Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2022 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
6-12 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 23-26
“Lasa Voalamina Tsara ny Fanompoana tao Amin’ny Tempoly”
it “Levita”: “Andraikitra” § 2
Levita
Voalamina tsara ny asan’ny Levita, tamin’ny andron’i Davida. Nisy notendreny ho mpanara-maso, mpiadidy, mpitsara, mpiandry vavahady, ary mpitahiry zava-tsarobidy. Levita maro be koa no voatendry hanampy an’ireo mpisorona tao amin’ny tempoly sy teo an-tokotany ary tao amin’ny efitra fisakafoana, mba hanolotra fanatitra sy sorona, hanao fombafomba fanadiovana, handanja, handrefy, ary hiambina. Nozaraina ho antokony 24 ny Levita mpihira, toa an’ireo mpisorona ihany, ary nifandimby. Natao antsapaka ny fizarana andraikitra. Natao koa ny antsapaka mba hahafantarana an’izay vavahady hambenan’ny mpiandry vavahady.—1Ta 23, 25, 26; 2Ta 35:3-5, 10.
it “Mpisorona”: “Fitsipika nifehy sy andraikitra” § 10
Mpisorona
Samy hafa ny mpiandraikitra an’ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly. Natao antsapaka ny asa sasany. Samy nanompo herinandro tao amin’ny tempoly ireo fizarana 24, izany hoe nanompo tao indroa isan-taona. Ny mpisorona rehetra kosa no nanompo tao rehefa fety satria an’arivony ny fanatitra nataon’ny vahoaka, toy ny tamin’ny fitokanana ny tempoly. (1Ta 24:1-18, 31; 2Ta 5:11; ampit. 2Ta 29:31-35; 30:23-25; 35:10-19.) Nety ho afaka nanompo tamin’ny fotoana hafa koa ny mpisorona, raha tsy nanelingelina ny fanompoana nanendrena ny hafa izany. Maro be ny mpisorona tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, hoy ny lovantsofin’ireo raby, ka notsinjaraina tamin’ireo fianakaviana anisan’ny fizarana tsirairay ilay herinandro nanompoana. Nanompo andro iray na maromaro àry ny fianakaviana tsirairay, arakaraka ny isan’ireo fianakaviana.
it “Mozika”: “Tantarany” § 5
Mozika
Nisy Levita 4000 notendren’i Davida ho mpitendry zavamaneno tao amin’ilay tempoly vao haorina. (1Ta 23:4, 5) “Nampianarina hihira ho an’i Jehovah” ny 288 tamin’ireo, ‘ka efa tena nahay izy rehetra.’ (1Ta 25:7) I Asafa sy Hemana ary Jedotona (na Etana), izay samy mpitendry zavamaneno matihanina, no niandraikitra ny mpitendry rehetra. Samy nanana solontena àry ireo fianakaviana levita lehibe satria taranak’i Gersoma sy Kehata ary Merary, zanak’i Levy, izy telo lahy. (1Ta 6:16, 31-33, 39-44; 25:1-6) Niisa 24 ny zanakalahin’izy telo, ary anisan’ireo mpitendry tena nahay 288 izy rehetra. Natao ny antsapaka ka voafidy ho lehiben’ny fizarana iray avy nisy mpitendry zavamaneno izy 24. Ny fizarana tsirairay kosa nisy mpitendry 11 ‘tena nahay’, nofidina avy tamin’ny zanakalahin’ilay lehibe sy ny Levita hafa. Notsinjaraina ho 24, toa an’ireo mpisorona, àry ireo Levita 288 ([1 + 11] × 24 = 288) tena nahay nitendry zavamaneno. Raha nozaraina 24 ireo 3712 sisa ‘vao nianatra’, dia niampy lehilahy 155 teo ho eo ny fizarana tsirairay. Nampianatra sy nampiofana Levita 13 teo ho eo avy àry ny mpitendry tena nahay tsirairay. (1Ta 25:1-31) Nisy mpisorona mpitsoka trompetra koa nanampy an’ireo Levita mpitendry zavamaneno.—2Ta 5:12; ampit. No 10:8.
it “Mpiandry Vavahady”: “Vavahadin’ny tempoly” § 1
Mpiandry Vavahady
Vavahadin’ny tempoly. Notsinjarain’i Davida Mpanjaka taloha kelin’ny nahafatesany ireo Levita sy mpiasa tao amin’ny tempoly, anisan’izany ireo mpiandry vavahady 4000. Nanompo fito andro ny fizarana tsirairay nisy an’ireo mpiandry vavahady, isaky ny tonga ny anjarany. Niambina ny tranon’i Jehovah izy ireo, ary nanokatra sy nanidy ara-potoana an’ireo varavarana. (1Ta 9:23-27; 23:1-6) Nisy koa nikarakara ny fanomezana nentin’ny olona tao amin’ny tempoly. (2Mp 12:9; 22:4) Nasian’i Joiada Mpisoronabe mpiambina manokana teo am-bavahadin’ny tempoly, tamin’i Joasy vao nohosorany ho mpanjaka, sao hovonoin’i Atalia, mpanjakavavy nandrombaka fahefana, ilay zaza. (2Mp 11:4-8) Nanampy an’i Josia Mpanjaka hamoaka an’ireo fitaovana nanompoana an’i Bala avy tao an-tempoly ny mpiandry varavarana, rehefa nofoanan’i Josia ny fanompoan-tsampy. Nodorana teny ivelan’i Jerosalema izy ireny.—2Mp 23:4.
Vatosoa Ara-panahy
Vao Mainka Ianao ho Faly Rehefa Tena Manompo An’i Jehovah
10 Manompo an’i Jehovah isika rehefa miara-mihira amin’ireo rahalahy sy anabavy. (Sal. 28:7) Anisan’ny lafiny lehibe tamin’ny fanompoan’ny Israelita ny hira. Nanendry Levita 288 i Davida Mpanjaka, mba ho mpihira tao amin’ny tempoly. (1 Tan. 25:1, 6-8) Afaka milaza ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika rehefa manao hira fiderana. Tsy voatery hoe mahay mihira isika vao afaka manao an’izany. Eritrereto ange e! Tsy hiteny intsony ve ianao satria hoe “manao fahadisoana imbetsaka” rehefa miteny? (Jak. 3:2) Mazava ho azy fa tsia! Mbola miteny foana ianao na ao amin’ny fiangonana na eny amin’ny fanompoana. Ary ahoana indray raha mieritreritra ianao hoe ratsy feo? Tsy tokony hisakana anao tsy hanao hira fiderana ho an’i Jehovah koa izany.
13-19 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TANTARA 27-29
“Torohevitry ny Ray Be Fitiavana ho An-janany”
Ataovy Foana Izay Hahafantarana Anao ho Kristianina
9 Ianaro ireo fahamarinana ara-baiboly, mba ho resy lahatra ianao. Mety tsy hitondra tena foana toy ny mpanompon’i Jehovah isika, raha tsy manana fahalalana tsara ny Soratra Masina. (Filipianina 1:9, 10) Tsy maintsy hamarinin’ny Kristianina, na tanora na antitra, fa tena ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no inoany. Nampirisika ny mpiray finoana taminy toy izao i Paoly: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.” (1 Tesalonianina 5:21) Tokony ho takatry ny tanora kristianina eo anivon’ny fianakaviana matahotra an’Andriamanitra, fa tsy afaka miantehitra amin’ny finoana ananan’ny ray aman-dreniny izy. Nampirisika an’i Solomona zanany, ohatra, i Davida mba ‘hamantatra an’Andriamanitry ny rainy sy hanompo azy amin’ny fo rehetra.’ (1 Tantara 28:9) I Solomona mihitsy no tsy maintsy niezaka hamantatra an’i Jehovah, fa tsy ampy ny nijereny fotsiny izay nataon-drainy mba hananany finoana. Nitady an’i Jehovah tokoa i Solomona, rehefa niangavy hoe: “Omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?”—2 Tantara 1:10.
Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo
13 Mazava ny lesona raisintsika. Tena tsara ny hoe mivory sy manompo tsy tapaka. Tsy ampy anefa izany raha te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika. (2 Tan. 25:1, 2, 27) Raha mbola tia ny zavatra “any aoriana” isika, izany hoe ny zavatra sasany eto amin’ity tontolo ity, dia mety ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Lioka 17:32) Raha ‘mankahala ny ratsy sy mifikitra amin’ny tsara’ ihany isika, vao ho “mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Rom. 12:9; Lioka 9:62) Marina fa mety hahasoa na hahafinaritra ny zavatra sasany eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Tsy tokony hisy amin’izy ireny anefa havelantsika hanakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.—2 Kor. 11:14; vakio ny Filipianina 3:13, 14.
“Mahereza ... ka Ataovy Ilay Asa”
20 Nampahatsiahivin’i Davida Mpanjaka an’i Solomona fa homba azy i Jehovah mandra-pahavitan’ilay tempoly. (1 Tan. 28:20) Azo antoka fa nanohina ny fon’i Solomona sy notadidiny tsara izany tenin’ny rainy izany. Nanao an’ilay asa àry izy, na dia mbola tanora sy tsy ampy traikefa aza. Nanana herim-po izy sady nampian’i Jehovah, ka vitany tao anatin’ny fito taona sy tapany ilay tempoly tsara tarehy.
21 Afaka manampy antsika ho be herim-po toa an’i Solomona koa i Jehovah ka ho vitantsika izay tokony hataontsika, na eo anivon’ny fianakaviana izany na eo anivon’ny fiangonana. (Isaia 41:10, 13) Hotahin’i Jehovah isika dieny izao sy amin’ny hoavy, raha be herim-po rehefa manompo azy. “Mahereza” àry “ka ataovy ilay asa.”
Vatosoa Ara-panahy
Tena Namana Foana ve Ianao?
Nanana namana hafa koa i Davida, ary tsy nanary azy mihitsy izy ireo na dia tao anatin’ny sarotra aza. Anisan’izany i Hosay. (2 Sam. 16:16; 1 Tan. 27:33) Niasa tao an-dapa angamba izy ka mety ho mpinamana be tamin’i Davida Mpanjaka sady niaraka taminy matetika. Mety ho nirahina hanao zavatra manokana tsy nisy nahafantatra mihitsy izy indraindray.
Rehefa nanongana an’i Davida tsy ho mpanjaka i Absaloma zanany lahy, dia maro ny Israelita niandany taminy. I Hosay kosa tsy mba nanao an’izany. Nanaraka an’i Davida izy rehefa tsy maintsy nandositra i Davida. Nalahelo be i Davida satria ny zanany lahy izao mihitsy no namadika azy niaraka tamin’ny olon-kafa natokisany. I Hosay kosa anefa nanao vivery ny ainy mihitsy mba tsy hampahomby an’ilay tetika hanonganana an’i Davida. Tsy noho izy tandapa fotsiny no nahatonga azy hanao an’izany. Nanao an’izany izy satria tsy te hivadika amin’ny namany.—2 Sam. 15:13-17, 32-37; 16:15–17:16.
20-26 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 1-4
“Tsy Nety ny Fanapahan-kevitr’i Solomona Mpanjaka”
it “Tafika”: “Miaramila an-tsoavaly na nitondra kalesy” § 3
Tafika
Niova tanteraka ny tafiky ny Israely rehefa nanjaka i Solomona. Nampitombo ny isan’ny soavaliny sy ny kalesiny izy, na dia azo lazaina ho nilamina aza ny fiainana nandritra ny nanjakany. (Jereo KALESY.) Novidina sy nohafarana avy tany Ejipta ny ankamaroan’ireny soavaly ireny. Voatery namorona tanàna maromaro nanerana an’i Israely izy mba hasiana an’ireo antoko-miaramila vaovao ireo. (1Mp 4:26; 9:19; 10:26, 29; 2Ta 1:14-17) Tsy notahin’i Jehovah mihitsy anefa izany fanovana nataon’i Solomona izany, ka nihena ny herin’ny tafiky ny Israely rehefa maty i Solomona, ary nizara ny fanjakana. Hoy i Isaia tatỳ aoriana: “Lozan’izay midina hitady fanampiana any Ejipta, sy miantehitra amin’ny soavaly, sy mitoky amin’ny kalesin’ady noho ny hamaroan’ireny, ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady satria tena mahery ireny. Tsy mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo, ary tsy mitady an’i Jehovah.”—Is 31:1.
it “Kalesy” § 6-7
Kalesy
Efa tamin’ny andron’i Solomona ny Israely vao nanana kalesin’ady maro. Noraran’Andriamanitra tsy hanana soavaly maro be mantsy ny mpanjaka, satria tsy niankina tamin’ireny ny fiarovana an’ilay firenena. Vitsy àry ny kalesin’izy ireo, satria soavaly no nitarika kalesy. (De 17:16) Hoy i Samoela momba izay hataon’ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: “Halainy ho azy ny zanakareo lahy, ka hataony eny amin’ny kalesiny.” (1Sa 8:11) Nampanao kalesy ho an’ny tenany i Absaloma sy Adonia rehefa nitady hanongana mpanjaka, ary samy nanendry lehilahy 50 hihazakazaka teo alohan’ilay izy. (2Sa 15:1; 1Mp 1:5) Soavaly 100 mpitarika kalesy no notsimbinin’i Davida rehefa resiny ny mpanjakan’i Zoba.—2Sa 8:3, 4; 10:18.
Nampitomboin’i Solomona Mpanjaka ho 1400 ny kalesin’ny tafik’Israely. (1Mp 10:26, 29; 2Ta 1:14, 17) Natao fanatobiana sy fikarakarana an’ireo kalesy rehetra ireo i Jerosalema sy ny tanàna hafa.—1Mp 9:19, 22; 2Ta 8:6, 9; 9:25.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Tantara Faharoa
1:11, 12. Hitan’i Jehovah tamin’ny fangatahan’i Solomona, fa tena nirin’ilay mpanjaka ny hahazo fahendrena sy fahalalana. Mampiharihary izay tena ao am-pontsika ny vavaka ataontsika amin’Andriamanitra. Fahendrena àry ny mamakafaka izay raketin’ny vavaka ataontsika.
27 MARTSA–2 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 5-7
“Ho ao Foana ny Foko”
Aza Mahafoy ny Fiaraha-mivory
Naniry mafy ny hanorina trano ho voninahitr’i Jehovah i Davida tatỳ aoriana, tamin’izy nanjaka tany Jerosalema. Noho izy nanao ady maro anefa, dia hoy i Jehovah taminy: “Tsy mahazo manao trano ho an’ny anarako hianao.” I Solomona zanany kosa no nofidin’i Jehovah hanorina ny tempoly. (1 Tantara 22:6-10) Naharitra fito taona sy tapany ilay fanorenana, ary notokanan’i Solomona izy io tamin’ny 1026 T.K. Nankasitraka an’io tempoly io i Jehovah, ka hoy izy: “Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.” (1 Mpanjaka 9:3) Nankasitraka an’io trano io foana i Jehovah rehefa nahatoky teo anatrehany ny Isiraelita. Tsy nankasitraka azy io intsony anefa izy rehefa tsy nanao izay mahitsy intsony izy ireo, ka ‘nofongorany tsy ho eo imasony ilay trano.’—1 Mpanjaka 9:4-9; 2 Tantara 7:16, 19, 20.
it “Tempoly”: “Tantarany” § 1
Tempoly
Tantarany. Naharitra hatramin’ny 607 T.K. io tempoly io (tamin’izay izy io no noravan’ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara Mpanjaka). (2Mp 25:9; 2Ta 36:19; Je 52:13) Nanaraka fivavahan-diso ny Israelita ka navelan’Andriamanitra hotafihin’ny firenena samy hafa i Joda sy Jerosalema. Nandroba ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly izy ireny indraindray. Nisy fotoana koa tsy voakarakara ny tempoly. Nandroba ny zava-tsarobidy tao i Sisaka mpanjakan’i Ejipta (993 T.K.) tamin’ny andron’i Rehoboama zanak’i Solomona, 33 taona teo ho eo monja taorian’ilay fitokanana. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:9) Nanaja ny tranon’i Jehovah i Asa Mpanjaka (977-937 T.K.), saingy naka volafotsy sy volamena notehirizina tao mba homena an’i Beni-hadada I mpanjakan’i Syria. Tiany hanafoana ny fifanekena nifanaovany tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely mantsy i Beni-hadada.—1Mp 15:18, 19; 2Ta 15:17, 18; 16:2, 3.
Vatosoa Ara-panahy
Mahalala ny “ao Am-pon’ny Zanak’olombelona” Izy
Mampahery antsika ny vavak’i Solomona. Mety tsy hisy olona hahatsapa ny fihetseham-pontsika lalina, izany hoe ny ‘fahoriana sy ny fijaliana’ mahazo antsika tsirairay. (Ohabolana 14:10) Fantatr’i Jehovah kosa ny ao am-pontsika, ary tena miahy antsika izy. Ho maivana kokoa ny entantsika raha mivavaka aminy mba hamboraka ny ao am-pontsika isika. Hoy ny Baiboly: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.
10-16 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 8-9
“Sarobidy Taminy ny Fahendrena”
Rehefa Lehibe ny Fahalalahan-tanana
Mazava ho azy fa nanao sorona lehibe teo amin’ny fotoana sy ny ezaka natao ilay mpanjakavavin’i Sheba mba hitsidihana an’i Solomona. Toa tao amin’ny faritra misy ny Repoblikan’i Yémen ankehitriny no nisy an’i Sheba. Mba hahatongavana tany Jerosalema àry, dia nanao dia mahery lavitra ny 1600 kilaometatra ilay mpanjakavavy sy ireo mpiara-dia taminy nitaingin-drameva. “Avy tany amin’ny faran’ny tany izy”, hoy i Jesosy. Nahoana no nanao izany ezaka be izany ilay mpanjakavavin’i Sheba? Ny “hihaino ny fahendren’i Solomona” no antony voalohany indrindra nahatongavany.—Lioka 11:31.
Fitsidihana Iray Novalian-tsoa Be dia Be
Na ahoana na ahoana, dia tonga tany Jerosalema ilay mpanjakavavy “mbamin’ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa.” (1 Mpanjaka 10:2a) Milaza ny sasany fa anisan’izany “mpanaraka maro be” izany ireo mpiaro azy nitam-piadiana. Takatra ny anton’izany rehefa heverina fa sady olona ambony nanana ny naha izy azy ilay mpanjakavavy no nitondra zava-tsarobidy tsy hita pesipesenina ny tokom-bidiny.
Mariho anefa fa nandre ny lazan’i Solomona “ny amin’ny anaran’i Jehovah” ilay mpanjakavavy. Tsy raharaham-barotra fotsiny àry no nanaovany an’io dia io. Miharihary fa ny antony voalohany indrindra nahatongavan’ilay mpanjakavavy, dia ny hihainoana ny fahendren’i Solomona, angamba aza hiana-javatra momba an’i Jehovah, Andriamanitr’i Solomona, mihitsy. Koa satria azo inoana fa avy tamin’ny taranak’i Sema na i Hama, izay mpivavaka tamin’i Jehovah, izy, dia nety ho liana ta hahafanta-javatra momba ny fivavahan’ireo razambeny.
Fitsidihana Iray Novalian-tsoa Be dia Be
Nampiaiky volana ny mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona sy ny haren’ny fanjakany ka “tsy nisy fanahy intsony tao aminy.” (1 Mpanjaka 10:4, 5, NW) Misy milaza fa ny dikan’io teny io dia hoe “tsy avy niaina” ilay mpanjakavavy. Nilaza mihitsy aza ny manam-pahaizana iray fa safotra ilay mpanjakavavy! Na inona na inona nitranga, dia talanjona tamin’izay hitany sy reny ilay mpanjakavavy. Sambatra, hoy izy, ireo mpanompon’i Solomona fa afaka nandre ny fahendren’io mpanjaka io, ary nisaotra an’i Jehovah izy tamin’ny nametrahany an’i Solomona teo amin’ny seza fiandrianana. Avy eo izy dia nanome fanomezana lafo vidy ho an’ny mpanjaka, ka ny tontalin’ny volamena fotsiny no efa nitentina ho 240 000 tapitrisa FMG, raha amin’ny vidiny ankehitriny. Nanao fanomezana ihany koa i Solomona, ka nanome ho an’ilay mpanjakavavy “izay rehetra niriny.”—1 Mpanjaka 10:6-13.
it “Solomona”: “Nitsidika an’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba” § 2
Solomona
Hitan’ilay mpanjakavavy fa tena kanto ilay tempoly sy ny lapan’i Solomona. “Tena talanjona izy” nahita izany sy ny fomba fiasan’ireo mpandroso sakafo sy ireo mpandroso zava-pisotro ary ny fitafian’ireo, sy ny sorona dorana izay natolotra tsy tapaka tao amin’ny tempoly. Hoy izy: “Hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra reko tamin’ny olona ny fahendrenao sy ny harenanao.” Nilaza izy avy eo fa sambatra izay manompo mpanjaka toy izany. Nanjary nidera sy nisaotra an’i Jehovah Andriamanitra izy, noho i Jehovah tia ny Israely ka nanendry an’i Solomona ho mpanjaka hitsara araka ny marina.—1Mp 10:4-9; 2Ta 9:3-8.
Vatosoa Ara-panahy
it “Seza Fiandrianana” § 3
Seza Fiandrianana
Ny seza fiandrianan’i Solomona ihany amin’ny an’ireo mpanjakan’ny Israely no voaresaka amin’ny an-tsipiriany. (1Mp 10:18-20; 2Ta 9:17-19) Toa tao amin’ny “Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana” teo an-tendrombohitra Moria tany Jerosalema ilay izy. (1Mp 7:7) ‘Seza fiandrianana ivoara lehibe nopetahana takela-bolamena voadio ilay izy, nasiana fitoeran-tanana, ary nisy tafokely boribory nitatao tao aoriany.’ Toa vita tamin’ny hazo ilay seza, na dia betsaka aza ny ivoara natao taminy, rehefa jerena ny fomba nanaovana ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena voadio sy noravahana takelaka ivoara ilay izy, ka toy ny hoe vita tamin’ny ivoara sy volamena ny fahitana azy. Nisy zanatohatra enina nankeo aminy, ary nisy “liona iray avy nitsangana teo anilan’ireo fitoeran-tanana. Nisy liona roa ambin’ny folo koa teo amin’ireo zanatohatra enina, ka enina avy no teo amin’ny andaniny roa.” (2Ta 9:17-19) Mety tsara hilazana ny fahefan’ny mpitondra ny liona. (Ge 49:9, 10; Ap 5:5) Toa nifanitsy tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely nanaiky sy nanohana an’ilay mpanjaka ireo liona 12. Nisy fitoeran-tongotra volamena teo amin’ilay seza fiandrianana. Tsy nanan-tsahala io seza ivoara sy volamena nisy tafokely io, mbamin’ireo liona teo anoloany. Tsy nisy nitovy tamin’io ny seza fiandrianana nampiasaina tamin’izany, na ireo hitan’ny mpikaroka, na ireo natao sary teny amin’ny tsangambato, na ireo noresahin’ny asa soratra. Marina tokoa ilay hoe: “Tsy nisy mihitsy fanjakana nanao seza fiandrianana toy izany.”—2Ta 9:19.
17-23 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 10-12
“Mitadiava Torohevitra Feno Fahendrena”
Tahaka Izay Izy Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah!
Sahiran-tsaina angamba i Rehoboama tamin’izay hoe inona no hitranga raha manaraka ny tenin’ny vahoakany izy. Mety ho tsy maintsy hafoiny ny zavatra sasany nampiadana azy sy ny fianakaviany ary ny olona niasa tao an-dapany. Mety ho tsy maintsy hahenany koa ny zavatra takiny amin’ny vahoakany. Raha tsy manaraka ny tenin-dry zareo kosa izy, dia mety hikomy ry zareo. Inona àry no nataony? Naka hevitra tamin’ireo zokiolona efa mpanolo-tsaina an’i Solomona izy. Nangataka torohevitra tamin’ireo tovolahy nitovy taona taminy indray anefa izy avy eo, dia ny tenin’ireo no narahiny. Hoy izy tamin’ny vahoakany: “Vao mainka hataoko mavesatra ny zioganareo, ary hampitomboiko. Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.”—2 Tan. 10:6-14.
Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?
Nomen’i Jehovah olona matotra ao amin’ny fiangonana koa isika, mba hiresahana ny fanapahan-kevitsika. (Efesiana 4:11, 12) Rehefa miresaka amin’olona anefa isika dia tsy tokony hanao toy ny sasany izay manatona olona samy hafa ambara-pahitany olona milaza izay tiany ho re. Arahiny ny torohevitr’izany olona izany avy eo. Tokony hitadidy tsara ny ohatra fampitandremana momba an-dRehoboama isika. Nahazo torohevitra tsara avy tamin’ireo zokiolona niara-niasa tamin-drainy izy rehefa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe. Naleony anefa nanaraka ny torohevitr’ireo tanora namany. Fanapahan-kevitra ratsy no noraisiny, noho ny fanarahany ny torohevitr’ireo namany, hany ka nafoiny ny ampahany lehibe tamin’ny fanjakany.—1 Mpanjaka 12:1-17.
Manatòna ireo efa nahita fiainana sy manana fahalalana tsara momba ny tenin’Andriamanitra ary manaja fatratra ny toro lalana marina, rehefa mila torohevitra. (Ohabolana 1:5; 11:14; 13:20) Makà fotoana hisaintsainana ny toro lalana tafiditra amin’izany sy ireo fanazavana azonao tamin’ny fikarohana. Rehefa takatrao ny fomba fihevitry ny Baiboly dia mety handray fanapahan-kevitra tsara ianao.—Filipiana 4:6, 7.
it “Rehoboama” § 3
Rehoboama
Niavona sy tsy niraharaha olona i Rehoboama ka izay no nahatonga ny ankamaroan’ny olona hiala taminy. Ny hany nanohana ny taranak’i Davida àry dia ny fokon’i Joda sy Benjamina, ireo mpisorona sy Levita tany amin’ireo fanjakana roa, ary olona sasantsasany tany amin’ny foko folo.—1Mp 12:16, 17; 2Ta 10:16, 17; 11:13, 14, 16.
Vatosoa Ara-panahy
it “Demonia Miendrika Osy” § 3-4
Demonia Miendrika Osy
Nilaza tsy mivantana i Josoa fa nisy narahin’ny Israelita ny fivavahan-diso tany Ejipta. (Js 24:14) Nilaza koa i Ezekiela fa mbola nanompo sampy izy ireo, ela be taorian’izay. (Ezk 23:8, 21) Nivavaka tamin’ny osy ny Israelita sasany toy ny nataon’ireo tany Ejipta, indrindra fa tany Ejipta Ambany, hoy ny manam-pahaizana sasany, matoa noraran’Andriamanitra tsy hanolotra ‘sorona ho an’ny demonia miendrika osy’ izy ireo tany an-tany efitra (Le 17:1-7), ary matoa i Jeroboama nanendry mpisorona ‘ho eny amin’ny toerana avo, mba hanompo an’ireo demonia miendrika osy sy ireo zanak’omby nataony.’ (2Ta 11:15) Nilaza i Hérodote (II, 46) fa naka tahaka an’izany fivavahan’ny Ejipsianina izany ny Grika ka nino an’i Pan sy ireo andriamanitry ny ala manana filan-dratsy, izay naseho tatỳ aoriana ho manana tandroka sy rambo ary tongotr’osy. Misy milaza fa ireny bibiolona nivavahana ireny no nahatonga an’ireo nihambo ho Kristianina fahiny (t. 476-1000) hanao ny sarin’i Satana ho manana rambo sy tandroka ary tongotra mivaky kitro.
Tsy voalaza anefa hoe inona marina ireny “voloina” (seʽirim) ireny. Misy mihevitra fa osy na sarin’osy nivavahana izy ireny. Tsy misy porofo manamarina izany anefa, ary tsy milaza izany koa ny Baiboly. Mety ho tao an-tsain’ireo nivavaka taminy fotsiny ireny andriamani-diso ireny no miendrika osy na voloina. Na koa mety ho fanamavoana an’ireo sampy fotsiny ny hoe “osy”, tsy misy hafa amin’ny teny hoe sampy izay avy amin’ny teny nidika hoe “vongan-diky” tamin’ny voalohany. Tsy vita tamin’ny diky anefa ny sampy.—Le 26:30; De 29:17.
24-30 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 13-16
“Rehefa Inona Ianao no Miantehitra Amin’i Jehovah?”
Ry Rahalahy Tanora, Inona no Hanampy Anareo ho Mendri-pitokisana?
12 Nanetry tena sy be herim-po i Asa Mpanjaka tamin’izy tanora. Abia no anaran’ny dadany. Fantatrao ve hoe inona no nataon’i Asa rehefa lasa mpanjaka izy taorian’ny nahafatesan’ny dadany? Nesoriny daholo ny sampy tao amin’ny faritanin-dry zareo. “Nandidy ny Joda koa izy mba hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razany, sy hankatò ny lalàna sy ny didy.” (2 Tan. 14:1-7) Hendry koa i Asa satria nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy rehefa nanafika an’ny Joda i Zera Etiopianina sy ny miaramilany iray tapitrisa. Izao no nolazain’i Asa: “Jehovah ô, tsy sarotra aminao ny manampy ny olona, na maro izy, na tsy manan-kery. Koa ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa ianao no ianteheranay.” Tena mampihetsi-po ireo tenin’i Asa ireo! Hita amin’ireo fa tena natoky izy hoe hahavita hamonjy azy sy ny vahoakany i Jehovah. Natoky an’ilay Rainy any an-danitra i Asa, dia ‘nataon’i Jehovah resy ny Etiopianina.’—2 Tan. 14:8-12.
Ry Rahalahy Tanora, Inona no Hanampy Anareo ho Mendri-pitokisana?
13 Mampahatahotra be izany hoe hiady amin’ny miaramila iray tapitrisa izany, nefa vitan’i Asa satria niantehitra tamin’i Jehovah izy. Mampalahelo fa tsy naka hevitra tamin’i Jehovah izy tatỳ aoriana rehefa niatrika olana hafa. Azo lazaina hoe kely kokoa anefa ilay olana tamin’izay. Nandrahona hanafika an-dry zareo i Basa, ilay mpanjaka ratsy fanahy tao Israely, dia tany amin’ny mpanjakan’i Syria i Asa no nangataka fanampiana. Loza no vokany! Lasa niatrika ady foana i Asa nanomboka tamin’izay. Naniraka an’i Hanany mpaminany i Jehovah mba hanazava taminy hoe ‘noho izy niantehitra tamin’ny mpanjakan’i Syria, fa tsy tamin’i Jehovah Andriamaniny’ no nahatonga an’izany. (2 Tan. 16:7, 9; 1 Mpanj. 15:32) Inona no azo ianarana avy amin’izany?
Ry Rahalahy Tanora, Inona no Hanampy Anareo ho Mendri-pitokisana?
14 Miezaha foana hanetry tena sy hiantehitra amin’i Jehovah. Hita hoe tena nanam-pinoana sy natoky azy ianao matoa natao batisa. Faly be i Jehovah tamin’izay nandray anao ho anisan’ny fianakaviany. Mbola mila manohy miantehitra aminy anefa ianao. Rehefa ngezabe ny fanapahan-kevitra horaisinao, dia angamba mora aminao ny miantehitra amin’i Jehovah. Fa ahoana anefa raha fanapahan-kevitra madinidinika? Mila matoky azy foana ianao rehefa hanapa-kevitra, na momba ny fialam-boly ilay izy, na asa, na tanjona. Aza manao izay eritreretinao fa mety fotsiny. Karohy hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy, dia ampiharo izany. (Ohab. 3:5, 6) Ho faly i Jehovah amin’izay, ary hanaja anao ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana.—Vakio ny 1 Timoty 4:12.
Vatosoa Ara-panahy
Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo
7 Ahoana no ahalalana raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika na tsia? Eritrereto izao: ‘Hankatò an’i Jehovah foana ve aho na dia sarotra aza izany indraindray? Hanao izay azoko atao ve aho mba hiarovana ny fiangonana tsy ho voatarika hanao ratsy?’ Tena be herim-po i Asa ka nahavita nanala an’i Maka tsy ho “andriambavy.” Mila manahaka azy koa ianao. Ahoana, ohatra, raha misy havanao na namanao nanao fahotana lehibe nefa tsy nibebaka dia voaroaka? Tapa-kevitra ve ianao hoe tsy hifandray aminy intsony? Handrisika anao hanao inona ny fonao?