FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr23 Septambra p. 1-12
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny “Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny “Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana”
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2022—2023
  • Lohatenikely
  • 4-10 SEPTAMBRA
  • 11-17 SEPTAMBRA
  • 18-24 SEPTAMBRA
  • 25 SEPTAMBRA–1 OKTOBRA
  • 2-8 OKTOBRA
  • 9-15 OKTOBRA
  • 16-22 OKTOBRA
  • 23-29 OKTOBRA
  • 30 OKTOBRA–5 NOVAMBRA
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2022—2023
mwbr23 Septambra p. 1-12

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

4-10 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 1-2

“Miezaha Hanetry Tena Hoatran’i Estera”

w17.01 25 § 11

Ho Vitanao ny Hanetry Tena na dia Tsy Mora aza Izany

11 Sarotra koa ny manetry tena rehefa derain’ny olona isika na dokadokafany. Diniho anefa ny nataon’i Estera, rehefa niova tampoka ny fiainany. Tena tsara tarehy izy, ary nokarakaraina tsara ny bika aman’endriny nandritra ny herintaona. Niaraka isan’andro tamin’ny tovovavy maro avy any amin’ny faritra samihafa eran’ny Fanjakana Persianina koa izy. Nifaninana mba ho lasa tian’ny mpanjaka ireo vehivavy ireo. I Estera kosa tsy mba lasa jejojejo sady nanaja olona foana. Tsy lasa nanambony tena izy, na dia izy aza no voafidy ho vadin’ny mpanjaka.​—Est. 2:​9, 12, 15, 17.

ia 130 § 15

Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra Izy

15 Hiseho amin’ny mpanjaka amin’izay izao i Estera. Afaka nangataka izay nilainy izy, angamba zavatra hahatsara tarehy azy kokoa. Nanetry tena anefa izy ka tsy nangataka na inona na inona, afa-tsy izay nolazain’i Hegay. (Est. 2:15) Takany angamba fa tsy hambabo ny fon’ny mpanjaka raha ny hatsaran-tarehy fotsiny, fa tena ilaina koa ny manetry tena. Izany tokoa ve no izy?

w17.01 25 § 12

Ho Vitanao ny Hanetry Tena na dia Tsy Mora aza Izany

12 Raha manetry tena koa isika, dia hanao akanjo maotina ary hitondra tena tsara foana. Tsy hanala baraka ny tenantsika isika raha manao an’izany, sady hanaja ny hafa. Tsy hisarika be loatra ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika isika na hirehareha, fa hanana “toetra tony sy malemy paika.” (Vakio ny 1 Petera 3:​3, 4; Jer. 9:​23, 24) Fantatsika mantsy fa izany no manintona kokoa. Raha mihevitra ny tenantsika ho ambony noho ny hafa isika, dia tsy maintsy hiseho amin’ny ataontsika sy ny tenintsika izany. Mety hilaza an-kolaka, ohatra, isika hoe manana tombontsoa manokana, na mahalala zavatra tsy fantatry ny hafa, na mpinamanamana amin’ny rahalahy manana andraikitra. Na ataontsika izay hieritreretan’ny olona hoe isika no tena nahita hevitra tsara na nahavita zavatra tsara, nefa maromaro isika no nikaon-doha sy niara-nanao an’ilay izy. Tsy nanao hoatr’izany i Jesosy. Nanetry tena izy ka imbetsaka izy no nampiasa andinin-teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo. Tiany haseho mantsy fa avy amin’i Jehovah ny zavatra nolazainy, fa tsy hoe izy no tena mahay.​—Jaona 8:28.

Vatosoa Ara-panahy

w22.11 31 § 3-6

Fantatrao ve?

Nahita soratra miendri-pantsika persianina ahitana anarana lehilahy atao hoe Mardoka (Malagasy: Mordekay) ny mpikaroka. Manam-pahefana tao Sosana izy io, angamba mpanao kaonty. Nilaza i Arthur Ungnad, manam-pahaizana momba ny tantara tatsinanana, fa iny soratra miendri-pantsika “iny ihany” tamin’izany “no miresaka momba an’i Mordekay, ankoatra ny Baiboly.”

Nandika soratra miendri-pantsika persianina an’arivony ny manam-pahaizana, taorian’ilay tatitr’i Ungnad. Anisan’izany ilay takelaka tanimanga hita tao amin’ny tanàna efa ravan’i Persepolisy, tao amin’ny Trano Fitehirizan-karena teo akaikin’ny mandan’ilay tanàna. Efa tamin’ny andro nanjakan’i Ksersesy I ireo takelaka tanimanga ireo. Amin’ny teny elamita ilay izy ary ahitana anarana maromaro voatonona ao amin’ny bokin’i Estera.

Takelaka maromaro avy tao Persepolisy no ahitana an’ilay anarana hoe Mardoka. Mpanora-dalàna tao amin’ny lapan’i Sosana izy io, tamin’ny fotoana nanjakan’i Ksersesy I. Milaza ny takelaka iray fa mpandika teny i Mardoka. Mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Mordekay izany. Manam-boninahitra tao amin’ny lapan’i Ahasoerosy Mpanjaka (na Ksersesy I) izy, ary nahay fiteny roa fara fahakeliny. Nipetraka foana teo am-bavahadin’ny mpanjaka tao amin’ny lapan’i Sosana i Mordekay. (Est. 2:​19, 21; 3:3) Trano ngezabe io vavahady io, ary tao no niasa ny tandapa.

Mahagaga hoe mitovy be ilay Mardoka resahin’ny takelaka tanimanga sy ilay Mordekay resahin’ny Baiboly. Mitovy ny fotoana niainan-dry zareo, ny toerana nisy azy, ny andraikitra notanany, ary ny toeram-piasany. Hita avy amin’izany rehetra izany fa mety ho ilay Mordekay resahin’ny bokin’i Estera ihany ilay hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany.

11-17 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 3-5

“Ampio ny Hafa mba Hanome ny Tsara Indrindra”

it “Mordekay”: “Tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana” § 1

Mordekay

Tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana. Nanendry an’i Hamana Agagita ho praiminisitra i Ahasoerosy taorian’izay. Namoaka didy izy avy eo fa tokony hiankohoka eo anatrehan’i Hamana izay rehetra teo am-bavahadin’ny mpanjaka. Tsy nety mihitsy anefa i Mordekay, ary nohazavainy fa noho izy Jiosy no antony. (Es 3:​1-4) Midika izany fa te hifandray tsara amin’i Jehovah Andriamaniny foana izy. Efa vahoaka voatokana ho an’Andriamanitra mantsy ny Jiosy. Marina fa niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny Israelita fahiny, ho fanekena ny toerana ambony notanan’izy io. (2Sa 14:4; 18:28; 1Mp 1:16) Fantatr’i Mordekay anefa fa tsy midika ho fanekena ny toeran’i Hamana fotsiny ny fiankohofana teo anatrehany. Azo inoana mantsy fa Amalekita i Hamana, nefa efa nilaza i Jehovah fa hiady amin’ny Amalekita “hatramin’ny taranany fara mandimby” Izy. (Ek 17:16; jereo HAMANA.) Noho i Mordekay tsy te hivadika tamin’Andriamanitra àry no nahatonga azy tsy hiankohoka, fa tsy noho izy te hanohitra ny tenin’ny mpanjaka akory.

it “Mordekay”: “Nanafaka an’ireo Jiosy” § 1

Mordekay

Nanafaka an’ireo Jiosy. Rehefa nahare momba ilay didy i Mordekay, dia nilaza tamin’i Estera fa mba hanafahana ny Jiosy no nanandratana azy ho vadin’ny mpanjaka. Nasehony fa nanana andraikitra mavesatra i Estera, ary nasainy nitalaho famindram-po sy fanampiana tamin’ny mpanjaka. Nanaiky i Estera na dia nety ho nahatandindomin-doza ny ainy aza izany.​—Es 4:7–5:2.

ia 133 § 22-23

Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra Izy

22 Izany no fitsapana mafy indrindra tamin’i Estera. Nivadi-po mihitsy izy nandre an’ilay hafatra. Notsoriny tamin’i Mordekay fa natahotra izy. Nampahatsiahiviny azy ilay lalàna hoe hovonoina ho faty izay mankany amin’ny mpanjaka nefa tsy nantsoiny akory, raha tsy hoe tondroiny amin’ny tehiny volamena angaha. I Estera ve anefa dia afaka ny hanantena an’izany? I Vasty aza tsy nananan’ny mpanjaka antra rehefa tsy nankatò azy! Efa 30 andro koa ny mpanjaka no tsy niantso an’i Estera. Natahotra àry izy hoe niova hevitra sahady i Ahasoerosy ka tsy tia azy intsony.​—Est. 4:​9-11.

23 Te hanatanjaka ny finoan’i Estera i Mordekay, ka hentitra rehefa namaly azy. Nilaza izy fa hisy fomba hafa foana hamonjen’i Jehovah ny Jiosy, na dia tsy hanampy azy ireo aza i Estera. Nampitandrina anefa i Mordekay hoe tsy afaka manantena ny ho voavonjy i Estera rehefa tonga ilay fotoana handripahana ny Jiosy, satria tsy maintsy ho tratra ihany hoe Jiosy izy. Na izany aza, dia tena nino i Mordekay fa tsy maintsy hanatanteraka ny teniny i Jehovah ka tsy hamela ny vahoakany ho fongotra. (Jos. 23:14) Hoy mihitsy izy: “Iza no mahalala raha ho amin’ny toe-javatra toy izao indrindra no nisandratanao ho vadin’ny mpanjaka?” (Est. 4:​12-14) Tena natoky an’i Jehovah tokoa i Mordekay. Manahaka azy ve ianao?​—Ohab. 3:​5, 6.

Vatosoa Ara-panahy

kr 160 § 14

Nitaky ny Zony ny Vahoakan’i Jehovah

14 Hitantsika teo fa mbola misy Vavolombelona tsy avelan’ny manam-pahefana sasany hanao ny sitrapon’i Jehovah. Mitaky ny zony àry izy ireo, toy ny nataon’i Estera sy Mordekay. (Est. 4:​13-16) Inona kosa no azonao atao mba hanampiana azy ireo? Mivavaha foana ho azy. (Vakio ny Jakoba 5:16.) Tena mamaly ny vavaka toy izany i Jehovah matoa isika nandresy imbetsaka tany amin’ny fitsarana.​—Heb. 13:​18, 19.

18-24 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 6-8

“Ohatra Momba ny Fifampiresahana Tsara”

ia 140 § 15-16

Nisaina Tsara sy Be Herim-po ary Tsy Tia Tena Izy

15 Raha tsy nanam-paharetana i Estera, dia tsy ho nitranga mihitsy izany rehetra izany. Nieritreritra i Hamana hoe hahazo voninahitra, kanjo izy indray no voa. Ary iza moa no mahalala raha i Jehovah mihitsy no nanao izay tsy hampahita tory ny mpanjaka? (Ohab. 21:1) Tsy mahagaga àry raha mampirisika antsika ny Baiboly mba ho “vonona hiandry.” (Vakio ny Mika 7:7.) Raha miandry an’i Jehovah isika, dia ho hitantsika fa tsara lavitra noho izay mety hoeritreretintsika ny vahaolana homeny.

Sahy niteny izy

16 Tsy sahy nampiandry ny mpanjaka intsony i Estera tamin’ilay fanasana faharoa, fa tsy maintsy hiresaka an’ilay olana amin’izay. Ahoana anefa no hilazany an’ilay izy? Soa ihany fa nanontany azy indray ny mpanjaka hoe inona no tadiaviny. (Est. 7:2) Tonga àry ilay fotoana tokony hitenenany.

ia 140 § 17

Nisaina Tsara sy Be Herim-po ary Tsy Tia Tena Izy

17 Nivavaka mangina angamba i Estera vao nilaza hoe: “Raha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka ô, ary raha sitraky ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko no angatahiko ary ny hitsimbinana ny fireneko no tadiaviko.” (Est. 7:3) Nanome toky izy hoe vonona hanaiky izay “sitraky ny mpanjaka”, izany hoe izay fantany fa mety. Tsy nitovy mihitsy i Estera sy Vasty, ilay vadin’ny mpanjaka taloha. Nanao fanahy iniana nanala baraka ny vadiny mantsy i Vasty. (Est. 1:​10-12) I Estera anefa tsy nanakiana ny mpanjaka hoe natokitoky befahatany an’i Hamana. Niangavy azy kosa izy mba hiaro azy sy ny fireneny.

ia 141 § 18-19

Nisaina Tsara sy Be Herim-po ary Tsy Tia Tena Izy

18 Azo antoka fa taitra ny mpanjaka naheno an’izany sady nalahelo be. Dia hisy ho sahy hamono ny vadiny tokoa ve? Hoy i Estera: “Namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haripaka sy hovonoina ary haringana. Raha mba namidy ho mpanompolahy sy mpanompovavy fotsiny mantsy izahay, dia ho nangina ihany aho, saingy hitondra fahavoazana ho an’ny mpanjaka koa izany loza izany, ka tsy tokony havela hitranga!” (Est. 7:4) Nohazavain’i Estera tsara ilay olana. Nilaza koa anefa izy hoe ho nangina ihany raha tsy hovonoina ry zareo fa hatao andevo fotsiny. Foko iray manontolo anefa no ho ripaka raha tsy niteny izy, ka na ny mpanjaka aza ho voa mafy satria ho faty koa ny vadiny.

19 Ahoana àry raha misy olana lehibe tsy maintsy lazainao amin’ny fianakavianao na amin’ny olona iray manana fahefana? Raha manam-paharetana sy manaja ary milaza ny marina toa an’i Estera ianao, dia haharesy lahatra azy.​—Ohab. 16:​21, 23.

Vatosoa Ara-panahy

w06 1/3 11 § 1

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Estera

7:4​—Nahoana no ho ‘matiantoka ny mpanjaka’, raha noringanina ny Jiosy? Nilaza i Estera fa mety ho azo amidy ho andevo ny Jiosy, satria tiany haseho fa ho matiantoka ny mpanjaka raha noringanina izy ireo. Talenta volafotsy 10 000 mantsy no nampanantenain’i Hamana ho takalon’ny fandringanana azy ireo. Ho be lavitra noho izany anefa ny harena ho azon’ny mpanjaka, raha ny hivarotra ny Jiosy ho andevo no tetik’i Hamana. Tsy vitan’izay koa fa ho faty ny vadin’ny mpanjaka, raha noringanina ny Jiosy.

25 SEPTAMBRA–1 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 9-10

“Tsy Nanararaotra Fahefana Izy”

it “Mordekay”: “Nanafaka an’ireo Jiosy” § 4

Mordekay

I Mordekay indray àry no lasa praiminisitra, ary nomen’ny mpanjaka azy ny peratra fanombohan-kaseny. Notendren’i Estera hiandraikitra ny tao an-tranon’i Hamana koa izy, satria efa nomen’ny mpanjaka an’i Estera izany. Nahazo alalana tamin’ny mpanjaka i Mordekay avy eo hamoaka didy mamela an’ireo Jiosy hiaro tena. Azo lazaina ho nisy tara-pahazavana sy fifaliana ho an’ny Jiosy tamin’izay. Olona maro tao amin’ilay Fanjakana Persianina no niandany tamin’izy ireo. Vonona hifanandrina tamin’ireo fahavalony àry izy ireo, rehefa tonga ny 13 Adara, izay andro tokony handripahana azy. Nanampy azy ireo avokoa ny manam-pahefana noho ny toerana ambony notanan’i Mordekay. Navela hitohy ny ampitso ilay fifandonana tao Sosana. Maherin’ny 75000 ireo fahavalon’ny Jiosy maty nanerana an’ilay fanjakana, anisan’izany izy folo lahy zanak’i Hamana. (Es 8:1–9:18) Rehefa nahazo alalana tamin’i Estera i Mordekay, dia namoaka didy fa hankalazaina isan-taona, isaky ny faha-14 sy faha-15 Adara, ny “Porima.” Ho andro fifaliana sy fanasambe ho an’ny Jiosy izy io. Hifanolotra fanomezana izy ireo ary hanome ho an’ny mahantra koa. Nanaiky ny hankalaza azy io ireo Jiosy, ary nodidiany hanao toy izany koa ny taranany sy izay rehetra miaraka aminy. Nohajain’ireo Jiosy i Mordekay satria izy no manam-pahefana ambony indrindra tao amin’ilay fanjakana, nanarakaraka an’i Ahasoerosy. Nitady foana an’izay hahasoa an’ilay vahoaka voatokana ho an’Andriamanitra koa izy.​—Es 9:​19-22, 27-32; 10:​2, 3.

it “Porima”: “Zava-kendreny”

Porima

Zava-kendreny. Misy mpivaofy teny milaza fa toa tsy fety ara-pivavahana ilay Fetin’ny Porima ankalazain’ny Jiosy ankehitriny, sady misy fanaranam-po be indraindray. Tsy hoatr’izany anefa tamin’ny voalohany. Mpanompon’ilay tena Andriamanitra mantsy i Mordekay sy Estera, ary natao hanomezam-boninahitra Azy ilay fety. I Jehovah Andriamanitra no nanafaka ny Jiosy tamin’izany, satria noho i Mordekay tsy nanompo afa-tsy i Jehovah irery ihany no saika naharipaka azy ireo. Angamba Amalekita i Hamana, nefa nozonin’i Jehovah sy nomelohiny haringana ny Amalekita. Nankatò ny didin’Andriamanitra i Mordekay ka tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana. (Es 3:​2, 5; Ek 17:​14-16) Nanantena koa izy fa hisy hery ambony kokoa hanafaka ny Jiosy. (Es 4:14) Nitalaho ny fanampian’Andriamanitra koa i Estera, matoa nifady hanina talohan’ny nidirany teo anatrehan’ny mpanjaka mba hanasa azy.​—Es 4:16.

cl 101-102 § 12-13

‘Manahafa An’Andriamanitra’, Rehefa Mampiasa Hery

12 Nanome mpiandraikitra hitarika ny fiangonana kristianina i Jehovah. (Hebreo 13:17) Tokony hampiasa ny fahefana nomen’Andriamanitra azy ireny lehilahy mahafeno fepetra ireny mba hanampiana sy hanasoavana ny andian’ondry. Tokony hanjakazaka amin’ny mpiara-manompo ve izy ireo satria hoe anti-panahy? Tsy izany mihitsy! Tokony handanjalanja sy hanetry tena ny anti-panahy, eo am-panatontosana ny andraikiny. (1 Petera 5:​2, 3) Milaza amin’ireo mpiandraikitra ny Baiboly fa ‘novidin’Andriamanitra’ tamin’ny ran’ny Zanany ny fiangonana. (Asan’ny Apostoly 20:28) Izany no antony lehibe tokony hitondrana ny ondry tsirairay amin-katsaram-panahy.

13 Indro misy fanoharana momba izany: Mangataka anao mba hikarakara zavatra iray sarobidy aminy ilay namanao. Fantatrao fa novidiny lafo izy io. Tsy hokarakarainao tsara sy hotandremanao ve izy io? Nampiandraiketin’Andriamanitra fananana tena sarobidy koa ny anti-panahy. Izany dia ny fiangonana, izay misy olona toy ny ondry. (Jaona 21:​16, 17) Tena tian’i Jehovah tsy misy toy izany ny ondriny, ka novidiny tamin’ny ran’i Jesosy Kristy Zanany lahitokana. Tena vidiny ambony indrindra izany nividianan’i Jehovah azy ireo izany. Mitadidy izany ny anti-panahy manetry tena ka mitondra ny ondrin’i Jehovah mifanaraka amin’izany.

Vatosoa Ara-panahy

w06 1/3 11 § 4

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Estera

9:​10, 15, 16​—Nahoana ny Jiosy no tsy nandroba ny fananan’ireo olona novonoiny, na dia tsy nandrara izany aza ny didin’ny mpanjaka? Asehon’izany mazava fa ny hiaro ny fireneny no zava-nokendren’izy ireo, fa tsy ny hangoron-karena.

2-8 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 1-3

“Asehoy Foana hoe Tianao Be i Jehovah”

w18.02 6 § 16-17

Miezaha Hanam-pinoana sy Hankatò toa An’i Noa sy Daniela ary Joba

16 Inona no olana natrehin’i Joba? Nisy fiovana be teo amin’ny fiainany. Izy no “nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra”, talohan’izy niatrika fitsapana. (Joba 1:3) Tena nohajain’ny olona koa izy, ary tsy nisy izay tsy nahalala azy. (Joba 29:​7-16) Mety ho nahatonga azy hanambony tena izany, na nahatonga azy hieritreritra hoe tsy mila an’Andriamanitra izy. Tsy nanao an’izany anefa izy. Niantso azy hoe ‘mpanompony’ i Jehovah sady nilaza hoe: “Lehilahy tsy manan-tsiny izy, sady marina sy matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy.”​—Joba 1:8.

17 Nitsimbadika tampoka anefa ny fiainan’i Joba. Lasa nahantra faraidiny izy, ary namoy fo tanteraka. Fantatsika hoe i Satana no nahatonga an’izany. Nilaza izy fa nitady tombontsoa fotsiny i Joba matoa nanompo an’i Jehovah. (Vakio ny Joba 1:​9, 10.) Tsy hoe tsy noraharahain’i Jehovah izany fanendrikendrehana izany. Navelany hanaporofo i Joba hoe tsy mivadika aminy ary tena tia azy matoa manompo azy.

w19.02 5 § 10

Aza Mivadika Mihitsy!

10 Endrikendrehin’i Satana koa isika tsirairay, anisan’izany ianao. Lazainy fa tsy tena tia an’i Jehovah Andriamanitra ianao. Tsy hanompo azy intsony, hono, ianao raha vao misy mahazo anao. Ianao koa, hono, tsy maintsy hivadika. (Joba 2:​4, 5; Apok. 12:10) Tsy mankarary fo ve izany? Eritrereto indray anefa i Jehovah. Tena matoky anao tanteraka izy ka avelany hitsapa anao i Satana. Omeny tombontsoa miavaka àry ianao! Avelany hanaporofo ianao hoe mahavita tsy mivadika aminy ka hampiseho hoe mpandainga i Satana. Mampanantena koa i Jehovah fa hanampy anao hanao an’izany. (Heb. 13:6) Tsy misy tsara noho ny hoe hatokisan’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao! Tena ilaina àry ny tsy mivadika satria izay no ahafahantsika miaro ny lazan’i Jehovah sy manohana ny fitondrany. Manaporofo koa isika amin’izay hoe mpandainga i Satana. Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?

Vatosoa Ara-panahy

w21.04 11 § 9

Ireo Teny Farany Nolazain’i Jesosy

9 Inona no nolazain’i Jesosy? Niantsoantso hoatr’izao i Jesosy taloha kelin’ny hahafatesany: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” (Mat. 27:46) Tsy hazavain’ny Baiboly hoe fa maninona i Jesosy no nilaza an’io. Inona anefa no azontsika ianarana avy amin’ireo teniny ireo? Nanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 22:1 izy rehefa nilaza an’io. Ankoatra izany, dia hita mazava avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo hoe tsy “niaro” an’ilay Zanany i Jehovah. (Joba 1:10) Fantatr’i Jesosy fa navelan’ny Rainy hampijalin’ny fahavalony izy mba hiharan’ny fitsapana faran’izay mafy. Mbola tsy nisy olombelona niharan’ny fitsapana mafy hoatr’izany. Tsy vitan’izany fa hita amin’ireo teniny ireo hoe tsy nanao ratsy izy ka tsy mendrika ny ho faty.

9-15 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 4-5

“Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina”

it “Elifaza” § 2

Elifaza

2. Anisan’izy telo lahy naman’i Joba. (Jb 2:11) Temanita izy, ka azo inoana fa taranak’i Elifaza No. 1. Taranak’i Abrahama àry izy sady havan’i Joba lavitra. Nirehareha noho ny fahendreny izy sy ny taranany. (Je 49:7) Samy nolazaina hoe “mpampionona” izy telo lahy, saingy i Elifaza no niavaka sy to teny indrindra. Mety ho izy koa àry no zokiny indrindra. Izy foana no niteny voalohany tamin’ireo adihevitra intelo nisesy, ary lava kokoa ny teniny.

w05 15/9 26 § 2

Tohero ny Fiheveran-diso!

Nahatsiaro ny zava-nahagaga iray hitany i Elifaza, ka niteny hoe: “Nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako. Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko; nisy fanginana, dia nandre feo aho.” (Joba 4:​15, 16) Inona io fanahy nanan-kery teo amin’ny fomba fisainan’i Elifaza io? Azo antoka fa tsy anjely marin’i Jehovah izy io, rehefa jerena ny fanakianana nataon’i Elifaza taorian’izay. (Joba 4:​17, 18) Fanahy ratsy izy io. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho nibedy an’i Elifaza sy ny namany roa lahy i Jehovah noho izy ireo nandainga. (Joba 42:7) Demonia tokoa no nanome saina an’i Elifaza. Hita taratra tamin’ny teniny, fa tsy nifanaraka tamin’ny an’Andriamanitra ny fomba fisainany.    

w10 15/2 19 § 5-6

Tohero ny Fampielezan-kevitr’i Satana

Nampiasain’i Satana i Elifaza, anisan’ireo telo lahy naman’i Joba, mba hilaza fa tsy vitan’ny olona ny tsy hivadika. Nilaza izy fa “mipetraka ao amin’ny trano tanimanga” ny olombelona, ary “miorina eo amin’ny vovoka!” Hoy ihany izy tamin’i Joba: “Mora torotoroina kokoa noho ny bibikely ireny. Mbola tsy hariva ny andro dia efa potipotika ireny, maty mandrakizay izy nefa tsy misy malahelo akory.”​—Joba 4:​19, 20.

Marina fa resahin’ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina hoe toy ny “vilany tany”, na vilany tanimanga mora vaky, isika. (2 Kor. 4:7) Malemy tokoa isika satria tsy lavorary ary nandova ota. (Rom. 5:12) Mora amin’i Satana ny manafika antsika raha miady irery isika. Ampian’Andriamanitra anefa isika Kristianina na dia malemy aza, satria sarobidy aminy. (Isaia 43:4) Omeny fanahy masina koa izay mangataka izany aminy. (Lioka 11:13) Afaka manome antsika “hery fanampiny” ny fanahiny, mba hahazakantsika an’izay fitsapana avy amin’i Satana. (2 Kor. 4:7; Fil. 4:13) Hanamafy orina sy hampahatanjaka antsika Andriamanitra raha manohitra ny Devoly sy ‘manana finoana matanjaka’ isika. (1 Pet. 5:​8-10) Tsy misy antony tokony hatahorantsika an’i Satana Devoly àry.

mrt 32 § 13-17

Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina

● Diniho tsara hoe avy aiza ilay vaovao ary inona no resahin’ilay izy

Izay lazain’ny Baiboly: “Hamarino tsara daholo ny zava-drehetra.”​—1 Tesalonianina 5:21.

Aza tonga dia mino na manaparitaka ny vaovao henonao, na dia malaza be sy miverimberina any amin’ny fampitam-baovao aza ilay izy. Hamarino aloha hoe tena marina tokoa ve ilay izy. Inona no hanampy anao amin’izany?

Diniho hoe azo itokisana ve ilay namoaka an’ilay vaovao. Izao no mety hataon’ny fampitam-baovao na fikambanana sasany: Amboamboariny ilay vaovao, amin’izay tsy manelingelina ny tombontsoany sady mifanaraka amin’ny hevitra ara-politika tohanany. Rehefa mihaino na mijery vaovao àry ianao dia manaova fampitahana, ka jereo izay lazain’ny fampitam-baovao hafa momba an’ilay izy. Mety hampita vaovao tsy marina aminao koa ny namanao indraindray, satria heveriny fa marina ilay izy. Amin’ny alalan’ny e-mail na tambazotran-tserasera, ohatra, no anaovany an’izany. Aza tonga dia mino vaovao iray àry raha tsy efa voamarinao hoe avy aiza ilay izy.

Ataovy azo antoka hoe zavatra marina no resahin’ilay vaovao sady ny fanazavana farany no azonao. Jereo, ohatra, ny daty nivoahany, ary diniho ny zava-misy sy ny porofo manamarina an’ilay izy. Vao mainka ianao mila mailo raha mahatsikaritra hoe misy fanazavana sarotra nefa notsotsorina fotsiny, na natao mba hampihetsi-po ny olona ilay vaovao.

Vatosoa Ara-panahy

w03 15/5 22 § 5-6

Miorena Tsara Hatrany Amin’ny Finoana, dia Hahazo Fiainana Ianao

Anisan’ilay fikambanana iraisam-pirenena manaraka ny fivavahana marina isika, ary tena afaka manatanjaka ny finoantsika izany. Tombontsoa tokoa ny miaraka amin’io fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana io! (1 Petera 2:17) Ary afaka manampy ny Kristianina hafa hiorina tsara amin’ny finoana koa isika.

Eritrereto ny fanampian’i Joba, lehilahy marina, ny olon-kafa. Na dia i Elifaza, mpampionona sandoka, aza dia voatery niaiky hoe: “Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao.” (Joba 4:4) Ahoana ny amintsika? Adidintsika tsirairay ny manampy ireo rahalahy sy anabavintsika ara-panahy mba haharitra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Afaka manaraka izao torohevitra izao isika rehefa miaraka amin’izy ireny: “Ampaherezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.” (Isaia 35:3) Nahoana àry raha hatao tanjona ny hampahery sy hampirisika namana kristianina iray na roa isaky ny fivoriana? (Hebreo 10:​24, 25) Raha midera sy mampahery azy ireo ianao, ary mankasitraka ny ezaka ataony mba hampifaliana an’i Jehovah, dia tena hanampy azy hiorina tsara hatrany amin’ny finoana, mba hahazoany ny fiainana.

16-22 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 6-7

“Mafy Loatra ve ny Mahazo Anao ka Mila Tsy ho Zakanao?”

w06 15/3 14 § 10

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joba

7:1; 14:14​—Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘miantafika’ na ‘manafika’? Midika hoe manao asa an-terivozona ny teny tany am-boalohany nadika hoe manafika eto. Fahoriana nisesisesy no nanjo an’i Joba, ka noheveriny ho toy ny asa an-terivozona ny fiainana. Nampitoviny tamin’ny andro anafihana (anerena) koa ny fotoana ijanonan’ny olona any am-pasana (manomboka amin’ny fotoana ahafatesana mandra-pitsangana amin’ny maty), satria voatery mijanona ao ilay olona mandritra io fotoana io.

w20.12 16 § 1

‘Mamonjy An’izay Ketraka i Jehovah’

FOHY ny androm-piainantsika sady feno tebiteby. (Joba 14:1) Mety ho lasa saina momba an’izany isika indraindray dia kivy, ary ara-dalàna izany. Betsaka ny mpanompon’i Jehovah taloha nahatsapa hoatr’izany, ary nisy aza te ho faty mihitsy. (1 Mpanj. 19:​2-4; Joba 3:​1-3, 11; 7:​15, 16) Nampionona sy nampahery an-dry zareo foana anefa i Jehovah. Izy mantsy no nitokisany. Voasoratra ao amin’ny Baiboly ny tantaran-dry zareo, mba hampiononana antsika sy handraisantsika fianarana.​—Rom. 15:4.

g 1/12 16-17

Mieritreritra ny Hamono Tena ve Ianao?

Marina fa toa mampamoy fo ny manjo anao. Tadidio anefa fa tsy irery ianao. Mampalahelo fa saika ny rehetra no manana olana. Hoy ny Baiboly: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” (Romanina 8:22) Hilamina ihany ny olana sasany, rehefa mandeha ny fotoana, na dia toa tsy hilamina mihitsy aza izany izao. Inona no azonao atao mandra-pahatongan’izay?

Miresaha amin’ny namana matotra sy azo itokisana. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Namboraka an’izay tsapany i Joba, ilay lehilahy marina resahin’ny Baiboly, tamin’izy nijaly mafy. Izao no tsapany: “Maharikoriko ahy ny aiko!” Hoy izy avy eo: “Hamoaka ny fitarainako aho, ary hiteny ao anatin’ny fahoriam-poko.” (Joba 10:1) Ho maivamaivana kokoa ianao raha miresaka amin’olona, ary mety hiova ny fahitanao an’ilay olana.

Miresaha amin’Andriamanitra. Misy mihevitra fa fampandriana saina fotsiny ny vavaka. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Antsoina hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah Andriamanitra, ao amin’ny Salamo 65:2. Hoy koa ny 1 Petera 5:7: “Miahy anareo izy.” Imbetsaka ny Baiboly no manamafy fa ilaina ny mitoky amin’Andriamanitra. Ireto misy ohatra:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”​—OHABOLANA 3:​5, 6.

‘Hotanterahin’i Jehovah ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.’​—SALAMO 145:19.

“Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”​—1 JAONA 5:14.

“Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah, fa ny vavaky ny marina no henoiny.”​—OHABOLANA 15:29.

Hanampy anao Andriamanitra raha resahinao aminy ny zava-manahirana anao. Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika hoe: ‘Matokia azy foana! Aoka ianareo hamboraka aminy ny ao am-ponareo.’​—Salamo 62:8.

Vatosoa Ara-panahy

w20.04 16 § 10

Henoy sy Fantaro Izy Ireo dia Miezaha Hangoraka

10 Manahaka an’i Jehovah isika rehefa miezaka hahafantatra ny fihetseham-pon’ny mpiara-manompo sy ny antony anaovany zavatra. Miezaha àry hahafantatra tsara kokoa azy ireo. Miresaha aminy, ohatra, aloha sy aorian’ny fivoriana, na miaraha manompo aminy. Azonao asaina hisakafo koa izy raha azo atao. Ho gaga ianao rehefa manao an’izany. Mety ho hitanao, ohatra, hoe hay saro-kenatra ny anabavy iray noheverinao ho miavonavona. Mety ho hitanao koa hoe hay malala-tanana be ny rahalahy iray hoatran’ny hoe tia vola sy harena. Ary ilay fianakaviana tara matetika rehefa mivory? Hay ry zareo miaritra fanoherana mafy! (Joba 6:29) Marina aloha fa tsy tokony ‘hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona’ isika. (1 Tim. 5:13) Tsara anefa ny miezaka hahafantatra an’ireo rahalahy sy anabavy sy ny zavatra niainany. Ho azontsika amin’izay hoe inona no namolavola ny toetran’izy ireo.

23-29 OKTOBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 8-10

“Miaro Antsika Ilay hoe Tia sy Tsy Mivadika i Jehovah”

w15 1/7 12 § 3

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra ve Isika?

Nijaly be i Joba satria betsaka ny zava-dratsy nanjo azy, ary toa tsy rariny ilay izy. Diso hevitra izy satria nieritreritra hoe tsy raharahain’Andriamanitra izy na mino azy na tsia. (Joba 9:​20-22) Nanizingizina i Joba hoe nanao ny marina izy. Ny olon-kafa anefa nahita hoe nihevi-tena ho marina mihoatra an’Andriamanitra izy.​—Joba 32:​1, 2; 35:​1, 2.

w21.11 6 § 14

Tsy Miovaova ny Fitiavan’i Jehovah Anao!

14 Voaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah noho izy mampiseho fitiavana tsy miovaova amintsika. Izao no vavaka nataon’i Davida: ‘Ianao no fiafenako, ary hiaro ahy tsy ho azom-pahoriana ianao. Fihobiana no hataonao manodidina ahy satria manafaka ahy ianao. Voahodidina hatsaram-panahy feno fitiavana izay matoky an’i Jehovah.’ (Sal. 32:​7, 10) Miaro ny mponina ao amin’ny tanàna iray ny manda manodidina azy. Hoatr’izany koa ny fitiavana tsy miovaova asehon’i Jehovah. Hoatran’ny manda manodidina antsika izy io, ka miaro antsika amin’izay rehetra mety hanimba ny fifandraisantsika aminy. Noho i Jehovah manana fitiavana tsy miovaova koa no mahatonga azy hitaona antsika hanatona azy.​—Jer. 31:3.

Vatosoa Ara-panahy

w10 15/10 6-7 § 19-20

‘Iza no Nahafantatra ny Sain’i Jehovah?’

19 Mila mandalina ny Tenin’Andriamanitra isika, mba hahalalantsika “ny sain’i Jehovah.” Tsy tokony hitsara azy isika, satria voafetra ny zavatra fantatsika sady tsy voatery hanaraka izay heverintsika fa mety sy tsy mety izy. Hoy i Joba: “Tsy olombelona tahaka ahy [Andriamanitra] ka ahoana moa no hamaliako azy, na hifandaharako aminy eo amin’ny fitsarana?” (Joba 9:32) Na kely aza ny zavatra fantatsika momba “ny sain’i Jehovah”, dia efa miaiky toa an’i Joba isika hoe: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy! Fa raha ny kotroka mafy avy aminy kosa, iza no mahalala izany?”​—Joba 26:14.

20 Inona no tokony hataonao, raha mahita andinin-teny tsy mora azo ianao, indrindra raha mahakasika ny fomba fisainan’i Jehovah ilay izy? Ahoana raha efa nanao fikarohana ianao, nefa mbola tsy azonao ihany ilay andinin-teny? Raiso ho toy ny fitsapana ho anao izany, mba hahitana raha matoky an’i Jehovah ianao na tsia. Asehoy fa mino ianao hoe mety foana ny zavatra ataon’i Jehovah, satria manana toetra tsara izy. Mila manetry tena koa ianao ka miaiky fa tsy voatery hazava aminao daholo ny zavatra ataon’i Jehovah. (Mpito. 11:5) Raha manao izany ianao dia hiombon-kevitra amin’ny apostoly Paoly hoe: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany! Fa ‘iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, ary iza no lasa mpanoro hevitra azy?’ Na, ‘iza no nanome azy aloha, ka tsy maintsy valiany koa avy eo?’ Fa avy aminy ny zava-drehetra, ary izy no nampisy izany sady ho azy izany. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay! Amena.”​—Rom. 11:​33-36.

30 OKTOBRA–5 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 11-12

“Fomba Telo Ahazoana Fahendrena”

w09 15/4 7 § 17

Nidera ny Anaran’i Jehovah i Joba

17 Inona no nanampy an’i Joba tsy hivadika mihitsy? Hita fa efa nifandray tsara tamin’i Jehovah izy, talohan’ny loza nanjo azy. Tsy haintsika raha fantany na tsia, ilay adihevitra napoitran’i Satana. Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy anefa i Joba, ka niteny hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.” (Joba 27:5) Ahoana no nahatonga azy hifandray tsara tamin’i Jehovah? Fantany ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, izay havany lavitra. Azo inoana fa nahafaly azy izany. Nandinika ny zavaboary koa i Joba, ka lasa nisy toetran’i Jehovah fantany.​—Vakio ny Joba 12:​7-9, 13, 16.

w21.06 10-11 § 10-12

Tsy Irery Mihitsy Ianao Satria eo Foana i Jehovah!

10 Ataovy namana ny mpiara-manompo. Mitadiava namana azonao atao modely ao amin’ny fiangonana. Tsy maninona na tsy mitovy taona aza ianareo na tsy mitovy fiaviana. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe ‘manam-pahendrena ny be taona.’ (Joba 12:12) Na ny be taona koa aza anefa afaka miana-javatra avy amin’ireo tanora tsy mivadika. Zandrin’i Jonatana lavitra i Davida, nefa tsy nisakana an-dry zareo tsy ho mpinamana be izany. (1 Sam. 18:1) Nifanampy izy mianaka mba samy hahavita hanompo an’i Jehovah, na dia niatrika ny mafy aza. (1 Sam. 23:​16-18) Niezaka ninamana tamin’ny mpiara-manompo i Irina. Izy irery no Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviany. Izao no nolazainy: “Mety ho lasa hoatran’ny hoe ray aman-drenintsika na iray tam-po amintsika mihitsy ny rahalahy sy anabavy. Mampiasa azy ireny i Jehovah mba hanomezana an’izay ilaintsika.”

11 Mety tsy ho mora ny mahazo namana, indrindra raha saro-kenatra ianao. Hoatr’izany ny anabavy atao hoe Ratna. Nianatra ny fahamarinana izy na dia nisy nanohitra aza. Hoy izy: “Tsy maintsy nanaiky aho hoe nila fanampiana sy fampaherezana avy tamin’ny ranadahy sy rahavavy tao amin’ny fiangonana.” Marina fa mety ho sarotra aminao ny hilaza ny fihetseham-ponao amin’ny olona. Raha manao an’izany anefa ianao, dia mety ho lasa mpinamana be ianareo. Tadidio fa te hampahery sy hanampy anao ny namanao, nefa ianao no mila mampahafantatra an-dry zareo hoe inona no azony atao ho anao.

12 Anisan’ny fomba tsara indrindra hahazoana namana ny manompo miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy. Izao no nolazain’i Carol, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nahazo namana mahafinaritra be dia be aho rehefa niara-nanompo tamin’ny rahavavy samihafa, sy niaraka tamin-dry zareo nanao zavatra hafa nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ireny namako ireny no nampiasain’i Jehovah mba hanampiana ahy nandritra ny taona maro.” Tsy ho matiantoka mihitsy ianao raha miezaka minamana amin’ny Kristianina tsy mivadika. Mampiasa azy ireny i Jehovah mba hanampiana anao rehefa kivy ianao, ohatra hoe rehefa mahatsiaro ho manirery.​—Ohab. 17:17.

it “Fahendrena”: “Fahendren’Andriamanitra” § 1

Fahendrena

Fahendren’Andriamanitra. Faran’izay hendry i Jehovah Andriamanitra, ary izany no dikan’ny hoe izy no “hany manam-pahendrena.” (Ro 16:27; Ap 7:12) Mpamorona izy sady efa nisy “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Sl 90:​1, 2) Mahalala tsara momba an’izao rehetra izao sy ny fomba namoronana azy ary ny tantarany izy. Fahafantarana ny zava-misy mantsy no atao hoe fahalalana. Izy no nanao ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny natiora, ary ny tsingerina rehetra. Tena ilain’ny mpikaroka sy ny mpamorona zava-baovao ireny fitsipika sy tsingerina tsy miovaova ireny, raha tsy izany dia tsy mahavita na inona na inona izy ireo. (Jb 38:​34-38; Sl 104:24; Oh 3:19; Je 10:​12, 13) Nanome fitsipika momba ny fitondran-tena koa i Jehovah ary tena ilaina ireny mba hampety tsara ny fiainana, sy hahaizana manapa-kevitra ary hahombiazana. (De 32:​4-6; jereo JEHOVAH [Manana fitsipika Andriamanitra].) Mahira-tsaina i Jehovah ka tsy misy tsy takatry ny sainy. (Is 40:​13, 14) Misy zava-mitranga sasany mety havelany hisy mandritra ny fotoana kelikely na dia mifanohitra amin’ny fitsipiny ara-drariny aza. Tena voafehiny tanteraka anefa ny hoavy, ka tsy maintsy hifanaraka amin’ny sitrapony. Tsy maintsy “hahomby” izay rehetra nolazainy.​—Is 55:​8-11; 46:​9-11.

Vatosoa Ara-panahy

w08 1/8 11 § 5

Mahaiza Miresaka Amin’ny Zanakao

▪ ‘Inona no tena tiany holazaina?’ Hoy ny Joba 12:11: “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?” Izao indrindra ianao no mila “mamantatra” izay tena tian’ny zanakao holazaina. Manitatra ny ankizy matetika. Mety hilaza izy hoe: “Ataonareo hoatran’ny zazakely foana aho!”, na: “Tsy mihaino ahy mihitsy ianareo!” Aza miady hevitra aminy hoe tsy marina ny teniny. Mety ho zavatra hafa mantsy no tiany holazaina. Aoka hatao hoe miteny an’izao tokoa izy: “Ataonareo hoatran’ny zazakely foana aho!” Izao angamba no tiany holazaina: “Tsy atokisanareo aho.” Ary ahoana ilay hoe: “Tsy mihaino ahy mihitsy ianareo!”? Mety te hilaza izy hoe: “Mba tiako ho fantatrareo ny hevitro.” Fantaro àry ny tena tian’ny zanakao holazaina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara