Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 30 Martsa
HERINANDRON’NY 30 MARTSA
□ Fianarana Baiboly:
lv toko 3 § 8-15, efajoro p. 30
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Eksodosy 1-6
No. 1: Eksodosy 1:1-19
No. 2: Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy (lr toko 12)
No. 3: Avy Amin’ny Fanahy Masina ve ny Fanasitranana Ataon’ny Olona Ankehitriny? (rs p. 173 § 1-4)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Lazao izay zavatra mbola ilaina resahina momba ny Fahatsiarovana.
15 min: Miomàna Hanampy ny Olona Manatrika Fahatsiarovana. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ampahatsiahivo ny mpitory hanao izay vitany mba hanampiana ny olona tonga hanatrika ny Fahatsiarovana. Mety ho mpianatra Baiboly izany, olona tsy mitory intsony, na havana aman-tsakaiza. (Jereo km 3/08, p. 4) Asio fampisehoana: Mpitory manomboka fampianarana Baiboly amin’olona nanatrika Fahatsiarovana. Ampahatsiahivo ny rehetra fa misy andinin-teny natao hovakina amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, manomboka ny alahady 5 Aprily. Azo atao ny manome torohevitra ny amin’ny fomba hanaovana izany.
15 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2009. Lahateny sy fiaraha-midinika. Resaho ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana” eo amin’ny pejy 3. Ampiomany mialoha ny mpitory vitsivitsy hilaza fitantarana ao amin’ilay Diary, ka nampahery azy. Asao ny mpanatrika hilaza ny zava-nisongadina hitany ao amin’ilay tatitra maneran-tany. Ampirisiho ny rehetra hamaky an’ilay Diary hatramin’ny farany.