Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra sy ny Mifohaza! Desambra. Azo atao ny mampiasa fomba fanolorana hafa mandaitra.
15 min: “Ampiasao Tsara ny Fotoananao Rehefa Manompo.”a Manadinadìna rahalahy iray mahay mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana. Inona no fiomanana ataony rehefa hitarika ilay fivoriana? Ahoana no ataony mba tsy ho verivery fotsiny ny fotoana eny amin’ny saha?
20 min: “‘Aoka ho Teny Mamy Sira Foana no Holazainareo.’”b Vakio ny Jaona 4:7-15, 39, rehefa mandinika ny fehintsoratra 2.
Herinandron’ny 21 Janoary
10 min: Fampandrenesana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Febroary, ary asio fampisehoana iray. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra (na ilay DVD hoe Solon’ny Fampidiran-dra), mba hiomanana ho amin’ny fiaraha-midinika hatao ny herinandron’ny 4 Febroary.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
25 min: “‘Manomeza Fanazavana Feno Momba ny Vaovao Tsara.’”c (Feh. 1-10) Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Manadinadìna mpitory iray na roa izay tena be atao na tsy salama, nefa nanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny taon-dasa. Ahoana no nahavitany izany? Inona no fifaliana tsapany? Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 7, dia lazao ny fandaharam-potoana momba ny fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny volana Martsa, Aprily, ary Mey.
Herinandron’ny 28 Janoary
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Janoary. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ny fanomezana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy Mifohaza! Janoary. Resaho vetivety ny zavatra raketin’ny gazety tsirairay, ary anontanio ny mpanatrika hoe: Inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana? Asao izy ireo hilaza ny hevitra tiany horesahina avy ao amin’ny lahatsoratra tiany hasongadina. Inona no fanontaniana azo anombohan-dresaka? Inona no andinin-teny hovakina avy ao amin’ilay lahatsoratra? Ahoana no azo ampifandraisana an’ilay andinin-teny sy ilay lahatsoratra? Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ireo gazety ireo.
20 min: “‘Manomeza Fanazavana Feno Momba ny Vaovao Tsara.’”d (Feh. 11-17)
15 min: “Ampio ho Tonga Mpitory Ireo Mpianatra Baiboly.”e Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 4 Febroary
10 min: Fampandrenesana. Diniho ny Valin’ny Fanontanianareo.
10 min: Mampiasa ny Bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika miorina amin’ny sasin-teny ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2008. Resaho ny maha zava-dehibe ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana miaraka aminy. Asao ny mpanatrika hiresaka ny fandaharam-potoana fanaovany teny vakina sy ny soa noraisiny tamin’izany. Azonao atao ny mampiomana olona iray na roa hanome valin-teny. Resaho vetivety ny andinin-teny ho an’ny taona 2008.
25 min: “Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?” Ataon’ny anti-panahy. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika avy hatrany ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra, ka ireo fanontaniana ao amin’ilay lahatsoratra ampiasaina. Eo am-pamaranana, dia vakio ny fehintsoratra farany, ary ampirisiho ny rehetra hamaky ireo lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana voatonona ao. Hazavao fa tena manampy ilay takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006, rehefa handray fanapahan-kevitra mahakasika ny zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra na ny fitsaboana ampiasana ny ran’ny tena. Asaivo manoratra ny safidiny ao amin’ny karatra FMF izay mbola tsy nanao izany. Afaka mameno karatra vaovao koa ny olona iray, raha toa ka nisy fiovana ny safidiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.