Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 28 Febroary
HERINANDRON’NY 28 FEBROARY
Hira 5 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
cf toko 18 § 10-18 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Estera 1-5 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Ataovy Mampahery Foana Ilay Hafatra. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 202). Ataovy fampisehoana ny soso-kevitra eo amin’ny fehintsoratra farany, ka ny boky hatolotra amin’ny volana manaraka no ampiasao amin’izany.
10 min: Mandraisa Soa avy Amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny sasin-teny ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina 2011. Ampirisiho hanao teny vakina isan’andro ny rehetra. Anontanio ny mpanatrika hoe isaky ny inona izy ireo no manao teny vakina, ary inona ny soa noraisiny. Jereo vetivety ny andinin-teny ho an’ny taona 2011. Resaho ilay hoe “Tsy Hodinihina Amin’ny Fivoriana Alohan’ny Fanompoana Intsony ny Teny Vakina Isan’andro.”
10 min: Miomàna Hanolotra ny Gazety Amin’ny Martsa. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay raketin’ireo gazety. Mifidiana lahatsoratra roa na telo avy eo, ary asao ny mpanatrika hilaza fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina. Ataovy fampisehoana ny fomba ametrahana ny gazety tsirairay.
Hira 33 sy Vavaka