Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
1-7 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 17-19
“Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah ny Olon-kafa”
Handray Lesona avy Amin’izay Nitranga Fahiny ve Ianao?
7 Miana-javatra koa isika rehefa mandinika ny ohatr’i Josafata, zanak’i Asa. Nanana toetra tsara be dia be izy. Nahavita zavatra tsara betsaka izy, tamin’izy niantehitra tamin’i Jehovah. Nanao safidy ratsy koa anefa izy. Nataony, ohatra, izay hahatonga ny zanany lahy hanambady ny zanak’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy. Nanampy an’i Ahaba hiady tamin’ny Syrianina koa izy, na dia efa nosakanan’i Mikaia mpaminany aza. Saika maty i Josafata tamin’izay. (2 Tan. 18:1-32) Rehefa niverina tany Jerosalema izy, dia niteny taminy i Jeho mpaminany hoe: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampiana, ary izay mankahala an’i Jehovah ve no tokony ho tianao?”—Vakio ny 2 Tantara 19:1-3.
Ataovy An-tsaina hoe Tia Anao Foana i Jehovah
8 Tian’i Jehovah hahatsapa isika hoe tia antsika izy sady tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika. Mitady an’izay toetra tsara ao amintsika izy. (2 Tan. 16:9) Izany, ohatra, no nataony tamin’i Josafata mpanjakan’i Joda. Nanaonao foana i Josafata satria nanaiky handeha hiady hiaraka tamin’i Ahaba, ilay mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Israely. Te hanavotra an’i Ramota-gileada teo an-tanan’ny Syrianina izy ireo. Nisy mpaminany sandoka 400 nanome toky an’i Ahaba hoe handresy izy. Nilaza anefa i Mikaia, mpaminanin’i Jehovah fa ho resy izy. Maty tany an’ady i Ahaba ary efa saika maty koa i Josafata. Tonga tany Jerosalema izy avy eo, ary nananatra azy mafy i Jeho zanak’i Hanany mpahita, noho izy nanampy an’i Ahaba. Hoy koa anefa i Jeho taminy: “Nisy zavatra tsara nataonao ihany.”—2 Tan. 18:4, 5, 18-22, 33, 34; 19:1-3.
9 Vao nanjaka kelikely i Josafata, dia nasainy nitety an’i Joda manontolo ny andriana sy Levita ary mpisorona mba hampianatra ny vahoaka ny Lalàn’i Jehovah. Tena nahomby ilay izy satria na ireo firenena manodidina aza lasa natahotra an’i Jehovah. (2 Tan. 17:3-10) Marina fa nanaonao foana i Josafata, nefa hitan’i Jehovah koa ny zavatra tsara nataony. Hitantsika avy amin’io tantara io fa ho tia antsika foana i Jehovah raha tena miezaka ny hampifaly azy isika, na dia tsy lavorary aza.
Vatosoa Ara-panahy
Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo
10 “Nanao hoatran’izay nataon’i Asa rainy foana” i Josafata. (2 Tan. 20:31, 32) Nampirisika ny olona hitady an’i Jehovah koa izy. Naniraka lehilahy maromaro izy mba hampianatra ny mponin’i Joda, ary “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah” no nampiasain’izy ireo. (2 Tan. 17:7-10) Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, tany amin’ny faritanin’ny foko folon’ny Israely, mihitsy aza izy, mba hanampy ny olona hiverina tamin’i Jehovah. (2 Tan. 19:4) “Nitady an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo” tokoa i Josafata Mpanjaka.—2 Tan. 22:9.
11 Tian’i Jehovah hampianarina momba azy koa ankehitriny ny olona eran-tany, ka afaka mandray anjara amin’izany isika rehetra. Miezaka ny handray anjara amin’io asa io àry ve ianao isam-bolana? Te hanana mpianatra Baiboly ve ianao, dia hanampy azy ho lasa mpanompon’i Jehovah? Mivavaka momba an’izany ve ianao? Raha miezaka ianao, dia hanampy anao hanomboka fampianarana Baiboly i Jehovah. Vonona hampianatra ve ianao, na dia amin’ny fotoana sasany fakanao aina aza? Hitantsika teo koa fa nanampy an’ireo Israelita tsy nanompo an’i Jehovah intsony i Josafata. Azontsika atao koa àry ny manampy ny olona tsy mitory intsony. Tokony hitsidika an’ireo voaroaka ao amin’ny faritanin’ny fiangonana koa ny anti-panahy, ary hiezaka hanampy azy ireo. Mety ho efa niala tamin’ny ratsy nataony mantsy ireny olona ireny.
8-14 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 20-21
“Minoa An’i Jehovah Andriamanitrareo”
Andao Hiara-miatrika ny Faran’ity Tontolo Tranainy Ity
8 Notafihin’ny “vahoaka be” avy tany amin’ny faritra manodidina ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka. (2 Tan. 20:1, 2) Tsy niantehitra tamin’ny heriny izy ireo mba handresena an’ilay fahavalo nampahatahotra fa nitoky tamin’i Jehovah. (Vakio ny 2 Tantara 20:3, 4.) Tsy samy naka ho azy sy nanao izay tiany fotsiny ny Israelita tsirairay. Hoy ny Baiboly: “Nijoro teo anatrehan’i Jehovah ny lehilahy rehetra tao Joda mbamin’ny vady aman-janany, hatramin’ny ankizy madinika.” (2 Tan. 20:13) Niray hina izy rehetra, na tanora na antitra, ary natoky an’i Jehovah sy nanaraka ny tari-dalany ka narovany. (2 Tan. 20:20-27) Azon’ny vahoakan’Andriamanitra tahafina tsara izany rehefa enjehina izy ireo.
Ho An’ny Mpivady Vao: Ampiasao ho An’i Jehovah ny Fiainanareo
7 Nampiasa Levita atao hoe Jahaziela i Jehovah mba hiresahana amin’i Josafata. Hoy i Jehovah: “Samia maka ny toerany ka mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny famonjen’i Jehovah anareo.” (2 Tan. 20:13-17) Tsy hoatr’izany mihitsy ny fomba fiady mahazatra! Tsy avy amin’ny olombelona anefa ireo toromarika ireo, fa avy amin’i Jehovah. Nankatò àry i Josafata satria natoky tanteraka an’i Jehovah. Fantatrao ve hoe iza no nalefany teny aloha indrindra rehefa hifanandrina amin’ny fahavalo izy sy ny vahoakany? Tsy ny miaramilany nahay indrindra, fa mpihira tsy nitondra fitaovam-piadiana! Tsy nandiso fanantenana an’i Josafata i Jehovah, ka nataony resy ny tafika fahavalo.—2 Tan. 20:18-23.
Vatosoa Ara-panahy
it “Jorama” § 10-11
Jorama
Tsy mba hoatran’i Josafata rainy i Jorama, satria tsy nanao izay mahitsy. Ny fitaoman’i Atalia vadiny no anisan’ny nahatonga izany. (2Mp 8:18) Novonoiny ny rahalahiny enina sy ny andriana sasany tao Joda, ary notaominy hiala tamin’i Jehovah sy hanompo sampy ny vahoaka. (2Ta 21:1-6, 11-14) Nisy olana foana koa tao amin’ny fanjakany ary niady tamin’ny firenen-kafa izy. Nikomy tamin’ny Joda i Edoma, avy eo i Libna. (2Mp 8:20-22) Nanoratra ho an’i Jorama i Elia mpaminany hoe: “Noho izany, dia hahatonga loza lehibe amin’ny vahoakanao sy ny vady aman-janakao ary ny fanananao rehetra i Jehovah. Ary ho voan’ny aretin-tsinay mafy ianao mandra-pipotsaky ny tsinainao, satria hihombo isan’andro ny aretinao.”—2Ta 21:12-15.
Izany tokoa no nitranga. Navelan’i Jehovah ho resin’ny Arabo sy Filistinina i Joda, ka lasa babo ireo vadin’i Jorama sy ny zanany, afa-tsy i Joahaza (na Ahazia) faralahiny. Tsy navelany nentina ho babo izy io, noho ny fifanekena momba ilay Fanjakana nataony tamin’i Davida. “Taorian’izany rehetra izany, dia nataon’i Jehovah voan’ny aretin-tsinay tsy mety sitrana” i Jorama. “Nipotsaka ny tsinainy”, roa taona taorian’izay, ka maty izy tamin’ny farany. “Maty” ilay lehilahy ratsy fanahy, “nefa tsy nisy nalahelo azy.” Nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy, “fa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.” Nandimby azy i Ahazia zanany.—2Ta 21:7, 16-20; 22:1; 1Ta 3:10, 11.
15-21 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 22-24
“Hamaly Soa Anao i Jehovah Raha Be Herim-po Ianao”
Nivadika Tamin’i Jehovah i Joasy Noho ny Naman-dratsy
RATSY be, tamin’izay fotoana izay, ny fiainana tao Jerosalema, ilay tanàna nisy ny tempolin’Andriamanitra. Novonoin’i Atalia i Ahazia Mpanjaka, zanany lahy. Tsy ela taorian’izay, dia novonoiny koa ny zanakalahin’i Ahazia, nefa zafikeliny ihany ireo! Fantatrao ve ny antony?... Amin’izay dia izy no ho mpanjaka fa tsy ireo.
Zafikelin’i Atalia koa i Joasy, izay mbola zazakely tamin’izany. Voavonjy izy, nefa tsy fantatr’io renibeny io akory. Tianao ho fantatra ve ny fomba namonjena azy?... Nafenin’i Joseba nenitoany, tao amin’ny tempolin’Andriamanitra izy. Mpisoronabe tao mantsy i Joiada vadin’i Joseba. Nataon’izy mivady àry izay hiarovana an’i Joasy.
Nivadika Tamin’i Jehovah i Joasy Noho ny Naman-dratsy
Nafenina tao amin’ny tempoly nandritra ny enin-taona i Joasy. Nampianarina ny zava-drehetra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny didiny izy tao. Rehefa feno fito taona i Joasy, dia nanao zavatra i Joiada mba hanaovana azy ho mpanjaka. Tianao ho fantatra ve izay nataon’i Joiada, sy izay nanjo an’i Atalia, ilay mpanjakavavy ratsy fanahy?...
Nanana mpiambina manokana ny mpanjaka tany Jerosalema. Nantsoin’i Joiada mangingina izy ireo, ary notantarainy ny fomba namonjen’izy mivady an’ilay zanak’i Ahazia Mpanjaka. Nasehony azy ireo avy eo i Joasy, ary nanaiky ireo hoe izy tokoa no tokony ho mpanjaka. Nisy tetika natao àry mba hanatanterahana izany.
Nasehon’i Joiada an’ny vahoaka i Joasy, ary nampanaoviny satroboninahitra. “Nitehaka izy ireo, sady nilaza hoe: ‘Ho ela velona anie ny mpanjaka!’” Nohodidinin’ny mpiambina i Joasy mba hiarovana azy. Rehefa ren’i Atalia ny horakoraky ny olona, dia nivoaka izy ary nilaza fa misy manongam-panjakana. Nasain’i Joiada novonoina ho faty anefa i Atalia.—2 Mpanjaka 11:1-16.
it “Fandevenana, Toeram-pandevenana”: “Fasan’ny mpanjaka na fasan’i Davida” § 4
Fandevenana, Toeram-pandevenana
Nalevina tao amin’ny “Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka” i Joiada Mpisoronabe izay nanao ny marina. Izy irery no tsy mpanjaka nahazo izany voninahitra izany!—2Ta 24:15, 16.
Vatosoa Ara-panahy
it “Zakaria” § 12
Zakaria
12. Zanakalahin’i Joiada Mpisoronabe. Zanak’olo-mpiray tam-po i Zakaria sy Joasy Mpanjaka. (2Ta 22:11) Tsy nanompo an’i Jehovah intsony i Joasy rehefa maty i Joiada, satria ny tenin’olon-kafa no narahiny fa tsy ny tenin’ny mpaminanin’i Jehovah. Niteny mafy ny vahoaka momba izany i Zakaria. Tsy nibebaka anefa izy ireo, fa nitora-bato azy teo an-tokotanin’ny tempoly. Hoy izy rehefa ho faty: “Hojeren’i Jehovah anie izao ka hovaliany!” Tanteraka io faminaniana io rehefa nofaizin’ny Syrianina i Joda. Novonoin’ny mpanompony roa koa i Joasy, “noho ny nandatsahany ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona.” Amin’ny endriny milaza tokana ny hoe “zanak’i” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Amin’ny endriny milaza maro kosa izy io ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny Peshitta syriàka, angamba mba hilazana fa tsara toetra sy mendri-kaja i Zakaria mpaminany sady mpisorona zanak’i Joiada.—2Ta 24:17-22, 25.
22-28 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 25-27
“Afaka Manome Anao Mihoatra Lavitra Noho Izany i Jehovah”
it “Joasy” § 17
Joasy
Nanome miaramila 100 000 hokaramain’ny mpanjakan’ny Joda hiady tamin’ny Edomita koa i Joasy. Nalefa nody anefa izy ireo noho ny tenin’ny “lehilahin’Andriamanitra” iray. Efa voaloa ny karamany talenta volafotsy 100 (660 600 dolara), nefa tezitra izy ireo satria angamba tsy hahazo anjara amin’izay ho babo. Norobainy àry ny tanànan’ny fanjakana tany atsimo, hatrany Samaria (angamba tao ny toby fiaingany) ka hatrany Beti-horona, taorian’ny nodian’izy ireo tany avaratra.—2Ta 25:6-10, 13.
“Andramo” dia ho Hitanao fa Tsara i Jehovah!
16 Manaova sorona ho an’i Jehovah. Tsy voatery hahafoy an’izay rehetra mahafinaritra antsika isika mba hampifaliana an’i Jehovah. (Mpito. 5:19, 20) Ahoana anefa raha tsy te hanompo bebe kokoa isika, satria tsy vonona hamoy ny zavatra sasany tiantsika? Mety hamerina ny fahadisoana nataon’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharan’i Jesosy isika. Nanao izay hampiadanana ny tenany izy fa tsy niraharaha an’Andriamanitra. (Vakio ny Lioka 12:16-21.) Izao no nolazain’i Christian, rahalahy any Frantsa: “Hitako hoe tsy ny tsara indrindra tamin’ny fotoanako sy ny heriko no nomeko an’i Jehovah sy ny fianakaviako.” Nanapa-kevitra hanao mpisava lalana àry izy mivady. Tsy maintsy niala tamin’ny asany anefa ry zareo vao nahavita an’izany. Dia ahoana no nivelomany? Nanokatra orinasa kely manadio trano ry zareo. Lasa kely kokoa ny vola azony, dia nianatra ny ho afa-po tamin’izany ry zareo. Nanenina ve izy mivady hoe nanao sorona hoatr’izany? Hoy i Christian: “Tianay kokoa izao ny fanompoana, ary faly izahay hoe mianatra momba an’i Jehovah ny olona ampianarinay Baiboly sy tsidihinay.”
Vatosoa Ara-panahy
Iza no Mpanoro Hevitra Anao?
LASA mpanjakan’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo i Ozia, tamin’izy vao 16 taona. Nanjaka 50 taona mahery izy, nanomboka tamin’ny 829 ka hatramin’ny 778 T.K. Mbola tanora izy dia efa ‘nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah.’ Inona no nanampy azy hanao izany? Hoy ny fitantarana: ‘Nitady an’Andriamanitra i Ozia tamin’ny andron’i Zakaria, [izay nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra, Kat.]; ary tamin’ny andro nitadiavany an’i Jehovah dia nambinina izy.’—2 Tantara 26:1, 4, 5.
Kely ihany ny zavatra fantatra momba an’i Zakaria, mpanoro hevitra an’i Ozia Mpanjaka, ankoatra an’io lazain’ny Baiboly io. Tena nanampy an’i Ozia hanao izay mahitsy anefa izy, satria “nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra.” Milaza ny boky iray manazava ny Baiboly, fa “tena nahay momba ny fivavahana sy ny soratra masina” i Zakaria, ary “nahay nizara ny fahalalany.” Hoy koa ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: ‘Nahay tsara ny faminaniana izy, nahira-tsaina, tia fivavahana, ary nanao ny marina. Toa tena nanampy an’i Ozia hanao izay tsara koa izy.’
29 MEY–4 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 28-29
“Afaka Manompo An’i Jehovah Ianao na dia Tsy Ohatra Tsara Aza ny Ray Aman-dreninao”
Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah
8 Tsy toa an’i Rota i Hezekia, satria firenena voatokana ho an’i Jehovah no nisy azy. Nivadika tamin’i Jehovah anefa ny Israelita sasany, ary anisan’izany i Ahaza rainy, izay mpanjaka ratsy fanahy. Nitarika ny fanjakan’ny Joda hanompo sampy i Ahaza, ary nozimbazimbainy mihitsy aza ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Nahatsiravina ny zavatra niainan’i Hezekia tamin’izy mbola kely. Nisy rahalahiny nodorana velona, satria nataon’ny rainy sorona ho an’ny andriamani-diso.—2 Mpanj. 16:2-4, 10-17; 2 Tan. 28:1-3.
Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah
9 Tsy sorena tamin’Andriamanitra i Hezekia na nanome tsiny azy, na dia mora taminy aza ny nanao an’izany. Ny olona sasany ankehitriny kosa tsy mijaly be toa an’i Hezekia, nefa ‘tezitra amin’i Jehovah’ na amin’ny fandaminany. Mihevitra izy ireny fa rariny izy raha tezitra. (Ohab. 19:3) Misy koa mihevitra hoe tsy maintsy ho lasa ratsy toetra izy satria efa ratsy toetra ny ray aman-dreniny na ny fianakaviany. (Ezek. 18:2, 3) Marina ve ny hevitr’izy ireo?
10 Diso izany, rehefa jerena ny tantaran’i Hezekia. Tsy misy antony tokony hahatezitra antsika amin’i Jehovah mihitsy, satria tsy izy no mahatonga ny faharatsiana manjo ny olona eto amin’ity tontolo ratsy ity. (Joba 34:10) Marina fa mety hisy vokany tsara na ratsy eo amin’ny ankizy ny ataon’ny ray aman-dreniny. (Ohab. 22:6; Kol. 3:21) Tsy midika anefa izany hoe arakaraka ny zavatra niainantsika tao an-trano no ho fiainantsika any aoriana. Nomen’i Jehovah fanomezana sarobidy mantsy isika rehetra. Nataony afaka mifidy isika hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy. (Deot. 30:19) Inona àry no nofidin’i Hezekia?
11 Anisan’ireo mpanjaka ratsy fanahy indrindra tao Joda ny rain’i Hezekia. Izy kosa anisan’ny mpanjaka tsara indrindra tao. (Vakio ny 2 Mpanjaka 18:5, 6.) Marina fa modely ratsy ho azy ny rainy. Nanana modely tsara azony notahafina anefa izy. Mpaminany tamin’ny androny i Isaia sy Mika ary Hosea. Azo inoana fa nihaino tsara an’ireo lehilahy tsy mivadika ireo i Hezekia Mpanjaka. Nandatsaka am-po ny torohevitr’i Jehovah sy ny fananarany izy. Nareniny àry ny ratsy nataon’ny rainy. Nanadio ny tempoly izy, nanao sorona mba hahazoan’ny olona famelan-keloka, ary namotika an’ireo sampy nanerana an’ilay tany. (2 Tan. 29:1-11, 18-24; 31:1) Tena be herim-po sy nanam-pinoana koa izy rehefa nisy olana lehibe, ohatra hoe rehefa saika hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. Natoky izy fa hamonjy azy Andriamanitra ka nampahereziny ny vahoakany. (2 Tan. 32:7, 8) Nanetry tena sy nibebaka koa izy tatỳ aoriana, rehefa nila nahitsy satria nirehareha. (2 Tan. 32:24-26) Tena tsy navelan’i Hezekia hanimba ny fiainany sy ny hoaviny tokoa ny zavatra ratsy efa niainany! Noporofoiny kosa fa naman’i Jehovah izy, ka modely tsara ho antsika.
Vatosoa Ara-panahy
Nampandroso ny Fivavahana Marina i Natana
Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika i Natana, ka nanohana ny fikasan’i Davida. Sambany mantsy vao hisy trano hatao foiben’ny fivavahana marina teto an-tany. Na izany aza, dia ny heviny manokana no noteneniny tamin’i Davida, fa tsy ny hevitr’i Jehovah. Niseho taminy àry i Jehovah ny alin’iny, ary nasainy nilaza tamin’i Davida izy hoe tsy i Davida no hanorina ny tempoly, fa ny zanany. Nasain’i Jehovah niteny koa anefa izy hoe hataony ‘mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’i Davida.’—2 Sam. 7:4-16.
Nihevitra i Natana hoe tokony hanorina tempoly i Davida. Rehefa hitany anefa fa tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah izany, dia tsy nimonomonona izy fa nanetry tena ary nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Modely ho antsika tokoa i Natana, rehefa ahitsin’i Jehovah koa isika! Mbola nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah foana izy tatỳ aoriana, matoa mbola nampiasainy ho mpaminany. Toa nirahin’i Jehovah hiaraka tamin’i Gada izy, mba hanoro an’i Davida ny fomba handaminana an’ireo mpitendry zavamaneno 4000, hanompo ao amin’ny tempoly.—1 Tan. 23:1-5; 2 Tan. 29:25.
5-11 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 30-31
“Mahasoa Antsika ny Miara-mivory”
it “Hezekia”: “Nafana fo tamin’ny fivavahana marina” § 1
Hezekia
Nafana fo tamin’ny fivavahana marina. Nasehon’i Hezekia hoe nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy, raha vao lasa mpanjaka, tamin’izy 25 taona. Ny zavatra nataony voalohany dia ny nanokatra ny tempoly sy nanamboatra izay simba tao. Nantsoiny daholo ny mpisorona sy ny Levita, ary hoy izy: “Irin’ny foko ... ny hanao fifanekena amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” Fifanekena tsy hivadika amin’i Jehovah izany, toy ny hoe naverina notokanana indray tany Joda ny fifaneken’ny Lalàna (izay mbola nanan-kery saingy tsy noraharahaina). Niezaka mafy i Hezekia nandamina ny fanompoan’ny Levita, ary naveriny tamin’ny laoniny ny fitendrena mozika sy ny fanaovana hira fiderana. Volana Nisana, fotoana tokony hankalazana Paska tamin’izay, nefa mbola naloto ny tempoly sy ny mpisorona ary ny Levita. Voadio ny tempoly tamin’ny 16 Nisana, ary naverina tamin’ny laoniny ny fitaovana tao. Nalamina ny hisian’ny fandrakofam-pahotana manokana ho an’ny Israely rehetra. Ny andriana aloha no nitondra ny sorona, izany hoe ny fanatitra noho ny ota ho an’ny fanjakana sy ho an’ny toerana masina ary ho an’ny vahoaka. Ny vahoaka kosa nitondra fanatitra dorana an’arivony avy eo.—2Ta 29:1-36.
it “Hezekia”: “Nafana fo tamin’ny fivavahana marina” § 2
Hezekia
Naloto ny vahoaka ka tsy afaka nankalaza ny Paska tamin’ny daty nahazatra. Milaza anefa ny lalàna fa afaka nankalaza azy io iray volana tatỳ aoriana, izay naloto ka tsy afaka nankalaza izany tamin’ny daty nahazatra. Io lalàna io no narahin’i Hezekia, ka nanao antso avo izy, tsy tao Joda ihany fa tany Israely koa. Mpihazakazaka nitondra taratasy no nirahiny nanerana an’ilay tany hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana. Maro no naneso an’ireo mpihazakazaka. Nisy olona nanetry tena anefa avy tamin’ny fokon’i Asera, Manase, ary Zebolona, ka tonga nanatrika an’ilay fankalazana. Nisy tonga koa ny avy tamin’ny fokon’i Efraima sy Isakara. Maro koa ireo tsy Israelita mpivavaka tamin’i Jehovah tonga nanatrika. Tsy mora ho an’ireo nonina tany amin’ny fanjakana tany avaratra ny nanohana ny fivavahana marina toy izany. Nisy nanohitra sy naneso toa an’ireo mpitondra hafatra ihany izy ireo. Efa nikororosy be mantsy ny fiainana tany amin’ireo foko folo tany avaratra, ary nanjaka ny fivavahan-diso, sady efa nandindona ny fanafihan’ny Asyrianina.—2Ta 30:1-20; No 9:10-13.
it “Hezekia”: “Nafana fo tamin’ny fivavahana marina” § 3-4
Hezekia
Rehefa vita ny Paska, dia nankalazaina nandritra ny fito andro ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Faly be ny mpanatrika ka nanapa-kevitra ny fiangonana manontolo fa mbola hampiana fito andro ilay fankalazana. Fotoana nampidi-doza tamin’izay, nefa betsaka ny fitahian’i Jehovah ka “nisy fifaliam-be tany Jerosalema, satria mbola tsy nisy toy izany tany, hatramin’ny andron’i Solomona zanak’i Davida mpanjakan’ny Israely.”—2Ta 30:21-27.
Tsy nanentana ny fihetseham-po fotsiny ilay fivoriambe, fa tena nanarina sy namelona indray ny fivavahana marina. Talohan’ny nodian’ireo mpanatrika mantsy, dia nopotehin’izy ireo ny tsangambato masina, sady noravany ny toerana avo sy ny alitara, ary nokapainy ny tsato-kazo masina nanerana an’i Joda sy Benjamina hatrany Efraima sy Manase. (2Ta 31:1) Nanome ohatra i Hezekia ka notorotoroiny ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy. Nataon’ny olona sampy mantsy izy io ka nanolorany setroka ho sorona. (2Mp 18:4) Rehefa vita ilay fankalazana lehibe, dia nataon’i Hezekia izay hanarahan’ny olona foana ny fivavahana marina. Nalaminy àry ny fizarana nisy ny mpisorona sy ny fanampiana an’ireo nanompo tao amin’ny tempoly. Nampirisihiny hankatò Lalàna ny vahoaka, ka hanome ampahafolon-karena sy voaloham-bokatra ho an’ny Levita sy ny mpisorona. Nankatò tamin’ny fony manontolo ny olona.—2Ta 31:2-12.
Vatosoa Ara-panahy
“Raha Fantatrareo Izany, dia Sambatra Ianareo Raha Manao Izany”
14 Raha manetry tena koa isika, dia hihaino tsara rehefa misy olona miresaka amintsika. Milaza ny Jakoba 1:19 hoe tokony ho “mailaka hihaino” isika. I Jehovah no mahay mihaino indrindra. (Gen. 18:32; Jos. 10:14) Eritrereto, ohatra, ny resaka nifanaovany tamin’i Mosesy. (Vakio ny Eksodosy 32:11-14.) Namela an’i Mosesy hilaza an’izay tao am-pony izy, na dia tsy nila ny hevitr’i Mosesy aza. Marina fa nisy fotoana i Mosesy tsy nieritreritra tsara. Mbola naharitra nihaino azy foana anefa i Jehovah sady nanaraka ny teniny. Sarotra amintsika ny manao hoatr’izany. I Jehovah anefa maharitra mihaino an’izay olona rehetra mino azy sy mivavaka aminy.
15 Manetry tena i Jehovah ka mihaino antsika. Izany no nataony tamin’i Abrahama, Rahely, Mosesy, Josoa, Manoa, Elia, ary Hezekia. Mila mieritreritra àry isika hoe: ‘Raha i Jehovah aza manao an’izany, dia tsy mba tokony hanao an’izany koa ve aho? Sao dia afaka miezaka kokoa aho mba hanaja ny mpiara-manompo rehetra, dia hihaino ny heviny? Maninona moa aho raha manaraka ny heviny raha tsara ilay izy? Iza izao no manana olana ao amin’ny fianakaviako na ao amin’ny fiangonana, ka mila mihaino azy aho? Ahoana no hanaovako an’izany?’—Gen. 30:6; Mpits. 13:9; 1 Mpanj. 17:22; 2 Tan. 30:20.
12-18 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 32-33
“Hampaherezo ny Rahalahinao Rehefa ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra”
it “Asyria”: “Fitantaran’ny Baiboly sy tantaran’ilay firenena” § 11
Asyria
Sankeriba. Notafihin’i Sankeriba, zanakalahin’i Sargona II, ny fanjakan’ny Joda tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia (732 T.K.). (2Mp 18:13; Is 36:1) Nikomy tamin’i Asyria mantsy i Hezekia (teo ambany fahefan’ny Asyrianina i Joda tamin’izay noho ny nataon’i Ahaza rainy). (2Mp 18:7) Namakivaky an’i Joda àry i Sankeriba, ka tanàna 46, hono, no resiny. (Ampit. Is 36:1, 2.) Rehefa tao an-tobiny tao Lakisy izy, dia nitaky ny hanomezan’i Hezekia azy talenta volamena 30 (11 560 000 dolara eo ho eo) sy talenta volafotsy 300 (1 982 000 dolara eo ho eo). (2Mp 18:14-16; 2Ta 32:1; ampit. Is 8:5-8.) Na dia efa naloa aza io vola io, dia mbola nirahiny ho any Jerosalema ihany ny mpitondra teniny mba handidy ny mponina rehetra tao hitolo-batana. (2Mp 18:17–19:34; 2Ta 32:2-20) Naripak’i Jehovah tao anatin’ny indray alina monja anefa ny miaramilany 185 000, ka voatery niverina tany Ninive ilay mpanjaka nieboebo. (2Mp 19:35, 36) Novonoin’ny zanany roa lahy izy tatỳ aoriana, ka i Esara-hadona, zanany hafa, no nandimby azy. (2Mp 19:37; 2Ta 32:21, 22; Is 37:36-38) Voatantara ao amin’ireo iraizotongotra nosoratan’i Sankeriba sy Esara-hadona koa izany rehetra izany, afa-tsy ny nandripahana an’ireo miaramila asyrianina.—SARY, Boky 1, p. 957.
Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny
12 Vonona ny hanampy antsika foana i Jehovah rehefa misy olana tsy voavahantsika. Tiany hanao izay azontsika atao koa anefa isika mba hamahana an’ilay izy. Izany no nataon’i Hezekia. Naka hevitra tamin’ny “andrianany” sy ireo “lehilahy maheriny” izy, ary nanapa-kevitra izy ireo fa “hotampenana ireo loharano tany ivelan’ny tanàna. ... Nisikina herim-po koa i Hezekia ka naoriny daholo izay manda rava, ary nasiany tilikambo teny amboniny. Nasiany manda hafa koa teny ivelany. ... Nanao lefom-pohy be dia be sy ampinga koa izy.” (2 Tan. 32:3-5) Nampiasa olona be herim-po i Jehovah mba hiandry ny vahoakany sy hiaro azy ireo. Anisan’izany i Hezekia sy ny andrianany ary ireo mpaminany tsy mivadika.
Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny
13 Nisy zavatra hafa koa nataon’i Hezekia, ary mbola zava-dehibe noho ny fanampenana ny loharano sy ny fanamafisana ny manda izany. Mpiandry tsara izy, ka novoriny ny vahoaka ary nampahereziny. Hoy izy: “Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria ... fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hanampy antsika sy hiady ho antsika.” Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’ny vahoaka ny fampahatsiahivana hoe hiady ho azy ireo i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “nankahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.” Mariho fa “ny tenin’i Hezekia” no nampahery azy ireo. Mpiandry tsara tokoa i Hezekia sy ny andrianany ary ny lehilahy maheriny, mbamin’i Mika sy Isaia mpaminany, araka ny faminaniana nolazain’i Jehovah.—2 Tan. 32:7, 8; vakio ny Mika 5:5, 6.
Vatosoa Ara-panahy
Inona no Atao hoe Tena Mibebaka?
11 Namaly ny vavaka nataon’i Manase i Jehovah tatỳ aoriana. Hitany tamin’ny vavaka nataony hoe efa niova ny fony. Nampihetsi-po an’i Jehovah ny fitalahoany famelan-keloka, dia navelany ho lasa mpanjaka indray izy. Nanao izay rehetra azo natao i Manase mba hanaporofoana hoe tena nibebaka. Tsy nanao hoatran’i Ahaba izy fa niova. Niezaka nanarina ny ratsy vitany izy rehefa antitra. Nampirisika ny olona izy mba tsy hanompo andriamani-diso intsony fa hanompo an’i Jehovah. (Vakio ny 2 Tantara 33:15, 16.) Tsy maintsy be herim-po sy nanam-pinoana i Manase vao nahavita an’izany. Efa an-taonany maro mantsy izy no nampirisika ny olona hanao ratsy, anisan’izany ny fianakaviany sy ny olona ambony ary ny vahoaka. Azo inoana fa modely ho an’i Josia zafikeliny izy rehefa niova, ka lasa mpanjaka tena tsara i Josia.—2 Mpanj. 22:1, 2.
12 Inona no ianarantsika avy amin’i Manase? Nanetry tena izy. Tsy izay ihany anefa no nataony. Nivavaka koa izy ary niangavy an’i Jehovah mba hamindra fo taminy. Ankoatra izany, dia nanova ny fanaony izy. Niezaka mafy izy mba hanarina ny ratsy vitany sy hanompo an’i Jehovah ary hanampy ny hafa hanao an’izany koa. Manome fanantenana ho an’izay nahavita fahotana faran’izay ratsy ny tantaran’i Manase. Voaporofo mazava tsara amin’izy io mantsy hoe “tsara toetra sy vonona hamela heloka” i Jehovah Andriamanitra. (Sal. 86:5) Mbola afaka mahazo famelan-keloka àry izay tena mibebaka.
19-25 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TANTARA 34-36
“Tena Mandray Soa avy Amin’ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?”
it “Holda” § 2
Holda
Naniraka olona tany amin’i Holda mba hanontany an’i Jehovah i Josia, rehefa reny izay voalazan’ilay “boky misy ny lalàna” hitan’i Hilkia mpisoronabe, tamin’ny fotoana nanamboarana ny simba tao amin’ny tempoly. Nolazain’i Holda an’ireo iraka ny tenin’i Jehovah hoe hanjo an’ilay firenena nivadi-pinoana ny loza rehetra noresahin’ilay “boky”, noho izy ireo tsy nankatò. Nilaza koa izy fa noho i Josia nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, dia tsy ho hitany ireo loza ireo, fa hangonina any amin’ny razany izy, ary amin’ny fotoana mampandry feizay ny tany no hahafatesany.—2Mp 22:8-20; 2Ta 34:14-28.
Aoka Ianao Hafana Fo ho An’ny Tranon’i Jehovah!
20 Nandritra ny fanamboarana ny tranon’i Jehovah tamin’ny andron’i Josia, dia hitan’i Hilkia Mpisoronabe tao “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Nomeny an’i Safana mpitan-tsoratra izany, ary novakin’i Safana tamin’i Josia. (Vakio ny 2 Tantara 34:14-18.) Inona no vokany? Nalahelo be ny mpanjaka ka avy hatrany dia nandrovitra ny akanjony, ary naniraka lehilahy vitsivitsy hanontany an’i Jehovah. Namaly tamin’ny alalan’i Holda mpaminanivavy Andriamanitra, ka nilaza fa nahatezitra azy ny fanompoan-tsampy tao Joda. Hitan’i Jehovah anefa ny ezak’i Josia mba hanesorana izany, ka nankasitrahany foana izy, na dia voalaza aza fa hisy loza hanjo an’ilay firenena. (2 Tan. 34:19-28) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Azo antoka fa mitovy faniriana amin’i Josia isika. Irintsika ny hankatò avy hatrany ny tari-dalan’i Jehovah, ka hieritreritra izay ho vokany raha mivadi-pinoana isika na mivadika aminy. Matoky koa isika fa toy izay nitranga tamin’i Josia, dia hitan’i Jehovah sy ankasitrahany ny hafanam-pontsika ho an’ny fivavahana marina.
Vatosoa Ara-panahy
Handray Lesona avy Amin’izay Nitranga Fahiny ve Ianao?
15 Ary inona no ianarantsika avy amin’i Josia? Mpanjaka tsara izy fa nanao fahadisoana dia maty vokatr’izany. (Vakio ny 2 Tantara 35:20-22.) “Nivoaka hifanandrina” tamin’i Neko mpanjakan’i Ejipta izy, nefa efa nilaza io mpanjaka io fa tsy hiady aminy. Milaza ny Baiboly fa “teny nampilazain’Andriamanitra” an’i Neko izany. Nahoana anefa i Josia no mbola nisisika niady ihany? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly.
16 Ahoana anefa moa no hahafantaran’i Josia hoe avy amin’i Jehovah ny zavatra nolazain’i Neko? Tokony ho nanontany an’i Jeremia mpaminany, ohatra, izy. (2 Tan. 35:23, 25) Tokony ho nandinika tsara koa aloha izy. Ho any Karkemisy mantsy i Neko, mba hiady amin’ny “fahavalo hafa” fa tsy amin’i Jerosalema. Tsy nieritreritra ny hanala baraka an’i Jehovah sy ny vahoakany mihitsy i Neko. Nanaonao foana àry i Josia niady taminy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa misy olana, dia mila mandinika tsara aloha isika hoe inona no tian’i Jehovah hataontsika.
17 Rehefa manana olana isika, dia mila mandinika aloha hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly mety hanampy antsika. Mila mampihatra an’ilay izy isika avy eo, ary miezaka hahay handanjalanja. Mety hanao fikarohana ao amin’ny bokintsika isika mba hahalalana bebe kokoa an’izay tokony hatao. Azontsika atao koa indraindray ny miresaka amin’ny anti-panahy. Mety hahita toro lalana hafa mila saintsainintsika mantsy izy. Eritrereto ny anabavy iray manam-bady tsy Vavolombelona. Fantany hoe mila mitory ny vaovao tsara izy. (Asa. 4:20) Niomana hanompo izy indray andro, nefa niteny taminy ny vadiny hoe tsy tiany handeha izy. Efa elaela mantsy, hono, izy roa no tsy mba niaraka, ka te hitsangantsangana hiaraka aminy izy. Inona no hataon’ilay anabavy? Hitady andinin-teny afaka manampy azy hanapa-kevitra tsara izy. Fantany, ohatra, hoe tokony hankatò an’Andriamanitra isika ary mila mitory. (Mat. 28:19, 20; Asa. 5:29) Mila mitadidy koa anefa izy hoe tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, ary ilaina ny mandanjalanja. (Efes. 5:22-24; Fil. 4:5) Tena tsy avelan’ny vadiny hanompo mihitsy ve izy? Sa ilay vadiny mba te hiaraka aminy fotsiny amin’io indray mandeha io? Marina fa miezaka manao ny sitrapon’i Jehovah isika. Mila mahay mandanjalanja koa anefa isika sady tsy tokony hanao zavatra hahatonga antsika henjehin’ny eritreritsika.
26 JONA–2 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EZRA 1-3
“Aoka Ianao ho Vonona Hanao Izay Ampanaovin’i Jehovah”
Mahita An’izay Hitan’i Zakaria ve Ianao?
TENA nientanentana ny Israelita. “Nampirisihin’i Jehovah” Andriamanitra hanafaka azy ireo mantsy i Kyrosy mpanjakan’i Persa. Efa am-polony taona izy ireo no babo tany Babylona tamin’izay. Nanao fanambarana ilay mpanjaka hoe afaka miverina any amin’ny taniny ny Jiosy, ka “hanorina indray ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” (Ezra 1:1, 3) Faly erỳ ry zareo naheno an’izany! Haverina amin’ny laoniny indray mantsy ny fivavahana amin’ilay tena Andriamanitra, any amin’ilay tany nomeny azy ireo.
Kalesy sy Satroboninahitra Miaro Anao
2 Fantatr’i Zakaria fa nanam-pinoana ireo Israelita niverina tany Jerosalema. “Nentanin’Andriamanitra” izy ireo ka nandao ny tranony sy ny asany tany Babylona. (Ezra 1:2, 3, 5) Niala tany izy ireo na dia efa nahazatra be azy ireo aza ny fiainana tany. Maro tamin’izy ireo no sambany vao ho any Jerosalema. Nanao dia an-tongotra 1 600 kilaometatra teo ho eo izy ireo vao tonga. Ny lalana amin’izany nikintoantoana sady niaka-nidina. Tena te hanorina ny tempolin’i Jehovah izy ireo matoa nanao an’izany.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
1:3-6. Toy ny Israelita sasany nijanona tany Babylona, dia maro ny Vavolombelon’i Jehovah tsy afaka manompo manontolo andro, na manompo any amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa. Manampy sy mampahery an’izay afaka manao izany anefa izy ireo, ary manao fanomezana an-tsitrapo, mba hanohanana ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra.