FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/99 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 4 Oktobra
  • Herinandron’ny 11 Oktobra
  • Herinandron’ny 18 Oktobra
  • Herinandron’ny 25 Oktobra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 10/99 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Oktobra

Herinandron’ny 4 Oktobra

Hira 147, Hira 105

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

17 min: “Ho Tanteraka Avokoa ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra!” Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Milazà tsipiriany vitsivitsy avy ao amin’ilay boky vaovao, izay manasongadina ny maha zava-dehibe ny andro iainantsika.

18 min: Aoka Ianao Hahatsiaro Foana Ireo Gazety! Lazao ny fitambaran’isan’ireo gazety voapetraky ny kôngregasiôna tamin’ny volana lasa. Manao ahoana izy io, raha ampitahaina amin’ilay isan’ny voaray avy tany amin’ny Fikambanana? Raha misy fahasamihafana lehibe, inona no ilaina hatao? Asao ny mpanatrika hilaza hevitra momba izao manaraka izao: 1) Tokony hanafatra gazety ampy tsara, nefa araka ny tokony ho izy, ny mpitory tsirairay. 2) Hevero ho Andro Fanelezana Gazety ny asabotsy. 3) Alamino ny fandaharam-panompoan’ny tenanao manokana, mba hanaovanao fizarana gazety isam-bolana. 4) Manaova fandaharana mba hanao fanambarana tsy ara-potoana bebe kokoa amin’ny fampiasana gazety ho fanombohan-dresaka. 5) Mifidiana lahatsoratra natao manokana ho an’ny mpanao raharaham-barotra sy ny matihanina, izay azo inoana indrindra fa ho liana amin’izy ireo. 6) Raiso an-tsoratra tsara ireo zavatra voapetraka, ary manorena lalana fizarana gazety, ka miverena tsy tapaka miaraka amin’ny nomerao farany. 7) Ampiasao tsara ireo gazety tranainy rehetra, mba tsy hiangona be. Asehoy ireo gazety farany, ary asio firesahana ireo lahatsoratra izay azo inoana fa hanaitra fahalianana. Manasà olon-dehibe iray sy tanora iray mba samy hanao fampisehoana fohy momba ny fanolorana gazety. — Jereo ny takelaka fanampiny amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1995.

Herinandron’ny 11 Oktobra

Hira 194, Hira 152

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

20 min: “Ny Fomba Hahazoana Fifaliana Be Kokoa avy Amin’ny Fivoriana”. Fanontaniana sy valiny. Milazà ohatra voafaritra tsara ny amin’ny fomba ahafahantsika mifaneho fiheverana sy mifampahery any amin’ireo fivoriana. Asao ny mpanatrika hitantara ohatra avy amin’ny zavatra niainan’ny tenany manokana.

Herinandron’ny 18 Oktobra

Hira 196, Hira 142

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy zavatra hita teny am-pitoriana.

13 min: “Hifindra Kôngregasiôna ve Ianao?” Lahateny mampahery ataon’ny mpitan-tsoratra. Raha hitan’ireo mpitory fa mila mifindra kôngregasiôna izy, dia zava-dehibe ny hahatafatoetra azy tsara eo amin’ny toerana vaovao misy azy ireo, mba hisorohana izay fahavoazana ara-panahy rehetra. Hamafiso fa ilaina ny mampahafantatra an’ireo loholona ny amin’ny fikasana toy izany sy ny mangataka ny fanampiany mba hifandraisana amin’ilay kôngregasiôna vaovao.

22 min: “Inona no Holazainao Amin’ireto Fanoherana Manaraka Ireto?” Fanontaniana sy valiny.

Herinandron’ny 25 Oktobra

Hira 179, Hira 151

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampio ny rehetra hiomana hanolotra ny bokikely Takina, na ny boky Fahalalana, mandritra ny Novambra. Hazavao ny fomba hanomanana fomba fampiseho iray izay mifantoka amin’ilay fanontaniana hoe “Mamaly Vavaka ve Andriamanitra?” Mampiasà hevitra avy ao amin’ny lesona faha-7 ao amin’ilay bokikely, na ny toko faha-16, fehintsoratra 12-14, ao amin’ilay boky. Manaova fampisehoana tsotra iray, izay misy andinin-teny iray.

15 min: Fahitana Valiny ho An’ireo Fanontaniana Ara-baiboly. Hatonin’ny mpitory iray izay sendra olona liana nanana fanontaniana ara-baiboly ny mpanampy amin’ny fanompoana iray. Tsy manome ny valiny ilay mpanampy amin’ny fanompoana, fa manazava ny fomba hahitana azy io kosa. Voalohany aloha, dia mijery indray ny fanoloran-kevitra ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, fianarana faha-7, fehintsoratra 8-9, izy. Avy eo, dia miara-manao fikarohana ny fanontaniana mipoitra mazàna eny amin’ilay faritany eo an-toerana izy ireo. Mijery ireo loharanon-kevitra voafaritra tsara, izay miresaka momba ilay foto-kevitra, izy ireo, ka mitady hevitra mampiaiky izay manazava ireo antony fototra ao ambadik’ilay valin-tenin’ny Baiboly. Ampirisiho ny mpanatrika hanao io karazana fianarana mitondra valisoa io, mba hitadiavana fanontaniana ara-baiboly.

15 min: Tanjona Azontsika Ferana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho ireo tanjona azo tratrarina voasoritra eo amin’ny faritra voafefy ao amin’ny pejy 11 amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1997. Mampidira fampirisihana handray anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy na maharitra. Hazavao fa afaka mitondra soa ho an’ny tenantsika manokana ny fanatratrarana ireny tanjona ireny. Asao ny mpanatrika hitantara ny sasany tamin’ireo fifaliana hitany, rehefa afaka nahatratra tanjona teôkratika sasany izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara