Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
2-8 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 27-29
“Ny Tetik’ady Narahin’i Davida”
it “Akisy” § 2
Akisy
Indroa i Davida no nialokaloka tany amin’i Akisy Mpanjaka, tamin’izy nandositra an’i Saoly. Nody adala izy tamin’ny voalohany, satria nahiahina ho fahavalo. Tsy nosamborin’i Akisy àry izy, satria noheveriny ho olona adaladala ka tsy natahorany. (1Sa 21:10-15; Sl 34:t.m.; 56:t.m.) Niaraka tamin’ny miaramila 600 mbamin’ny fianakavian’ireo kosa i Davida, tamin’izy tonga fanindroany tany. Nomen’i Akisy azy ireo àry i Ziklaga mba honenany. Nihevitra i Akisy fa nanafika tanàna jodianina izy ireo, nandritra ny herintaona sy efa-bolana nipetrahan’izy ireo tany. Ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Amalekita anefa no norobain’i Davida. (1Sa 27:1-12) Natoky tanteraka an’i Davida i Akisy ka nataony mpiaro azy izy, rehefa niomana hanafika an’i Saoly Mpanjaka ny Filistinina. Efa handeha hiady mihitsy izy ireo no nandefa an’i Davida sy ny miaramilany hiverina tany Ziklaga i Akisy, rehefa noteren’ireo “andriana mpiray dinan’ny” Filistinina. (1Sa 28:2; 29:1-11) Toa tsy novonoina i Akisy rehefa lasa mpanjaka sy niady tamin’i Gata i Davida. Mbola velona izy tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.—1Mp 2:39-41; jereo GATA.
Ry Rahalahy Tanora, Inona no Hanampy Anareo ho Mendri-pitokisana?
8 Nisy olana hafa koa nahazo an’i Davida. Rehefa avy nohosorana ho mpanjaka izy, dia mbola nila niandry aman-taonany vao nanomboka nanjaka tao Joda. (1 Sam. 16:13; 2 Sam. 2:3, 4) Inona no nanampy azy hiandry? Nifantoka tamin’izay azony natao izy, fa tsy tamin’ny zavatra nahakivy azy. Nanararaotra niady tamin’ny fahavalon’ny Israely, ohatra, izy rehefa nandositra tany amin’ny tanin’ny Filistinina. Niaro ny sisin-tanin’i Joda izy rehefa nanao an’izany.—1 Sam. 27:1-12.
it “Lainga” § 7
Lainga
Misy olona minia mandainga mba hahavoa ny hafa. Voarara mazava ao amin’ny Baiboly izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy milaza ny marina amin’izay olona tsy tokony hahalala izany isika. Hoy i Jesosy Kristy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo sao hohitsakitsahiny, dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.” (Mt 7:6) Izany no nahatonga an’i Jesosy tsy hilaza ny zava-drehetra na tsy hamaly mivantana fanontaniana sasany indraindray, raha nety ho nisy voka-dratsiny izany. (Mt 15:1-6; 21:23-27; Jn 7:3-10) Nanao toy izany tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah koa i Abrahama, Isaka, Rahaba, ary Elisa. Nataon’izy ireo mantsy izay hahadiso hevitra an’ireny olona ireny, na tsy nolazainy tamin’izy ireny ny marina rehetra.—Ge 12:10-19; toko 20; 26:1-10; Js 2:1-6; Jk 2:25; 2Mp 6:11-23.
Vatosoa Ara-panahy
Afaka Mitahy ny Velona ve ny Maty?
Diniho tsara ange e! Milaza ny Baiboly fa “miverina amin’ny tany nakana azy” ny olona rehefa maty, ary “foana ny eritreriny.” (Salamo 146:4) Samy nahalala koa i Saoly sy Samoela fa tsy tian’Andriamanitra hanatona mpamoha angatra ny mpanompony. Efa nandringana an’ireo mpamoha angatra teo amin’ny taniny mihitsy aza i Saoly taloha.—Levitikosy 19:31.
Eritrereto àry izao: Raha lasa fanahy tokoa i Samoela mpaminany, handika ny lalàn’Andriamanitra ve izy, ka hanaiky hantsoin’ny mpamoha angatra mba hihaona amin’i Saoly? Efa tsy nety niresaka tamin’i Saoly koa i Jehovah. Izy ve dia hanaiky hoteren’ny mpamoha angatra haniraka an’i Samoela hiresaka amin’i Saoly, nefa izy no Andriamanitra Mahery Indrindra? Tsia. Tsy i Samoela mpaminany àry ilay angatra niseho, fa demonia. Nisandoka ho Samoela fotsiny izy io.
9-15 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 SAMOELA 30-31
“Miantehera Amin’i Jehovah Andriamanitrao dia Hahazo Hery Ianao”
Matahora An’i Jehovah dia ho Sambatra Ianao!
12 Tsy vitan’ny hoe nisakana an’i Davida tsy hanao ratsy ny tahotra an’i Jehovah. Nampahery azy koa izany, mba handraisany fanapahan-kevitra hentitra sy amim-pahendrena rehefa tojo zava-tsarotra. Nandositra an’i Saoly tany Ziklaga, tanànan’ny Filistinina, i Davida sy ny namany, nandritra ny herintaona sy efa-bolana. (1 Samoela 27:5-7) Indray mandeha, dia notafihin’ny jiolahy amalekita ilay tanàna, rehefa tsy tao ny lehilahy rehetra. Nodorany izy io, ary nentiny ho babo avokoa ny zaza amam-behivavy, mbamin’ny biby fiompy. Nitomany i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy, rehefa tafaverina ka nahita izany. Vetivety anefa dia nivadika ho hatezerana ny alahelon’ireo lehilahy, ka nitady hitora-bato an’i Davida izy ireo. Nalahelo i Davida tamin’izay, nefa tsy namoy fo. (Ohabolana 24:10) Nitady fanampiana tamin’i Jehovah izy satria natahotra azy. “Nampahery ny tenany tamin’i Jehovah” izy. Tratran’i Davida sy ny namany ireo Amalekita, noho ny fanampian’Andriamanitra, ary azo indray izay rehetra voababo.—1 Samoela 30:1-20.
Arovan’i Jehovah Isika mba ho Voavonjy
14 Niatrika olana maro nampahory azy i Davida. (1 Sam. 30:3-6) Asehon’ny Baiboly fa takatr’i Jehovah ny fihetseham-pony, tamin’ireny fotoana ireny. (Vakio ny Salamo 34:18; 56:8.) Fantatr’i Jehovah tsara koa ny fihetseham-pontsika. Mampahery antsika ny mahalala hoe fantany rehefa “torotoro fo” isika, na “ketraka.” Nampahery an’i Davida izany, araka ny teniny hoe: “Hifaly sy hiravoravo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, satria mahita ny fijaliako ianao. Mahalala ny fahoriana manjo ahy ianao.” (Sal. 31:7) Tsy hoe mahita ny fijaliantsika fotsiny anefa i Jehovah, fa mampahery antsika koa. Fomba iray anaovany izany ny fivoriana.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany
30:23, 24. Miorina amin’ny Nomery 31:27 io fanapahan-kevitra io, ary mampiseho fa tena ankasitrahan’i Jehovah ireo manampy eo anivon’ny fiangonana. Koa na inona na inona ataontsika, dia aoka ‘hataontsika amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.’—Kolosianina 3:23.
16-22 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 1-3
“Inona no Ianarantsika avy Amin’ilay Hira hoe ‘Ilay Tsipìka’?”
Hajao Ireo Nomena Fahefana
9 Ory ve i Davida rehefa nentina tamin’ny fomba ratsy? “Olon-dozabe no mitady ny aiko”, hoy ny fitarainan’i Davida tamin’i Jehovah. (Salamo 54:3). Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah izy, tamin’ny filazana hoe: “Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; (...) miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.” (Salamo 59:1-4). Efa mba nanana fihetseham-po mitovy amin’izany ve ianao: Tsy nanao ratsy tamin’ny olona iray manana fahefana ianao, nefa tsy mitsahatra ny mila vaniny aminao izy? Nanaja an’i Saoly foana i Davida. Tamin’ny nahafatesan’i Saoly, dia tsy mba nifaly i Davida, fa nanao kosa izao hira fisaonana izao: “Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, (...) faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. Ry zanakavavin’Israely, mitomania an’i Saoly.” (2 Samoela 1:23, 24). Izany ka ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanajana tamim-pahatsorana ny voahosotr’i Jehovah, na dia nasian’i Saoly ratsy aza i Davida!
Famantarana ny Andro Farany ny hoe Hivadika ny Olona Maro
8 Misy tantaran’olona maro tsy nivadika koa anefa ao amin’ny Baiboly, fa roa no hodinihintsika. Ny tantaran’ny lehilahy iray tsy nivadika tamin’i Davida no hojerentsika voalohany. Tsy iza izany fa i Jonatana, lahimatoan’i Saoly Mpanjaka. Izy no tokony handimby ny rainy, nefa i Davida no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka. Tsy nialona anefa izy, fa nanaja ny safidin’i Jehovah. Lasa “niraiki-po be tamin’i Davida” izy, ka nianiana fa tsy hivadika aminy. Nomeny an’i Davida mihitsy aza ny akanjony, ny sabany, ny tsipìkany, ary ny fehikibony, mba ho fanomezam-boninahitra azy toy ny mpanjaka. (1 Sam. 18:1-4) Nanao izay rehetra azony natao i Jonatana mba hanohanana an’i Davida. Nanao vivery ny ainy mihitsy aza izy, ka niaro an’i Davida tamin’i Saoly. Tsy nivadika tamin’i Davida izy, ka nilaza hoe: “Ianao no ho mpanjakan’ny Israely, ary izaho no hanarakaraka anao.” (1 Sam. 20:30-34; 23:16, 17) Tsy mahagaga àry raha nanao hira fisaonana i Davida rehefa maty i Jonatana, mba hampisehoany fa tia sy nalahelo an’io zanaky ny mpanjaka io izy.—2 Sam. 1:17, 26.
Vatosoa Ara-panahy
it “Rahalahy, Anadahy” § 3
Rahalahy, Anadahy
Atao hoe ‘mpirahalahy’ koa ny olona mitovy tanjona sy fikasana. Niantso an’i Solomona Mpanjaka hoe rahalahy, ohatra, i Hirama mpanjakan’i Tyro, satria nitovy saranga izy ireo sady samy mpanjaka. Tsy izay fotsiny anefa fa angamba koa izy ireo samy te hanangona izay nilaina hanamboarana ny tempoly, na hazo izany na zavatra hafa. (1Mp 9:13; 5:1-12) Hoy i Davida: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Sl 133:1) Hita amin’izany fa tsy ny ra iraisana fotsiny no mahatonga ny mpirahalahy iray tam-po hihavana sy hiray saina. Niantso an’i Jonatana hoe rahalahy, ohatra, i Davida satria nifankatia sy nifampiahy izy ireo fa tsy hoe mpihavana akaiky. (2Sa 1:26) Mety tsara raha antsoina hoe mpirahalahy ny mpinamana mitovy toetra, na dia ratsy aza izany toetra izany.—Oh 18:9.
23-29 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 4-6
“Matahotra ve Ianao sao Tsy Hampifaly An’i Jehovah?”
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Faharoa
6:1-7. Tsy nanaraka ny didin’Andriamanitra i Davida, rehefa nitondra ny Fiara tamin’ny sarety. Tsy nahomby izy noho izany, na dia nanana fikasana tsara aza. (Eksodosy 25:13, 14; Nomery 4:15, 19; 7:7-9) Tsy mampiova ny zavatra takin’Andriamanitra koa ny fananana fikasana tsara. Hita izany tamin’ny nihazonan’i Oza an’ilay Fiara.
Manao ny Rariny Foana i Jehovah
20 Tadidio fa tokony ho nahalala ny Lalàna i Oza. Porofon’ny fanatrehan’i Jehovah ny fiaran’ny fanekena. Voalaza mazava tsara tao amin’ny Lalàna, fa ny olona mahazo alalana ihany no afaka mikasika azy io, ary ho faty izay mandika izany. (Nomery 4:18-20; 7:89) Tsy tokony ho natao kitoatoa àry ny famindrana io vata masina io. Toa Levita i Oza, na dia tsy mpisorona aza, ka tokony ho nahalala tsara ny Lalàna. Nafindra sy narovana tao an-tranon-drainy koa ilay Fiara, taona maromaro talohan’izay. (1 Samoela 6:20–7:1) Najanona tao nandritra ny 70 taona teo ho eo izy io, mandra-pahatongan’ny fotoana namindran’i Davida azy. Midika izany fa efa hatry ny mbola kely i Oza no nahalala ny lalàna momba ilay Fiara.
Manao ny Rariny Foana i Jehovah
21 Hitantsika teo aloha fa mahay mamantatra ny ao am-po i Jehovah. Milaza ny Teniny fa nanao ‘fahadisoana’ i Oza. Efa nahatsikaritra angamba i Jehovah fa nisy fitiavan-tena tao aminy, na dia tsy voatantara aza izany. Mety ho niana-kendry ve i Oza, ka tia nihoa-pefy? (Ohabolana 11:2) Sa ve lasa nieboebo izy, satria nitarika ampahibemaso ilay Fiara, izay narovan’ny fianakaviany tany an-tranony? (Ohabolana 8:13) Tsy nanam-pinoana ve izy, ary nieritreritra fa fohy loatra ny tanan’i Jehovah, ka tsy hahavita hiaro ilay vata masina, izay porofon’ny fanatrehany? Na ahoana na ahoana, dia afaka matoky isika fa nanao ny rariny i Jehovah. Azo inoana fa nahita zavatra tsy nety tao am-pon’i Oza izy, matoa nanasazy azy avy hatrany.—Ohabolana 21:2.
Vatosoa Ara-panahy
Apetraho Amin’i Jehovah Mandrakariva ny Entanao
Tamin’ny naha-mpanjaka azy, dia nisy andraikitr’i Davida tamin’izany. Ny fihetsiny dia mampiseho fa na dia ireo izay manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah aza dia mety tsy hanana fihetsika tsara indraindray eo anoloan’ny tarehin-javatra misedra. Tamin’ny voalohany, dia tezitra i Davida. Avy eo izy dia nanjary natahotra. (2 Samoela 6:8, 9). Notsapaina mafy ny fifandraisana feno fitokiana nananany tamin’i Jehovah. Teto, dia tarehin-javatra iray izay toa tsy nametrahany ny entany tamin’i Jehovah, rehefa tsy nanaraka ny didiny izy. Mety ho toy izany ve ny tarehin-javatra misy antsika indraindray? Efa mba nanome tsiny an’i Jehovah ve isika noho ny zava-manahirana izay vokatry ny tsy firaharahantsika ny toromarika nomeny?—Ohabolana 19:3.
30 MEY–5 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 7-8
“Nanao Fifanekena Tamin’i Davida i Jehovah”
‘Tsy Hihozongozona ny Fanjakanao’
Nanohina ny fon’i Jehovah izany fanirian’i Davida izany. Noho ny fitiavan’i Davida an’Andriamanitra sy noho ny faminaniana voalaza taloha, dia nanao fifanekena taminy Andriamanitra hoe hanjaka mandrakizay ny iray amin’ny taranany. Hoy izy tamin’ny alalan’i Natana: “Tsy hihozongozona eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.” (Andininy 16) Iza àry ilay voalaza ao amin’ny fifanekena hoe hanjaka mandrakizay?—Salamo 89:20, 29, 34-36.
‘Tsy Hihozongozona ny Fanjakanao’
Taranak’i Davida i Jesosy avy any Nazareta. Hoy ny anjely iray, rehefa nampandre ny nahaterahany: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy àry ilay fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida. Tsy safidin’olombelona no nahatonga azy ho mpitondra fa noho ny fampanantenan’Andriamanitra. Manana zo hitondra mandrakizay izy vokatr’izany. Tadidio fa tanteraka foana izay rehetra ampanantenain’Andriamanitra.—Isaia 55:10, 11.
Ataovy Mafy Orina ny Finoanao An’ilay Fanjakana
14 Diniho ny zavatra nampanantenain’i Jehovah an’i Davida mpanjakan’ny Israely, ao amin’ilay fifanekena tamin’i Davida. (Vakio ny 2 Samoela 7:12, 16.) Tamin’i Davida nanjaka tao Jerosalema i Jehovah no nanao an’io fifanekena io. Nampanantena izy tamin’izay fa ho avy amin’ny taranak’i Davida ny Mesia, ka lasa niharihary kokoa ny firazanan’ilay taranaka. (Lioka 1:30-33) Nolazain’i Jehovah fa ‘hanan-jo ara-dalàna’ ho Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesia ny iray amin’ny taranak’i Davida. (Ezek. 21:25-27) I Jesosy io taranany io. “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” izy, ary ‘haharitra toy ny masoandro ny seza fiandrianany.’ Noho izany, dia “ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny fanjakan’i Davida. (Sal. 89:34-37) Tsy ho lasa ratsy mihitsy àry ny fitondran’ny Mesia, ary haharitra mandrakizay ny soa entiny.
Vatosoa Ara-panahy
it “Andro Farany”: “Faminanian’i Balama” § 1
Andro Farany
Faminanian’i Balama. Hoy i Balama mpaminany tamin’i Balaka mpanjakan’i Moaba, talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Avia ianao hilazako izay hataon’io firenena [Israely] io amin’ny firenenao any am-parany any. ... Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:14-17) I Davida Mpanjaka ilay “kintana” satria resiny ny Moabita. (2Sa 8:2) Nanomboka àry ilay hoe “any am-parany any” rehefa lasa mpanjaka i Davida. Mifanitsy amin’i Davida anefa ilay Mesia Mpanjaka, ka ho tanteraka amin’i Jesosy koa io faminaniana io rehefa handresy ny fahavalony izy.—Is 9:7; Sl 2:8, 9.
6-12 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 9-10
“Be Fitiavana i Davida Sady Tsy Nivadika”
Afaka ny ho Sambatra Ianao
Hoy koa i Davida: “Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra” izy. (Salamo 41:1, 2) Niahy tamim-pitiavana an’i Mefiboseta kilemaina, zanak’i Jonatana, i Davida. Anisan’ny fomba tsara itondrana ny malahelo izany.—2 Samoela 9:1-13.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Faharoa
9:1, 6, 7. Nanatanteraka ny fampanantenany i Davida. Tokony hiezaka hanatanteraka ny fampanantenantsika koa isika.
Niaritra Tsilo Tamin’ny Nofony Izy Ireo
10 Niantra an’i Mefiboseta i Davida Mpanjaka, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, noho ny fitiavany lalina an’i Jonatana. Nomeny an’i Mefiboseta ny tanin’i Saoly rehetra, ary notendreny hikarakara an’io tany io i Ziba, mpanompon’i Saoly. Nilaza toy izao tamin’i Mefiboseta koa i Davida: “Hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva” ianao. (2 Samoela 9:6-10) Azo antoka fa sady nampionona an’i Mefiboseta ny fiantran’i Davida no nanamaivana ny fahoriana nateraky ny kilemany. Lesona faran’izay tsara izany! Tokony ho tsara fanahy amin’ny olona miaritra tsilo amin’ny nofo koa isika.
Vatosoa Ara-panahy
it “Volombava” § 2
Volombava
Tia nanisy volombava ny Israelita sy ny Tatsinanana maro hafa fahiny, satria porofo izany fa nanan-kaja ny lehilahy iray. Tsy azon’ny Israelita nohetezana fohy loatra ny ‘volony, avy teo amin’ny fihirifana iray mihodidina nankany amin’ny fihirifana iray’, sy ny sisin’ny volombavany. (Le 19:27; 21:5) Fanaon’ny mpanompo sampy sasany mantsy izany.
13-19 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 11-12
“Aza Manaiky ho Resin’ny Fanirian-dratsy”
Tsy Voatery ho Voafandrik’i Satana Ianao!
10 Afaka mandray lesona avy amin’i Davida Mpanjaka koa isika. Efa nomen’i Jehovah fitahiana be dia be izy, ohatra hoe harena sy toerana ambony ary nataony nandresy fahavalo maro. Tena nankasitraka an’i Jehovah izy, ary niaiky hoe “maro loatra” ny soa nataony ho azy ka “tsy ho voatanisa.” (Sal. 40:5) Nisy fotoana anefa izy lasa nanana faniriana tsy mety afa-po. Inona no vokatr’izany? Hadinony izay efa nomen’i Jehovah azy. Tsy afa-po tamin’izay nananany intsony izy. Efa nanana vady be dia be i Davida, nefa mbola nitsiriritra vadin’olona ihany. I Batseba no anaran’ilay vehivavy ary i Oria Hetita no vadiny. Tia tena i Davida ka nanao firaisana tamin’i Batseba dia nahabevohoka azy. Tsy vitan’izay fa mbola nataony koa izay hamonoana an’i Oria. (2 Sam. 11:2-15) Fa inona no tao an-tsain’i Davida? Nieritreritra ve izy hoe tsy ho hitan’i Jehovah? Marina fa tsy nivadika nandritra ny taona maro izy. Lasa nanana faniriana tsy mety afa-po anefa izy, ary novidiny lafo izany. Soa ihany fa nanaiky ny fahadisoany izy tatỳ aoriana dia nibebaka. Tena faly izy hoe namela ny helony i Jehovah.—2 Sam. 12:7-13.
Ekeo An-tsitrapo ny Fahefan’i Jehovah
15 Tsy notendren’i Jehovah hiandraikitra ny fianakaviany fotsiny i Davida, fa hiandraikitra ny firenen’Israely mihitsy. Mpanjaka izy ka nanana fahefana be. Nisy fotoana izy nanampatra fahefana, dia lasa nanao fahotana lehibe. (2 Sam. 11:14, 15) Navelany hanitsy azy anefa i Jehovah, ka hita hoe nanaiky ny fahefany izy. Naborany tamin’i Jehovah izay tao am-pony, sady nanao izay fara heriny izy mba hankatoavana azy. (Sal. 51:1-4) Tsy izay ihany fa tena nanetry tena izy ka nanaiky torohevitra, na dia vehivavy aza no nanome an’izany. (1 Sam. 19:11, 12; 25:32, 33) Nandray lesona avy tamin’ny fahadisoana nataony i Davida, ary nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Toro Lalan’i Jehovah
7 Tsy voatery hoe mandika ny lalàn’Andriamanitra sy mizaka ny vokatr’izany isika vao hahalala hoe inona no tsara na ratsy. Afaka mianatra avy amin’ny fahadisoana nataon’ireo olona resahin’ny Baiboly isika. Hoy ny Ohabolana 1:5: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany.” Ny zavatra ampahafantarin’i Jehovah no tsara indrindra. Avy aminy, ohatra, ireo tantara tena nisy ao amin’ny Baiboly, ka hitombo ny zavatra fantatsika raha mamaky sy misaintsaina azy ireny isika. Anisan’izany ny tantaran’i Davida Mpanjaka. Nijaly izy rehefa tsy nankatò an’i Jehovah fa nijangajanga tamin’i Batseba. (2 Sam. 12:7-14) Diniho izao rehefa mamaky sy misaintsaina an’io tantara io ianao: ‘Inona no azon’i Davida natao mba hisorohana an’izany fijaliana izany? Ahoana raha izaho no tratran’ny fakam-panahy hoatr’izany? Hitsoaka hoatran’i Josefa ve aho sa hanaiky ho resy hoatran’i Davida?’ (Gen. 39:11-15) Ho tapa-kevitra kokoa ‘hankahala ny ratsy’ isika raha misaintsaina ny voka-dratsin’ny fahotana.
Vatosoa Ara-panahy
it “Davida”: “Nanota ary nizaka ny vokany” § 2
Davida
I Jehovah kosa nijery tsara an’izany ratsy rehetra izany, ary nabaribariny ilay izy. Raha mpitsara olombelona no navelany hitsara an’i Davida sy Batseba araka ny Lalàn’i Mosesy, dia ho efa novonoina ho faty izy ireo, ary ho niara-maty tamin-dreniny ilay zaza azo tamin’ny fijangajangana. (De 5:18; 22:22) I Jehovah mihitsy anefa no nitsara an’ilay raharaha, ka namindra fo tamin’i Davida izy, satria: 1) Efa nanao fifanekena momba ilay Fanjakana taminy izy (2Sa 7:11-16); 2) azo inoana fa noho izy efa mba namindra fo tamin’ny hafa (1Sa 24:4-7; ampit. Jk 2:13); ary 3) hitan’Andriamanitra fa nibebaka izy sy Batseba. (Sl 51:1-4) Nosazina ihany izy ireo, na izany aza. Nasain’i Jehovah nilaza toy izao tamin’i Davida i Natana mpaminany: “Hampipoitra loza avy ao amin’ny ankohonanao aho, mba hamelezana anao.”—2Sa 12:1-12.
20-26 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 13-14
“Tia Tena i Amnona dia Loza ny Vokany”
it “Absaloma”: “Novonoina i Amnona” § 1
Absaloma
Novonoina i Amnona. Zokin’i Absaloma hafa reny i Amnona. Raiki-pitia tamin’i Tamara anabavin’i Absaloma izy, satria tsara tarehy i Tamara. Mody narary i Amnona ary nanao tetika mba hankanesan’i Tamara tany amin’ny efitranony ka hanao mofo ho azy. Naolan’i Amnona i Tamara avy eo. Te hanao firaisana fotsiny anefa izy fa tsy hoe tena tia azy. Nanjary tena halany àry i Tamara avy eo, ary noroahiny. Lasa i Tamara sady nandrovitra an’ilay akanjo lava nitsipitsipika nanaovany sy nahafantarana azy ho virjiny zanakavavin’ny mpanjaka. Nasiany lavenona koa ny lohany. Nifanena taminy i Absaloma, ary tonga dia fantatr’i Absaloma izay nitranga ka niahiahy an’i Amnona izy. Hita amin’izany fa efa fantapantany ny faniriana mafy nananan’i Amnona rahalahiny. Nilaza tamin’i Tamara anabaviny anefa izy mba tsy hiampanga an’i Amnona. Nasainy nipetraka tao aminy i Tamara.—2Sa 13:1-20.
Miezaha Hifehy Tena
11 Miresaka olona tsy nahavita nifehy ny faniriany hanao firaisana koa ny Baiboly. Anisan’izany ilay tovolahy tsy misaina resahin’ny Ohabolana toko faha-7 sy Amnona. Nisy vokany tena ratsy ny nataon’izy ireo. (2 Sam. 13:1, 2, 10-15, 28-32) Raha hoatran’ny nanjo an’i Kim àry ny manjo anao, dia eritrereto ireo ohatra ireo. Azon’ny ray aman-dreny ampiasaina tsara ireo, mba hanampiana ny zanany hanana fahendrena sy hahay hifehy tena eo amin’ny resaka fitiavana. Azo atao, ohatra, ny mandinika an’ireo mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.
it “Absaloma”: “Novonoina i Amnona” § 4
Absaloma
Tonga ny fotoana fanetezana ondry, roa taona taorian’izay. Fety be izany! Nanao fety àry i Absaloma tany Bala-hazora, 22 km teo ho eo, tany avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema. Nasainy ny zanaky ny mpanjaka ary Davida mpanjaka koa. Tsy nety nandeha anefa i Davida rainy, ka niangavy azy mafy i Absaloma mba handefa an’i Amnona lahimatoany ho solony. (Oh 10:18) Hoy i Absaloma tamin’ny mpanompony, tany amin’ilay fety: ‘Raha vao falifaly noho ny divay ny fon’i Amnona, dia vonoy ho faty izy.’ Rehefa maty i Amnona, dia niverina tany Jerosalema ireo zanakalahin’ny mpanjaka, fa i Absaloma kosa nitsoaka tany amin’ny dadabeny syrianina, tany Gesora tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. (2Sa 13:23-38) Namely ‘ny ankohonan’i Davida’ “ny sabatra” nanomboka teo, araka ny efa nambaran’i Natana mpaminany, ary tsy nitsahatra izany mandra-pahafatin’i Davida.—2Sa 12:10.
Vatosoa Ara-panahy
Ilaina koa ny mianatra ny tantaran’ireo olona ao amin’ny Baiboly, sy mandinika ny toetra tsarany sy ny toetra ratsiny. Diniho, ohatra, i Josefa, zanak’i Jakoba. Niezaka ny ho tsara toetra sy tsy ho mora kivy izy, na dia niharan’ny tsy rariny aza. Tsara tarehy teo imason’i Jehovah izy, noho izany. (Gen. 45:1-15) Tsy toy izany kosa i Absaloma, zanak’i Davida Mpanjaka. Tsara tarehy izy ka nodokafan’ny olona, ary mody niahy ny vahoaka. Mpamadika sy mpamono olona anefa izy, raha ny marina. (2 Sam. 13:28, 29; 14:25; 15:1-12) Tsy manintona àry ny olona iray na dia tsara tarehy aza, raha mihatsaravelatsihy.
27 JONA–3 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 15-17
“Nikomy i Absaloma Satria Nanambony Tena”
it “Mpialoha Lalana” § 2
Mpialoha Lalana
Nisy mpihazakazaka teo alohan’ny kalesin’ny mpanjaka tatsinanana, mba hanomana sy hanambara ny fahatongavany ary hanampy azy. (1Sa 8:11) Naka tahaka an’io fanao io i Absaloma sy Adonia, ka samy nanana mpihazakazaka 50 nandeha teo alohan’ny kalesiny. Tian’izy ireo haseho hoe olo-manan-kaja izy ireo ary ara-dalàna ny fikomiany.—2Sa 15:1; 1Mp 1:5; jereo MPIHAZAKAZAKA.
Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana
5 Miresaka olona maro nitaona ny hafa hanao ratsy ny Baiboly. Anisan’izany i Absaloma, zanak’i Davida Mpanjaka. Tena tsara tarehy izy, nefa nanana toe-tsaina ratsy toa an’i Satana. Nitsiriritra ny seza fiandrianan’ny rainy izy, na dia tsy nanan-jo ho mpanjaka aza. Navelany hameno ny fony izany faniriana izany, ka nanao tetika izy hahazoana ny fanjakana. Niseho ho tena niahy ny vahoaka izy, sady nilaza fa tsy miraharaha azy ireo ny mpanjaka. Mitovy amin’ny nataon’ny Devoly tao Edena mihitsy ny nataony. Niseho ho mpanao soa i Absaloma, sady nanaratsy ny rainy.—2 Sam. 15:1-5.
it “Hebrona” § 8
Hebrona
Niverina tany Hebrona i Absaloma zanak’i Davida rehefa afaka taona maromaro, ary nikotrika fikomiana mba handrombahana ny fanjakan-drainy, saingy tsy nahomby. (2Sa 15:7-10) Nifidy an’i Hebrona ho toerana hanombohana ny fanonganam-panjakana i Absaloma, angamba noho izy io renivohitr’i Joda taloha, na noho izy io tanàna nahaterahany. Tatỳ aoriana, dia nanorina an’i Hebrona indray i Rehoboama Mpanjaka, zafikelin’i Davida. (2Ta 11:5-10) Nonina indray tao Hebrona (Kiriata-arba) ny Jiosy sasany avy tany an-tsesitany, rehefa avy navelan’ny Babylonianina ho lao ela ny tanin’i Joda.—Ne 11:25.
Vatosoa Ara-panahy
Mba Manadihady Tsara ve Ianao?
11 Mety hisy olona hanely resaka momba antsika koa, nefa ny ampahany amin’ilay izy ihany no marina, na ny zava-misy sasany ihany no resahiny. Mety hiharan’ny tsy rariny isika vokatr’izany. Izany no nanjo an’i Mefiboseta, zafikelin’i Saoly. Tsara fanahy taminy i Davida Mpanjaka, ka nomeny azy daholo ny tanin’i Saoly. (2 Sam. 9:6, 7) Nisy olona nanaratsy an’i Mefiboseta tany amin’i Davida anefa tatỳ aoriana, dia tonga dia nomeny an’ilay olona ny fananan’i Mefiboseta rehetra. Tsy nohamarininy akory hoe marina ve sa tsia ilay zavatra henony. (2 Sam. 16:1-4) Rehefa tafaresaka tamin’i Mefiboseta anefa i Davida, dia tonga saina hoe diso izy ka naveriny taminy ny ampahany tamin’ny fananany. (2 Sam. 19:24-29) Tsy ho nisy izany tsy rariny izany, raha nanadihady ny tena zava-misy i Davida fa tsy maimaika nanapa-kevitra.