Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 13-14
“Mijoroa, ka Jereo ny Famonjen’i Jehovah”
Nanam-pinoana i Mosesy
Mety ho mbola tsy fantatr’i Mosesy hoe hosarahin’Andriamanitra ny Ranomasina Mena mba hahafahan’ny Israelita handositra. Natoky anefa izy fa tsy maintsy hanao zavatra Andriamanitra mba hiarovana azy ireo. Tian’i Mosesy hatoky an’Andriamanitra koa ny Israelita, ka hoy izy tamin’izy ireo: “Aza matahotra. Mijoroa, ka jereo ny famonjen’i Jehovah izay hataony ho anareo anio.” (Eksodosy 14:13) Nahavita nanampy ny Israelita hino an’Andriamanitra ve i Mosesy? Eny tokoa! Izao mantsy no lazain’ny Baiboly momba an’i Mosesy sy ny Israelita rehetra: “Finoana no niampitan’izy ireo ny Ranomasina Mena toy ny hoe nandia tany maina.” (Hebreo 11:29) Tsy i Mosesy irery àry no nandray soa rehefa nino an’Andriamanitra, fa ny olona rehetra nanahaka azy koa.
Mahery Indrindra Nefa Tsara Fanahy
13 Vakio ny Eksodosy 14:19-22. Alao sary an-tsaina hoe miaraka amin’ny Israelita ianao. Ranomasina Mena no eo alohanareo, dia i Farao sy ny tafiny no ao aorianareo. Dia iny i Jehovah fa manao zavatra! Afindrany mankany aorian’ny tobinareo ilay andry rahona, dia lasa tsy afaka mandroso ny Ejipsianina satria maizina be ny misy an-dry zareo. Ny tobinareo anefa mazava be. Manatsotra ny tanany ho eo ambony ranomasina i Mosesy avy eo, ka misy rivotra mifofofofo avy any atsinanana. Mizara roa àry ilay ranomasina, dia lasa misy lalana malalaka be eo afovoany. Handeha eo amin’ilay izy izao ny vahoaka, dia hoatr’izany koa ianao sy ny fianakavianao ary ny biby fiompinareo. Milamina tsara ianareo rehetra fa tsy mikorontana. Gaga be ianao fa tsy mamotaka ilay lalana sady tsy malama. Maina sy mafimafy mihitsy aza ilay izy, ka azo andehanana tsara. Na dia ny miadam-pamindra indrindra aminareo aza tafampita soa aman-tsara.
Aza Manadino An’i Jehovah
Tody terỳ ampita atsinanana ny Israelita, raha mbola nisahirana tamin’ny kalesiny teo ny Ejipsianina. Natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny Ranomasina Mena ny tanany. Tamin’izay dia nazeran’i Jehovah teo amin’ireo Ejipsianina ilay rano be aman-taonina, izay toy ny rindrim-be. Safotry ny rano tao izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza. Avotra kosa ny Israelita!—Eks. 14:26-28; Sal. 136:13-15.
Nahatonga an’ireo firenena nanodidina hihorohoro nandritra ny taona maro iny zava-niseho iny. (Eks. 15:14-16) Izao no nolazain’i Rahaba avy tao Jeriko tamin’ny Israelita roa lahy, 40 taona tatỳ aoriana: “Matahotra anareo izahay. ... Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.” (Josoa 2:9, 10) Na ireo firenena mpanompo sampy aza tsy nanadino ny fomba namonjen’i Jehovah ny vahoakany. Vao mainka tokony hahatsiaro izany ny Israelita!
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Lalana”: “Mampitohy tanàna” § 2
Lalana
Efa hatry ny ela no nampifandray tanàna sy fanjakana tany Palestina ny lalambe sy lalana, toy ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra. (No 20:17-19; 21:21, 22; 22:5, 21-23; Js 2:22; Mpts 21:19; 1Sa 6:9, 12; 13:17, 18; jereo LALAN’NY MPANJAKA.) Niainga tany Ejipta ny lalambe nankany Gaza sy Askelona tanànan’i Filistia, nianavaratratsinanana nankany Megido, nandalo an’i Hazora teo avaratry ny Ranomasin’i Galilia, ary tonga tany Damaskosy. Io no lalana nanivaka indrindra nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsara fanahy anefa i Jehovah ka nentiny tamin’ny lalan-kafa ny Israelita, sao ho kivy izy ireo raha tafihin’ny Filistinina.—Ek 13:17.
it “Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta”: “Ny lalana nalehan’ny Israelita niala tany Ejipta” § 11-12
Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta
Taiza ho aiza tamin’ny Ranomasina Mena ireo Israelita no niampita?
Nandidy an’i Mosesy Andriamanitra mba “hiverina, ka hitoby eo akaikin’i Pihahirota ... akaikin’ny ranomasina”, rehefa tonga tao amin’ny toerana faharoa nitobiany izy ireo, izany hoe tao Etama “teo an-tsisin’ny tany efitra.” Nanjary nihevitra i Farao fa ‘nivenjivenjy fotsiny tsy nahita lalana’ ny Israelita. (Ek 13:20; 14:1-3) Misy manam-pahaizana mino hoe ny lalana El Hadj no nalehan’ny Israelita. Milaza izy ireo fa matoanteny fanamafisana ilay teny hebreo nadika hoe “hiverina” eto, ka midika hoe miverin-dalana na mihodina fa tsy hoe “mivily lalana” fotsiny. Milaza koa izy ireo fa niverin-dalana ny Israelita rehefa tonga tany amin’ny farany avaratry ny Hoalan’i Suez, ka nankany atsinanan’i Jebel ʽAtakah, tandavan-tendrombohitra andrefan’ilay Hoala. Tsy ho tafavoaka haingana avy tao ireo Israelita maro be, raha toa ka nisy nanenjika avy tany avaratra. Ny ranomasina mantsy no ho eo anoloany, ka ho tapi-dalan-kaleha izy ireo.
Milaza zavatra toy izany ny lovantsofina jiosy tamin’ny taonjato voalohany. (Jereo PIHAHIROTA.) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly izany, tsy tahaka ny hevitry ny manam-pahaizana maro. (Ek 14:9-16) Azo antoka fa tsy teny akaikin’ny farany avaratr’ilay Hoala (sampana andrefan’i Ranomasina Mena) ireo Israelita no niampita, raha tsy izany dia ho mora tamin’ny tafik’i Farao ny hihodidina an’ilay Hoala, ka hifanehatra amin’ny Israelita teny ampita.—Ek 14:22, 23.
Famakiana Baiboly
10-16 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 15-16
“Miderà An’i Jehovah Amin’ny Hira”
Nahoana no Matahotra An’ilay Andriamanitra Marina Ankehitriny?
11 Nanandratra an’i Jehovah teo imason’ireo mpivavaka taminy sy nahatonga ny anarany ho fanta-daza ombieny ombieny ny fandringanany ny hery ara-tafika egyptiana. (Josoa 2:9, 10; 4:23, 24). Eny, ny anarany dia nasandratra ambonin’ireo andriamani-diso tsy nanan-kery tao Egypta, dia andriamanitra izay voaporofo fa tsy nahavita nanafaka ireo mpivavaka taminy. Nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana mangidy ny fitokiana tamin’ireo andriamaniny sy tamin’olona mety maty ary tamin’ny hery ara-tafika. (Salamo 146:3). Tsy nahagaga raha toa ireo Isiraelita ka voatosika hihira fiderana nampiseho taratry ny tahotra mahasoa an’ilay Andriamanitra velona izay manafaka amin-kery ny vahoakany!
Nahoana no Matahotra An’ilay Andriamanitra Marina Ankehitriny?
15 Raha nijoro tsy nanana ahiahy niaraka tamin’i Mosesy isika, dia azo antoka fa ho voatosika hihira toy izao: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?” (Eksodosy 15:11). Ny fihetseham-po toy izany dia naverimberina nandritra ireo taonjato hatramin’izay. Ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny apostoly Jaona dia milazalaza toy izao ny amin’ny antokona mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy voahosotra: “Ary mihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny Zanak’ondry izy.” Inona io fihirana lehibe io? “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, [Jehovah, NW] ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, [Jehovah, NW] ô? Fa Hianao ihany no masina.”—Apokalypsy 15:2-4.
16 Koa amin’izao andro izao koa, dia misy mpivavaka nahazo fahafahana izay tsy vitan’ny hoe mankasitraka ny asa ataon’ny tanan’Andriamanitra fotsiny, fa mankasitraka ny didiny koa. Misy olona avy amin’ny firenena rehetra nahazo fahafahana ara-panahy, tafasaraka amin’itỳ tontolo voaloto itỳ noho izy ireo manaiky ireo didy marina omen’Andriamanitra sy mampihatra izany. Isan-taona, dia misy olona ana hetsiny maro afa-mandositra an’itỳ tontolo simba ara-pitondran-tena itỳ, mba hiara-mitoetra amin’ilay fandaminana madio sy mahitsy misy ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Tsy ho ela, rehefa ho avy nampiharina ilay didim-pitsaran’Andriamanitra mamaivay amin’ny fivavahan-diso sy amin’ny sisa amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, dia hiaina mandrakizay eo amin’ny tontolo iray vaovao sy marina izy ireo.
it “Mozika”: “Karazana mozika resahin’ny Baiboly” § 5
Mozika
Toa nanao “hira nifamaly” ny mpihira maro tany Israely, araka ny voalazan’ny Baiboly. Nifandimby nihira ny antoko mpihira nizara roa, na nihira aloha ny olona iray ary “namaly” azy ny mpihira sisa. (Ek 15:21; 1Sa 18:6, 7) Hita izany amin’ny fomba nanoratana ny Salamo sasany, toy ny faha-136. Nanao hira nifamaly koa ireo antoko mpihira roa mpanao hira fisaorana tamin’ny andron’i Nehemia, rehefa jerena ny fomba ilazalazan’ny Baiboly azy ireo sy ny nataony tamin’ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema.—Ne 12:31, 38, 40-42; jereo HIRA, II.
it “Mpaminanivavy” § 2
Mpaminanivavy
I Miriama, anabavin’i Mosesy, no voalohany resahin’ny Baiboly hoe mpaminanivavy. Tamin’ny alalan’ireo hira nataony angamba no nampitan’Andriamanitra hafatra. (Ek 15:20, 21) Nilaza tamin’i Mosesy àry izy sy Arona fa ‘niteny tamin’ny alalan’izy dahy koa’ i Jehovah. (No 12:2) Nirahin’i Jehovah handeha teo anoloan’ny Israelita niakatra avy tany Ejipta koa “i Mosesy sy Arona ary Miriama.” (Mi 6:4) Voninahitra lehibe ho an’i Miriama ny hoe nampiasain’Andriamanitra hampita ny teniny. Tsy nifandray akaiky be tamin’Andriamanitra anefa izy, tsy toa an’i Mosesy, ka nofaizin’Andriamanitra rehefa te hahazo fahefana bebe kokoa.—No 12:1-15.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fantatrao Ve?
Nahoana no papelika no nomen’Andriamanitra ny Israelita tany an-tany efitra?
Indroa Andriamanitra no nanome papelika be dia be ho sakafon’ny Israelita, taorian’ny nanafahana azy ireo tany Ejipta.—Eksodosy 16:13; Nomery 11:31.
Vorona kely ny papelika. Tokotokony ho 18 santimetatra ny halavany ary 100 grama eo ho eo ny lanjany. Any amin’ny faritra maro any andrefan’i Azia sy Eoropa izy ireo no mikotrika. Mpifindrafindra monina izy ireo, ka any Afrika Avaratra sy any Arabia no misy azy rehefa ririnina. Andiany maro be no mamakivaky ny sisiny atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, rehefa mifindra monina, ary mandalo any amin’ny Saikinosin’i Sinay.
Milaza ny Diksionera Vaovaon’i Westminster Momba ny Baiboly (anglisy) fa “tena mahay manidina” ny papelika “sady manidina haingana. Manararaotra ny fitsokan’ny rivotra izy ireo amin’izany. Raha miova tampoka anefa ny fitsokan’ny rivotra na nanidina ela loatra ilay andiany manontolo ka reraka be, dia mety hilatsaka amin’ny tany. Mety ho fanina izy ireo ka tsy afaka manidina.” Tsy maintsy maka aina iray na roa andro àry aloha izy ireo vao afaka manidina indray. Mora amin’ny mpihaza noho izany ny misambotra azy. Nanondrana papelika telo tapitrisa teo ho eo isan-taona i Ejipta, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, mba hatao sakafo.
Tamin’ny lohataona i Jehovah no nanome papelika ny Israelita. Marina fa manidina eny amin’ny faritr’i Sinay ny papelika isaky ny lohataona. I Jehovah anefa no nampisy “rivotra nitsoka tampoka”, mba hahatonga azy ireny hilatsaka tao an-tobin’ny Israelita.—Nomery 11:31.
Fanontanian’ny Mpamaky
Nimenomenona momba ny sakafo ny Israelita, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Nomen’i Jehovah mana àry izy ireo. (Eksodosy 12:17, 18; 16:1-5) Nandidy an’i Arona i Mosesy tamin’izay hoe: “Makà vilany, ka asio mana eran’ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan’i Jehovah mba hotehirizina hatramin’ny taranakareo fara mandimby.” Hoy ilay fitantarana: “Ary araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona [zavatra nitahirizana ireo antontan-taratasy tena ilaina] mba hotehirizina.” (Eksodosy 16:33, 34) Azo antoka fa nanangona mana tao anaty vilany, na siny, i Arona tamin’izany fotoana izany. Tsy napetraka teo anoloan’ny Vavolombelona anefa izany, raha tsy rehefa vitan’i Mosesy ny Vata misy ny fifanekena, ary napetrany tao ireo takela-bato.
Famakiana Baiboly
17-23 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 17-18
“Mampiofana sy Mizara Andraikitra ny Olona Manetry Tena”
Be Fitiavana i Mosesy
Tia ny Israelita iray firenena taminy koa i Mosesy. Neken’izy ireo fa i Mosesy no nampiasain’i Jehovah hitarika azy ireo, ka nankany aminy izy ireo rehefa nanana olana. Nihaino azy ireo i Mosesy “nanomboka tamin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro.” (Eksodosy 18:13-16) Tsy maintsy hoe reraka be izy tamin’izany, satria tontolo andro be izao izy nihaino ny zava-nanahirana an’ireo Israelita. Tia azy ireo anefa i Mosesy, ka faly izy nanampy azy ireo.
Antoky ny Fiainana Sambatra ny Fitokisana
Efa naneho toetra tsara ireo lehilahy ireo, vao nametrahana fitokisana sy notendrena ho mpiandraikitra. Efa noporofoiny fa matahotra an’Andriamanitra izy. Nanaja fatratra ny Mpamorona sady natahotra ny tsy hampifaly azy koa izy ireo. Niharihary tamin’ny rehetra fa nanao araka izay fara heriny ireo lehilahy ireo mba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy tia kolikoly izy ireo, ary hita tamin’izany fa mahatohitra fakam-panahy, ka tsy hiharatsy toetra rehefa hahazo fahefana. Tsy hanararaotra ny fatokisan’ny olona izy ireo, mba hahazoana tombontsoa ho an’ny tenany, na ny havany, na ny namany.
Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy
Nanetry tena koa i Mosesy. Nomen’i Jetro rafozany hevitra nandaitra izy rehefa hitany fa reraka nandamina ny zava-manahiran’ny olona. Nasain’i Jetro nozaraina tamin’ny lehilahy mahay ny andraikiny. Niaiky i Mosesy fa voafetra ny mety ho vitany, ary nampiseho fahendrena ka nanaiky ilay soso-kevitra. (Eksodosy 18:17-26; Nomery 12:3) Vonona hizara fahefana ny olona manetry tena. Tsy matahotra izy hoe sao tsy hanam-pahefana intsony, raha mizara ny andraikitra azo zaraina amin’ireo lehilahy mahafeno fepetra. (Nomery 11:16, 17, 26-29) Mazoto kosa izy manampy azy ireny handroso eo amin’ny lafiny ara-panahy. (1 Timoty 4:15) Tsy tokony ho toy izany koa ve isika?
Andao Hikaroka Harena Miafina
“Aza Miraviravy Tanana”
14 Nanohana ny tanan’i Mosesy i Arona sy Hora nandritra an’ilay ady tamin’ny Amalekita. Azontsika atao koa ny mitady fomba hanohanana sy hanampiana ny hafa. Iza no azontsika ampiana? Ireo mijaly satria mihantitra, ireo tsy salama, ireo toherin’ny fianakaviany, ireo manirery, na ireo namoy havana. Azontsika atao koa ny mampahery ny tanora. Taomin’ny olona haditra mantsy izy ireny. Misy koa mampirisika azy ireny hifantoka be amin’ny fianarana sy ny asa na ny fitadiavam-bola, satria mihevitra ny olona fa izany no hahatafita azy. (1 Tes. 3:1-3; 5:11, 14) Mitadiava àry fomba ampisehoana hoe tena miahy ny hafa ianao, ohatra hoe rehefa any am-pivoriana, na eny am-pitoriana, na rehefa miara-misakafo aminy, na mitelefaonina azy.
it “Boky Ekena ho Anisan’ny Soratra Masina”: “Soratra Hebreo” § 2
Boky Ekena ho Anisan’ny Soratra Masina
Tena avy amin’Andriamanitra sy ny herin’ny fanahy masina ireo boky nosoratan’i Mosesy, ary manampy antsika hanaraka ny fivavahana madio. Tsy i Mosesy akory no te ho mpitarika ny Israelita, satria tsy nety izy aloha rehefa notendrena. (Ek 3:10, 11; 4:10-14) Andriamanitra kosa no nanendry azy sy nanome fahefana azy hanao fahagagana. Na ireo mpisoron’i Farao nampiasa herin’ny maizina aza niaiky fa nampian’Andriamanitra izy. (Ek 4:1-9; 8:16-19) Tsy fanirian’i Mosesy àry ny hiteny imason’olona sy hanoratra. Nankatò an’Andriamanitra kosa izy, ary nahazo fanahy masina vao sahy niteny sy nanoratra boky lasa anisan’ny Baiboly.—Ek 17:14.
Famakiana Baiboly
24-30 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 19-20
“Mahasoa Anao ny Didy Folo”
Milaza inona ho anao ny Didy Folo?
Ireo didy efatra voalohany dia mampisongadina ireo andraikitsika amin’i Jehovah. (Voalohany) Andriamanitra mbola mitaky fifikirana aminy manokana izy (Matio 4:10). (Faharoa) Tsy tokony hampiasa sary na iza na iza amin’ireo mpanompony (1 Jaona 5:21). (Fahatelo) Tokony ho amin’ny fomba mety sy amim-pahendrena ary tsy hampiseho tsy fanajana mihitsy ny fampiasantsika ny anaran’Andriamanitra (Jaona 17:26; Romana 10:13). (Fahefatra) Tokony hihondinkodina eo amin’ny zavatra ara-panahy ny fiainantsika iray manontolo. Izany dia hanampy antsika mba hitsahatra, na ‘hanao sabata fitsaharana’, amin’ny asa fanamarinan-tena.—Hebreo 4:9, 10.
Milaza inona ho anao ny Didy Folo?
(Fahadimy) Mbola vatofehizoro iorenan’ny firaisan’ny fianakaviana ihany fankatoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny, ary mitondra ny fitahian’i Jehovah izany. Ary fanantenana tsara dia tsara toy inona moa no atolotr’io “didy voalohany misy teny fikasana” io! Tsy hoe fotsiny “mba hahita soa hianao”, fa mba “ho maro andro ambonin’ny tany” koa. (Efesiana 6:1-3.) Amin’izao “andro farany” amin’izao fandehan-javatra ratsy iainantsika izao, ny fankatoavana araka an’Andriamanitra asehon’ny tanora toy izany dia manolotra ho azy ireo ny fahatsinjovana ny tsy ho faty mihitsy.—2 Timoty 3:1; Jaona 11:26.
Ny fitiavantsika ny namantsika dia hanakana antsika tsy hanisy ratsy azy amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny (Fahenina) famonoana olona, (Fahafito) ny fanitsakitsaham-bady, (Fahavalo) ny fangalarana, ary (Fahasivy) ny filazana lainga ho vavolombelona tsy marina (1 Jaona 3:10-12; Hebreo 13:4; Efesiana 4:28; Matio 5:37; Ohabolana 6:16-19). Ary ahoana ny amin’ny antony manosika antsika? Ny didy (Fahafolo) mandrara ny fitsiriritana, dia mampahatsiahy antsika fa mitaky ny hananantsika fikasana mahitsy foana eo imasony i Jehovah.—Ohabolana 21:2.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Mpisorona”: “Kristianina lasa mpisorona” § 1-2
Mpisorona
Kristianina lasa mpisorona. Nampanantena i Jehovah fa “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” ny Israely, raha manaja ny fifanekeny. (Ek 19:6) Hitsahatra anefa ny asa fisoronana nataon’ny taranak’i Arona, rehefa manomboka ilay asa fisoronana lehibe kokoa izay mifanitsy aminy (He 8:4, 5), ary mifarana ny fifaneken’ny Lalàna ka manomboka manan-kery ny fifanekena vaovao. (He 7:11-14; 8:6, 7, 13) Ny Israelita ihany aloha no nasaina ho lasa mpisoron’i Jehovah tao amin’ilay Fanjakana nampanantenainy. Nasaina koa anefa ny hafa firenena tatỳ aoriana.—As 10:34, 35; 15:14; Ro 10:21.
Vitsy ny Jiosy nanaiky an’i Kristy, ka tsy avy tamin’ilay firenena daholo ireo lasa anisan’ilay tena fanjaka-mpisorona sy firenena masina. (Ro 11:7, 20) Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israely, ka efa hatry ny ela izy ireo no nampitandremany hoe: “Noho ianao nanda ny fahalalana, dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao. Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao, dia hohadinoiko koa ny zanakao.” (Ho 4:6) Hoy koa i Jesosy tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mt 21:43) Teo ambanin’ny Lalàna anefa i Jesosy Kristy tamin’izany. Nilaza tamin’ireo boka nositraniny àry izy mba hiseho tany amin’ny mpisorona sy hanolotra ny fanatitra notakin’ny Lalàna, satria fantany fa mbola tsy nifarana ny asa fisoronan’ny taranak’i Arona.—Mt 8:4; Mr 1:44; Lk 17:14.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy
20:5—Nahoana no lazaina fa “mamaly ny heloky ny ray” amin’ireo taranaka ho avy i Jehovah? Tsaraina araka ny fitondran-tenany sy ny fihetsiny ny olona iray, rehefa tonga olon-dehibe izy. Nanjary nanompo sampy anefa ny firenen’Israely ka nizaka ny vokany, izy sy ireo taranany tatỳ aoriana. Nahatsapa ny vokatr’izany, na dia ireo Israelita nahatoky aza. Nampahasarotra ny fitoerany ho tsy mivadika ny fivadiham-pinoan’ilay firenena.
Famakiana Baiboly
31 AOGOSITRA–6 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 21-22
“Tahafo i Jehovah ka Hevero ho Sarobidy ny Aina”
it “Kapoka” § 2
Kapoka
Azon’ny Hebreo nokapohina tamin’ny hazo ny mpanompony (lahy na vavy) tsy nankatò na nikomy. Nosazina anefa izy raha maty ilay mpanompo. Raha afaka iray na roa andro taorian’ilay kapoka kosa ilay mpanompo vao maty, dia porofo izany fa tsy te hamono azy ny tompony. Nanan-jo hanafay mantsy izy, satria ‘volany’ ihany ny mpanompony. Tsy ho tiany koa ny hamotika ny fananany ka ho maty antoka. Mety ho tsy ilay kapoka koa no nahafaty an’ilay mpanompo, raha mbola velona izy afaka iray andro na mihoatra. Tsy nosazina àry ilay tompony.—Ek 21:20, 21.
Sarobidy Aminao ve ny Aina?
16 Sarobidy amin’Andriamanitra na dia ny ain’ny zaza ao am-bohoka aza. Mpamono olona, ohatra, no fiheverany an’izay Israelita nandona na nandratra vehivavy bevohoka, ka maty ilay vehivavy na ny zaza tao an-kibony. Tsy maintsy nanome ny ainy “ho solon’ny aina” izy. (Vakio ny Eksodosy 21:22, 23.) Raha izany aza mampalahelo an’i Jehovah, mainka fa ny fanalana zaza! Vehivavy an’aliny anefa no manala zaza isan-taona, satria tsy te hitaiza, na tsy te hanan-janaka intsony, na naloto fitondran-tena, na koa te hanohy ny fitondran-tena ratsiny. Tena malahelo i Jehovah mahita an’izany.
Tian’i Jehovah ho Voaro Amin’ny Loza Ianao
Nisy lalàna momba ny biby fiompy mampidi-doza koa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy maintsy novonoina, ohatra, ny omby iray raha nanoto olona ka nahafaty azy. Natao izany mba hiarovana ny hafa. Tsy azo nohanina na namidy ny henan’ilay omby. Fatiantoka be àry izany. Ahoana anefa raha efa nandratra olona ilay omby, nefa tsy nambenan’ny tompony? Ahoana raha mahafaty olona ilay izy atỳ aoriana? Tsy maintsy vonoina ilay omby sy ny tompony. Nandray lesona avy tamin’izany ny olona tsy niambina tsara ny biby fiompiny.—Eks. 21:28, 29.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Nahoana Ianao no Mila Manokan-tena ho An’i Jehovah?
4 Tena raharaha lehibe ny fanokanan-tena, fa tsy fifanekena fotsiny. Nahoana anefa isika no handray soa raha manokan-tena? Diniho ange ny soa azo rehefa manao fifanekena amin’olona e! Raha te handray soa avy amin’ny fananana namana, ohatra, ianao, dia mila manaiky ny adidy aterak’izany. Anisan’izany ny hoe mila miahy an’ilay namanao ianao. Resahin’ny Baiboly fa tena niavaka ny fisakaizan’i Davida sy Jonatana. Nanao fifanekena mihitsy aza izy roa lahy. (Vakio ny 1 Samoela 17:57; 18:1, 3.) Vitsy ny mpinamana hahavita hatramin’ny hoe hanao fifanekena. Mihamifankatia anefa ny mpinamana, raha samy mahatsapa ny adidiny hifanao soa.—Ohab. 17:17; 18:24.
5 Mandray soa koa ny olona iray rehefa manao fifanarahana amin’ny hafa, araka ny hita tamin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita. Ho voaro, ohatra, ny mpanompo, raha manao fifanarahana maharitra amin’ny tompony tsara fanahy, ary manaiky ho fananany mandrakizay. Hoy ny Lalàna: “Raha manizingizina anefa izy hoe: ‘Tena tiako ny tompoko sy ny vady aman-janako, ka tsy te hiala aho ary tsy te ho olona afaka’, dia hoentin’ny tompony manatona an’Andriamanitra izy, ka hankininy eo amin’ny varavarana na eo amin’ny tolàna, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.”—Eks. 21:5, 6.
it “Tandroka, Anjombona”: “Tandroky ny alitara” § 4
Tandroka, Anjombona
Te hilaza angamba ny Eksodosy 21:14 fa tokony hovonoina ny mpamono olona na dia mpisorona aza, na hoe ho voasazy izay ninia namono olona, na dia nihazona ny tandroky ny alitara aza.—Ampit. 1Mp 2:28-34.
Famakiana Baiboly