Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
5-11 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 9-10
“Derao i Jehovah fa Hendry Izy”
Fitsidihana Iray Novalian-tsoa Be dia Be
Rehefa tafahaona tamin’i Solomona ilay mpanjakavavy, dia nanomboka nitsapa azy tamin’ny “fanontaniana sarotra.” (1 Mpanjaka 10:1). Azo adika hoe “ankamantatra” ilay teny hebreo ampiasaina eto. Tsy milaza anefa izany fa kilalaon-tsaina tsy dia manao ahoana no nataon’ilay mpanjakavavy tamin’i Solomona. Mahaliana ny manamarika fa teny hebreo mitovy amin’io no ampiasaina ao amin’ny Salamo 49:4, mba hilazalazana raharaha lehibe momba ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny fanavotana. Azo inoana àry fa foto-kevitra lalina no noresahin’ilay mpanjakavavin’i Sheba tamin’i Solomona mba hitsapana ny halalin’ny fahendreny. Voalazan’ny Baiboly fa “nilaza taminy izay rehetra tao am-pony” ilay mpanjakavavy. I Solomona kosa dia ‘namaly azy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.’—1 Mpanjaka 10:2b, 3.
Rehefa Lehibe ny Fahalalahan-tanana
Talanjona noho izay reny sy hitany ilay mpanjakavavy, ka namaly toy izao tamim-panetren-tena: “Sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!” (1 Mpanjaka 10:4-8). Na dia teo anivon’ny harem-be aza ireo tandapan’i Solomona, dia tsy noho izany antony izany no nilazan’ilay mpanjakavavy azy ireo hoe sambatra. Sambatra kosa ny tandapan’i Solomona, satria afaka nihaino foana an’ilay fahendren’i Solomona nomen’Andriamanitra, izy ireo. Ilay mpanjakavavin’i Sheba àry dia ohatra tsara dia tsara ho an’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, izay finaritra amin’ny fahendren’ilay Mpamorona mihitsy, sy ny an’i Jesosy Kristy, Zanany!
Fitsidihana Iray Novalian-tsoa Be dia Be
Nampiaiky volana ny mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona sy ny haren’ny fanjakany ka “tsy nisy fanahy intsony tao aminy.” (1 Mpanjaka 10:4, 5, NW ) Misy milaza fa ny dikan’io teny io dia hoe “tsy avy niaina” ilay mpanjakavavy. Nilaza mihitsy aza ny manam-pahaizana iray fa safotra ilay mpanjakavavy! Na inona na inona nitranga, dia talanjona tamin’izay hitany sy reny ilay mpanjakavavy. Sambatra, hoy izy, ireo mpanompon’i Solomona fa afaka nandre ny fahendren’io mpanjaka io, ary nisaotra an’i Jehovah izy tamin’ny nametrahany an’i Solomona teo amin’ny seza fiandrianana. Avy eo izy dia nanome fanomezana lafo vidy ho an’ny mpanjaka, ka ny tontalin’ny volamena fotsiny no efa nitentina ho 240 000 tapitrisa FMG, raha amin’ny vidiny ankehitriny. Nanao fanomezana ihany koa i Solomona, ka nanome ho an’ilay mpanjakavavy “izay rehetra niriny.”—1 Mpanjaka 10:6-13.
Vatosoa Ara-panahy
Fantatrao Ve?
Betsaka tokoa ve ny volamenan’i Solomona Mpanjaka?
Milaza ny Soratra Masina fa nampanatitra volamena efatra taonina tany amin’i Solomona i Hirama, mpanjakan’i Tyro. Nanome volamena nitovy lanja tamin’izany koa ny mpanjakavavin’i Sheba. Ireo sambon’i Solomona kosa dia naka volamena 15 taonina tany Ofira. Hoy ihany ny Baiboly: “Ny lanjan’ny volamena tonga tany amin’i Solomona tao anatin’ny herintaona dia talenta volamena enina amby enimpolo sy eninjato”, na 25 taonina mahery. (1 Mpanjaka 9:14, 28; 10:10, 14) Mitombina ve izany? Betsaka tokoa ve ny volamenan’ireo mpanjaka fahiny?
Misy soratra tranainy iray eken’ny manam-pahaizana fa marina. Milaza izy io fa nanome volamena 13,5 taonina teo ho eo ho an’ny tempolin’i Amôn-Râ, ao Karnak, i Thoutmosis III, Faraon’i Ejipta (Tokony ho 3 500 taona lasa izay). Tamin’ny taonjato fahavalo T.K., dia nahazo volamena efatra taonina mahery, izay hetra avy tany Tyro, i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria. Nanome volamena nitovy lanja tamin’izany ho an’ireo andriamanitra babylonianina i Sargona II. I Philippe II mpanjakan’i Makedonia indray (359-336 T.K.), dia voalaza fa nahazo volamena 28 taonina mahery isan-taona, avy tamin’ireo toeram-pitrandrahan’i Pangée any Thrace.
Resin’i Aleksandra Lehibe zanak’i Philippe (336-323 T.K.) ny tanànan’i Sosa, any Persa. Voalaza fa nahazo volamena 1180 taonina teo ho eo izy tao, ary volamena efa ho 7000 taonina no voangony nanerana an’i Persa. Tsy manitatra àry ny Baiboly rehefa milaza ny habetsahan’ny volamenan’i Solomona Mpanjaka.
12-18 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 11-12
“Manehoa Fahendrena ka Fidio Tsara Izay ho Vadinao”
“Iza no Momba An’i Jehovah?”
7 Eritrereto indray i Solomona Mpanjaka. Niantehitra tamin’i Jehovah izy tamin’izy mbola tanora kokoa. Nataon’i Jehovah nanam-pahendrena be izy, ary nasainy nanorina an’ilay tempoly tsara tarehy tany Jerosalema. Lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah anefa izy. (1 Mpanj. 3:12; 11:1, 2) Voalaza mazava tsara tao amin’ny Lalàna hoe tsy tokony hanambady be dia be ny mpanjaka “sao hivily ny fony.” (Deot. 17:17) Tsy nankatò an’izany anefa i Solomona, fa nanambady vehivavy 700 niampy vadikely 300. (1 Mpanj. 11:3) Tsy Israelita ny ankamaroan’ireo vadiny ireo sady mpanompo sampy. Tsy nankatoavin’i Solomona koa àry ilay lalàn’i Jehovah hoe tsy azo atao ny manambady olona hafa firenena.—Deot. 7:3, 4.
Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?
6 Mpikomy i Satana sady tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah ary tia tena. Tiany ho lasa hoatr’azy koa isika. Tsy afaka manery antsika hitovy fomba fisaina aminy sy hanaraka ny ataony anefa izy. Mitady hevitra hafa àry izy. Ataony, ohatra, izay hahatonga antsika ho voahodidina olona manana ny toe-tsainy. (1 Jaona 5:19) Mieritreritra mantsy izy hoe hiaraka amin’izy ireny ihany isika, na dia efa fantatsika aza hoe ‘hanimba’ ny fomba fisainantsika sy hitarika antsika hanao ratsy izany. (1 Kor. 15:33) Izany no nahavoa an’i Solomona Mpanjaka. Nanambady vehivavy maro mpanompo sampy izy, ary nisy vokany be taminy izany. “Voatarik’ireny tsikelikely ny fony”, dia nivadika tamin’i Jehovah izy.—1 Mpanj. 11:3.
“Iza no Momba An’i Jehovah?”
9 Tsy hoe odian’i Jehovah tsy hita anefa ny ratsy ataon’ny olona. Hoy ny Baiboly: ‘Tezitra mafy tamin’i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala taminy. Niseho taminy indroa izy, ary nandidy azy mba tsy hanao izany sy tsy hanaraka andriamani-kafa, nefa tsy nitandrina an’izany didy izany izy.’ Tsy nankasitraka sy tsy nanohana azy intsony àry i Jehovah. Tsy nanjaka tamin’ny firenen’Israely manontolo intsony koa ny taranany, sady nanana olana lehibe maro nandritra ny an-jatony taona.—1 Mpanj. 11:9-13.
Vatosoa Ara-panahy
Tahaka Izay Izy Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah!
Nikomy ny vahoakany rehefa nampijalin’i Rehoboama, ka namory ny tafiny izy mba hiadiana tamin’izy ireo. Izao anefa no nasain’i Jehovah notenenin’i Semaia mpaminany tamin’izy ireo: “Aza miakatra hiady amin’ny zanak’Israely rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy. Fa izaho no nahatonga izao zavatra izao.”—1 Mpanj. 12:21-24.
Dia tsy hiady ve izany? Tsy mora tamin’i Rehoboama angamba ny nankatò an’izany. Inona no holazain’ny vahoakany? Ry zareo aza norahonany hoe hosaziny amin’ny “karavasy misy zava-maranitra”, dia amin’izao misy mikomy izao indray ve izy no handefitra? (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 13:7.) Na inona na inona anefa mety ho noeritreretin’ny olona, dia “nankatò ny tenin’i Jehovah” i Rehoboama sy ny tafiny, “ka nody.”
Inona indray no ianarantsika avy amin’izany? Aleo foana mankatò an’i Jehovah na dia mety hesoin’ny olona aza isika. Ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny izay manao an’izany.—Deot. 28:2.
Nahazo fitahiana àry ve i Rehoboama? Rehefa tsy nandeha niady tamin’ilay fanjakana tany avaratra ihany izy, dia nanorina tanàna vaovao tao amin’ny faritanin’ny Joda sy Benjamina. Mbola mpanjakan’ireo foko ireo mantsy izy. Nisy tanàna maromaro “nohamafisiny tsara” koa. (2 Tan. 11:5-12) Lasa “nanohana an’i Rehoboama” koa ny olona maro tany amin’ilay fanjakana tany avaratra. Nankany Jerosalema izy ireo mba hanompo an’i Jehovah. Lasa nanompo sampy mantsy ny foko folo tany avaratra. (2 Tan. 11:16, 17) Nihanatanjaka àry ny fanjakan’i Rehoboama rehefa nankatò an’i Jehovah sy ny lalàny izy. Tsy naharitra anefa izany.
19-25 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 13-14
“Mahay Mianina sy Manetry Tena ve Ianao?”
Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo
4 Avy eo, dia hoy i Jeroboama tamin’ilay mpaminany: “Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ... mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra hianao.” (1 Mpanj. 13:7) Ahoana no hataon’ilay mpaminany? Hanaiky ny fanasan’ilay mpanjaka ve izy, nefa vao avy nilaza hafatra nanameloka azy? (Sal. 119:113) Sa handa izy, na dia nanenina aza ny fijery an’ilay mpanjaka? Azo antoka fa afaka manome fanomezana lafo vidy ho an’ny namany i Jeroboama. Raha tia zavatra ara-nofo kely fotsiny ilay mpaminany, dia azo inoana fa tena fakam-panahy ho azy ilay fanasan’ny mpanjaka. Efa nilaza tamin’ilay mpaminany anefa i Jehovah hoe: “Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’izay làlana efa nalehanao.” Namaly avy hatrany àry ilay mpaminany hoe: “Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho.” Nandao an’i Betela ilay mpaminany ary lalana hafa no niverenany. (1 Mpanj. 13:8-10) Inona no ianarantsika momba ny tsy fivadihana, raha jerena ny fanapahan-kevitr’ilay mpaminany?—Rom. 15:4.
Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo
15 Inona koa no ianarantsika avy amin’ny fahadisoan’ilay mpaminany avy any Joda? Hoy ny Ohabolana 3:5: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” Niantehitra tamin’i Jehovah foana io mpaminany io taloha, kanefa niantehitra tamin’ny heviny manokana izy tamin’io fotoana io. Namoizany ny ainy izany ary namoizany ny laza tsarany teo anatrehan’Andriamanitra. Asehon’io zava-nitranga io fa tena mila manetry tena sy tsy mivadika ny mpanompon’i Jehovah.
Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo
10 Tokony ho takatr’ilay mpaminany fa namitaka azy ilay mpaminany zokiolona. Afaka nanontany tena izy hoe: ‘Fa nahoana moa i Jehovah no naniraka anjely tany amin’olon-kafa mba hanomezana toromarika vaovao ho ahy?’ Afaka nanontany an’i Jehovah koa izy mba hanazava aminy izay tokony hataony. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe nanao izany izy. “Niverina niaraka [tamin’ilay zokiolona kosa] izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.” Tsy faly i Jehovah. Novonoin’ny liona ilay mpaminany rehefa nandeha nody. Tena ratsy fiafara ilay mpaminany!—1 Mpanj. 13:19-25.
Vatosoa Ara-panahy
Mitady Izay Tsara ao Aminao Izy
Ambonin’izany, dia hita avy amin’ny 1 Mpanjaka 14:13 fa tena Andriamanitra mahatalanjona i Jehovah. Izay tsara ao anatintsika no tadiaviny. Voalaza fa “nahitana” zavatra tsara i Abia. Azo inoana fa nandinika ny fony i Jehovah, mandra-pahitany toetra tsara kely tao. Nilaza ny mpanoratra iray fa toy ny perla tokana “ao anaty vatokely be dia be” i Abia, raha oharina amin’ny fianakaviany. Sarobidy tamin’i Jehovah izany, ka namaly soa azy izy. Izy irery àry no mba namindrany fo tamin’ilay fianakaviana ratsy fanahy.
26 SEPTAMBRA–2 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 15-16
Be Herim-po Hoatran’i Asa ve Ianao?
“Handray Valisoa Ianareo Amin’izay Ataonareo”
Feno fanompoan-tsampy tao Joda nandritra ny 20 taona, taorian’ny nizaran’ny Israely ho fanjakana roa. Izany no niainan’i Asa, rehefa lasa mpanjaka izy tamin’ny 977 T.K. Nanompo sampy na dia ny olona tao amin’ny fitondrana aza. Nivavaka tamin’ny andriamanitry ny fiterahana, nivavahan’ny Kananita, izy ireo. I Asa kosa anefa ‘nanao izay tsara sy mahitsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny. Nesoriny ireo alitaran’ny firenen-kafa sy ireo toerana avo, nopotehiny ireo tsangambato masina, ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.’ (2 Tan. 14:2, 3) Nesoriny tao amin’ny fanjakan’ny Joda koa “ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly”, izay nanao firaisana tamin’ny lehilahy (anisan’ny fanao tamin’ny fotoam-pivavahan’izy ireo izany). Tsy hoe nanala ny fivavahan-diso fotsiny anefa i Asa. Nampirisika ny olona koa izy mba “hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razany”, ka ‘hankatò ny lalàny sy ny didiny.’—1 Mpanj. 15:12, 13; 2 Tan. 14:4.
Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo
7 Ahoana no ahalalana raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika na tsia? Eritrereto izao: ‘Hankatò an’i Jehovah foana ve aho na dia sarotra aza izany indraindray? Hanao izay azoko atao ve aho mba hiarovana ny fiangonana tsy ho voatarika hanao ratsy?’ Tena be herim-po i Asa ka nahavita nanala an’i Maka tsy ho “andriambavy.” Mila manahaka azy koa ianao. Ahoana, ohatra, raha misy havanao na namanao nanao fahotana lehibe nefa tsy nibebaka dia voaroaka? Tapa-kevitra ve ianao hoe tsy hifandray aminy intsony? Handrisika anao hanao inona ny fonao?
it “Asa, I”: “Narary ary maty” § 2
ASA, I
Marina fa tsy hendry i Asa indraindray sady tsy nandinika tsara. Maro anefa ny toetra tsarany ary tsy nivadi-pinoana izy, ka izany no nisongadina kokoa noho ny fahadisoana nataony, ary noheverina ho anisan’ireo mpanjaka tsy nivadika tao Joda izy. (2Ta 15:17) Nandritra ireo 41 taona nanjakany, dia ireto mpanjaka valo ireto no nifandimby tao amin’ny fanjakan’ny Israely: Jeroboama, Nadaba, Basa, Elaha, Zimry, Omry, Tibny (mpanjaka nifandrafy tamin’i Omry ary nanjaka tamin’ny faritra iray teo amin’ny Israely), ary Ahaba. (1Mp 15:9, 25, 33; 16:8, 15, 16, 21, 23, 29) I Josafata zanany no lasa mpanjaka, rehefa maty i Asa.—1Mp 15:24.
Vatosoa Ara-panahy
Tena Misy ve Andriamanitra Aminao?
Vakio, ohatra, ilay faminaniana momba ny sazy noho ny fanorenana indray an’i Jeriko, ary diniho ny fahatanterahany avy eo. Milaza toy izao ny Josoa 6:26: “Nilaza fanozonana Josoa tamin’izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray: ny ain’ny lahimatoany no ho sazin’ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ny faralahiny no ho sazin’ny hananganany ny vavahadiny.” Tanteraka izany, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, satria izao no vakintsika ao amin’ny 1 Mpanjaka 16:34: “Tamin’ny andron’i Ahaba [Mpanjaka] no nanorenan’i Hiela Betelita an’i Jeriko; ny ain’i Abirama lahimatoany no sazin’ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’i Segoba faralahiny no sazin’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Josoa, zanak’i Nona.” Ny Andriamanitra iray tena misy ihany no afaka manome tsindrimandry faminaniana toy izany ary manao izay hahatanteraka izany.
3-9 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 17-18
“Mandra-pahoviana Ianareo no Hiroaroa Saina?”
Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra
6 Rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia tsy maintsy nisafidy hoe hanompo an’i Jehovah sa hanompo andriamanitra hafa. (Vakio ny Josoa 24:15.) Hoatran’ny hoe tsotra be izany. Niankinan’ny ain’izy ireo anefa ny fanapahan-kevitra noraisiny. Imbetsaka izy ireo no tsy nahay nanapa-kevitra, tamin’ny fotoana nitondran’ireo mpitsara. Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo ary nanompo andriamani-diso. (Mpits. 2:3, 11-23) Tsy maintsy nisafidy koa izy ireo tatỳ aoriana hoe hanompo an’i Jehovah sa hanompo an’i Bala. (1 Mpanj. 18:21) Nibedy azy ireo i Elia mpaminany satria niroaroa saina izy ireo. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Izany koa ve dia manahirana? Mahafinaritra ange ny manompo an’i Jehovah e!’ Tsy hieritreritra hanompo an’i Bala tokoa raha olona misaina tsara. Nisalasala anefa ny Israelita. Nampirisika azy ireo àry i Elia mba hifidy ny hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Tena nety ny nataony.
Niaro ny Fivavahana Marina Izy
15 Vao mainka nihinjakinjaka ireo mpisoron’i Bala, ka ‘niantsoantso faran’izay mafy. Ary nodidididiany tamin’ny sabatra kely sy lefona ny vatany araka ny fanaony, mandra-pikorianan’ny ra tamin’ny tenany.’ Reraka fotsiny anefa ry zareo, fa ‘mbola tsy nisy feo re ihany, sady tsy nisy namaly na nihaino.’ (1 Mpanj. 18:28, 29) Tsy nisy akory i Bala fa noforonin’i Satana fotsiny, mba hampiala ny olona amin’i Jehovah. Ho diso fanantenana koa izay mifidy tompo hafa ankoatra an’i Jehovah, ary ho menatra mihitsy.—Vakio ny Salamo 25:3; 115:4-8.
Niaro ny Fivavahana Marina Izy
18 Nety ho nisalasala ilay vahoaka hoe tena misy ve i Jehovah sa hoatran’i Bala ihany. Vao vita anefa ny vavak’i Elia, dia “nilatsaka ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay sy ny vato ary ny vovoka. Ritran’ny afo koa ny rano tao amin’ilay tatatra.” (1 Mpanj. 18:38) Tena niavaka ilay valim-bavaka! Inona ny vokatr’izany?
Vatosoa Ara-panahy
w08 1/4 19, efajoro
Niandry Izy Sady Niambina Hatrany
Hafiriana Ilay Hain-tany Tamin’ny Andron’i Elia?
Niteny tamin’i Ahaba i Elia mpaminany, fa efa hifarana ilay hain-tany naharitra ela be. Tapitra “tamin’ny taona fahatelo” izy io, izany hoe telo taona taorian’ny nilazan’i Elia hoe hanomboka ilay izy. (1 Mpanjaka 18:1) Nandrotsaka orana tokoa i Jehovah, fotoana fohy taorian’ny nilazan’i Elia momba izany. Misy àry mihevitra fa tany antenatenan’ny taona fahatelo no avy ny orana, ka telo taona latsaka izany no faharetan’ilay hain-tany. Samy nilaza anefa i Jesosy sy Jakoba, fa naharitra “telo taona sy enim-bolana” ilay hain-tany. (Lioka 4:25; Jakoba 5:17) Mifanohitra àry ve izay lazain’ny Baiboly?
Tsy izany mihitsy. Lava ny vanin-taona tsy misy orana teo amin’ny Israely fahiny, ka mety ho nahatratra enim-bolana. Azo antoka fa efa naharitra kokoa tsy toy ny nahazatra izany, rehefa nilaza tamin’i Ahaba i Elia fa hisy hain-tany. Efa nanomboka enim-bolana teo ho eo izy io, raha ny marina. “Tamin’ny taona fahatelo” taorian’izay, dia nilaza i Elia fa ho tapitra ilay izy. Efa ho telo taona sy tapany ny faharetan’ilay hain-tany tamin’izay. Feno “telo taona sy enim-bolana” izany, tamin’ny fotoana nanatrehan’ny olona rehetra an’ilay fitsapana lehibe teo amin’ny Tendrombohitra Karmela.
Nety tsara ny fotoana nilazan’i Elia hoe hisy hain-tany. Nino mantsy ny olona fa “mpitaingina rahona” i Bala, ka mandrotsaka orana mba hamaranana ny vanin-taona maina. Rehefa naharitra kokoa àry ny fotoana tsy nisy orana, dia nanontany izy ireo hoe: ‘Fa aiza i Bala? Rahoviana izy vao handatsaka orana?’ Nilaza anefa i Elia fa tsy hisy orana na ando mihitsy, raha tsy izy no miteny. Azo antoka fa kivy ratsy ireo mpivavaka tamin’i Bala.—1 Mpanjaka 17:1.
10-16 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 19-20
“Jehovah Itarainana Rehefa Mila Fampaherezana”
Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Miady Saina
5 Vakio ny 1 Mpanjaka 19:1-4. Na dia nanampy an’i Elia foana aza i Jehovah, dia natahotra izy rehefa nandrahona ny hamono azy i Jezebela. Nandositra tany amin’ny faritr’i Beri-sheba àry izy. Kivy be izy ary “nangataka ny ho faty” mihitsy. Fa naninona i Elia no namoy fo hoatr’izany? Satria tsy lavorary izy, ary “nanana fihetseham-po toa antsika ihany.” (Jak. 5:17) Nahatsiaro ho tototry ny adin-tsaina angamba izy sady vizana be. Mety ho nieritreritra izy hoe very maina ny ezaka nataony mba hampirisihana ny olona hanompo an’i Jehovah. Toa tsy nisy na inona na inona niova akory teo amin’ny Israely, sady hoatran’ny hoe izy irery sisa no nanompo an’i Jehovah. (1 Mpanj. 18:3, 4, 13; 19:10, 14) Mety ho gaga isika hoe nahoana io mpaminany tsy nivadika io no kivy be hoatr’izany. Azon’i Jehovah tsara anefa ny fihetseham-pony.
Nampahery Azy Andriamanitra
13 Nangoraka i Jehovah rehefa nahita an’ilay mpaminaniny nitoloko teo ambanin’ilay hazo sady niangavy mba ho faty. Naniraka anjely izy rehefa resin-tory i Elia. Namoha azy moramora ilay anjely sady niteny hoe: “Miarena ka mihinàna.” Efa nisy mofo mafana sy rano nataon’ilay anjely vonona teo. Nihinana sy nisotro an’ilay izy fotsiny i Elia, dia niverina natory. Mety ho tsy nisaotra akory izy. Kivy be angamba izy ka tsy te hiresaka. Nofohazin’ilay anjely indray izy, angamba rehefa nangiran-dratsy ny andro. Hoy ilay anjely: “Miarena, ka mihinàna fa mbola tena lavitra ny dia halehanao.”—1 Mpanj. 19:5-7.
Nampahery Azy Andriamanitra
21 Averimberina ao amin’ilay tantara fa tsy tao amin’ilay rivo-mahery na ilay horohoron-tany na ilay afo i Jehovah. Midika izany fa tsy zavatra eny amin’ny natiora izy na hoe angano fotsiny toa an’i Bala, izay noheverin’ny olona fa “mpitaingina rahona” na mpitondra orana. Avy amin’i Jehovah kosa ny hery rehetra eny amin’ny natiora, ary ambony lavitra noho ny zavaboary rehetra izy. Na io lanitra io aza tsy omby azy! (1 Mpanj. 8:27) Nahoana izany no nampahery an’i Elia? Tadidio fa natahotra an’i Ahaba sy Jezebela izy. Tsy nisy tokony hatahorany intsony anefa satria nomba azy ilay Andriamanitra mahery indrindra.—Vakio ny Salamo 118:6.
Nampahery Azy Andriamanitra
22 Nangina be avy eo rehefa lasa ilay afo, ary nisy “feo malefaka sy iva.” Nanontany an’i Elia ilay izy, ka nolazainy daholo indray izay tao am-pony. Tony kokoa izy taorian’izay. Vao mainka maivamaivana izy avy eo, satria nanome toky azy i Jehovah hoe tena sarobidy aminy izy. Nolazain’i Jehovah taminy daholo izay mbola kasainy hatao, mba hanafoanana ny fivavahana amin’i Bala. Tsy niasa maina àry i Elia satria efa nanomboka nanatanteraka an’io fikasan’i Jehovah io, sady mbola handray anjara amin’izany. Nasain’i Jehovah niverina nanao ny asany izy, ary nomeny toromarika mazava tsara.—1 Mpanj. 19:12-17.
Vatosoa Ara-panahy
Ohatra Iray Mampiseho Fahafoizan-tena sy Tsy Fivadihana
Mpanompon’Andriamanitra maro amin’izao andro izao no mampiseho toe-tsaina feno fahafoizan-tena mitovy amin’izany. Ny sasany nandao ny ‘taniny’, ny asa fivelomany, mba hitory ny vaovao tsara any amin’ny faritany lavitra, na mba hanompoana amin’ny maha-mpianakavin’ny Betela. Ny hafa nanao dia lavitra nankany an-tany hafa mba hiasa amin’ny tetik’asa fanorenan’ny Fikambanana. Maro no nanaiky izay mety hoheverina ho asa ambany. Kanefa, tsy misy na iza na iza manompo an’i Jehovah ka hoe manao fanompoana tsy misy vidiny. I Jehovah dia mankasitraka izay rehetra manompo azy amim-pahavononana, ary hitahy ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena asehon’izy ireo.—Marka 10:29, 30.
17-23 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 MPANJAKA 21-22
“Tahafo i Jehovah Raha Manana Fahefana Ianao”
it “Jehovah Tompon’ny Tafika” § 3
Jehovah Tompon’ny Tafika
Nahita anjely teo akaikin’i Jeriko i Josoa, indray mandeha, ka nanontaniany izy io raha momba ny Israely na momba ny fahavalony. Namaly ilay anjely hoe: “Tsia, fa lehiben’ny tafik’i Jehovah aho, ary izany no ahatongavako eto.” (Js 5:13-15) Hoy i Mikaia mpaminany tamin’i Ahaba sy Josafata Mpanjaka: “Hitako i Jehovah mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra manontolo mitsangana eo akaikiny, eo ankavanany sy eo ankaviany.” (1Mp 22:19-21) Ireo anjelin’i Jehovah no tiany holazaina eo. Mety tsara raha amin’ny endriny milaza maro ilay teny hoe “tafika” amin’ilay hoe “Jehovah Tompon’ny tafika”, satria andiany maro be voalamina tsara ny anjely, fa tsy voasokajy ho kerobima sy serafima ary anjely fotsiny. (Is 6:2, 3; Ge 3:24; Ap 5:11) Afaka nilaza àry i Jesosy Kristy fa azony natao ny niantso “anjely maro be mihoatra noho ny andian-tafika roa ambin’ny folo.” (Mt 26:53) Niantso an’i Jehovah hoe “Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, izay mipetraka eo amin’ny kerobima” i Hezekia, tamin’izy nangataka fanampiana taminy. Ny Vata misy ny fifanekena sy ireo kerobima teo ambonin’ilay sarony (oharina amin’io sarony io ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra) angamba no tao an-tsainy. (Is 37:16; ampit. 1Sa 4:4; 2Sa 6:2.) Raiki-tahotra ny mpanompon’i Elisa rehefa natao fahirano ny tanàna nipetrahan’i Elisa. Tsy natahotra intsony anefa izy, rehefa naseho taminy tao amin’ny fahitana ny tendrombohitra manodidina “feno soavaly sy kalesy afo”, izay nitaingenan’ireo anjely anisan’ny tafik’i Jehovah.—2Mp 6:15-17.
“I Kristy no Lohan’ny Lehilahy Rehetra”
9 Fanetren-tena. Tsy misy hendry noho i Jehovah, nefa izy mihaino ny mpanompony rehefa milaza ny heviny ry zareo. (Gen. 18:23, 24, 32) Avelany hanome soso-kevitra azy ny olona eo ambany fahefany. (1 Mpanj. 22:19-22) Lavorary i Jehovah nefa tsy manantena hoe ho lavorary isika amin’izao. Manampy ny olombelona tsy lavorary kosa izy mba hahavita hanompo azy tsara. (Sal. 113:6, 7) Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe “mpanampy” izy. (Heb. 13:6; Sal. 27:9) Niaiky i Davida Mpanjaka fa tsy ho nahavita ny asa miavaka nasaina nataony izy, raha tsy nanetry tena sy nanampy azy i Jehovah.—2 Sam. 22:36.
it “Lainga” § 8
Lainga
Navelan’i Jehovah Andriamanitra ho voafitaky ny “fahadisoana” ny olona tia lainga, “mba hinoany lainga” fa tsy inoany ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy. (2Te 2:9-12) Mampiseho tsara izany izay nanjo an’i Ahaba mpanjaka israelita, taonjato maro talohan’izay. Nandainga ny mpaminaniny ka nanome toky azy fa handresy an’i Ramota-gileada izy. Nanambara loza kosa i Mikaia mpaminanin’i Jehovah, ary nasehon’i Jehovah azy tao amin’ny fahitana fa navelany ho tonga “fanahy mamitaka” hampiteny an’ireo mpaminanin’i Ahaba ny anjely iray. Io anjely io no nitarika an’ireo mpaminany hilaza izay tian’izy ireo holazaina sy izay tian’i Ahaba ho re, fa tsy hilaza ny marina. Efa nampitandremana i Ahaba nefa naleony voafitaky ny laingan’ireo mpaminaniny, ary ny ainy no nanefa.—1Mp 22:1-38; 2Ta 18.
Vatosoa Ara-panahy
Inona no Atao hoe Tena Mibebaka?
4 Nisy fetrany anefa ny faharetan’i Jehovah. Naniraka an’i Elia izy tamin’ny farany mba hilaza tamin’i Ahaba sy Jezebela hoe hosaziny ry zareo. Nasainy niteny tamin-dry zareo i Elia hoe hataony tsy misy miangana ny fianakavian’i Ahaba. Kivy be i Ahaba tamin’izay! Mahagaga fa “nanetry tena” io lehilahy nanambony tena io.—1 Mpanj. 21:19-29.
5 Marina fa nanetry tena i Ahaba tamin’iny fotoana iny. Hita tamin’ny zavatra nataony taorian’izay anefa fa tsy tena nibebaka izy. Tsy niezaka nanakana ny vahoakany mba tsy hanompo an’i Bala, ohatra, izy sady tsy nampirisika an-dry zareo hanompo an’i Jehovah. Nisy porofo hafa koa anefa nahitana hoe tsy nibebaka izy.
6 Handeha hiady amin’ny Syrianina i Ahaba tatỳ aoriana, dia niantso an’i Josafata mpanjakan’ny Joda mba hiaraka hiady aminy. Mpanjaka tsara i Josafata ary natoky an’i Jehovah. Niteny tamin’i Ahaba izy hoe aleo aloha manontany ny mpaminanin’i Jehovah, izay vao mandeha miady. Tsy nanaiky i Ahaba tamin’ny voalohany. Izao no noteneniny: “Mbola misy lehilahy iray any azo asaina manontany an’i Jehovah. Tena halako anefa izy satria tsy mba maminany zava-tsoa momba ahy, fa zava-dratsy.” I Mikaia io mpaminany io, ary naka hevitra taminy ihany ry zareo. Marina ny tenin’i Ahaba satria naminany zavatra ratsy momba azy i Mikaia. Dia ahoana no nataon’i Ahaba? Ilay mpaminany indray no nogadrainy, fa tsy nibebaka izy na nangataka famelana tamin’i Jehovah! (1 Mpanj. 22:7-9, 23, 27) Na izany aza, dia tsy vitan’i Ahaba ny nisakana an’ilay faminaniana tsy ho tanteraka. Maty tany an’ady mantsy izy!—1 Mpanj. 22:34-38.
24-30 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 1-2
“Fampiofanana Modely”
Ahoana no Ampiofanan’ny Anti-panahy ny Hafa mba Hahafeno Fepetra?
15 Hita amin’ny tantaran’i Elisa koa fa mila manaja an’ireo anti-panahy za-draharaha ireo rahalahy. Nankany amin’ny Reniranon’i Jordana i Elia sy Elisa rehefa avy nitsidika mpaminany tao Jeriko. ‘Nesorin’i Elia ilay akanjona mpaminany nanaovany ary navalony ka nikapohany ny rano. Dia nisaraka ny rano.’ Niampita tamin’ny tany maina izy ireo ary mbola “niresaka teny am-pandehanana.” Tsy nieritreritra i Elisa hoe efa hainy amin’izay ny zava-drehetra. Nandray am-po ny teny tsirairay nolazain’i Elia izy, mandra-pahalasan’i Elia. Niakatra tany amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia taorian’izay. Niverina teo Jordana i Elisa ka nikapoka ny rano tamin’ny akanjon’i Elia ary niteny hoe: “Aiza i Jehovah Andriamanitr’i Elia?” Dia nisaraka indray ny rano.—2 Mpanj. 2:8-14.
Ahoana no Ampiofanan’ny Anti-panahy ny Hafa mba Hahafeno Fepetra?
16 Voamarikao ve fa nitovy tsy nisy valaka tamin’ny fahagagana farany nataon’i Elia ny fahagagana voalohany nataon’i Elisa? Nahoana izany no mahaliana? Hita amin’izany fa tsy nieritreritra i Elisa hoe efa izy izao no nandimby an’i Elia ka nila nanao fanovana avy hatrany izy. Nasehony kosa fa nanaja an’ilay mpampiofana azy izy, ka nitovy tamin’ny nataon’i Elia ihany no nataony. Lasa natoky azy àry ny mpaminany hafa. (2 Mpanj. 2:15) Naminany nandritra ny 60 taona i Elisa, ary nampanaovin’i Jehovah fahagagana betsaka noho ny nataon’i Elia aza izy. Inona no azon’ireo ampiofanina ianarana avy amin’izany?
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Faharoa
2:11—Inona ilay ‘lanitra’ niakaran’i Elia ‘tao anaty tafio-drivotra’? Tsy ny any ambony tsy taka-maso any akory no tiana holazaina eo, na ny faritra ara-panahy onenan’Andriamanitra sy ny anjely. (Deoteronomia 4:19; Salamo 11:4; Matio 6:9; 18:10) Manondro ny habakabaka kosa ilay ‘lanitra’ niakaran’i Elia. (Zefania 1:3) Toa nitondra an’i Elia tany an-toeran-kafa ilay kalesy afo, rehefa avy nirifatra teny amin’ny habakabaka. Tany indray izy no nipetraka nandritra ny fotoana kelikely. Mbola nanoratra ho an’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, mantsy i Elia, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.—2 Tantara 21:1, 12-15.
31 OKTOBRA–6 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 MPANJAKA 3-4
“Raiso ny Zanakao”
“Fantatro fa Hitsangana Izy”
7 I Elisa, mpaminany nandimby an’i Elia, no olona faharoa resahin’ny Baiboly hoe nanangana ny maty. Nazoto nampiantrano azy ny vehivavy israelita iray nanan-kaja tany Sonema. Efa antitra ny vadiny ary tsy nanan-janaka izy ireo. Te hamaly soa azy mivady i Jehovah, ka nataony nanan-janaka lahy kely izy ireo. Maty anefa ilay zaza, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Azo antoka hoe nalahelo be ilay vehivavy. Niera tamin’ny vadiny izy, dia nandeha 30 kilaometatra teo ho eo nankany amin’i Elisa, tany amin’ny Tendrombohitra Karmela. Nirahin’i Elisa hialoha lalana azy ireo ho any Sonema i Gehazy mpanompony, mba hanangana an’ilay zaza. Tsy nahavita nanao an’izany anefa izy. Tonga tany Sonema i Elisa sy ilay vehivavy avy eo.—2 Mpanj. 4:8-31.
“Fantatro fa Hitsangana Izy”
8 Nankao amin’ny efitra nisy an’ilay zaza i Elisa ary nivavaka. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah ka velona indray ilay zaza, dia nomeny an’ilay reniny. Faly be ilay reniny! (Vakio ny 2 Mpanjaka 4:32-37.) Angamba tadidiny ilay vavaka nataon’i Hana. Tsy nanan-janaka i Hana nefa nataon’i Jehovah niteraka an’i Samoela izy avy eo. Nivavaka i Hana tamin’izay hoe: “I Jehovah ... no mampidina any amin’ny Fasana, sy mampiakatra avy any.” (1 Sam. 2:6) Toy ny hoe nampakarin’i Jehovah avy any am-pasana ny zanak’ilay vehivavy, ka voaporofo fa mahavita manangana ny maty izy.
Vatosoa Ara-panahy
it “Mpaminany”: “Zanaky ny mpaminany”
Mpaminany
“Zanaky ny mpaminany.” Hazavain’ny Fitsipi-pitenenana Hebreo Nataon’i Gesenius (Oxford, 1952, p. 418) fa mety hidika hoe “anisana fikambanana (na foko na sokajin’olona)” ny teny hebreo hoe ben (zanak’i, tkn.) na beneh (zanak’i, mr.). (Ampit. Nehemia 3:8. Midika ara-bakiteny hoe “zanaky ny mpanamboatra menaka fanosorana” eo ilay hoe “anisan’ny mpanamboatra menaka fanosorana.”) Mety ho sekoly niofanan’ireo voantso ho mpaminany na fikambanana mpaminany àry ilay hoe “zanaky ny mpaminany.” Nisy azy ireo tao Betela sy Jeriko ary Gilgala. (2Mp 2:3, 5; 4:38; ampit. 1Sa 10:5, 10.) Niandraikitra an’ireo zanaky ny mpaminany tao Rama i Samoela (1Sa 19:19, 20), ary toa nitana andraikitra toy izany koa i Elisa. (2Mp 4:38; 6:1-3; ampit. 1Mp 18:13.) Ireo mpaminany ihany no nanorina ny tranony, ary mety ho tena tsotra ny fiainany matoa fitaovana nindramina no nampiasainy. Toa samy hafa anefa ny fanendrena azon’ny mpaminany, na dia niara-nipetraka sy niara-nisakafo aza izy ireo matetika.—1Mp 20:35-42; 2Mp 4:1, 2, 39; 6:1-7; 9:1, 2.