FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/12 p. 1
  • Aza “Mamely Rivotra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza “Mamely Rivotra”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Handray Soa Ianao Raha Manana ny Faritaninao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Manana Faritany ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Tontosainao Tsara ve ny Fanompoanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 1/12 p. 1

Aza “Mamely Rivotra”

1. Ahoana no azo ampiharana ny 1 Korintianina 9:26 eo amin’ny fanompoana?

1 Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny. Ary tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry.” (1 Kor. 9:26) Te hilaza i Paoly hoe nifantoka tanteraka tamin’ny tanjona ara-panahy ny sainy. Azo ampiharina amin’ny fanompoana koa anefa ireo teniny ireo. Hiezaka tsy ‘hamely rivotra’ isika, fa hanao tsara ny fanompoantsika mba tena hisy vokany izy io. Inona àry no hataontsika?

2. Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly sy ny mpitory hafa tamin’ny taonjato voalohany?

2 Fantaro ny fotoana sy toerana ahitana olona: Nahay nifidy fotoana sy toerana ahitana olona i Paoly sy ny mpitory hafa tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 5:42; 16:13; 17:17) Diniho koa àry ny faritaninareo. Hariva ve vao ao an-tranony ny olona? Sao dia izay no fotoana tena tsara hitoriana isan-trano? Feno olona ve eny amin’ny fiandrasana bisy, rehefa handeha hiasa ny olona amin’ny maraina na hody amin’ny hariva? Ary isaky ny inona no be olona eny an-tsena? Manandrama mitory eny, amin’ireo fotoana ireo, fa mety tena hahomby ianao.

3. Inona no azo atao mba hety tsara ny fomba fiasantsika eny amin’ny faritany?

3 Mahaiza miasa tsara: Mila mahay miasa tsara koa isika eny amin’ny faritany, mba tsy ‘hamely rivotra’ fotsiny. Aleo zarazaraina ny mpitory, toy izay alefa eny amin’ny toerana iray daholo. Ho lany fotoana sy ho sahirana mantsy ilay mpitarika, handamina azy ireo sy hanome faritany ampy tsara ho an’ny rehetra. Tokony hozarazaraina koa ny mpitory, rehefa mitory eny ambanivohitra. Ho vita haingana ny faritany amin’izay, sady ho afaka hiresaka imbetsaka kokoa ny tsirairay. Afaka maka faritany akaikin’ny tranontsika koa isika, mba tsy ho lany fotoana handeha lavitra.

4. Inona no hanampy antsika hahay ‘hanarato olona’?

4 Nilaza i Jesosy hoe “mpanarato olona” ny mpitory. (Mar. 1:17) Tsy ny handatsaka harato fotsiny no tanjon’ny mpanarato mahay, fa ny hahazo trondro. Fantariny ny fotoana sy toerana ahitana trondro, ary tsy mangataka andro izy avy eo. Tena ataony tsara ny asany. Enga anie isika hazoto toy izany koa amin’ny fanompoantsika.—Heb. 6:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara