Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
4-10 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 18-19
“Barzilay: Modely Amin’ny Fanetren-tena”
Nahatsapa ny Fetran’ny Mety ho Vitany i Barzilay
Tsy isalasalana fa tena nankasitraka ny fanampian’i Barzilay i Davida. Tsy hoe naniry hamaly soa azy ka hanome izay rehetra nilainy fotsiny anefa izy. Tsy nila fanampiana toy izany mantsy i Barzilay, satria mpanankarena. Naniry handray an’io lehilahy be taona io tany an-dapa i Davida, angamba noho izy tsara toetra. Nety ho nahazo voninahitra tokoa i Barzilay raha nipetraka tany, satria nety ho lasa naman’ny mpanjaka.
Nahatsapa ny Fetran’ny Mety ho Vitany i Barzilay
Nanda i Barzilay, angamba noho izy efa nandroso taona, ka voafetra ny zavatra mety ho vitany. Nety ho nahatsapa izy fa tsy ho velona maharitra intsony. (Salamo 90:10) Nanao izay rehetra azony natao izy mba hanohanana an’i Davida. Tsapany koa anefa fa voafetra ny zavatra mety ho vitany noho izy efa be taona, ka tsy sodokan’ny toerana ambony sy ny voninahitra mety ho azony izy. Tsy nitovy tamin’i Absaloma izay fatra-paniry laza izy, fa nanetry tena ka nampiseho fahendrena.—Ohabolana 11:2.
Nahatsapa ny Fetran’ny Mety ho Vitany i Barzilay
Asongadin’ny tantaran’i Barzilay fa ilaina ny mahay mandanjalanja. Amin’ny lafiny iray, dia tsy mety raha mandà tombontsoam-panompoana isika na tsy miezaka hahazo izany, satria fotsiny hoe tsy tiantsika ho voahelingelina ny fiainantsika, na koa mahatsapa isika fa tsy hahay hiantsoroka andraikitra. Afaka manampy antsika amin’izay zavatra tsy haintsika Andriamanitra, raha miantehitra aminy isika mba hahazoana hery sy fahendrena.—Filipianina 4:13; Jakoba 4:17; 1 Petera 4:11.
Mila miaiky anefa isika fa voafetra ny zavatra mety ho vitantsika. Mety ho efa betsaka, ohatra, ny andraikitra ara-pivavahana sahanin’ny Kristianina iray. Tsapany fa raha mbola manaiky handray andraikitra hafa izy, dia mety hanao an-tsirambina ireo adidiny araka ny Soratra Masina, toy ny fikarakarana ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ny famelomana azy. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tena manetry tena sy mahay mandanjalanja tokoa izy, raha mandà tsy handray tombontsoa fanampiny aloha.—Filipianina 4:5; 1 Timoty 5:8.
Vatosoa Ara-panahy
Vitao Hatramin’ny Farany Ilay Hazakazaka!
19 Miatrika zava-tsarotra ve ianao ka tsy mahavita betsaka araka izay tianao ho an’i Jehovah, sady tsapanao hoe tsy azon’ny olona ny mahazo anao? Raha izany dia mety hampahery anao ny tantaran’i Mefiboseta. (2 Sam. 4:4) Tsy vitan’ny hoe kilemaina izy, fa mbola nitsara an-tendrony azy koa i Davida Mpanjaka. Tsy avy aminy anefa no nahatonga an’ireo olana ireo. Navelany hahakivy azy ve izany? Tsy izany mihitsy! Nankasitraka ny zavatra tsara teo amin’ny fiainany izy, anisan’izany ilay hoe tsara fanahy taminy i Davida. (2 Sam. 9:6-10) Vokatr’izany, dia niezaka nahazo ny zava-misy rehetra i Mefiboseta rehefa diso hevitra momba azy ny mpanjaka. Tsy hoe lasa tezitra izy noho ny fahadisoan’i Davida. Tsy nanome tsiny an’i Jehovah koa izy. Izay azony natao mba hanohanana ny mpanjaka notendren’i Jehovah no nifantohany. (2 Sam. 16:1-4; 19:24-30) Nasain’i Jehovah nosoratana tao amin’ny Teniny ny ohatra tena tsara avy amin’i Mefiboseta, amin’izay isika afaka mandray soa avy amin’izany.—Rom. 15:4.
11-17 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 20-21
“Andriamanitra Tia Rariny i Jehovah”
it “Gibeona”: “Teo ambany fahefan’ny Israely” § 3
Gibeona
Mbola nisy foana nandritra ny taonjato maro ny tena Gibeonita, na dia nitetika ny handringana azy ireo aza i Saoly Mpanjaka. Nanam-paharetana anefa ny Gibeonita niandry an’i Jehovah hampiharihary an’ilay tsy rariny. Nandefa mosary nandritra ny telo taona àry i Jehovah tamin’ny andron’i Davida. Rehefa ren’i Davida avy tamin’i Jehovah fa noho i Saoly sy ny ankohonany meloka ho nandatsa-dra no nahatonga izany, dia nanontanian’i Davida ny Gibeonita hoe inona no tokony hatao ho fandrakofam-pahotana. Namaly izy ireo hoe “tsy volafotsy na volamena” no notakiny satria milaza ny Lalàna fa tsy misy zavatra azo anavotana ny mpamono olona. Marina ny azy. (No 35:30, 31) Niaiky koa izy ireo fa tsy nanan-jo hamono olona raha tsy nahazo alalana hanao izany. Rehefa nanontanian’i Davida indray izy ireo vao nangataka fito lahy avy tamin’ny ‘taranak’i’ Saoly mba hatolotra azy ireo. Angamba i Saoly no nitarika ilay vonoan’olona, ary mety ho nandray anjara mivantana na tsy mivantana tamin’izany koa ny “taranany” matoa i Saoly sy ny ankohonany no nolazaina fa meloka ho nandatsa-dra. (2Sa 21:1-9) Tsy hoe maty noho ny fahotan’ny rainy àry ny taranak’i Saoly (De 24:16), fa nomena ny sazy sahaza azy, mifanaraka amin’ilay lalàna hoe: “Aina ho solon’ny aina.”—De 19:21.
Vatosoa Ara-panahy
‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahy
14 Manompo an’i Jehovah foana isika Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, na dia asian’i Satana sy ny olony sakantsakana aza ny lalantsika. Nahavita nandresy olana goavam-be toa an’i Goliata ny sasany tamintsika, satria niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Reraka anefa isika indraindray ary kivy, rehefa mitohy foana ny fanafihan’ity tontolo ity. Mahatsiaro ho tsy ampy hery isika amin’ireny fotoana ireny, na dia tokony ho vitantsika aza ny miatrika an’ilay olana. Faly sy mahazo hery indray anefa isika raha misy anti-panahy manampy antsika, amin’izay fotoana izay. Maro no nahatsapa izany. Hoy ny anabavy mpisava lalana iray, 65 taona eo ho eo: “Nisy fotoana aho tsy dia salama, ka nandreraka ahy ny nandeha nanompo. Voamariky ny anti-panahy iray izany, ka nanatona ahy izy. Niara-nidinika andinin-teny iray izahay, ary tena nampahery ilay izy. Nampihariko ny soso-kevitra nomeny ahy, ka nandray soa aho.” Hoy koa izy: “Tena be fitiavana tokoa ilay anti-panahy satria nahamarika ny olana nahazo ahy ka nanampy ahy!” Mampahery tokoa ny mahalala fa manara-maso antsika amim-pitiavana ny anti-panahy, ary vonon-kanampy toa an’i Abisay.
18-24 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 22
“Miantehera Amin’ny Fanampian’i Jehovah”
Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?
11 Fantatsika fa ‘tsy toha ny herin’Andriamanitra.’ (Isaia 40:26) Misy heviny kokoa anefa izany rehefa mamaky ny nanafahany ny Isiraelita tao amin’ny Ranomasina Mena isika, ary mahita ny fomba nanampiany azy ireo tany an’efitra, nandritra ny 40 taona. Toy ny hitanao mihitsy ilay rano be misaraka; ilay firenena, izay nisy olona 3 000 000 angamba, namakivaky ny tany maina fanambanin’ilay ranomasina; ilay rano nivaingana toy ny rindrim-be teo amin’ny andaniny avy. (Eksodosy 14:21; 15:8) Hitanao fa niaro sy niahy azy ireo tany an’efitra Andriamanitra. Nisy rano nivoaka avy tamin’ny vatolampy. Nisy sakafo toy ny voa fotsifotsy nipoitra tamin’ny tany. (Eksodosy 16:31; Nomery 20:11) Nasehon’i Jehovah teo fa sady manan-kery izy, no mampiasa izany hahasoa ny vahoakany. Tsy mampahery ve ny mahafantatra fa ilay Andriamanitra iantefan’ny vavaka ataontsika dia mahery sady “aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana”?—Salamo 46:1.
‘Tsy Mivadika Ianao’
Andeha hofakafakaintsika ilay tenin’i Davida. Azo adika hoe “tsara fanahy sy be fitiavana” ilay teny hebreo nadika hoe “tsy mivadika.” Tia anao ny olona iray matoa tena tsy mivadika aminao. Tena tia an’ireo tsy mivadika aminy koa i Jehovah.
Tadidio koa fa tsy ao am-po fotsiny ny hoe tsy mivadika fa aseho amin’ny atao. Nasehon’i Jehovah tamin’i Davida fa tsy mivadika izy. Nampian’i Jehovah foana io mpanjaka tsy nivadika io, nandritra ny fotoana tena nampahory azy, ka narovany sy nomeny tari-dalana. Nankasitraka izany i Davida. Nilaza izy fa i Jehovah no namonjy azy “teo am-pelatanan’ny fahavalony rehetra.”—2 Samoela 22:1.
Inona no ianarantsika avy amin’io tenin’i Davida io? Tsy miova mihitsy i Jehovah. (Jakoba 1:17) Mitana ny fitsipiny sy ny fampanantenany foana izy. Hoy koa i Davida: ‘Tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah.’—Salamo 37:28.
Vatosoa Ara-panahy
Aoka Ianao Hihevitra ny Tenanao ho toy ny “Kely Indrindra”
7 Tena nisy akony teo amin’i Davida mpanao salamo ny fanetren-tenan’i Jehovah. Nihira ho an’i Jehovah izy hoe: “Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao, ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.” (2 Sam. 22:36) Niaiky i Davida hoe matoa izy nahazo toerana ambony teo amin’ny Israely, dia satria ‘niondrika’ i Jehovah, izany hoe nanetry tena ka nanampy azy. (Sal. 113:5-7) Tsy toy izany koa ve isika? Na inona na inona toetra tsara, na fahaizana, na tombontsoam-panompoana ananantsika, ‘tsy nomena antsika’ ve izany? Avy amin’i Jehovah daholo izy ireny. (1 Kor. 4:7) Raha mitondra tena toy ny “kely indrindra” àry isika, dia ho lasa “lehibe”, izany hoe lasa sarobidy kokoa amin’i Jehovah. (Lioka 9:48) Ahoana no hetezan’izany?
25-31 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 SAMOELA 23-24
“Tena Nahafoy Zavatra ve Ianao Rehefa Nanome?”
it “Araona” § 2
Araona
Toa nomen’i Araona maimaim-poana ny toerana sy ny omby ary ny kitay hanaovana an’ilay sorona. Tsy nety anefa i Davida fa naloany vola ireo rehetra ireo. Mitantara ny 2 Samoela 24:24 fa novidin’i Davida sekely volafotsy 50 (110 dolara) ilay famoloana sy ny omby. Milaza anefa ny 1 Tantara 21:25 fa sekely volamena 600 (77 000 dolara eo ho eo) no nividianan’i Davida an’ilay toerana. Toa ny vidin’ilay faritra kely nanorenana alitara sy izay rehetra nampiasaina tamin’ilay sorona ihany no tian’ny 2 Samoela 24:24 holazaina. Niresaka momba an’ilay tempoly naorina teo amin’io toerana io tatỳ aoriana kosa ny 1 Tantara 21:25, ka ny vola nividianana an’ilay tany nanaovana an’ilay fanorenana no tiany holazaina. (1Ta 22:1-6; 2Ta 3:1) Tena lehibe ny tany nanorenana an’ilay tempoly, ka toa ny vidin’io toerana midadasika io ilay sekely volamena 600 fa tsy ny an’ilay faritra kely nanorenan’i Davida alitara.
Inona no Ianarantsika Rehefa Mandinika ny ‘Fototry ny Fahamarinana’?
8 Afaka nanao sorona an-tsitrapo ny Israelita, mba hisaorana an’i Jehovah. Afaka nanao fanatitra dorana koa izy ireo, mba hahazoana sitraka aminy. Sorona an-tsitrapo koa no iantsoana an’io. Tsy sarotra tamin’izy ireo ny nifidy biby hatao sorona, rehefa sorona an-tsitrapo ilay izy. Azo antoka fa ho faly izy ireo hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Tsy manao an’ireo sorona notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina ankehitriny. Manao sorona anefa isika, satria mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika mba hanompoana an’i Jehovah. Nilaza i Paoly fa manao sorona mampifaly an’Andriamanitra isika, rehefa ‘manambara ampahibemaso’ ny fanantenantsika, sy ‘manao soa ary mizara amin’ny hafa.’ (Heb. 13:15, 16) Ny toe-tsaintsika na ny antony anompoantsika an’i Jehovah no ahitana raha tena mankasitraka ny zava-drehetra nataony ho antsika isika. Toa an’ireo Israelita àry, dia ilaintsika ny mandinika hoe ahoana no fiheverantsika ny fanompoana an’i Jehovah ary inona no antony anompoantsika azy. Manompo an’i Jehovah an-tsitrapo ve isika?
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Faharoa
23:15-17. Nanaja fatratra ny lalàn’Andriamanitra momba ny aina sy ny ra i Davida. Tsy nekeny àry tamin’io fotoana io, na dia ny hanao zavatra toa mandika an’io lalàna io aza. Tokony hanana toe-tsaina toy izany isika, mahakasika ny didin’Andriamanitra rehetra.
1-7 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 1-2
“Mandray Lesona avy Amin’ny Fahadisoanao ve Ianao?”
it “Solomona”: “Lasa mpanjaka i Solomona” § 2
Solomona
Ren’i Adonia sy ireo mpikomy niaraka taminy ny mozika tany Gihona, tsy lavitra teo. Ren’izy ireo koa ny vahoaka niredona hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!” Natahotra sy nisahotaka izy ireo ka nandositra. Tsy namaly faty i Solomona satria tsy tiany ho ratsy fiandohana ny fanjakany. Nasehony tamin’izany fa fiadanana no hampiavaka ny fanjakany. Azo inoana fa raha i Solomona no mpikomy dia ho efa novonoin’i Adonia ho faty izy. Nandositra tany amin’ny toerana masina i Adonia. Nasain’i Solomona nalaina tany sy nentina teo anatrehany anefa izy. Nilazany i Adonia fa tsy hovonoina ho faty izy raha tsy misy ratsy hataony. Nasainy nody izy avy eo.—1Mp 1:41-53.
it “Adonia” § 4
Adonia
Rehefa maty anefa i Davida, dia nankany amin’i Batseba i Adonia, ary niangavy an’i Batseba mba hisolo tena azy tany amin’i Solomona ka hangataka an’i Abisaga ho vadiny. Vadikelin’i Davida sady mpikarakara azy io tovovavy io. Hoy i Adonia: “Tokony ho ahy ny fanjakana, ary izaho no nandrandrain’ny Israely rehetra ho lasa mpanjaka.” Toa te hilaza izy hoe tsy nomena azy ny zony. Niaiky koa anefa izy fa avy tamin’i Jehovah izany. (1Mp 2:13-21) Nahoana izy no nangataka an’i Abisaga? Angamba fotsiny tiany hisy takalony ny namoizany ny fanjakana, nefa koa tena mety hoe mbola naniry mafy hahazo fahefana izy. Fanao tany Atsinanana fahiny mantsy ny hoe izay handimby ny mpanjaka ihany no tokony hahazo ny vady sy ny vadikelin’ny mpanjaka. (Ampit. 2Sa 3:7; 16:21.) Nihevitra àry i Solomona fa mbola te ho mpanjaka ihany i Adonia, ka nanome baiko ny hamonoana azy izy. Notanterahin’i Benaia avy hatrany ilay baiko.—1Mp 2:22-25.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Voalohany
2:37, 41-46. Mampidi-doza ny fieritreretana fa mety ho afa-maina ny olona mandika ny lalàn’Andriamanitra! Hizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy noraisiny, ny olona minia miala amin’ny ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana.’—Matio 7:14.
8-14 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 3-4
“Sarobidy ny Fahendrena”
Ohatra Tsara i Solomona sa Ohatra Ratsy?
4 Niseho tamin’i Solomona tao anaty nofy Andriamanitra tamin’izy vao nanomboka nanjaka. Nasainy nangataka izay tiany i Solomona, ka nangataka fahendrena taminy, satria nahatsiaro ho tsy ampy traikefa. (Vakio ny 1 Mpanjaka 3:5-9.) Faly i Jehovah hoe tsy nangataka harena sy voninahitra izy, fa nangataka fahendrena. Nomeny “fo hendry sy mahiratra” àry i Solomona, sady nomeny harena. (1 Mpanj. 3:10-14) Araka ny tenin’i Jesosy, dia niavaka ny fahendren’i Solomona, ka na ny mpanjakavavin’i Sheba aza nandre momba an’ilay izy, ary nanao dia lavitra mba hahitana izany.—1 Mpanj. 10:1, 4-9.
5 Tsy manantena hahazo fahendrena amin’ny fomba mahagaga isika ankehitriny. Nilaza i Solomona hoe “i Jehovah no manome fahendrena”, nefa nilaza koa izy fa mila miezaka mafy isika raha te hahazo azy io. Hoy izy: ‘Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny fahendrena, ary hanao izay hananan’ny fonao fahaiza-manavaka.’ Nilaza koa izy fa ilaina ny “miantsoantso mitady” fahendrena, “tsy mitsahatra mitady” azy io, ary “tsy mitsahatra mikaroka” azy io. (Ohab. 2:1-6) Midika izany fa tena afaka manana fahendrena isika.
6 Mila mieritreritra isika hoe: ‘Manahaka an’i Solomona ve aho, ka mihevitra ny fahendrena ho sarobidy?’ Sarotra ny fiainana, ka variana miasa sy mitady vola ny olona. Ny fahasarotan’ny fiainana koa no mibaiko ny safidy ataon’ny olona, rehefa hifidy fianarana izy, na mieritreritra ny habetsaky ny fianarana hataony. Ahoana kosa ny aminao sy ny fianakavianao? Hita amin’ny safidy ataonareo ve fa sarobidy aminareo ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, ary miezaka hanana azy io ianareo? Afaka manova tanjona ve ianareo, mba hananana fahendrena bebe kokoa? Handray soa mandrakizay ianareo, raha manana fahendrena sady manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendrena azonareo. Nilaza i Solomona fa hanampy antsika ‘hahatakatra ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana’ izany, ‘eny, hahatakatra izay tsara rehetra.’—Ohab. 2:9.
Vatosoa Ara-panahy
Andriamanitry ny Fanekena i Jehovah
15 Rehefa nandamina ny taranak’i Abrahama ho firenena iray teo ambanin’ny Lalàna i Jehovah, dia nitahy azy ireo, araka ny fampanantenana nomeny an’ilay patriarika. Nitarika ny Isiraely hankao Kanana i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, tamin’ny 1473 T.K. Ny fizarana ilay tany tamin’ireo foko, taorian’izay, dia fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah hanome ilay tany ho an’ny taranak’i Abrahama. Rehefa nahatoky ny Isiraely, dia notanterahin’i Jehovah ny fampanantenany hanome azy ireo fandresena manoloana ny fahavalony. Marina indrindra izany nandritra ny fanapahan’i Davida Mpanjaka. Tanteraka ny lafiny fahatelo amin’ny fanekena abrahamika, tamin’ny andron’i Solomona, zanakalahin’i Davida. “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.”— 1 Mpanjaka 4:20.
15-21 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 5-6
“Fanorenana Natao Tamin’ny Fo”
Fantatrao Ve?
Nalaza ho mateza, tsara tarehy, ary manitra ny sederan’i Libanona sady tsy simban’ny bibikely. Nampiasa ny fitaovana tsara indrindra àry i Solomona rehefa nanorina ny tempoly. Hazo vitsivitsy sisa no niafaran’ilay alana sedera nandrakotra ny tendrombohitr’i Libanona fahiny.
it “Sedera” § 5
Sedera
Mpiasa an’arivony no nilaina hikapa an’ireny hazo sedera maro be ireny, hanatitra azy tany Tyro na Sidona teny amoron’i Mediterane, hanambatra azy ho zahatra, ary handefa azy teny ambony ranomasina nidina nankany Jopa angamba. Notaritina an-tanety nankany Jerosalema ireny avy eo. Izany asa rehetra izany no nifanarahan’i Solomona sy Hirama. (1Mp 5:6-18; 2Ta 2:3-10) Mbola nisy vatan-kazo maro tonga tatỳ aoriana, ka nataon’i Solomona ‘betsaka toy ny aviavidia ny hazo sedera’ tamin’ny androny.—1Mp 10:27; ampit. Is 9:9, 10.
it “Tempoly”: “Tempolin’i Solomona” § 4
Tempoly
I Solomona no nandamina ilay asa. Nampiantso lehilahy israelita 30 000 izy, ka 10 000 no niara-nalefany hiasa iray volana tany Libanona. Nijanona tany an-tranony roa volana izy ireo avy eo, ary dia toy izany hatrany. (1Mp 5:13, 14) Nampiantso lehilahy “vahiny” 70 000 teo amin’ilay tany koa izy ho mpitondra entana, ary 80 000 ho mpipai-bato. (1Mp 5:15; 9:20, 21; 2Ta 2:2) Nanendry lehilahy 550 ho lehiben’ny mpiasa ary angamba lehilahy 3300 hiara-miasa amin’ireo izy. (1Mp 5:16; 9:22, 23) Toa Israelita ny 250 tamin’ireo, fa “vahiny” kosa ny 3600.—2Ta 2:17, 18.
Vatosoa Ara-panahy
g 5/12 17, efajoro
Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 1
DATY MARINA TSARA
Marina tsara ny fotoana resahin’ny Baiboly ary tena ilaina izany. Resahin’ny 1 Mpanjaka 6:1, ohatra, hoe oviana i Solomona Mpanjaka no nanomboka nanorina ny tempolin’i Jerosalema. Izao no voalaza ao: “Tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato [479 taona feno] taorian’ny nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta, eny, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona teo amin’ny Israely, tamin’ny volana Ziva, izany hoe tamin’ny volana faharoa, dia nanorina trano ho an’i Jehovah i Solomona.”
Tamin’ny 1034 T.K. ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona, araka ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara. Raha miverina 479 taona avy eo amin’io taona io isika, dia ho tonga eo amin’ny 1513 T.K., taona nialan’ny Israelita tany Ejipta.
22-28 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 5-6
“Ireo Andry Roa”
‘Ao An-tendrombohitra no Hitrandrahanao Varahina’
Nampiasa varahina be dia be i Solomona rehefa nanamboatra an’ireo fitaovana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Azon’i Davida rainy tamin’izy nandresy ny Syrianina ny ankamaroan’ireo. (1 Tantara 18:6-8) Nampiasa fitoeran-drano lehibe nantsoina hoe “ranomasina varahina” ny mpisorona mba hisasana. Nahazaka rano 66 000 litatra izy io ary mety ho nahatratra 30 taonina ny lanjany. (1 Mpanjaka 7:23-26, 44-46) Nisy andry varahina lehibe roa koa teo amin’ny fidirana amin’ny tempoly. Poakaty izy ireo, ka 7,5 santimetatra ny hateviny, 1,7 metatra ny savaivony, 8 metatra ny haavony, ary 2,2 metatra ny haavon’ireo loha andry teo amin’ny tampony. (1 Mpanjaka 7:15, 16; 2 Tantara 4:17) Eritrereto ny habetsahan’ny varahina nanaovana an’ireo fotsiny.
it “Boaza, II”
Boaza, II
Ilay farany avaratra tamin’ireo andry roa varahina ngezabe teo anoloan’ny tilikambo fidirana amin’ilay tempolin’i Solomona. Mety hidika hoe “Amin-kery” ny hoe Boaza. Ilay andry teo atsimo kosa natao hoe Jakina, midika hoe “[I Jehovah] Anie Hanamafy Orina.” Azo atambatra sy vakina toy izao àry ireo teny ireo (avy eo ankavanana miankavia ary mitodika miantsinanana ilay mamaky azy): ‘[I Jehovah] anie hanamafy orina [ny tempoly] amin-kery.’—1Mp 7:15-21; jereo LOHA ANDRY.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fandroana” § 3
Fandroana
Tsy maintsy madio ireo manompo an’i Jehovah amin’ny fahamasinana, toy ireo nanompo tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Nandro i Arona Mpisoronabe sy ny zanany lahy, vao nanao ny fitafian’ny mpisorona, rehefa napetraka teo amin’ny toerany. (Ek 29:4-9; 40:12-15; Le 8:6, 7) Nanasan’ny mpisorona tanana sy tongotra ny rano tao anatin’ny kovetabe varahina teo an-tokotanin’ny tranolay masina, sy tao anatin’ny fitoeran-drano goavana teo an-tokotanin’ny tempolin’i Solomona. (Ek 30:18-21; 40:30-32; 2Ta 4:2-6) Nandro indroa ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:4, 23, 24) Nila nandro sy nanasa ny akanjony koa vao niditra tao an-toby indray, ireo nitondra tany ivelan’ny toby an’ilay osy ho an’i Azazela, ny ambin’ny biby natao sorona ary ny ombivavy mena natao sorona.—Le 16:26-28; No 19:2-10.
29 AOGOSITRA–4 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 8
“Vavaka Ampahibemaso Feno Fanetren-tena sy Vokatry ny Fo”
Mianara Bebe Kokoa mba Hanatsarana ny Vavaka Ataonao
9 Tokony hivavaka amin’ny fo isika, raha te hohenoin’i Jehovah. Hita ao amin’ny 1 Mpanjaka toko faha-8 fa nanao vavaka toy izany i Solomona, rehefa nitokana ny tempoly tamin’ny 1026 T.K. Nidera an’i Jehovah teo anatrehan’ny vahoaka izy. Nofenoin’i Jehovah rahona mantsy ilay tempoly, rehefa tafapetraka tao amin’ny Masina Indrindra ny vata nisy ny fifanekena.
10 Diniho ilay vavak’i Solomona. Miverimberina ao ny hoe ‘fo.’ Nilaza, ohatra, izy fa i Jehovah irery no mahalala ny ao am-po. (1 Mpanj. 8:38, 39) Niteny koa izy fa havelan’Andriamanitra ny helok’izay ‘miverina aminy amin’ny fo manontolo.’ Hohenoiny koa ny fitalahoan’ireo manompo azy amin’ny fo manontolo, na dia any an-tsesitany aza izy ireo. (1 Mpanj. 8:48, 58, 61) Tokony hatao amin’ny fo àry ny vavaka.
Tanana Mahatoky no Asandrato Rehefa Mivavaka
7 Na mivavaka ampahibemaso isika na manokana, dia tokony hotadidintsika izao foto-pitsipika lehibe araka ny Soratra Masina izao: tokony hampiseho fihetsika manetry tena isika rehefa mivavaka. (2 Tantara 7:13, 14). Nampiseho fanetren-tena i Solomona Mpanjaka tamin’ny vavaka ampahibemaso nataony tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Vao avy nahavita ny iray tamin’ireo trano nirenty indrindra teto ambonin’ny tany i Solomona. Na izany aza, dia nivavaka tamim-panetren-tena toy izao izy: “Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!”— 1 Mpanjaka 8:27.
8 Toa an’i Solomona, dia tokony hanetry tena isika rehefa misolo tena ny hafa amin’ny vavaka ampahibemaso. Na dia tsy tokony hanamboamboatra ny feontsika ho toy ny hoe “masina be” aza isika, dia azo aseho amin’ny toetran’ny feontsika ny fanetren-tena. Ny vavaka atao amim-panetren-tena dia tsy hampiasana teny niangaliana fatratra na namboamboarina. Manintona ny saina ho amin’Ilay ivavahana izy io, fa tsy amin’ilay mivavaka. (Matio 6:5). Hita amin’izay lazaintsika amin’ny vavaka koa ny fanetren-tena. Raha mivavaka amim-panetren-tena isika, dia tsy tokony hiteny toy ny hoe isika indray no mitaky amin’Andriamanitra mba hanao zavatra sasany araka izay itiavantsika azy. Hiangavy an’i Jehovah kosa isika mba hanaovany zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony masina. Nasehon’ny mpanao salamo tamin’ny ohatra ny fihetsika mety, fony izy nitalaho toy izao: “Jehovah ô, mba vonjeo re! Jehovah ô, mba omeo fahombiazana re!”—Salamo 118:25, NW; Lioka 18:9-14.
Vatosoa Ara-panahy
it “Lanitra”: “Lanitra ara-bakiteny” § 10
Lanitra
Mpamorona ny lanitra i Jehovah ka avo noho ny lanitra. “Ny anarany ihany no avo indrindra. Ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” (Sl 148:13) Toy ny irain-jehy monja ny lanitra rehefa refesin’i Jehovah, toy ny zavatra refesin’ny olona hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala. (Is 40:12) Nilaza i Solomona (izay nanorina ny tempolin’i Jerosalema) fa tsy omby an’Andriamanitra ny “lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra.” (1Mp 8:27) Tsy te hilaza izy hoe tsy manana fonenana Andriamanitra, na hoe eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra Izy. Nilaza mantsy izy avy eo fa mihaino ‘any an-danitra fonenany’ i Jehovah.—1Mp 8:30, 39.