Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
5-11 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 31-32
“Andosiro ny Fanompoan-tsampy”
Miezaha ho Matotra fa “Akaiky ny Andro Lehiben’i Jehovah”
Mety ho sarotra ny mampihatra izay nianarana, indrindra rehefa miatrika zava-tsarotra. “Nila ady tamin’i Mosesy”, ohatra, ny zanak’Israely ary ‘tsy nitsahatra nitsapa toetra an’i Jehovah’, tsy ela taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Fa nahoana? Satria tsy nisy rano hosotroina. (Eks. 17:1-4) Nanao fifanekena tamin’i Jehovah sy nanaiky ‘hanao izay rehetra nolazainy’ izy ireo tatỳ aoriana. Tsy ampy roa volana taorian’izay anefa dia nandika ny lalàn’i Jehovah izy ireo, ka nanompo sampy. (Eks. 24:3, 12-18; 32:1, 2, 7-9) Ela loatra ve i Mosesy tany an-tendrombohitra Horeba, ka natahotra izy ireo sao ho resy raha manafika indray ny Amalekita? Noho i Mosesy teo mantsy no nandresen’izy ireo ny Amalekita taloha kelin’izay. (Eks. 17:8-16) Na ahoana na ahoana, dia “tsy nety nankatò” ny Israelita, fa natahotra ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Asa. 7:39-41) Nampirisihin’i Paoly àry ny Kristianina mba ‘hanao izay rehetra azony atao, sao ho latsaka ao amin’ny tsy fankatoavana mitovy amin’izany.’—Heb. 4:3, 11.
Mankatoava An’i Jehovah dia Hahasoa Anao ny Fianianana Nataony
Tonga i Jehovah dia nanomboka nanatanteraka izay nampanantenainy tao amin’ilay fifanekena. Nanao zavatra izy mba hanamboarana ny tranolay masina, ary nifidy mpisorona mba hanampy ny olombelona mpanota hifandray aminy. Tsy nitana ny teniny kosa anefa ny Israelita. Vetivety izy ireo dia nanadino hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra. “Nampahory an’Ilay Masin’ny Israely” izy ireo. (Sal. 78:41) Tsy naharitra niandry an’i Mosesy, ohatra, izy ireo rehefa nankany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy mba handray ny toromarik’i Jehovah. Nanjary tsy natoky an’i Jehovah izy ireo, ary nieritreritra hoe nandao azy ireo i Mosesy. Nanamboatra zanak’omby volamena àry izy ireo, ary nilaza hoe: “Io ny Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!” (Eks. 32:1, 4) Nanao fety izy ireo avy eo, ary nilaza hoe “fety ho an’i Jehovah” ilay izy. Niankohoka izy ireo ary nanao sorona ho an’ilay zanak’omby. Rehefa nahita izany i Jehovah, dia niteny tamin’i Mosesy hoe: “Nalaky niala tamin’ny lalana nasaiko nalehany izy.” (Eks. 32:5, 6, 8) Mampalahelo fa lasa fahazaran’ny Israelita, nanomboka teo, ny hoe mivoady amin’i Jehovah nefa avy eo tsy manatanteraka.—Nom. 30:2.
“Iza no Momba An’i Jehovah?”
Fantatry ny Israelita hoe fahotana ny manompo sampy, ary tena tsy tian’i Jehovah. (Eks. 20:3-5) Tsy ela taorian’ny nampahafantarana an-dry zareo an’izany anefa, dia nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena izy ireo. Efa niharihary be izao hoe nanota ry zareo, nefa mbola nieritreritra ihany hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah. I Arona aza nilaza mihitsy hoe nanao “fety ho an’i Jehovah” ry zareo rehefa nivavaka tamin’ilay zanak’omby. Tezitra be àry i Jehovah satria namadika azy izy ireo. Nilaza tamin’i Mosesy izy hoe ‘nanao ratsy’ ny vahoaka, ary ‘niala tamin’ny lalana nasainy naleha.’ Nieritreritra ny handringana an’ilay firenena manontolo mihitsy izy.—Eks. 32:5-10.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Misy Fotoana Iasana ary Misy Fotoana Akana Aina
Midika ve izany fa tsy ilaina ny maka aina satria niasa mafy i Jehovah sy Jesosy? Tsy izany mihitsy! Marina fa tsy mba reraka i Jehovah ka tsy mila miala sasatra. Milaza anefa ny Baiboly hoe “nitsahatra” izy ary “afa-po” rehefa avy namorona ny lanitra sy ny tany. (Eks. 31:17) Midika angamba izany hoe niato tamin’ny asany izy, dia naka fotoana hankafizana an’izay nataony. Hoatr’izany koa i Jesosy. Niasa mafy izy tamin’izy tetỳ an-tany, nefa naka fotoana hakana aina sy hiarahana misakafo tamin’ny namany.—Mat. 14:13; Lioka 7:34.
Fanontanian’ny mpamaky
Tsy hoe satria Andriamanitra tapa-kevitra ny hahatsiaro olona iray sy ny hankasitraka azy (hanoratra ny anarany “eo amin’ny bokin’ny fiainana”) dia hoe azony antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay izy, toy ny hoe voalahatra ny fiainany ka tsy afaka miova lalana intsony izy. Nanao izao hataka izao tamin’i Jehovah ho an’ny Isiraelita i Mosesy: “Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.” Namaly azy toy izao Andriamanitra: “Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko.” (Eksodosy 32:32, 33). Eny, na dia taorian’ny nanoratan’Andriamanitra tao amin’ny ‘bokiny’ ny anaran’ny olona iray ankasitrahany aza, dia mety hanjary tsy hankatò io na handa ny finoany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ‘hovonoin’Andriamanitra eo amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.’— Apokalypsy 3:5.
Famakiana Baiboly
12-18 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 33-34
“Ireo Toetran’i Jehovah Manintona Antsika”
it “Anarana”: “Anjely” § 2
Anarana
Mampiharihary ny fisian’Andriamanitra, fa tsy ny anarany, ny zavaboary. (Sl 19:1; Ro 1:20) Tsy ampy fotsiny anefa ny mahalala hoe Jehovah ny anaran’Andriamanitra (2Ta 6:33), fa ilaina koa ny mahalala ny fikasany, ny ataony, ary ny toetrany resahin’ny Teniny. (Ampit. 1Mp 8:41-43; 9:3, 7; Ne 9:10.) Porofon’izany izay nitranga tamin’i Mosesy. ‘Fantatr’i Jehovah tamin’ny anarany’ izy, izany hoe fantany tsara (Ek 33:12), ka nahita ny voninahitr’i Jehovah ary nandre ny ‘nanambarana ny anaran’i Jehovah.’ (Ek 34:5) Tsy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah fotsiny anefa no nambara taminy, fa ny toetrany sy ny ataony koa, rehefa nilazany izy hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina, fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny ray ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.” (Ek 34:6, 7) Mitantara an’izay nataon’Andriamanitra tamin’ny Israely sy ny toetrany koa ny hiran’i Mosesy misy an’ireo teny hoe: “Hanambara ny anaran’i Jehovah aho.”—De 32:3-44.
Nampahafantatra ny Mombamomba Azy i Jehovah
Ny zavatra nolazain’i Jehovah voalohany dia hoe “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy” izy. (Andininy 6) Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa ilay teny hebreo nadika hoe “mamindra fo” dia mampiseho ny ‘fangoraham-pon’Andriamanitra toy izay asehon’ny ray amin’ny zanany.’ Ny teny nadika hoe “tsara fanahy” kosa, dia mifandray amin’ny matoanteny “mampiseho olona atosiky ny fony hanampy olon-kafa mila ampiana.” Tian’i Jehovah ho fantatsika àry fa toy ny ray aman-dreny mikarakara ny zanany no ikarakarany ny mpanompony. Be fitiavana sy be fiahiana azy ireo izy, rehefa manao izany.—Salamo 103:8, 13.
Nilaza i Jehovah, avy eo, fa “tsy mora tezitra” izy. (Andininy 6) Tsy mora tezitra amin’ny mpanompony izy fa manam-paharetana amin’izy ireo kosa. Miaritra ny fahalemen’izy ireo izy sady manome fotoana hiovany.—2 Petera 3:9.
Nilaza koa Andriamanitra fa “be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana” izy. (Andininy 6) Toy ny fatorana mafy mampiray an’i Jehovah sy ny vahoakany io toetrany sarobidy io, dia ny hatsaram-panahy feno fitiavana, na ny fitiavana tsy miovaova. (Deoteronomia 7:9) Loharanon’ny fahamarinana koa izy. Tsy mamitaka izy sady tsy azo fitahina. Azo itokisana daholo izay lazainy, anisan’izany ny fampanantenany momba ny hoavy, satria “Andriamanitry ny fahamarinana” izy.—Salamo 31:5.
Nampahafantatra ny Mombamomba Azy i Jehovah
Anisan’ny fahamarinana lehibe tian’i Jehovah ho fantatsika koa ny hoe mamela “fahadisoana sy heloka ary fahotana” izy. (Andininy 7) ‘Vonona hamela ny heloky’ ny mpanota mibebaka izy. (Salamo 86:5) Tsy milefitra amin’ny fanaovan-dratsy mihitsy anefa izy. Nohazavainy fa “sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina.” (Andininy 7) Andriamanitra masina sy tia rariny izy, ka tsy havelany ho afa-maina ny olona minia manota. Hivaly amin’izy ireny ny ratsy nataony, na ho ela na ho haingana.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Eksodosy
33:11, 20—Ahoana no nitenenan’Andriamanitra “nifanatrika” tamin’i Mosesy? Manondro resaka ifanaovan’ny mpinamana io teny io. Niresaka tamin’ilay nisolo tena an’Andriamanitra i Mosesy, ary nolazain’io tamin’i Mosesy kosa ireo toromarika avy tamin’i Jehovah. Tsy nahita an’i Jehovah anefa i Mosesy, satria ‘tsy misy olona mahita an’Andriamanitra ka ho velona.’ Tsy niresaka mivantana tamin’i Mosesy i Jehovah. Milaza ny Galatianina 3:19 fa ‘nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely ny lalàna, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray.’
Ataovy Azo Antoka fa Mametraka Ireo Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Toerana Voalohany Ianao!
Intelo isan-taona, ireo lehilahy isiraelita sy proselyta rehetra teo amin’ilay tany dia nodidiana hiseho teo anatrehan’i Jehovah. Rehefa takatr’ireo loham-pianakaviana fa handray soa ara-panahy avy amin’ny fisehoan-javatra toy izany ny fianakaviana manontolo, dia nataony izay handehanan’ny vady aman-janany niaraka taminy. Iza anefa no hiaro ny trano sy ny sahany tamin’ny fanafihan’ny fahavalo rehefa tsy teo ny fianakaviana? Nampanantena toy izao i Jehovah: “Tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona hianao.” (Eksodosy 34:24). Nitaky finoana tamin’ireo Isiraelita ny fatokiana fa tsy hamoy zavatra ara-nofo izy ireo raha nametraka ireo tombontsoa ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany. Nitana ny teny nataony ve i Jehovah? Izany dia izany tokoa!
Famakiana Baiboly
19-25 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 35-36
“Ampian’i Jehovah Isika mba Hahavita ny Asany”
Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome
Tsy ny fanomezana nentin’ireo nanohana ny fivavahana marina anefa no tena nahafaly an’i Jehovah, fa ilay izy ireo tia nanome. Natosiky ny fony koa izy ireo ka nahafoy fotoana sy hery. ‘Nanao kofehy ny vehivavy rehetra izay nanan-talenta sy natosiky ny fony’, anisan’izany ny kofehy vita “tamin’ny volon’osy.” Nomen’i Jehovah “fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany” koa i Bezalila. Nomeny ny fahaizana nilaina mba hamitana ny asa rehetra nasainy natao izy sy Oholiaba.—Eks. 35:25, 26, 30-35.
Nitari-dalana An’ireo Mpanompon’i Jehovah Fahiny ny Fanahy Masina
Niara-belona tamin’i Mosesy i Bezalila, ary niasa taminy koa ny fanahin’i Jehovah. (Vakio ny Eksodosy 35:30-35.) Nisy zavatra maro nilaina tao amin’ny tranolay masina, ka izy no nasaina nitarika ny asa fanamboarana azy ireny. Efa nahay asa tanana ve izy talohan’izay? Mety ho izany, kanefa nanao biriky ho an’ny Ejipsianina angamba no asa farany nataony. (Eks. 1:13, 14) Ahoana àry no nahavitany an’ilay asa sarotra nampanaovina azy? ‘Nofenoin’i Jehovah ny fanahiny izy, mba hananany fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany, ka hahafahany hamoron-javatra sy hanamboatra taozavatra isan-karazany.’ Mety ho efa nanan-talenta tamin’ny asa tanana i Bezalila, kanefa lasa nahay kokoa izy noho ny fanampian’ny fanahy masina. Toy izany koa i Oholiaba. Tena lasa nahay be ry zareo, matoa nahavita ny asa nampanaovina azy sady nampianatra ny hafa koa. ‘Nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny fahaiza-mampianatra.’
Nitari-dalana An’ireo Mpanompon’i Jehovah Fahiny ny Fanahy Masina
Nateza be ny asa vitan’i Bezalila sy Oholiaba, ka porofo izany fa notarihin’ny fanahy izy ireo. Mbola nampiasaina ny zavatra nataon’izy ireo, na dia 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana aza. (2 Tan. 1:2-6) Tsy nasiany marika na nasiany ny anarany ny zava-bitany, toy ny fanaon’ireo mpanao asa tanana ankehitriny mba hampahalaza ny tenany. I Jehovah no nomen’izy ireo voninahitra.—Eks. 36:1, 2.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fantaro ny Lalan’i Jehovah
Ataovy loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony ho variana tamin’ny zavatra ara-nofo ny Israelita, ka ho lasa an-tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy tokony ho revo tanteraka tamin’ny fiainana andavanandro izy ireo. Nisy andro iray isan-kerinandro nolazain’i Jehovah fa masina, ary natokana hanaovan-javatra mifandray amin’ny fanompoana azy izy io. (Eksodosy 35:1-3; Nomery 15:32-36) Nisy fotoana hafa koa natokana ho an’ny fivoriambe masina isan-taona. (Levitikosy 23:4-44) Afaka niresaka momba ny asa lehibe nataon’i Jehovah ny Israelita tamin’ireny fotoana ireny, sady nampahatsiahivina ny lalany, ary afaka naneho fankasitrahana azy noho ny soa rehetra nataony. Nitombo ny fahatahorany sy ny fitiavany an’i Jehovah, rehefa nanompo azy izy ireo. Nanampy azy ireo handeha tamin’ny lalany izany. (Deoteronomia 10:12, 13) Mahasoa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny koa ny toro lalana raketin’ireny didy nomena ny Israelita ireny.—Hebreo 10:24, 25.
Mitondra Fifaliana ny Fitobaky ny Fahalalahan-tanana
Alao sary an-tsaina àry izay tsapan’ireo Isiraelita. Taranaka niaritra fanandevozana sy tsy fahampiana nampahory izy ireo. Izao izy ireo dia olona afaka sady nanana fananana be. Ahoana no ho tsapan’izy ireo tamin’ny famoizana ny sasany tamin’izany fananana izany ? Nety ho nihevitra izy ireo fa izy no nahazo izany fananana izany, ka nanana zo hihazona azy ireo. Kanefa, rehefa nasaina hanao fanomezana ara-bola mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana madio izy ireo, dia nanao izany—ary tsy tamim-pahalainana na tamim-pahihirana! Tsy nohadinoin’izy ireo fa i Jehovah no nahatonga azy ireo hanana ireo zavatra ara-nofo ireo. Araka izany, dia nanome be dia be tamin’ny volafotsiny sy ny volamenany ary ny biby fiompiny izy ireo. “Namporisihin’ny fony” izy ireo. ‘Nampahazotoin’ny fony’ izy ireo. ‘Nampirisihin’ny fanahiny izy ireo.’ Tena fanatitra ‘an-tsitrapo ho an’i Jehovah’, izany.—Eksodosy 25:1-9; 35:4-9, 20-29; 36:3-7.
Famakiana Baiboly
26 OKTOBRA–1 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 37-38
“Ireo Alitaran’ny Tranolay Masina”
it “Alitara”: “Alitaran’ny tranolay masina” § 3
Alitara
Alitaran’ny emboka manitra. Natao tamin’ny hazo akasia koa io alitara io (na “alitara volamena” [Ek 39:38]). Nopetahana takela-bolamena ny tampony sy ireo lafiny, ary nasiana sisiny volamena nanodidina ny tampony. Efamira ilay alitara, ka nirefy 44,5 sm ny lafiny iray, ary 89 sm ny haavony. Nasiana “tandrony” koa ny zorony efatra ambony. Nisy tahony boribory volamena roa avy, teo amin’ny andaniny roa, teo ambanin’ilay sisiny volamena. Teo no nitsofohan’ny bao filanjana vita tamin’ny hazo akasia nopetahana takela-bolamena. (Ek 30:1-5; 37:25-28) Nandorana emboka manitra hafakely indroa isan’andro (maraina sy takariva) teo ambonin’ilay alitara. (Ek 30:7-9, 34-38) Nandorana emboka manitra koa ny fitondrana afo, ary azo inoana fa nampiasaina teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra izy io. (Le 16:12, 13; He 9:4; Ap 8:5; ampit. 2Ta 26:16, 19.) Teo anoloan’ny ridao nanasaraka ny Masina Indrindra sy Masina ilay alitara, ka azo lazaina hoe ‘teo anoloan’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.’—Ek 30:1, 6; 40:5, 26, 27.
it “Emboka Manitra” § 2
Emboka Manitra
Avy tamin’ny zava-tsarobidy nomen’ny fiangonana no nanaovana ny emboka manitra masina ho an’ny tranolay masina tany an-tany efitra. (Ek 25:1, 2, 6; 35:4, 5, 8, 27-29) Zavatra efatra no nafangaro, ka hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Makà an’ireto zava-manitra ireto: Ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony. Tokony hitovy daholo ny fatran’ireo. Dia amboary ho emboka manitra izany, ho zava-manitra mifangaro toy izay ataon’ny mpanamboatra menaka fanosorana, eny, zava-manitra misy sira sy madio, ary ho zava-masina. Ary makà amin’ilay emboka manitra ka totoy ho lasa vovony izany. Dia makà amin’ilay vovony, ka ataovy eo anoloan’ny Vata misy ny Tenin’ny Vavolombelona izay ao amin’ny tranolay fihaonana, eo amin’izay hisehoako aminao. Tokony ho masina indrindra izany aminareo.” Tsy azo alain-tahaka izy io ary masina, satria hoy koa izy: “Izay manamboatra emboka manitra mitovy amin’izany mba hankafizana ny fofony, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny.”—Ek 30:34-38; 37:29.
it “Alitara”: “Alitaran’ny tranolay masina” § 1
Alitara
Alitaran’ny tranolay masina. Alitara roa no naorina araka ny modely nomen’Andriamanitra, rehefa natsangana ny tranolay masina. Hazo akasia natao miendrika vata poakaty, toa tsy nisy tampony sy fanambaniny, no nanaovana ny alitaran’ny fanatitra dorana (na “alitara varahina” [Ek 39:39]). Efamira ilay izy, ka nirefy 2,2 m ny lafiny iray, ary 1,3 m ny haavony. Nasiana “tandrony” ny zorony efatra ambony. Nopetahana takela-barahina ilay alitara manontolo. Nasiana makarakara varahina miendrika harato teo “ambanimbanin’ny” molotry ny alitara, ‘teo amin’ny fisasahany.’ Teo amin’ny zorony efatra teo akaikin’ilay makarakara ny tahony boribory efatra, izay toa nanatsofohana bao filanjana roa vita tamin’ny hazo akasia nopetahana takela-barahina. Mety ho notatahana ny andaniny roa tamin’ilay alitara mba hitsofohan’ilay makarakara, ary tetỳ ivelany teo akaikin’ilay makarakara ireo tahony boribory. Maro anefa ny manam-pahaizana mihevitra hoe valo ireo tahony, ka tetỳ ivelany ny efatra nanatsofohana an’ireo bao filanjana. Varahina ireo fitaovan’ny alitara: Fitoeran-davenona sy lapelina fanesorana lavenona, vilia baolina fanantazana ram-biby, fitrebika fakana hena, ary fitondrana afo.—Ek 27:1-8; 38:1-7, 30; No 4:14.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Akasia” § 3
Akasia
Be tsilo ireo sampan’ny akasia misandrahaka, ary lava ny tsilony. Lasa kirihitra matevina ireo akasia mifanakaiky satria mifaningotra ireo sampany. Saika hoe shittim (mr.) foana àry no ilazan’ny Baiboly ny akasia. Mety hahatratra 6 ka hatramin’ny 8 m ny haavon’ny akasia, kanefa ivaiva toy ny kirihitra izy matetika. Malemilemy sy misy volombolony ny raviny, mavo mamerovero ny voniny mandrakotra azy, ary lava mahia sy mifaingoka ny fonon’ny voany. Voafono hodiny mainty matevina ilay hazo mafy be sy malamalama ary mavesatra izay tsy laitran’ny bibikely. Tena nety àry raha akasia (izay naniry tany an-tany efitra) no nanaovana ny tranolay masina sy ireto fitaovany ireto: Vata misy ny fifanekena (Ek 25:10; 37:1), latabatry ny mofo aseho (Ek 25:23; 37:10), alitara (Ek 27:1; 37:25; 38:1), sy bao filanjana azy rehetra ireo (Ek 25:13, 28; 27:6; 30:5; 37:4, 15, 28; 38:6), andry nanantonana ny ridao sy lamba fanakonana (Ek 26:32, 37; 36:36), ary ireo rafitry ny tranolay (Ek 26:15; 36:20) sy ny barany nanakambanana azy ireo (Ek 26:26; 36:31).
Fantatrao Ve?
Tsy mitovy amin’ny fitaratra ankehitriny ny fitaratra fahiny satria vita tamin’ny metaly natao malama tsara. Matetika ilay izy no halimo nefa koa mety ho vita tamin’ny varahina, volafotsy, volamena, na volamena sy volafotsy mifangaro. Ao amin’ny fitantarana momba ny nanorenana ny tranolay masina, na ny foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, no ahitana voalohany ny teny hoe fitaratra, ao amin’ny Baiboly. Nisy vehivavy be dia be nanome fitaratra tamin’izay mba hanamboarana ny kovetabe varahina sy ny tongony varahina. (Eksodosy 38:8) Tsy maintsy natsonika angamba aloha ireo fitaratra ireo vao azo nampiasaina.
Famakiana Baiboly