Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Janoary
Herinandron’ny 4 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampahatsiahivo ny rehetra hampiasa taratasy fanasana izay mampiseho ny fandaharam-potoana vaovao, raha miova ny fotoam-pivoriana amin’ny 1 Janoary.
15 min: “Ampiasao Tsara Ireo Boky Tranainy”. Fanontaniana sy valiny. Tanisao ireo boky tranainy ao amin’ny tahiry eo an-toerana. Lazao ny lafin-javatra mahaliana sasany ao amin’izy ireo, ary hazavao ny fomba azo anolorana azy ireo amin’ny hafa. Ampirisiho ny rehetra hanolotra ireny boky ireny eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha sy rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana mandritra ny Janoary. Asio fomba fampiseho tsotra sy fohy iray.
20 min Miomàna Dieny Izao mba Hanohana ny Lalàn’Andriamanitra Momba ny Ra. (Asa. 15:28, 29). Lahateny ataon’ny loholona mahay iray. Karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra: Aorian’ity fivoriana ity, dia homena karatra vaovao iray avy ireo Vavolombelona vita batisa, ary hahazo Karatra Famantarana ho an’ny ankizy tsirairay, ireo manan-janaka tsy ampy taona mbola tsy vita batisa. Tsy hofenoina anio ireny karatra ireny. Tokony hofenoina amim-pitandremana any an-trano izy ireny, nefa TSY hosoniavina. Hatao aorian’ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna manaraka, eo ambany fanaraha-mason’ny mpitarika ny fianarana ny boky, ny fanaovana sonia sy ny fitsanganana ho vavolombelona ary ny fanisiana daty amin’ireo karatra rehetra. Aoka ho azo antoka fa feno tanteraka ireo karatra, alohan’ny hanaovana sonia. Tokony hahita maso tokoa an’ilay tompon-karatra manao sonia ilay karatra, ireo manao sonia amin’ny maha vavolombelona. Amin’ny fanamboarana ny fehezanteny avy ao amin’io karatra io mba hifanaraka amin’ny tarehin-javatra misy azy sy ny hevitra ekeny mafy, dia azon’ireo mpitory tsy vita batisa atao ny manoratra ny firaketan’izy ireo manokana mba hampiasain’ny tenany sy ireo zanany. Tokony hanao lisitra fanamarinana ny mpitarika ny fianarana ny boky mba hahazoana antoka fa mahazo ny fanampiana ilainy mba hamenoana ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra, ireo rehetra iray fianarana boky aminy.
Herinandron’ny 11 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
20 min: “Ny Fahatapahan-kevitsika — Hanaraka Fomba Fiaina Araka An’i Jehovah”. Lahateny. Mampidira fampirisihana mba hanatrehan’ny rehetra tsy tapaka, ireo fivoriana dimy alamin’ny kôngregasiôna isan-kerinandro.
15 min: “Mahareta”. Resadresaka ifanaovan’ireo mpianakavy ao amin’ny fianakaviana iray. Mandinika indray ireo fomba ahafahany mampiseho faharetana bebe kokoa eny amin’ny fanompoana, izy ireo. Mampidira fanazavana mifanentana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1995, pejy 12.
Herinandron’ny 18 Janoary
5 min:Fampandrenesana eo an-toerana.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
15 min: “Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna”. Lahateny ataon’ny mpitarika ny fianarana ny boky fakan-tahaka iray izay mandinika indray ny andraikiny. Asehony ny fomba handraisan’izany asa izany anjara amin’ny fandrosoan’ny kôngregasiôna sy ny fahasalamany ara-panahy. Mampidira fanazavana fototra avy ao amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, pejy 43-45, 75-77.
15 min: “Fanombohana Fampianarana Amin’ny Bokikely Takina”. Dinidinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
Herinandron’ny 25 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: “Fanitsiana eo Amin’ny Ora Takina Amin’ny Mpisava Lalana”. Lahateny ataon’ny loholona iray. Derao ireo mpisava lalana ao amin’ny kôngregasiôna, ary mampirisiha mpitory maro kokoa mba hanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny hanao asa amboniny mandritra ny Martsa sy Aprily ary May. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 1997, sy Jolay 1998.
20 min: Mandinika ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manome ilay bokikely Fandinihana ny Soratra Masina, ny Fikambanana isan-taona. Mampiasa amin’ny fomba tsara io zavatra vita an-tsoratra io ve ny tenanao manokana na ny fianakavianao? Hazavao ireo antony mahasoa tokony handinihantsika ny andinin-teny ho an’ny andro tsirairay. Resaho ireo fanazavana avy ao amin’ny sasin-tenin’ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro — 1999, pejy 3-4. Asao ireo mpitory hitantara ny ezaka manokana ataony isam-batan’olona sy isam-pianakaviana mba handinihana amim-pahatokiana ny andinin-teny ho an’ny andro sy ireo fanazavana.