Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika Amin’ny 2000
Toromarika
Mandritra ny 2000, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.
LOHARANON-KEVITRA: Ny Baiboly, Ny Tilikambo Fiambenana [w], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], sy ny bokikely Foto-dresaka Ara-baiboly [td], no hiorenan’ireo anjara.
Tokony hanomboka ARA-POTOANA amin’ny hira sy ny vavaka ary ny teny fohy fiarahabana tonga soa ny sekoly. Tsy ilaina ny hitanisana mialoha izay ao amin’ny fandaharana. Rehefa mampiditra ny anjara tsirairay ny mpiandraikitra ny sekoly, dia hanonona ny loha hevitra izay hovelabelarina. Toy izao manaraka izao ny fizotrany:
ANJARA No. 1: 15 minitra. Ity dia tokony hataon’ny loholona na mpanampy amin’ny fanompoana iray, ary hiorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”. Tokony ho lahateny fampianarana 15 minitra tsy misy famerenana am-bava ity anjara ity, rehefa miorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana; tokony ho lahateny fampianarana 10 ka hatramin’ny 12 minitra, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra, izay hampiasana ireo fanontaniana ao amin’ilay boky kosa izy ity, rehefa miorina amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra”. Tsy ny famelabelarana ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny maha azo ampiharina ilay fanazavana dinihina, ka izay hahasoa indrindra ny kôngregasiôna no hasongadina. Ny loha hevitra aseho no tokony hampiasaina.
Tokony hitandrina ireo rahalahy notendrena hanao io lahateny io mba tsy hihoatra ny fotoana. Azo atao ny manome torohevitra mitokana raha tena ilaina na angatahin’ilay mpandahateny izany.
HEVITRA MISONGADINA AVY AMIN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY: 6 minitra. Ity dia tokony hataon’ny loholona na mpanampy amin’ny fanompoana iray, izay hahay hampihatra ireo hevitra amin’izay ilaina eo an-toerana. Tsy ilaina ny manome loha hevitra. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ireo toko nasaina novakina izy ity. Azo ampidirina ny famerenana amin’ny ambangovangony, 30 ka hatramin’ny 60 segondra, ireo toko nasaina novakina. Ny zava-kendrena lehibe indrindra anefa dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ary hoe amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra.
ANJARA No. 2: 5 minitra. Homena rahalahy iray ity anjara famakiana Baiboly ity, na ao amin’ny kilasy lehibe izany, na ao amin’ireo kilasy fanampiny. Mazàna dia fohy ireo fizarana nasaina novakina mba hamelana ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy famaranana. Azo atao ny mampiditra fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na ara-poto-pampianarana, sy fampiharana ireo foto-pitsipika. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy, ireo andinin-teny rehetra. Mazava ho azy fa rehefa tsy misesy ireo andinin-teny tokony hovakina, dia azon’ilay mpianatra atao ny manonona ilay andininy izay hitohizan’ilay vakiteny.
ANJARA No. 3: 5 minitra. Asaina hataon’ny anabavy iray izy ity. Hiorina amin’ny Foto-dresaka Ara-baiboly ny foto-kevitr’ity famelabelarana ity. Azo atao fanambarana tsy ara-potoana, fiverenana mitsidika, na fampianarana Baiboly any an-tokantrano ny faritra, ary azon’ny mpandray anjara atao ny mipetraka na mitsangana. Ny mpiandraikitra ny sekoly dia hihevitra indrindra indrindra ny fomba amelabelaran’ilay mpianatra ilay foto-kevitra, ary koa ny fomba anampiany ilay tompon-trano hanjohy hevitra ao amin’ny Soratra Masina. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra hasaina hanao ity anjara ity. Hisy mpanampy iray hotendren’ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy iray hafa fanampiny. Tsy ny faritra no tokony homena fiheverana lehibe indrindra, fa ny fampiasana amin’ny fomba mandaitra ny Baiboly.
ANJARA No. 4: 5 minitra. Hiorina amin’ny Foto-dresaka Ara-baiboly ny foto-kevitr’ity anjara ity. Tokony ho ny loha hevitra nomena no hampiasaina, ary tokony hiezaka mafy ilay mpianatra hanao fampiharana azo tsapain-tanana an’ireo andinin-teny. Azo omena rahalahy na anabavy iray ity Anjara No. 4 ity. Rehefa rahalahy no voatendry hanao azy, dia tokony ho lahateny foana ilay izy. Rehefa anabavy kosa no voatendry hanao azy, dia tokony haseho araka izay voasoritra ho an’ny Anjara No. 3. Fanampin’izany, rehefa ialohavan’ny famantarana kely # ny loha hevitr’ity Anjara No. 4 ity, dia tsara raha rahalahy no hampanaovina azy.
*FANDAHARAM-PAMAKIANA BAIBOLY FANAMPINY: Hita ao anaty fononteny mahitsy izy io, aorian’ny hira, isan-kerinandro. Amin’ny fanarahana io fandaharana io, izay amakiana tokony ho pejy folo isan-kerinandro, dia ho voavaky ao anatin’ny telo taona ny Baiboly manontolo. Tsy misy anjara amin’ny fandaharan’ny sekoly na ny famerenana an-tsoratra miorina amin’ny fandaharam-pamakiana fanampiny.
FANAMARIHANA: Misy fanazavana sy toromarika fanampiny mahakasika ny torohevitra, ny faharetan’ny anjara, ny famerenana an-tsoratra sy ny fanomanana ireo anjara, eo amin’ny pejy faha-3 amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996.
FANDAHARANA
3 Jan. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 4-6
Hira 9 [*Jeremia 49-52]
No. 1: Ankasitraho Ireo Fitahian’i Jehovah (w 1/1/98 p. 22-24)
No. 2: Deoteronomia 6:4-19
No. 3: td 28A Nahoana no Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra ny Fivavahana Amin’ny Razana?
No. 4: td 16E Kristianina Ihany no Tokony Hovadin’ny Kristianina
10 Jan. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 7-10
Hira 49 [*Fitomaniana 1-5]
No. 1: Asandrato Ilay Andriamanitra Marina (w 1/1/98 p. 30-31)
No. 2: Deoteronomia 8:1-18
No. 3: td 28B Azo Hajaina ny Olombelona, fa Andriamanitra Ihany no Tolorana Fanompoam-pivavahana
No. 4: td 16F Tsy Araka ny Soratra Masina ny Fananana Vady Maro
17 Jan. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 11-14
Hira 132 [*Ezekiela 1-9]
No. 1: Nahoana no Manao Fandaharana Mialoha ho An’ireo Olon-tiana? (w 15/1/98 p. 19-22)
No. 2: Deoteronomia 11:1-12
No. 3: td 30A Haramagedona, Ilay Ady mba Hamaranana ny Faharatsiana
No. 4: td 27A Renin’i Jesosy, fa Tsy “Renin’Andriamanitra”, i Maria
24 Jan. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 15-19
Hira 162 [*Ezekiela 10-16]
No. 1: Ny Herin’ny Fahamarinana Izay Mampiova sy Mampiray (w 15/1/98 p. 29-31)
No. 2: Deoteronomia 19:11-21
No. 3: td 30B Nahoana i Haramagedona no Asa Mampiseho Fitiavana avy Amin’Andriamanitra?
No. 4: td 27B Tsy “Virjiny Mandrakizay” i Maria
31 Jan. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 20-23
Hira 13 [*Ezekiela 17-21]
No. 1: Ny Fomba Fijerin’ny Soratra Masina ny Teny Fiderana sy ny Fandokafana (w 1/2/98 p. 29-31)
No. 2: Deoteronomia 20:10-20
No. 3: td 5A Fepetra Takina Amin’ny Kristianina ny Batisa
No. 4: td 9B Tsy Araka ny Soratra Masina ny Lamesa
7 Feb. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 24-27
Hira 222 [*Ezekiela 22-27]
No. 1: Ny Antony Tena Hijerena ny Lafy Tsaran-javatra (w 1/2/98 p. 29-31)
No. 2: Deoteronomia 25:5-16
No. 3: td 5B Tsy Manadio Amin’ny Ota ny Batisa
No. 4: td 36A Tsy Maintsy ho Minisitr’Andriamanitra ny Kristianina Rehetra
14 Feb. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 28-30
Hira 180 [*Ezekiela 28-33]
No. 1: Mambole Toe-tsaina Mahay Mankasitraka (w 15/2/98 p. 4-7)
No. 2: Deoteronomia 28:1-14
No. 3: td 4A Ny Baiboly dia Teny Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra
No. 4: td 36B Toetra Ilaina ho Amin’ny Fanompoana
21 Feb. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 31-34
Hira 46 [*Ezekiela 34-39]
No. 1: Deoteronomia: Mahasoa — Nahoana? (si p. 40-41, feh. 30-34)
No. 2: Deoteronomia 32:35-43
No. 3: td 4B Mpitari-dalana Mahasoa ho An’ny Androntsika ny Baiboly
No. 4: td 21A Antony Anoherana ny Kristianina
28 Feb. Famakiana Baiboly: Josoa 1-5
Hira 40 [*Ezekiela 40-45]
No. 1: Teny Fampidirana ny Josoa (si p. 42, feh. 1-5)
No. 2: Josoa 2:8-16
No. 3: td 4D Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra ny Baiboly
No. 4: td 21B Tsy Tokony Hamela ny Vadiny Hampisaraka Azy Amin’Andriamanitra ny Vehivavy
6 Mar. Famakiana Baiboly: Josoa 6-9
Hira 164 [*Ezekiela 46–Daniela 2]
No. 1: Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Zanakareo! (w 15/2/98 p. 8-11)
No. 2: Josoa 7:1, 10-19
No. 3: td 38A Mandika ny Fahamasinan’ny Ra ny Fampidiran-dra
No. 4: td 21D #Tsy Tokony Hamela ny Vadiny Hisakana Azy Tsy Hanompo An’Andriamanitra ny Lehilahy
13 Mar. Famakiana Baiboly: Josoa 10-13
Hira 138 [*Daniela 3-7]
No. 1: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fahaiza-mambabo Olona? (w 15/2/98 p. 23-27)
No. 2: Josoa 11:6-15
No. 3: td 38B Tokony Hovonjena na Amin’ny Fomba Ahoana na Amin’ny Fomba Ahoana ve ny Ain’ny Tena?
No. 4: td 43A Vavaka Henoin’Andriamanitra
20 Mar. Famakiana Baiboly: Josoa 14-17
No. 1: Lehilahy Nahatoky “Nanana Fihetseham-po toy ny Antsika” (w 1/3/98 p. 26-29)
No. 2: Josoa 15:1-12
No. 3: td 19A Oviana no Nifarana ny Andron’ny Jentilisa?
No. 4: td 43B Tsy Manan-kery ny Piliavava, ny Vavaka Amin’i Maria na ny “Olo-masina”
27 Mar. Famakiana Baiboly: Josoa 18-20
Hira 105 [*Hosea 3-14]
No. 1: Fiainana Indray Ireo Andro Farany Niainan’i Jesosy Teto An-tany (w 15/3/98 p. 3-9)
No. 2: Josoa 18:1-10
No. 3: td 24A Inona ny Fiangonana Kristianina?
No. 4: td 33A Tsy Voalahatra Mialoha ny Anjaran’ny Olombelona
3 Apr. Famakiana Baiboly: Josoa 21-24
No. 1: Josoa: Mahasoa — Nahoana? (si p. 45-46, feh. 21-24)
No. 2: Josoa 21:43–22:8
No. 3: td 24B I Petera ve no “Vatolampy”?
No. 4: td 3A Ny Ain’i Jesosy Olombelona no Naloa ho “Avotra Hisolo ny Olona Rehetra”
10 Apr. Famakiana Baiboly: Mpitsara 1-4
No. 1: Teny Fampidirana ny Mpitsara (si p. 46-47, feh. 1-7)
No. 2: Mpitsara 3:1-11
No. 3: td 12A Manohana ny Fitantaran’ny Baiboly Momba ny Famoronana ny Siansa Marina
No. 4: td 9A Fahatsiarovana ny Sakafo Harivan’ny Tompo
17 Apr. Famakiana Baiboly: Mpitsara 5-7
No. 1: Mianara avy Amin’ny Toromarik’i Jesosy ho An’ireo 70 (w 1/3/98 p. 30-31)
No. 2: Mpitsara 5:24-31
No. 3: td 12B Fe-potoana Nisy 24 Ora ve ny Andro Famoronana Tsirairay?
No. 4: td 3B Ny Ain’i Jesosy Olombelona no Vidiny Nifanandrify!
24 Apr. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Deoteronomia 4-Mpitsara 7
Hira 91 [*Zefania 2–Zakaria 7]
1 May Famakiana Baiboly: Mpitsara 8-10
Hira 38 [*Zakaria 8–Malakia 3]
No. 1: Hajao ny Fahamendrehana Manokan’ny Hafa (w 1/4/98 p. 28-31)
No. 2: Mpitsara 9:7-21
No. 3: td 34A Maty teo Amin’ny Lakroa ve i Jesosy?
No. 4: td 26A Tsy Misy Afa-tsy Fivavahana Marina Iray Monja
8 May Famakiana Baiboly: Mpitsara 11-14
Hira 82 [*Matio 1-8]
No. 1: Barnabasy, Ilay “Zanaky ny Fampiononana” (w 15/4/98 p. 20-23)
No. 2: Mpitsara 13:2-10, 24
No. 3: td 34B Tokony Hotoloran’ny Kristianina Fanompoam-pivavahana ve ny Lakroa?
No. 4: td 26B Melohina Araka ny Tokony ho Izy ny Fampianaran-diso
15 May Famakiana Baiboly: Mpitsara 15-18
Hira 26 [*Matio 9-14]
No. 1: Tontolo Milamina Tsy Hisy Tafika (w 15/4/98 p. 28-30)
No. 2: Mpitsara 17:1-13
No. 3: td 7A Inona no Nahatonga ny Fahafatesana?
No. 4: td 26D Tena Ilaina ny Miova Fivavahana, Rehefa Hita fa Diso Izy Io
22 May Famakiana Baiboly: Mpitsara 19-21
Hira 42 [*Matio 15-21]
No. 1: Mpitsara: Mahasoa — Nahoana? (si p. 50, feh. 26-28)
No. 2: Mpitsara 19:11-21
No. 3: td 7B Afaka Manisy Ratsy Anao ve ny Maty?
No. 4: td 26E Izay toa “Tsara ao Amin’ny Fivavahana Rehetra”, dia Tsy Manome Antoka ny Amin’ny Fankasitrahan’Andriamanitra
29 May Famakiana Baiboly: Rota 1-4
Hira 120 [*Matio 22-26]
No. 1: Teny Fampidirana ny Rota sy ny hoe Mahasoa — Nahoana? (si p. 51-53, feh. 1-3, 9-10)
No. 2: Rota 3:1-13
No. 3: td 7D Afaka Miresaka Amin’ireo Havany Maty ve ny Olona?
No. 4: td 25A Ny Fitsanganana Amin’ny Maty no Fanantenana ho An’ny Maty
5 Jona Famakiana Baiboly: 1 Samoela 1-3
No. 1: Teny Fampidirana ny 1 Samoela (si p. 53-54, feh. 1-6)
No. 2: 1 Samoela 1:9-20
No. 3: td 6A Tena Persona ve ny Devoly?
No. 4: td 25B Fitsanganana ho Amin’ny Fiainana any An-danitra na eto An-tany
12 Jona Famakiana Baiboly: 1 Samoela 4-7
Hira 85 [*Marka 5-9]
No. 1: Iza moa i Jehovah? (w 1/5/98 p. 5-7)
No. 2: 1 Samoela 4:9-18
No. 3: td 6B Ny Devoly no Mpanapaka Tsy Hita Mason’Izao Tontolo Izao
No. 4: td 29A Ny Fiverenan’i Kristy dia Fiverenana Tsy Hitan’ny Mason’ny Olona
19 Jona Famakiana Baiboly: 1 Samoela 8-11
Hira 160 [*Marka 10-14]
No. 1: Valian-tsoa ny Tsy Fivadihana (w 1/5/98 p. 30-31)
No. 2: 1 Samoela 8:4-20
No. 3: td 6D Inona no Lazain’ny Baiboly Momba Ireo Anjely Nanota?
No. 4: td 29B Fantatra Amin’ny Zava-miseho Hita Maso ny Fiverenan’i Kristy
26 Jona Famakiana Baiboly: 1 Samoela 12-14
No. 1: Mety Hahasambatra Anao ve ny Harena? (w 15/5/98 p. 4-6)
No. 2: 1 Samoela 14:1-14
No. 3: td 41A Noforonina mba ho Paradisa ny tany
No. 4: td 39A Tsy Voatery Hitandrina ny Sabata ny Kristianina
3 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Samoela 15-17
Hira 8 [*Lioka 4-8]
No. 1: Eonika sy Loisa, Mpanabe Fakan-tahaka (w 15/5/98 p. 7-9)
No. 2: 1 Samoela 16:4-13
No. 3: td 41B Tsy Hifarana na Oviana na Oviana ny Fiainana eto An-tany
No. 4: td 39B Tamin’ny Isiraely Fahizay Ihany no Notakina ny Fitandremana ny Sabata
10 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Samoela 18-20
Hira 156 [*Lioka 9-12]
No. 1: Manohìna Fo Amin’ny Fahaiza-mandresy Lahatra (w 15/5/98 p. 21-23)
No. 2: 1 Samoela 19:1-13
No. 3: td 37A Afaka Mamantatra Ireo Mpaminany Sandoka ve Ianao?
No. 4: td 39D Ny Sabata Fitsaharan’Andriamanitra
17 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Samoela 21-24
Hira 33 [*Lioka 13-19]
No. 1: Iantsorohy ny Andraikitrao Ara-pianakaviana (w 1/6/98 p. 20-23)
No. 2: 1 Samoela 24:3-16
No. 3: td 18A Ahoana no Maha Zava-dehibe ny Fanasitranana Ara-panahy?
No. 4: td 11A Avy Amin’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Sorom-panavotan’i Jesosy ny Famonjena
24 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Samoela 25-27
Hira 60 [*Lioka 20-24]
No. 1: Ny Tena Rariny, Rahoviana sy Amin’ny Fomba Ahoana? (w 15/6/98 p. 26-29)
No. 2: 1 Samoela 25:23-33
No. 3: td 18B Ny Fanjakan’Andriamanitra no Fitaovana Hitondrana Fanasitranana Ara-batana Maharitra
No. 4: td 11B Tsy Araka ny Soratra Masina ny hoe “Voavonjy Indray Mandeha, Voavonjy Mandrakizay”
31 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Samoela 28-31
Hira 170 [*Jaona 1-6]
No. 1: 1 Samoela: Mahasoa — Nahoana? (si p. 57-58, feh. 27-35)
No. 2: 1 Samoela 31:1-13
No. 3: td 18D Tsy avy Amin’Andriamanitra ny Fanasitranana Ankehitriny Amin’ny Alalan’ny Finoana
No. 4: td 11D Tsy Araka ny Soratra Masina ny “Famonjena ny Rehetra”
7 Aog. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 1-4
Hira 22 [*Jaona 7-11]
No. 1: Teny Fampidirana ny 2 Samoela (si p. 59, feh. 1-5)
No. 2: 2 Samoela 2:1-11
No. 3: td 18E Moa ve ny Fitenenana Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra Porofo Azo Antoka ny Amin’ny Fankasitrahan’Andriamanitra?
No. 4: td 10A Ny Atao hoe Fahotana
14 Aog. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 5-8
Hira 174 [*Jaona 12-18]
No. 1: “Miseseha (...) Hianareo” (w 15/6/98 p. 30-31)
No. 2: 2 Samoela 7:4-16
No. 3: td 35A Iza no Mankany An-danitra?
No. 4: td 10B Nahoana no ny Rehetra no Mijaly Noho ny Fahotan’i Adama?
21 Aog. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 9-12
Hira 107 [*Jaona 19–Asan’ny Apostoly 4]
No. 1: Aoka Ianao ho Mpiara-belona Tsara Fanahy (w 1/7/98 p. 30-31)
No. 2: 2 Samoela 11:2-15
No. 3: td 1A Tsy Toerana Ijalijaliana ny Afobe
No. 4: td 10D Fandikana Didy Ilay Voankazo Voarara, fa Tsy Firaisana
28 Aog. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny Mpitsara 8-2 Samoela 12
Hira 177 [*Asan’ny Apostoly 5-10]
4 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 13-15
Hira 183 [*Asan’ny Apostoly 11-16]
No. 1: Omeo Fiandohana Tsara eo Amin’ny Fiainana ny Zanakao (w 15/7/98 p. 4-6)
No. 2: 2 Samoela 13:20-33
No. 3: td 1B Milaza Fanafoanana ny hoe Afo
No. 4: td 10E Ny Atao hoe Fanotana Amin’ny Fanahy Masina
11 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 16-18
Hira 129 [*Asan’ny Apostoly 17-22]
No. 1: Fiheveran’ny Kristianina Ireo Fomba Rehefa Misy Maty (w 15/7/98 p. 20-24)
No. 2: 2 Samoela 16:5-14
No. 3: td 1D Tsy Porofon’ny Fijaliana Mandrakizay ny Amin’ilay Mpanan-karena sy i Lazarosy
No. 4: td 13A Inona no Atao hoe Fanahy (âme)?
18 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 19-21
Hira 19 [*Asan’ny Apostoly 23–Romana 1]
No. 1: Azonao Itokiana ve ny Feon’ny Fieritreretanao? (w 1/9/98 p. 4-7)
No. 2: 2 Samoela 20:1, 2, 14-22
No. 3: td 22A Ny Fomba Fijerin’ny Kristianina Ireo Fankalazana
No. 4: td 13B Ny Fahasamihafan’ny Fanahy (âme) sy ny Fanahy (esprit)
25 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 22-24
Hira 98 [*Romana 2-9]
No. 1: 2 Samoela: Mahasoa — Nahoana? (si p. 63, feh. 28-31)
No. 2: 2 Samoela 23:8-17
No. 3: td 40A Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fampiasana Sary
No. 4: td 14A Ny Atao hoe Fanahy Masina
2 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 1-2
Hira 36 [*Romana 10–1 Korintiana 3]
No. 1: Teny Fampidirana ny 1 Mpanjaka (si p. 64-65, feh. 1-5)
No. 2: 1 Mpanjaka 2:1-11
No. 3: td 40B Ny Vokatry ny Fampiasana Sary eo Amin’ny Fanompoam-pivavahana
No. 4: td 14B Inona ny Fanahy (esprit)?
9 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 3-6
Hira 106 [*1 Korintiana 4-13]
No. 1: Apetraho eo Amin’ny Toerana Voalohany Ireo Zava-dehibe Indrindra (w 1/9/98 p. 19-21)
No. 2: 1 Mpanjaka 4:21-34
No. 3: td 40D I Jehovah Irery Ihany no Tokony Hivavahana
No. 4: td 15A #Tsy Araka ny Fomban’Andriamanitra ny Fanakambanam-pinoana
16 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 7-8
Hira 76 [*1 Korintiana 14–2 Korintiana 7]
No. 1: Fitoriana eo Anatrehan’ireo Olo-manan-kaja (w 1/9/98 p. 30-31)
No. 2: 1 Mpanjaka 7:1-14
No. 3: td 15B Tsara Avokoa ve ny Fivavahana Rehetra?
No. 4: td 31A Tokony Hampiasa ny Anarana Manokan’Andriamanitra ny Kristianina
23 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 9-11
Hira 97 [*2 Korintiana 8–Galatiana 4]
No. 1: Ny Fomba Fijery Kristianina Momba ny Vodiondry (w 15/9/98 p. 24-27)
No. 2: 1 Mpanjaka 11:1-13
No. 3: td 31B Ny Fahamarinana Momba ny Fisian’Andriamanitra
No. 4: td 31D #Famantarana ireo Toetran’Andriamanitra
30 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 12-14
Hira 113 [*Galatiana 5–Filipiana 2]
No. 1: Tena Misy ve Andriamanitra Aminao? (w 15/9/98 p. 21-23)
No. 2: 1 Mpanjaka 13:1-10
No. 3: td 31E Tsy Manompo Andriamanitra Iray Ihany ny Olona Rehetra
No. 4: td 44A Fivavahana Vaovao ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
6 Nov. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 15-17
Hira 123 [*Filipiana 3–1 Tesaloniana 5]
No. 1: Aza Mitsahatra Manao Fandrosoana Ara-panahy! (w 1/10/98 p. 28-31)
No. 2: 1 Mpanjaka 15:9-24
No. 3: td 32A Zanak’Andriamanitra Sady Mpanjaka Voatendriny i Jesosy Kristy
No. 4: td 32B Nahoana ny Finoana An’i Jesosy no Tena Ilaina mba Hahavoavonjy?
13 Nov. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 18-20
Hira 159 [*2 Tesaloniana 1–2 Timoty 3]
No. 1: Alamino Amim-pilaminana Ireo Zava-manahirana (w 1/11/98 p. 4-7)
No. 2: 1 Mpanjaka 20:1, 13-22
No. 3: td 32D Ampy mba Hahavoavonjy ve ny Finoana An’i Jesosy Fotsiny?
No. 4: td 20A #Ireo Fitahiana Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra
20 Nov. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 21-22
Hira 179 [*2 Timoty 4–Hebreo 7]
No. 1: 1 Mpanjaka: Mahasoa — Nahoana? (si p. 68-69, feh. 23-26)
No. 2: 1 Mpanjaka 22:29-40
No. 3: td 20B Manomboka ny Fanapahan’ilay Fanjakana na dia Mbola Miasa aza ny Fahavalon’i Kristy
No. 4: td 20D Tsy avy Amin’ny Ezaky ny Olona ny Fanjakan’Andriamanitra
27 Nov. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 1-3
No. 1: Teny Fampidirana ny 2 Mpanjaka (si p. 69, feh. 1-4)
No. 2: 2 Mpanjaka 2:15-25
No. 3: td 2A Inona no Hevitry ny hoe “Faran’izao Tontolo Izao”?
No. 4: td 2B #Mifohaza Hatrany eo Amin’ny Lafiny Ara-panahy ka Jereo ny Porofon’ny Andro Farany
4 Des. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 4-6
Hira 109 [*Jakoba 3–2 Petera 3]
No. 1: Mitandrema Amin’ny Simônia (w 15/11/98 p. 28)
No. 2: 2 Mpanjaka 5:20-27
No. 3: td 23A Tsy Nofinofy Fotsiny ny Fiainana Mandrakizay
No. 4: td 23B Iza no Mankany An-danitra?
11 Des. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 7-9
Hira 117 [*1 Jaona 1–Apokalypsy 1]
No. 1: Foto-pitsipika Ara-baiboly Tokony Harahina Rehefa Mampisambotra na Misambo-bola (w 15/11/98 p. 24-27)
No. 2: 2 Mpanjaka 7:1, 2, 6, 7, 16-20
No. 3: td 23D Tsy Voafetra ny Isan’ireo Hahazo ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany
No. 4: td 16A #Tsy Maintsy ho Mendri-kaja ny Firaisam-panambadiana
18 Des. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 10-12
Hira 181 [*Apokalypsy 2-12]
No. 1: Ny Tantara Marina ny Amin’ny Nahaterahan’i Jesosy (w 15/12/98 p. 5-9)
No. 2: 2 Mpanjaka 11:1-3, 9-16
No. 3: td 16B Tsy Maintsy Manaja ny Foto-pitsipiky ny Fahefan’izay Lohany ny Kristianina
No. 4: td 16D Ny Andraikitry ny Ray Aman-dreny Amin’ny Zanany
25 Des. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny 2 Samoela 13-2 Mpanjaka 12
Hira 217 [*Apokalypsy 13-22]