FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr21 Septambra p. 1-9
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2021
  • Lohatenikely
  • 6-12 SEPTAMBRA
  • 13-19 SEPTAMBRA
  • 20-26 SEPTAMBRA
  • 27 SEPTAMBRA–3 OKTOBRA
  • 4-10 OKTOBRA
  • 11-17 OKTOBRA
  • 18-24 OKTOBRA
  • 25-31 OKTOBRA
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2021
mwbr21 Septambra p. 1-9

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

6-12 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | DEOTERONOMIA 33-34

“Miafena ao Amin’ny Sandrin’i Jehovah Maharitra Mandrakizay”

it “Jesorona”

Jesorona

Anaram-boninahitra niantsoana ny Israely. Teny fanehoam-pitiavana kosa izy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ka nadika hoe “malala.” Tokony hampahatsiahy an’ireo Israelita io anarana hoe “Jesorona” io, fa vahoaka nanaovan’i Jehovah fifanekena izy ireo, ka tokony hanao izay mahitsy foana. (De 33:5, 26; Is 44:2) Somary fanesoana kosa ilay hoe Jesorona ao amin’ny Deoteronomia 32:15. Nanjary tsy voafehy mantsy ny Israely, fa nahafoy an’ilay Mpanao azy sady nanamavo an’ilay Mpamonjy azy.

w11 15/10 26 § 18

Matokia An’i Jehovah, Ilay “Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”

18 Nanome toky ny vahoakan’ny Israely i Mosesy, tao amin’ny hira mampahery iray nosoratany. Hoy izy: “Ilay Andriamanitry ny andro fahiny no fiafenanao, ary manohana anao ireo sandriny izay maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Deot. 33:27) Nilaza tamin’ny Israelita koa i Samoela tatỳ aoriana hoe: ‘Manaraha foana an’i Jehovah fa aza miala aminy, ary manompoa an’i Jehovah amin’ny fonareo manontolo. Tsy hahafoy ny olony i Jehovah, noho ny amin’ny anarany be voninahitra.’ (1 Sam. 12:20-22) Tsy hanary antsika mihitsy i Jehovah, raha tsy mivadika aminy mihitsy isika. Hanome foana ny fanampiana ilaintsika izy.

w11 15/9 19 § 16

Mahareta Amin’ilay Hazakazaka Hahazoana Fiainana

16 Tsy nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah i Mosesy, toa an’i Abrahama ihany. Izao no nolazaina taminy talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Hitazana an’ilay tany avy eny lavitra ianao, fa tsy hiditra ao amin’ilay tany homeko ny zanak’Israely.” Nahoana izy no tsy nahazo niditra an’ilay tany? Satria tezitra loatra tamin’ilay vahoaka nikomy izy sy Arona “teo amin’ny ranon’i Meriba”, ka tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra. (Deot. 32:51, 52) Kivy sy nanao an-dolompo ve anefa izy, rehefa tsy navela hiditra ny Tany Nampantenaina? Tsia. Nitso-drano an’ilay vahoaka kosa izy, ary namarana ny teniny toy izao: “Sambatra ianao, ry Israely ô! Iza moa no tahaka anao, izay vahoaka mahazo famonjena avy amin’i Jehovah Ilay ampingan’ny famonjena anao, sy Ilay sabatrao malaza?”—Deot. 33:29.

Vatosoa Ara-panahy

it “Mosesy”: “Maty ary nalevina” § 2

Mosesy

Efa 120 taona i Mosesy rehefa maty. Mbola natanjaka izy matoa milaza ny Baiboly hoe: “Tsy nihananjavozavo ny masony, sady tsy nihena ny heriny.” Nalevin’i Jehovah tao amin’ny toerana iray mbola tsy fantatra hatramin’izao izy. (De 34:5-7) Nahoana? Azo inoana fa mba hisakanana ny Israelita tsy ho voataona hanompo sampy, ka hihevitra ny fasany ho toerana masina. Toa mitovitovy amin’izany no tian’ny Devoly hampiasana ny fatin’i Mosesy. Hoy mantsy i Joda, mpianatr’i Jesosy Kristy sady rahalahiny hafa ray: ‘Rehefa nifamaly tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy i Mikaela arkanjely, dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny manevateva, fa nilaza kosa hoe: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah!”’ (Jd 9) Nisaona an’i Mosesy nandritra ny 30 andro ny Israelita, ary avy eo notarihin’i Josoa hiampita ho any Kanana.—De 34:8.

13-19 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 1-2

“Ahoana no Hampahomby An’izay Ataonao?”

w13 15/1 8 § 7

Mahereza fa Momba Anao i Jehovah!

7 Tsy maintsy mianatra sy mampihatra izay voalazan’ny Baiboly isika, raha te hanana herim-po hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no nasaina nataon’i Josoa, rehefa voatendry handimby an’i Mosesy izy. Hoy i Jehovah taminy: ‘Mahereza sy matanjaha ianao, ary mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Mosesy mpanompoko anao. Aoka tsy ho afaka am-bavanao ity boky misy ny lalàna ity. Ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.’ (Jos. 1:7, 8) Nanaraka izany torohevitra izany i Josoa, ka ‘nahomby izay nataony.’ Raha manao izany koa isika, dia hanana herim-po bebe kokoa ary hahomby eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

w13 15/1 11 § 20

Mahereza fa Momba Anao i Jehovah!

20 Tsy mora foana ny manao ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa miatrika fitsapana isika, eto amin’ity tontolo ratsy ity. Tsy miady irery anefa isika fa momba antsika Andriamanitra. Manampy antsika koa ny Zanany, ilay Lohan’ny fiangonana. Eo koa ireo Vavolombelona fito tapitrisa mahery namantsika maneran-tany. Miaraha amin’izy ireo, ary aoka ianao hanam-pinoana foana, hazoto hitory ny vaovao tsara, ary hitadidy ny andinin-teny ho an’ny taona 2013 hoe: “Mahereza sy matanjaha. ... Momba anao i Jehovah Andriamanitrao.”—Jos. 1:9.

Vatosoa Ara-panahy

w04 1/12 9 § 1

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

2:4, 5—Nahoana i Rahaba no namitaka an’ireo mpanompon’ny mpanjaka nitady ny mpisafo tany? Nanao vivery ny ainy mba hiarovana an’ireo mpisafo tany i Rahaba, satria nanjary nino an’i Jehovah. Tsy voatery holazainy amin’ireo lehilahy nikasa hanisy ratsy ny vahoakan’Andriamanitra àry, ny toerana nisy an’ireo mpisafo tany. (Matio 7:6; 21:23-27; Jaona 7:3-10) ‘Nambara ho marina’ i Rahaba noho izay nataony, ka anisan’izany ny namitahany ny iraky ny mpanjaka.—Jakoba 2:24-26.

20-26 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 3-5

“Tahin’i Jehovah Izay Manam-pinoana”

it “Jordana” § 7

Jordana

Mirefy 1 m ka hatramin’ny 3 m eo ho eo ny halalin’i Jordana rehefa dilan’ny Ranomasin’i Galilia, ary tokotokony ho 27 m ka hatramin’ny 30 m ny sakany. Tondraka anefa i Jordana amin’ny lohataona, ka lasa lehibe kokoa sy lalina kokoa. (Js 3:15) Nampidi-doza ho an’ny firenen’Israely (nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy) ny niampita an’i Jordana rehefa tondraka, indrindra fa teny akaikin’i Jeriko. Mahery be mantsy ny rano eo, ary nisy olona nandro lasan’ny rano teo, tsy ela izay. Nanao fahagagana anefa i Jehovah ary notohanany tsy hikoriana ny ranon’i Jordana ka afaka niampita tamin’ny tany maina ny Israelita. (Js 3:14-17) Nisy fahagagana toy izany koa taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’i Elia niaraka tamin’i Elisa, sy tamin’i Elisa nandeha irery.—2Mp 2:7, 8, 13, 14.

w13 15/9 15 § 17

Mahafaly ny Fonao ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

17 Lasa matoky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa manao zavatra mba hanehoana ny finoantsika azy. Manamarina an’izany ny zava-nitranga, rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Nandidy an’ireo mpisorona nitondra ny vata misy ny fifanekena i Jehovah, mba hiroboka avy hatrany tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Rehefa nihananatona an’ilay renirano anefa ny vahoaka, dia hitan’izy ireo hoe tondraka ilay renirano satria nisy oram-be. Inona no nataon’izy ireo? Nitoby teo amoron-drano nandritra ny herinandro vitsivitsy ve izy ireo, na ela kokoa noho izany, mandra-pihenan’ny rano? Tsia. Natoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo ary nankatò ny tari-dalany. Inona no vokany? ‘Raha vao nitsoboka teo amin’ny moron’i Jordana ny tongotry ny mpisorona, dia nijanona tsy nikoriana ny rano. Ary nijoro tsy nihetsika teo amin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana ny mpisorona, raha mbola niampita teo amin’ny tany maina ny Israely rehetra.’ (Jos. 3:12-17) Azo antoka fa faly be izy ireo nahita hoe tsy nikoriana intsony ilay renirano mahery. Vao mainka izy ireo natoky an’i Jehovah satria nankatò ny tari-dalany.

w13 15/9 16 § 18

Mahafaly ny Fonao ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

18 Marina fa tsy manao fahagagana mba hanampiana ny vahoakany i Jehovah ankehitriny. Tahiny anefa izy ireo rehefa maneho finoana ka mankatò azy. Manome hery azy ireo ny fanahy masina mba hahafahany manao ny asa fitoriana maneran-tany. Nanome toky azy ireo i Jesosy Kristy, ilay Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra, fa hanampy azy ireo hanao an’io asa lehibe io. Hoy izy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. ... Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:19, 20) Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nahatsapa hoe nampian’ny fanahy masina, ka lasa sahy nitory tamin’ny olona tsy fantany, na dia saro-kenatra aza.—Vakio ny Salamo 119:46; 2 Korintianina 4:7.

Vatosoa Ara-panahy

w04 1/12 9 § 2

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

5:14, 15—Iza ilay “Komandin’ny miaramilan’i Jehovah”? Tonga nampahery an’i Josoa ilay komandy na printsy, talohan’ny nanafihana ny Tany Nampanantenaina. Tsy iza izy io fa “ny Teny”, na i Jesosy Kristy talohan’ny naha olombelona azy. (Jaona 1:1; Daniela 10:13) Eo am-panaovana ady ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Tena mampahery àry ny mahafantatra fa miaraka amin’izy ireo i Jesosy Kristy nomem-boninahitra!

27 SEPTAMBRA–3 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 6-7

“Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy”

w10 15/4 20 § 5

Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!

5 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia resin’ny fanirian’ny masony ny Israelita iray atao hoe Akana. Nangalatra zavatra tao Jeriko izy, rehefa resy io tanàna io. Nilaza Andriamanitra fa tokony hopotehina ny zava-drehetra tao amin’ilay tanàna, afa-tsy ny zava-tsarobidy sasany ho an’i Jehovah ihany. Nomena baiko izy ireo hoe: ‘Mitandrema ianareo mba tsy hanakaiky ny zavatra atokana haringana, sao hotsiriritinareo ireny ka hakanareo.’ Tsy nankatò i Akana, ka resy tao amin’ny tanànan’i Ay ny Israelita. Maty ny maro tamin’izy ireo. Tsy niaiky i Akana hoe nangalatra, raha tsy efa tratra. Hoy izy: ‘Nahita [an’ireo entana] aho, dia notsiriritiko izany ka nalaiko.’ Tsy nifehy ny masony i Akana, ka noringanina izy sy “izay rehetra azy.” (Jos. 6:18, 19; 7:1-26) Ny zavatra nandrarana azy mihitsy no notsiriritiny.

w97 15/8 28 § 2

Nahoana no Mitatitra Fanaovan-dratsy?

Ny antony iray hitaterana fanaovan-dratsy dia satria mandray anjara amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny fiangonana izy io. I Jehovah dia Andriamanitra madio, Andriamanitra masina. Takiny ho madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena ireo rehetra manolotra fanompoam-pivavahana ho azy. Mananatra toy izao ny Teniny ara-tsindrimandry: “Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’” (1 Petera 1:14-16). Ireo olona zatra manao zavatra maloto na ratsy, dia afaka mitondra fandotoana sy mahatonga ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ny fiangonana iray manontolo, raha tsy misy zavatra atao mba hanitsiana na hanesorana azy ireo.— Ampitahao amin’ny Josoa toko faha-7.

w10 15/4 21 § 8

Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!

8 Mety ho resin’ny fanirian’ny maso koa ny tena Kristianina. Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra àry isika hifehy tena, ka tsy hijery na haniry zava-dratsy. (1 Kor. 9:25, 27; vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Niaiky i Joba, lehilahy marina, fa tena misy vokany eo amin’ny faniriana ny zavatra jerena. Hoy izy: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Tsy vitan’ny hoe tsy nety nikasi-behivavy hafa i Joba, fa nifehy ny sainy koa mba tsy hieritreri-dratsy. Nohamafisin’i Jesosy fa tokony hadio foana ny saintsika. Hoy mantsy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Mat. 5:28.

Vatosoa Ara-panahy

w15 15/11 13 § 2-3

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanaon’ny miaramila fahiny ny manao fahirano an’izay tanàna voaro mafy tiany hotafihina. Rehefa resin’izy ireo ilay tanàna, dia alainy ny zava-tsarobidy ao, anisan’izany ny sakafo tsy lanin’ny mponina nandritra an’ilay fahirano. Nahita sakafo be dia be tao amin’ny sisa tavela amin’ny tanànan’i Jeriko anefa ny mpikaroka. Milaza ny gazety Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) fa tsy fahita izany tany amin’ny tanàna hafa nisy nanao fahirano, tany Palestina. Hoy ihany io gazety io: “Voamadinika no tena betsaka tao [Jeriko], ankoatra ny zavatra vita tamin’ny tanimanga. ... Mety ho nisy voamadinika iray na roa siny tavela ihany [tany amin’ny tanàna hafa], nefa tsy fahita ny voamadinika be dia be toy izany.”

Milaza ny Baiboly fa tsy nalain’ny Israelita ny sakafo tao Jeriko, satria tsy navelan’i Jehovah hanao an’izany izy ireo. (Jos. 6:17, 18) Mbola be voamadinika tao, satria volana Martsa na Aprily ny Israelita no nanafika an’ilay tanàna, izany hoe taoriana kelin’ny fotoam-pijinjana. (Jos. 3:15-17; 5:10) Vetivety àry no nanaovana fahirano an’i Jeriko, matoa be dia be ny voamadinika tavela tao. Marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly.

4-10 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 8-9

“Fianarana avy Amin’ny Tantaran’ny Gibeonita”

it “Gibeona”: “Tamin’ny andron’i Josoa” § 1

Gibeona

Tamin’ny andron’i Josoa. Ny Hivita no nonina tao Gibeona tamin’ny andron’i Josoa. Anisan’ireo firenena fito tao Kanana izay tokony haringana izy ireo. (De 7:1, 2; Js 9:3-7) Voalaza fa Amorita koa ny Gibeonita, satria toa io indraindray no anarana niantsoana ny Kananita rehetra. (2Sa 21:2; ampit. Ge 10:15-18; 15:16.) Tsy mba toy ny Kananita hafa ny Gibeonita fa niaiky hoe i Jehovah no niady ho an’i Israely, ka ho resy izy ireo na dia nanana tafika mahery sy tanàna lehibe aza. Rehefa rava àry i Jeriko sy Ay, dia nandefa solontena tany amin’i Josoa tany Gilgala mba hitady fihavanana ireo lehilahy tao Gibeona. Toa nisolo tena koa an’i Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima, izay samy tanànan’ny Hivita, ireo Gibeonita ireo. (Js 9:17) Mody niseho ho olona avy lavitra be ireo ambasadaoro gibeonita ireo satria nanao akanjo sy kapa efa tonta, sady nitondra gony tonta, siny hoditra fasiana divay izay efa triatra, ary mofo efa maina sy potipotika. Amin’izay mantsy dia tsy noheverina ho anisan’ireo firenena tsy maintsy noresen’ny Israely izy ireo. Niaiky ireo Gibeonita ireo fa i Jehovah no namely an’i Ejipta sy ny mpanjakan’ny Amorita, dia i Sihona sy Oga. Hendry izy ireo ka tsy notononiny izay nanjo an’i Jeriko sy Ay, satria mbola tsy tokony ho nandre izany izy ireo raha tena avy tany “an-tany lavitra be” tokoa. Nandinika ny porofo ny solontenan’ny Israely ka resy lahatra ary nanao fifanekena tamin’izy ireo fa hamela azy ho velona.—Js 9:3-15.

w11 15/11 8 § 14

“Aza Miantehitra Amin’ny Fahaizanao”

14 Tsy lavorary isika rehetra, ka tsy tokony hanadino hangataka tari-dalana amin’i Jehovah rehefa hanapa-kevitra. Tokony hanao izany na dia ny anti-panahy za-draharaha aza. Diniho izay nataon’i Josoa sy ireo anti-panahin’ny Israely. Tonga tany aminy ireo Gibeonita mody nanao akanjo tonta, ary nilaza fa avy lavitra be. Avy hatrany dia nanaiky hanao fifanekem-pihavanana tamin’izy ireo i Josoa sy ny namany, fa tsy nanontany an’i Jehovah. Marina fa neken’i Jehovah ilay fifanekena. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly anefa hoe tsy nangataka tari-dalana taminy i Josoa sy ny namany, mba handraisantsika lesona.—Josoa 9:3-6, 14, 15.

w04 15/10 18 § 14

“Mandehana Mitety ny Tany”

14 Hoy izy ireo: “Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.” (Josoa 9:3-9) Toa nanamarina izany tokoa ny akanjony sy ny sakafony, nefa 30 kilaometatra monja avy teo Gilgala no nisy an’i Gibeona. Nino azy ireo i Josoa sy ny lohan’ny fiangonana, ka nanao fifanekem-pihavanana tamin’i Gibeona sy ny tanàna teo akaikiny. Mba tsy hahafaty azy fotsiny ve no nanaovan’ny Gibeonita an’io tetika io? Tsy izany mihitsy, fa te hahazo sitraka tamin’ny Andriamanitry ny Israely izy ireo. Neken’i Jehovah ny hahatongavan’izy ireo ho “mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah”, izany hoe nanome ny kitay hampiasaina teo amin’ny alitara fanaovana fanatitra. (Josoa 9:11-27) Vonona hatrany ny Gibeonita hanao asa noheverina ho ambany, nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Azo inoana fa nisy tamin’izy ireo anisan’ny Netinima niverina avy tany Babylona, sy nanompo tao amin’ny tempoly voaorina indray. (Ezra 2:1, 2, 43-54; 8:20) Manahaka azy ireo isika, raha miezaka ny hihavana hatrany amin’Andriamanitra sy vonona hanao izay asa heverina ho ambany, mifandray amin’ny fanompoana azy.

Vatosoa Ara-panahy

it “Ahantona” § 1

Ahantona

Nahantona teo amin’ny tsato-kazo ny mpandika lalàna sasany rehefa avy novonoina, araka ny lalàn’i Jehovah ho an’ny Israely. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo, ohatra, ny fatin’izay meloka ho nanevateva an’Andriamanitra na nanompo sampy, rehefa avy notoraham-bato na novonoina tamin’ny fomba hafa izy ireo. (Js 8:29; 10:26; 2Sa 21:6, 9) “Voaozon’Andriamanitra” izy ireo, ary naseho vahoaka mba ho fampitandremana. Nila nesorina teo amin’ilay tsato-kazo anefa ny fatiny rehefa ho alina ary nalevina, mba tsy ho voaloto ny tany nomen’Andriamanitra ho an’ny Israelita. (De 21:22, 23) Narahina io didy io na dia tsy Israelita aza ilay nahantona.—Js 8:29; 10:26, 27.

11-17 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 10-11

“Miady ho An’ny Israely i Jehovah”

it “Adoni-zedeka”

Adoni-zedeka

Mpanjaka tao Jerosalema izy, rehefa niady mba hahazoana ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Natambatr’i Adoni-zedeka tamin’ny tafik’ireo fanjakana kely tany andrefan’i Jordana ny tafiny, mba hanoherana ny tafik’i Josoa izay nandresy fanjakana maro. (Js 9:1-3) Ireo Hivita mponina tao Gibeona kosa nifidy ny hihavana tamin’i Josoa. Te hamaly faty noho ny nataon’izy ireo i Adoni-zedeka sady te hisakana an’izay mbola te hihavana tamin’ny Israelita fahavalony, ka nakambany tamin’ny tafik’ireo mpanjaka amorita efatra ny tafiny. Nanao fahirano sy niady tamin’i Gibeona izy ireo. Namonjy an’ireo Gibeonita anefa i Josoa, ka resiny tanteraka ireo tafika nivondrona ireo. Nandositra tany Makeda ireo mpanjaka dimy ary voahidy tao anaty lava-bato. I Josoa mihitsy no namono an’i Adoni-zedeka sy ireo mpanjaka efatra, teo anatrehan’ny miaramila israelita. Nahantony teo amin’ny tsato-kazo ny fatin’izy ireo, ary natsipy tao amin’ilay lava-bato avy eo. Lasa fasan’izy ireo ilay lava-bato.—Js 10:1-27.

it “Havandra”: “Nandatsaka havandra i Jehovah” § 1

Havandra

Nandatsaka havandra i Jehovah. Nampiasa havandra i Jehovah indraindray mba hanatanterahana ny teniny sy hampisehoana ny heriny lehibe. (Sl 148:1, 8; Is 30:30) Ny loza fahafito namely an’i Ejipta no fitantarana voalohany manaporofo izany. Nanimba ny zavamaniry sy ny hazo ny havandra, ary nahafaty olona sy biby be dia be teny an-tsaha. Tsy nisy havandra kosa tany amin’ireo Israelita tany Gosena. (Ek 9:18-26; Sl 78:47, 48; 105:32, 33) Nandatsaka havandra vaventy koa i Jehovah tatỳ aoriana, mba hamelezana an’ireo Amorita, tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nivondrona mba hiady tamin’ny Gibeonita mantsy ny mpanjaka amorita dimy, ka nanampy an’ireo Gibeonita ny Israelita teo ambany fitarihan’i Josoa. Betsaka kokoa no matin’ny havandra noho ny maty tamin’ilay ady.—Js 10:3-7, 11.

w04 1/12 11 § 1

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

10:13—Ahoana no hampisy an’izany? “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah”, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany? (Genesisy 18:14) Afaka manovaova ny fihodinan’ny tany i Jehovah raha tiany. Toy ny tsy mihetsika amin’izay ny fahitana ny masoandro sy ny volana. Azony atao koa ny tsy manelingelina ny fihodinan’ny tany sy ny volana. Ataony kosa izay hahatongavan’ny tara-pahazavana avy amin’ny masoandro sy ny volana ho etỳ an-tany, mba hisian’ny hazavana foana. Na ahoana na ahoana, dia “tsy nisy andro tahaka izany” teo amin’ny tantaran’ny olombelona.—Josoa 10:14.

Vatosoa Ara-panahy

w09 15/3 32 § 5

Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy voatery hoe avy amin’ny fanahy masina ny boky sasany nakana hevitra, na dia voatonona ao amin’ny Baiboly aza. Ireo boky mirakitra “ny tenin’Andriamanitsika” ihany no narovan’i Jehovah, ary “haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Isaia 40:8) Izay nampidirin’i Jehovah ao amin’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, dia efa ampy mba hahatonga antsika “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Tim. 3:16, 17.

18-24 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 12-14

“Manaraha An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo”

w04 1/12 12 § 2

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Josoa

14:10-13. Nangataka hanao asa sarotra i Kaleba, na dia efa 85 taona aza. Izany dia ny handroaka ireo mponina tao Hebrona, faritra nipetrahan’ireo Anakita goavambe. Nahomby ilay mpiady za-draharaha, noho ny fanampian’i Jehovah, ary lasa tanàna fandosirana i Hebrona. (Josoa 15:13-19; 21:11-13) Mampahery antsika ny ohatr’i Kaleba, ka mahatonga antsika tsy hiahotra hanao asa kristianina sarotra.

w06 1/10 18 § 11

Be Herim-po Noho ny Finoana sy ny Tahotra An’Andriamanitra

11 Mihamatanjaka hatrany io finoana io, rehefa mampihatra ny fahamarinana isika, ‘manandrana’ na mahatsapa ny soa entin’izany, ‘mizaha’ na mahita ny valin’ny vavaka ataontsika, ary mahatsapa ny fomba hafa itarihan’i Jehovah antsika. (Salamo 34:8; 1 Jaona 5:14, 15) Azo antoka fa nihalalina ny finoan’i Josoa sy Kaleba, rehefa hitany ny soa nataon’Andriamanitra taminy. (Josoa 23:14) Anisan’izany ireto: Tafavoaka velona tamin’ilay dia naharitra 40 taona tany an-tany efitra izy ireo, araka ny nampanantenain’Andriamanitra. (Nomery 14:27-30; 32:11, 12) Nampandraisina anjara tamin’ny fanafihana an’i Kanana, izay naharitra enin-taona, koa izy ireo. Tsy vitan’izany fa ela velona izy ireo, nanana fahasalamana tsara, ary nahazo anjara tany manokana mihitsy. Tondraka tokoa ny valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony manana finoana sy herim-po!—Josoa 14:6, 9-14; 19:49, 50; 24:29.

Vatosoa Ara-panahy

it “Gebala” § 2

Gebala

Nilaza i Jehovah fa anisan’ny faritra mbola tsy azon’ny Israely “ny tanin’ny Gebalita”, tamin’ny andron’i Josoa. (Js 13:1-5) Nokianin’ny mpanao tsikera anefa izany. Tany avaratra be (100 km eo ho eo avaratr’i Dana) mantsy, hono, i Gebala, ary tsy nofehezin’ny Israelita mihitsy. Misy manam-pahaizana milaza fa nisy nanova ny teny hebreo eo amin’ilay andininy, ka tokony hoe “ilay tany akaikin’i Libanona” na ‘hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gebalita’ no eo, fa tsy hoe “ny tanin’ny Gebalita.” Tsara homarihina anefa fa misy fepetra ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Josoa 13:2-7. Tsy lasan’ny Israely mihitsy àry angamba i Gebala, noho izy ireo tsy nankatò.—Ampit. Js 23:12, 13.

25-31 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOSOA 15-17

“Arovy ny Lovanao Sarobidy”

it “Hebrona” § 6

Hebrona

Mbola nanafika ny faritra atsimon’i Kanana ny Israely, ka naringan’izy ireo tanteraka ny mponin’i Hebrona sy ny mpanjakany (azo inoana fa ilay nandimby an’i Hohama). (Js 10:36, 37) Marina fa resy ny Kananita, kanefa toa tsy namela toby miaramila tao amin’izay tanàna azony ireo Israelita notarihin’i Josoa. Rehefa lasa niady tany an-toeran-kafa ny Israely, dia azo inoana fa niverina nipetraka tao Hebrona ny Anakita. Tsy maintsy mbola niady àry i Kaleba (na ny taranak’i Joda notarihin’i Kaleba) mba hahazoana an’ilay tanàna tatỳ aoriana. (Js 11:21-23; 14:12-15; 15:13, 14; Mpts 1:10) Tany am-boalohany, dia nomena an’i Kaleba anisan’ny fokon’i Joda i Hebrona, fa lasa tanàna fialokalofana izy io avy eo. Tanànan’ny mpisorona koa izy io. Mbola lovan’i Kaleba foana anefa ‘ny faritra ambanivohitr’ilay tanànan’i Hebrona’ mbamin’ny tanàna keliny.—Js 14:13, 14; 20:7; 21:9-13.

it “Asa An-terivozona” § 1

Asa An-terivozona

Maro no nampanaovina “asa an-terivozona” (heb.: mas) fahiny. Matetika mantsy no natao andevo ny firenena resy. (Js 16:10; 17:13; Es 10:1; Is 31:8; Ft 1:1) Nampanaovin’ny Ejipsianina asa an-terivozona sy nampahoriny ny Israelita, ka nasainy nanorina an’ireo tanànan’i Pitoma sy Ramesesa (fitehirizana entana sy vokatra). (Ek 1:11-14) Tsy narahin’ny Israelita ny didin’i Jehovah ka tsy noroahiny sy tsy naringany ny mponina rehetra tao Kanana, rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Notereny hanao asa an-terivozona kosa ny Kananita. Inona no vokany? Voataona hanompo andriamani-diso ny Israelita. (Js 16:10; Mpts 1:28; 2:3, 11, 12) Nampanantsoin’i Solomona Mpanjaka hanao asa an-terivozona ny taranaky ny Kananita, dia ny Amorita, Hetita, Perizita, Hivita, ary Jebosita.—1Mp 9:20, 21.

it “Kanana”: “Azon’ny Israelita i Kanana” § 5

Kanana

Marina fa maro ny Kananita tsy maty sy tsy nanaiky hofehezin’ny Israelita. Azo lazaina anefa hoe “nomen’i Jehovah ny Israely ilay tany manontolo izay efa nianianany homena ny razan’izy ireo.” Nataony “mandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina” koa izy ireo, ary “tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka avokoa izy rehetra.” (Js 21:43-45) Natahotra an’ireo Israelita ny firenena rehetra nanodidina azy, ka tsy natahorana hanafika. Efa nilaza Andriamanitra fa horoahiny “tsikelikely” ny Kananita, sao ho lao tampoka ilay tany ka hihamaro ny bibidia ao. (Ek 23:29, 30; De 7:22) Marina fa arifomba kokoa ny fitaovam-piadian’ny Kananita, toy ny kalesin’ady misy lelan’antsy. Tsy i Jehovah mihitsy anefa no tokony homen-tsiny hoe tsy nanatanteraka ny fampanantenany, matoa tsy resin’ny Israelita ny faritra sasany tao Kanana. (Js 17:16-18; Mpts 4:13) Noho izy ireo nivadika taminy kosa no nahatonga azy ireo ho resy indraindray.—No 14:44, 45; Js 7:1-12.

Vatosoa Ara-panahy

w15 15/7 32

Fantatrao Ve?

Tena be ala araka ny voalazan’ny Baiboly tokoa ve tany Israely fahiny?

MILAZA ny Baiboly fa rakotra ala ny faritra sasany tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Voalaza ao hoe “betsaka” hazo tany. (1 Mpanj. 10:27; Jos. 17:15, 18) Tsy misy hazo maniry anefa ny faritra maro any Israely ankehitriny. Misy misalasala àry hoe marina tokoa ve ny voalazan’ny Baiboly.

Hoy ny boky Fiainan’ny Israelita Fahiny (anglisy): “Betsaka lavitra noho ny ankehitriny ny faritra nisy ala tany Israely fahiny.” Fahita teny an-tendrombohitra ny hazo kesika sy ny hazo oaka maitsoririnina ary ny térébinthe. Betsaka aviavidia koa tany Sefela, izay faritra be havoana ivaiva eo anelanelan’ny tandavan-tendrombohitra any afovoan-tany sy ny Morontsirak’i Mediterane.

Milaza ny boky Zavamaniry ao Amin’ny Baiboly (anglisy) fa tsy misy hazo intsony izao ny faritra sasany any Israely. Nahoana? Nanazava ilay boky fa nitranga tsikelikely izany. Hoy izy io: “Simbain’ny olona foana ny zavamaniry satria tiany hitarina ny famboleny sy ny fiompiany ary ny kijanany. Ampiasain’ny olona hanaovana trano sy handrahoan-tsakafo koa izy ireny.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara