikitra ny sekoly mba tsy handany mihoatra ny roa minitra ho an’ny torohevitra sy izay fanamarihana fohy hafa rehetra ataony aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay avy. Raha misy hokianina amin’ny fampisehoana ireo hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny manome torohevitra mitokana.
FANOMANANA IREO ANJARA: Alohan’ny hanomanany ny anjarany, ilay mpianatra dia tokony hamaky amim-pitandremana ilay fanazavana ao amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika miresaka momba ilay toetra takina hotandremany. Tokony hifidy loha hevitra iray mifanentana amin’ny tapany amin’ny Baiboly tokony hovakina ireo mpianatra voatendry hanao ny anjara faharoa. Hovelabelarina mifanaraka amin’ny loha hevitra voatondro ao amin’ny fandaharana ireo anjara hafa.
FAHARETANY: Tsy tokony hisy anjara hihoatra ny fotoana. Torak’izany koa ireo torohevitra sy fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Tokony hofaranana amim-pahaiza-mandanjalanja ireo anjara faha-2 ka hatramin’ny faha-4 rehefa tapitra ny fotoanany. Tokony hanao izany avy hatrany ilay notendrena hanome ny fampahafantarana ny fahataperan’ny fotoana. Rehefa mihoatra ny fotoana ireo rahalahy mamelabelatra ny anjara voalohany sy ireo hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly, dia tokony homena torohevitra mitokana. Tokony hitandrina tsara ny amin’ny faharetan’ny anjarany ny rehetra. Fandaharana manontolo: 45 minitra, tsy tafiditra amin’izany ny hira sy ny vavaka.
FAMERENANA AN-TSORATRA: Hisy famerenana an-tsoratra ara-potoana. Ho fiomanana ho amin’izany, dia jereo indray ireo lesona nianarana ary tapero ny famakiana Baiboly tafiditra tao amin’ny fandaharana. Ny Baiboly ihany no boky azo ampiasaina mandritra ny famerenana haharitra 25 minitra. Ny fotoana tavela dia hatokana ho an’ny fandinihana ireo fanontaniana sy valiny. Samy hitsara ny taratasiny ny mpianatra. Handinika ny valiny miaraka amin’ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny sekoly ka hifantoka amin’ireo sarotra kokoa, ary hanampy ny rehetra hahatakatra mazava tsara ireo valiny. Raha misy antony aneren’ny toe-javatra eo an-toerana ny hanaovana ny famerenana an-tsoratra herinandro aorian’izay voalaza eo amin’ny fandaharana, dia azo atao izany.
KONGREGASIONA LEHIBE: Ireo kongregasiona misy mpianatra eo amin’ny 50 na mahery misoratra anarana dia mety haniry ny handamina ny hisian’ny antokona mpianatra hafa hanao ireo anjara voatendry eo anoloan’ny mpanome torohevitra hafa. Mazava ho azy fa ireo olona tsy vita batisa izay manana fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana dia mahazo misoratra anarana koa ary hahazo anjara.
TSY FAHATONGAVANA: Afaka mampiseho ny fankasitrahany an’io sekoly io ny rehetra ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fiezahana ho tonga amin’ny fianarana rehetra atao isan-kerinandro, amin’ny fanomanana tsara ny anjarany, ary amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fotoam-pivoriana misy fanontaniana. Antenaina fa hihevitra ny anjarany amim-pitandremana ny mpianatra rehetra. Raha tsy tonga ny mpianatra iray voatendry amin’ny fandaharana, dia azon’ny olona iray atao ny manolo-tena hanao ny anjarany, ka hanao fampiharana izay heveriny fa ho vitany ao anatin’ny fotoana fohy toy izany izy. Na, azon’ny mpiandraikitra ny sekoly atao ny mandinika ilay zavatra ianarana amin’ny fampandraisana anjara ny mpanatrika rehefa mety izany.
FANDAHARANA
3 Jan. Famakiana Baiboly: Nehemia 9-11
Hira 2
No. 1: Ny Fomba Ahazoana ny Tena Firaisan-tsaina Kristiana (uw p. 5-7, feh. 1-7)
No. 2: Nehemia 9:4, 26-33, 36-37
No. 3: Fanaovan-javatra Izay Tena Misy Vidiny Amin’Andriamanitra (gt toko 83)
No. 4: td 54A Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Tany
10 Jan. Famakiana Baiboly: Nehemia 12, 13
Hira 129
No. 1: Nehemia — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (siF p. 86-87, feh. 16-19)
No. 2: Nehemia 13:15-18, 23-31
No. 3: Ny Andraikitry ny Mpianatra Iray (gt toko 84)
No. 4: td 54D Tsy ho Rava na ho Foana Mihitsy ny Tany
17 Jan. Famakiana Baiboly: Estera 1-5
Hira 132
No. 1: Teny Fampidirana ny Estera (siF p. 87-88, feh. 1-6)
No. 2: Estera 4:6-17
No. 3: Mitandrema Amin’ny Fanamarinan-tena ary Ankasitraho ny Fanetren-tena (gt toko 85)
No. 4: td 49A Fomba Hamantarana Ireo Mpaminany Sandoka
24 Jan. Famakiana Baiboly: Estera 6-10
Hira 133
No. 1: Estera — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (siF p. 89-90, feh. 16-18)
No. 2: Estera 6:1-13
No. 3: Ilay Zanakalahy Very sy ny Rainy Be Fitiavana (gt toko 86 feh. 1-9)
No. 4: td 22A Nahoana no Zava-dehibe ny Fanasitranana Ara-panahy
31 Jan. Famakiana Baiboly: Joba 1-3
Hira 62
No. 1: Teny Fampidirana ny Joba (siF p. 90-91, feh. 1-6)
No. 2: Joba 2:1-13
No. 3: Misy Vokany Amin’ny Hafa ny Fiverenan’ilay Zanaka Very (gt toko 86 feh. 10-20)
No. 4: td 22B Hitondra Fanasitranana Ara-batana Haharitra ny Fanjakan’Andriamanitra
7 Feb. Famakiana Baiboly: Joba 4-6
Hira 158
No. 1: Ireo Lafin-javatra Fototra ho Amin’ny Firaisan-tsaina Kristiana (uw p. 8, feh. 8-8 [3])
No. 2: Joba 6:1-11, 29, 30
No. 3: Miharia Amim-pahendrena Azo Ampiharina (gt toko 87)
No. 4: td 22D Fanasitranana Amin’ny Andro Ankehitriny Tsy Porofon’ny Fankasitrahan’Andriamanitra
14 Feb. Famakiana Baiboly: Joba 7-9
Hira 213
No. 1: Ireo Lafin-javatra Mahatonga Firaisan-tsaina Kristiana (uw p. 9, feh. 8 [4]-9)
No. 2: Joba 9:1-15
No. 3: Ilay Mpanankarena sy i Lazarosy (gt toko 88 feh. 1-10)
No. 4: td 22E Fandaharana Vonjimaika Ihany ny Fahaizana Niteny Tamin’ny Fiteny Tsy Fantatra
21 Feb. Famakiana Baiboly: Joba 10-12
Hira 191
No. 1: Manalavitra Ireo Fitaomana Mampisaratsaraka ny Kristiana Marina (uw p. 10-11, feh. 10-12)
No. 2: Joba 12:1-16
No. 3: Ny Hevitr’ilay Fanoharana Momba Ilay Mpanankarena sy i Lazarosy (gt toko 88 feh. 11-21)
No. 4: td 48B 144 000 Monja no Mankany An-danitra
28 Feb. Famakiana Baiboly: Joba 13-15
Hira 97
No. 1: Fantaro ka Ankasitraho i Jehovah (uw p. 12-13, feh. 1-4)
No. 2: Joba 13:1-13
No. 3: Fanirahana Hanao Asam-pamindram-po Tany Jodia (gt toko 89)
No. 4: td 31B Tsy Misy Afo Ara-bakiteny ao Amin’ny Afobe
7 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 16-18
Hira 185
No. 1: Manahafa ny Oha-pitiavana Nasehon’i Jehovah (uw p. 14-15, feh. 5-7)
No. 2: Joba 16:1-11, 22
No. 3: Miresaka ny Amin’ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty i Jesosy (gt toko 90)
No. 4: td 31D Mariky ny Fanafoanana ny Afo
14 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 19, 20
Hira 85
No. 1: Ampio ny Olona Hianatra ny Fahamarinana Momba An’Andriamanitra (uw p. 15-17, feh. 8-11 [2])
No. 2: Joba 19:14-29
No. 3: Manangana an’i Lazarosy amin’ny Maty i Jesosy (gt toko 91)
No. 4: td 31F Fitantarana Lehilahy Nanankarena sy i Lazarosy Tsy Manaporofo Fijaliana Mandrakizay
21 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 21, 22
Hira 95
No. 1: Tokana Ihany i Jehovah (uw p. 17-18, feh. 11 [3]-12)
No. 2: Joba 21:19-34
No. 3: Manehoa Fankasitrahana Noho ny Hatsaram-pon’Andriamanitra (gt toko 92)
No. 4: td 3B Tsy Nitandrina ny Fitsingerenan’ny Nahaterahana na ny Noely Ireo Kristiana Voalohany
28 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 23-26
Hira 138
No. 1: Ny Hevitry ny hoe Mandeha Amin’ny Anaran’Andriamanitra (uw p. 18-19, feh. 13-15)
No. 2: Joba 24:1, 2, 14-25
No. 3: Rehefa Haharihary ny Zanak’olona (gt toko 93)
No. 4: td 52A Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fampiasana Sary Amin’ny Fanompoam-pivavahana
4 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 27-29
Hira 180
No. 1: Ampio ny Hafa Hanaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra (uw p. 20-22, feh. 1-6)
No. 2: Joba 29:2-18
No. 3: Ny Ilana Hivavaka sy Hanetry Tena (gt toko 94)
No. 4: td 52B Nahatonga ny Fahaverezan’ny Isiraely ny Fivavahana Tamin’ny Sary
11 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 30, 31
Hira 46
No. 1: Vakio Isan’andro ny Baiboly (uw p. 23-25, feh. 7-11)
No. 2: Joba 31:23-37
No. 3: Fianarana Momba ny Fisaraham-panambadiana sy ny Fitiavana Ankizy (gt toko 95)
No. 4: td 52D Tsy Eken’Andriamanitra ny Fanompoam-pivavahana “Miankina Amin-javatra”
18 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 32, 33
Hira 59
No. 1: Mianara mba Hahafantarana Momba an’i Jehovah (uw p. 25-26, feh. 12-12 [1])
No. 2: Joba 33:1-6, 23-33
No. 3: I Jesosy sy ny Filoha Tanora Nanankarena Iray (gt toko 96)
No. 4: td 19A Tsy tonga noho ny Fanakambanam-pinoana ny Tena Firaisan-tsaina
25 Apr. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Nehemia 9 — Joba 33
Hira 42
2 May Famakiana Baiboly: Joba 34-36
Hira 47
No. 1: Diniho ny Loha Hevitry ny Baiboly sy ny Teny Manodidina An’ireo Andinin-teny (uw p. 26, feh. 12 [2] sy 12 [3])
No. 2: Joba 34:1-15
No. 3: Ny Fanoharana Nataon’i Jesosy ny Amin’ny Tanimboaloboka (gt toko 97)
No. 4: td 19B Diso ny Filazana fa “Misy Marina Kely ao Amin’ny Fivavahana Rehetra”
9 May Famakiana Baiboly: Joba 37, 38
Hira 162
No. 1: Manaova fampiharana Manokana ary Zarao Amin’ny Hafa Izay Nianaranao (uw p. 26-28, feh. 12 [4]-13)
No. 2: Joba 37:5-14, 23, 24
No. 3: Manomana ny Mpianany ho Amin’izay Miandry Azy i Jesosy (gt toko 98)
No. 4: td 43A Tokony Hampiasa ny Anarana Manokan’Andriamanitra ny Kristiana
16 May Famakiana Baiboly: Joba 39, 40
Hira 105
No. 1: Izay Nambaran’ireo Mpaminany Momba An’i Jesosy (uw p. 29-31, feh. 1-6)
No. 2: Joba 40:1-14
No. 3: Namerina ny Zanak’i Abrahama Very Iray i Jesosy (gt toko 99)
No. 4. td 43D Ireo Fahamarinana Momba ny Fisian’Andriamanitra
23 May Famakiana Baiboly: Joba 41, 42
Hira 106
No. 1: Joba — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (siF p. 95, feh. 39-43)
No. 2: Joba 42:1-10, 12-17
No. 3: Ny Fanoharana ny Amin’ireo Farantsa (gt toko 100)
No. 4: td 43E Fahafantarana Ireo Toetran’Andriamanitra
30 May Famakiana Baiboly: Salamo 1-6
Hira 168
No. 1: Teny Fampidirana ny Salamo — Tapany 1 (siF p. 96, feh. 1-5)
No. 2: Salamo 2:1-12
No. 3: Miaro an’i Maria Noho ny Asa Tsara dia Tsara Nataony i Jesosy (gt toko 101)
No. 4: td 43G Tsy Manompo Andriamanitra Iray Ihany ny Rehetra
6 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 7-10
Hira 138
No. 1: Teny Fampidirana ny Salamo — Tapany Faha-2 (siF p. 96-97, feh. 6-11)
No. 2: Salamo 8:1–9:5
No. 3: Ny Nidiran’i Kristy Tamim-pandresena tao Jerosalema (gt toko 102)
No. 4: td 58A Fiandohan’ny Vavolombelon’i Jehovah
13 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 11-17
Hira 64
No. 1: Hevero Amim-pitandremana Ireo Sary Ara-paminaniana (uw p. 32-33, feh. 7-8 [2])
No. 2: Salamo 14:1–15:5
No. 3: Manameloka Ireo Izay Mandoto ny Tempolin’Andriamanitra i Jesosy (gt toko 103)
No. 4: td 44B Jesosy no Zanak’Andriamanitra sy Mpanjaka Voatendry
20 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 18-20
Hira 79
No. 1: Naseho An-tsary Mialoha Ilay Mpisoronabentsika (uw p. 33, feh. 8 [3] sy 8 [4])
No. 2: Salamo 19:1-14
No. 3: Re Fanintelony ny Feon’Andriamanitra (gt toko 104)
No. 4: td 44E Zava-dehibe mba Hahazoana Famonjena ny Finoana An’i Jesosy
27 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 21-24
Hira 144
No. 1: Nahoana no Zava-dehibe ny Fibebahana sy ny Finoana (uw p. 33-37, feh. 9-14)
No. 2: Salamo 23:1–24:10
No. 3: Izay Asehon’ilay Aviavy Nozonina (gt toko 105)
No. 4: td 44F Tsy Ampy ny Mino An’i Jesosy
4 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 25-29
Hira 160
No. 1: Mitondra ny Tena Fahafahana ny Fankatoavana An’Andriamanitra (uw p. 38-40, feh. 1-5)
No. 2: Salamo 26:1-12
No. 3: Ny Fomba Nanalana Sarona An’ireo Filoha Ara-pivavahana (gt toko 106)
No. 4: td 27B Izay Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho An’ny Olombelona
11 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 30-33
Hira 130
No. 1: Ny Hahitana ny Tena Fahafahana Amin’izao Andro Izao (uw p. 40-42, feh. 6-9)
No. 2: Salamo 32:1-11
No. 3: Izay Asehon’ilay Fanoharana ny Amin’ny Fanasana Amin’ny Fampakaram-bady (gt toko 107)
No. 4: td 27D Manomboka ny Fanapahan’ilay Fanjakana Raha Mbola Miasa Ireo Fahavalon’i Kristy
18 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 34-36
Hira 167
No. 1: Fanandevozana Raha ny Marina ny Fahafahana Ampanantenain’izao Tontolo (uw p. 42-43, feh. 10-12)
No. 2: Salamo 36:1-12
No. 3: Tsy Nahafandrika An’i Jesosy Izy ireo (gt toko 108)
No. 4: td 27F Tsy Tonga Noho ny Fiezahan’ny Olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra
25 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 37-39
Hira 109
No. 1: Ny Fomba Hamantarana ny Fifaneraserana Ratsy (uw p. 44-45, feh. 13, 14)
No. 2: Salamo 37:23-38
No. 3: Manameloka An-karihary Ireo Mpanohitra Azy i Jesosy (gt toko 109)
No. 4: td 2A Ny Hevitry ny Hoe “Faran’izao Tontolo Izao”
1 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 40-44
Hira 207
No. 1: Ilay Raharaha Lehibe Tsy Maintsy Atrehin’ny Olona Tsirairay (uw p. 46-47, feh. 1-3)
No. 2: Salamo 41:1-13
No. 3: Vita ny Fanompoan’i Jesosy tao Amin’ny Tempoly (gt toko 110)
No. 4: td 2B Miambena Hatrany Raha ny Amin’ny Porofon’ny Andro farany
8 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 45-49
Hira 190
No. 1: Tahafo ny Finoan’ireo Olona Tsy Nivadika (uw p. 47-52, feh. 4-11
No. 2: Salamo 45:1-7, 10-17
No. 3: Manome ny Famantarana ny Andro Farany i Jesosy (gt toko 111, feh. 1-11)
No. 4: td 30B Mampanantena Fiainana Mandrakizay ho An’ny Olona Mankato Andriamanitra
15 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 50-52
Hira 170
No. 1: Manome Voninahitra an’i Jehovah ny Fahamarinana (uw p. 52-54, feh. 12-15)
No. 2: Salamo 51:1-17
No. 3: Miresaka Bebe Kokoa Momba ny Andro Farany i Jesosy (gt toko 111, feh. 12-19)
No. 4: td 30E Ireo Anisan’ny Tenan’i Kristy Ihany no Mankany An-danitra
22 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 53-57
Hira 103
No. 1: Izay Ianarantsika avy Amin’ny Famelan’Andriamanitra ny Ratsy Hisy (uw p. 55-57, feh. 1-7)
No. 2: Salamo 55:1, 2, 12-23
No. 3: Ireo Virijiny Hendry sy Ireo Virijiny Adala (gt toko 111, feh. 20-28)
No. 4: td 30F Fiainana Mandrakizay eto An-tany Ampanantenaina ny Olona Tsy Voafetra ny Isany
29 Aog. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Joba 34 — Salamo 57
Hira 34
5 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 58-62
Hira 50
No. 1: Tsy Misy Tsy Rariny Velively Ao Amin’Andriamanitra (uw p. 58-61, feh. 8-16)
No. 2: Salamo 62:1-12
No. 3: Ny Fanoharana ny Amin’ireo Talenta (gt toko 111, feh. 29-37)
No. 4: td 20B Tokony ho Firaisana Mendri-kaja ny Fanambadiana
12 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 63-67
Hira 45
No. 1: Miantehera Amin’i Jehovah — Tohero Ireo Fanahy Ratsy (uw p. 62-64, feh. 1-5)
No. 2: Salamo 65:1-13
No. 3: Rehefa ho Tonga ao Amin’ny Fahefan’ilay Fanjakana i Kristy (gt toko 111, feh. 38-46)
No. 4: td 20D Fotopoto-pitsipika Momba ny Fahefana Tsy Maintsy Hajain’ny Kristiana
19 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 68, 69
Hira 82
No. 1: Mitandrema Amin’ireo Tetika Feno Hafetsen-dratsin’ny Devoly (uw p. 64-67, feh. 6-12)
No. 2: Salamo 68:1-11, 32-35
No. 3: Antomotra ny Paska Farany Hankalazain’i Jesosy (gt toko 112)
No. 4: td 20E Andraikitry ny Ray Aman-dreny Kristiana Amin’ny Zanany
26 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 70-73
Hira 73
No. 1: Tafio Ny Fiadiana Feno avy Amin’Andriamanitra (uw p. 67-69 feh. 13-15)
No. 2: Salamo 72:1-20
No. 3: Manome Fianarana Momba ny Fanetren-tena i Jesosy (gt toko 113)
No. 4: td 20F Ny Samy Kristiana no Tokony Hivady
3 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 74-77
Hira 113
No. 1: Ny Fahalalana sy ny Finoana ary ny Fitsanganana Amin’ny Maty (uw p. 70-73 feh. 1-7)
No. 2: Salamo 76:1-12
No. 3: Manorina ny Fahatsiarovana i Jesosy (gt toko 114)
No. 4: td 20G Tsy Mampirafy ny Tena Kristiana
10 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 78, 79
Hira 18
No. 1: Manana ny Fanalahidin’ny Fahafatesana sy ny Hadesy i Jesosy (uw p. 73-77, feh. 8-15)
No. 2: Salamo 79:1-13
No. 3: Mampianatra Amim-paharetana ny Mpianany Momba ny Fitiavana sy ny Fanetren-tena i Jesosy (gt toko 115)
No. 4: td 39A Renin’i Jesosy Maria fa Tsy “Renin’Andriamanitra”
17 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 80-85
Hira 93
No. 1: Ampitomboy ny Fahalalanao Ilay Fanjakana Haharitr’Andriamanitra (uw p. 78-81, feh. 1-9)
No. 2: Salamo 83:1-18
No. 3: Manomana Ireo Apostoly ny Amin’ny Hiaingany i Jesosy (gt toko 116, feh. 1-14)
No. 4: td 39D Tsy “Virijina Foana” Akory i Maria
24 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 86-89
Hira 57
No. 1: Hanatanteraka ny Fikasan’Andriamanitra Tany Am-boalohany Ilay Fanjakana (uw p. 81-82, feh. 10-12)
No. 2: Salamo 86:1-17
No. 3: Ireo Tena Sakaizan’i Jesosy (gt toko 116, feh. 15-25)
No. 4: td 13A Izay Lazain’ny Soratra Masina Momba ny Fahatsiarovana
31 Okt. Famakiana Baiboy: Salamo 90-94
Hira 190
No. 1: Izay Efa Notanterahin’ilay Fanjakana (uw p. 83-86, feh. 13-15)
No. 2: Salamo 90:1-17
No. 3: Mampiomana sy Mampahery ny Mpianany i Jesosy (gt toko 116, feh. 26-37)
No. 4: td 13B Tsy Araka ny Baiboly ny Fankalazana Lamesa
7 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 95-101
Hira 172
No. 1: Ny Fomba Hikatsahantsika Voalohany Indrindra Ilay Fanjakana (uw p. 87-89 feh. 1-6)
No. 2: Salamo 100:1–101:8
No. 3: Vavaka Famaranana Nataon’i Jesosy Tao Amin’ny Efitrano Ambony (gt toko 116, feh. 38-51)
No. 4: td 36A Manana Adidy Hitory ny Kristiana Rehetra
14 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 102-104
Hira 1
No. 1: Araho ny Modelin’ireo Mpianatra Voalohany (uw p. 90-91 feh. 7-9)
No. 2: Salamo 103:1-14, 21, 22
No. 3: Fadiranovana Mafy Tao Amin’ny Zaridaina (gt toko 117)
No. 4: td 36F Asehon’ny Baiboly fa Nitory ny Vehivavy sy ny Ankizy
21 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 105, 106
Hira 201
No. 1: Hazòny ho eo Amin’ny Toerana Voalohany eo Amin’ny Fiainanao Ilay Fanjakana (uw p. 91-94, feh. 10-15)
No. 2: Salamo 106:1-12, 47, 48
No. 3: Ny Famadihana sy ny Fisamborana An’i Jesosy (gt toko 118)
No. 4: td 28A Ny Antony Hankahalana ny Tena Kristiana
28 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 107-109
Hira 202
No. 1: Izay Lazain’ny Soratra Masina Momba ny Batisa Nataon’i Jaona (uw p. 95-96, feh. 1-5)
No. 2: Salamo 108:1-13
No. 3: Nentina Tamin’ny Fomba Nihoa-pampana sy Notsaraina Tamin’ny Fomba Tsy Ara-dalàna i Jesosy (gt toko 119)
No. 4: td 28D Vehivavy Tsy Tokony ho Voatariky ny Vadiny Hiala Amin’ Andriamanitra
5 Des. Famakiana Baiboly: Salamo 110-115
Hira 17
No. 1: Ny Batisa ho ao Amin’ny Fahafatesana (uw p. 97-98, feh. 6-8)
No. 2: Salamo 110:1-7; 114:1-8
No. 3: Manosika An’i Petera Handa An’i Kristy ny Tahotra Olona (gt toko 120)
No. 4: td 28E Lehilahy Tsy Hanaiky Hosakanan’ny Vadiny Tsy Hanompo An’Andriamanitra
12 Des. Famakiana Baiboly: Salamo 116-119:32
Hira 195
No. 1: Ny Batisa “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina” (uw p. 98, feh. 9)
No. 2: Salamo 116:1-19
No. 3: Milaza Amin-kerim-po ny Fahamarinana eo Anatrehan’ny Synedriona sy i Pilato i Jesosy (gt toko 121)
No. 4: td 57A Ireo Vavaka Henoin’Andriamanitra
19 Des. Famakiana Baiboly: Salamo 119:33-112
Hira 59
No. 1: Ny Batisa sy Ireo Andraikitra Kristiana (uw p. 99-102, feh. 10-14)
No. 2: Salamo 119:97-112
No. 3: Tsy Mahita Fahadisoana Mihitsy ao Amin’i Jesosy na i Pilato na i Heroda (gt toko 122)
No. 4: td 57D Ny Antony Tsy Ihainoana ny Vavaka Sasany
26 Des. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Salamo 58 — 119:112
Hira 155