Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
2-8 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 79-81
Asehoy hoe Tianao ny Anaran’i Jehovah Be Voninahitra
“Fanomezana Tonga Lafatra” avy any Amin’ny Ray ny Vidim-panavotana
5 Ary isika? Ahoana no ampisehoantsika fa tiantsika ny anaran’i Jehovah? Amin’ny fomba fiainantsika. Milaza izy fa tokony ho masina isika. (Vakio ny 1 Petera 1:15, 16.) Midika izany hoe izy irery no tokony hotompointsika, ary tokony hankatò azy amin’ny fo manontolo isika. Miezaka mafy mankatò ny toro lalany sy ny lalàny isika, na dia rehefa enjehina aza. Rehefa manao ny tsara isika, dia mampamirapiratra ny fahazavantsika, ka manome voninahitra ny anaran’i Jehovah. (Mat. 5:14-16) Porofointsika amin’izany hoe mahasoa ny lalàn’i Jehovah ary mpandainga i Satana. Mety hanao fahadisoana daholo anefa isika. Hibebaka isika rehefa mitranga izany, ary hiezaka mafy mba hiala amin’ireo fanao manala baraka an’i Jehovah.—Sal. 79:9.
Romanina 10:13: ‘Izay Miantso ny Anaran’ny Tompo no Hovonjena’
Ny hoe ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ dia tsy midika fotsiny hoe mahalala ny anarany sy mampiasa azy io rehefa mivavaka aminy. (Salamo 116:12-14) Tafiditra amin’izany koa ny hoe matoky an’Andriamanitra sy mitady ny fanampiany.—Salamo 20:7; 99:6.
Zava-dehibe tamin’i Jesosy Kristy ny anaran’Andriamanitra. Izao no teniny voalohany tao amin’ilay vavaka modely: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Nasehon’i Jesosy koa fa tsy maintsy miezaka hahalala sy hankatò ary ho tia an’i Jehovah isika, raha te hahazo fiainana mandrakizay.—Jaona 17:3, 6, 26.
Vatosoa Ara-panahy
it “Josefa”: “Lasa nalaza ny anarany” § 1-2
Josefa
Lasa nalaza ny anarany. Niavaka noho ireo rahalahiny i Josefa, ka nety tsara raha ny anarany no nampiasaina indraindray mba hilazana ny foko rehetran’ny Israely (Sl 80:1) na hilazana an’ireo foko lasa anisan’ilay fanjakana tany avaratra. (Sl 78:67; Am 5:6, 15; 6:6) Ampiasaina ao amin’ny faminaniana koa ny anarany. Milaza, ohatra, ny fahitan’i Ezekiela fa hahazo lova anjaran-droa i Josefa (Ezk 47:13), ary hitondra ny anarany ny vavahady iray ao amin’ilay tanàna hoe “Jehovah Mihitsy no Ao.” (Ezk 48:32, 35) I Josefa no voalaza fa lehiben’ny ampahany iray tamin’ny firenen’Israely ary i Joda no lehiben’ny ampahany iray, ao amin’ilay faminanian’i Ezekiela momba ny hampiraisana indray ny vahoakan’i Jehovah. (Ezk 37:15-26) Naminany i Obadia fa anisan’ireo handringana “ny taranak’i Esao” “ny taranak’i Josefa.” (Ob 18) Naminany koa i Zakaria fa hovonjen’i Jehovah “ny taranak’i Josefa.” (Za 10:6) Ny fokon’i Josefa, fa tsy ny fokon’i Efraima, no voalaza fa anisan’ny Israely ara-panahy.—Ap 7:8.
Anisan’ireo voatanisa ao amin’ny Apokalypsy 7:8 i Josefa, ka midika izany fa mihatra amin’ny Israely ara-panahy koa ilay faminaniana nambaran’i Jakoba tamin’izy efa ho faty. Tsara homarihina àry fa Ilay Maherin’i Jakoba, izany hoe i Jehovah Andriamanitra, no nanome an’ilay Mpiandry Tena Tsara, dia i Kristy Jesosy izay nahafoy ny ainy ho an’ny “ondry.” (Jn 10:11-16) Vato fehizoro koa i Kristy Jesosy, ary miorina eo amboniny ny tempolin’Andriamanitra, izay tsy iza fa ny Israelita ara-panahy. (Ef 2:20-22; 1Pe 2:4-6) Niaraka tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra io Mpiandry sady Vato fehizoro io.—Jn 1:1-3; As 7:56; He 10:12; ampit. Ge 49:24, 25.
9-15 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 82-84
Mifalia Amin’izay Ataonao ho An’i Jehovah
Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vorona?
Zatra nahita sidintsidina ny mponin’i Jerosalema. Teny ambanin’ny sisin-tafontrano izy ireny matetika no nanao ny akaniny. Nisy koa nanao ny akaniny tao amin’ny tempolin’i Solomona, isan-taona. Hain’ny sidintsidina angamba hoe toerana nety tsara ametrahana akany ny faritry ny tempoly. Tsy nisy nanakotaba mantsy izy ireo tao, ka afaka nikarakara tsara ny zanany.
Hitan’ny iray tamin’ny taranak’i Kora fa nijanona tao an-tranon’i Jehovah foana ireny sidintsidina ireny, ka te ho hoatr’ireny izy. Izy mantsy isaky ny enim-bolana ihany no mba nanompo tao, sady amin’izay indray herinandro monja. Hoy àry izy ao amin’ny Salamo 84:1-3: “Tiako loatra ny tranolainao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô! Manimanina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranolain’i Jehovah aho, ka trotraky ny alahelo. ... Na ny vorona aza nahita trano, ary ny sidintsidina nahita akany hametrahany ny zanany, dia eo amin’ny alitaranao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Mpanjakako sy Andriamanitro!” Ary isika sy ny zanatsika? Tena tiantsika sy ankasitrahantsika ve ny mivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra?—Salamo 26:8, 12.
Mahaiza Mandanjalanja, dia ho Faly Ianao
Efa be taona ve ianao na marary? Tsy dia mahavita manompo firy angamba ianao. Ray aman-dreny manan-janaka kely ve ianao? Mety hahatsapa ianao fa tsy mandray soa firy amin’ny fianarana samirery na fivoriana, satria lany amin’ny fikarakarana ny zanakao ny fotoananao sy ny herinao. Variana loatra mieritreritra ny zavatra tsy vitantsika anefa isika indraindray, ka tsy hitantsika fa mbola misy azontsika atao ihany.
Fahiny, dia nisy zavatra tena nirin’ny Levita iray nefa tsy azony. Efa nanana tombontsoa nanompo nandritra ny tapa-bolana tao amin’ny tempoly izy, isan-taona. Satriny anefa hijanona eo akaikin’ny alitara, izany hoe hanompo foana ao amin’ny tempoly. Tena tsara ilay faniriany. (Sal. 84:1-3) Inona anefa no nanampy azy hionona? Hitany fa efa tena tombontsoa sarobidy na dia ny manompo indray andro eo an-kianjan’ny tempoly aza. (Sal. 84:4, 5, 10) Tsy tokony ho variana mieritreritra ny zavatra tsy vitantsika koa isika, fa hijery izay mbola azontsika atao, ary hankasitraka izany.
Sarobidy Amin’i Jehovah Andriamanitrao Ianao!
12 Marary ve ianao izao? Matokia fa fantatr’i Jehovah izay mahazo anao. Iangavio izy mba hanampy anao hanana fomba fijery tsara fa tsy ho kivy loatra. Tadiavo ao amin’ny Baiboly avy eo ireo “teny soa” notehiriziny ho anao ao. Mifantoha amin’izay andinin-teny mampiseho hoe tena sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony. Rehefa manao an’izany ianao, dia ho hitanao hoe tsara fanahy amin’izay tsy mivadika aminy izy.—Sal. 84:11.
Vatosoa Ara-panahy
it “Kamboty Ray” § 2-3
Kamboty Ray
Mora hadino ireny olona nidonam-pahoriana sy tsy misy mpiaro ireny. Nampiasa ilay hoe “kamboty ray” àry i Jehovah mba hahitana raha nanao ny rariny ny Israely na tsia. Voakarakara erỳ mantsy ny kamboty ray rehefa nankatò tsara an’Andriamanitra ny Israely. Azo antoka anefa fa natao tsirambina ny kamboty ray rehefa nanjaka ny tsy rariny, ary izany no namantarana hoe simba be ny fifandraisan’ilay firenena tamin’Andriamanitra. (Sl 82:3; 94:6; Is 1:17, 23; Je 7:5-7; 22:3; Ezk 22:7; Za 7:9-11; Ml 3:5) Nanozona an’izay nampahory an’ireo kamboty ray i Jehovah. (De 27:19; Is 10:1, 2) Izy mihitsy no nilaza ny tenany hoe Mpanavotra ny kamboty ray (Oh 23:10, 11), Mpanampy azy (Sl 10:14), ary Rainy (Sl 68:5). Izy no manome rariny ho azy ireny (De 10:17, 18), mamindra fo aminy (Ho 14:3), manao izay hahamaivana ny fahoriany (Sl 146:9), ary mitsimbina ny ainy.—Je 49:11.
Anisan’ny amantarana ny tena Fivavahana Kristianina ny fiahiana an’ireo namoy vady na ray aman-dreny. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.”—Jk 1:27.
SEPTAMBRA 16-22
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 85-87
Manampy Antsika Hiaritra ny Vavaka
Manome Taratra ny Voninahitr’i Jehovah ve Ianao?
10 Mila ‘maharitra amin’ny vavaka’ koa isika, raha te hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah. (Rom. 12:12) Tokony hivavaka amin’i Jehovah isika, mba hanampiany antsika hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany. Afaka mangataka aminy isika mba homeny fanahy masina, finoana bebe kokoa, hery hanoherana fakam-panahy, ary fahaizana “manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Tim. 2:15; Mat. 6:13; Lioka 11:13; 17:5) Mila miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, toy ny ankizy miantehitra amin’ny rainy. Azo antoka fa hanampy antsika izy, raha mangataka fanampiana aminy isika mba hahafahantsika hanompo azy amin’ny fomba tsara kokoa. Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe mety hanelingelina azy ny vavaka ataontsika! Tokony hazoto hivavaka kosa isika, ka hidera azy, hisaotra azy, ary hangataka tari-dalana aminy, indrindra fa rehefa misy fitsapana. Aza hadinoina koa ny mangataka fanampiana aminy, mba hahafahanao manome voninahitra ny anarany masina.—Sal. 86:12; Jak. 1:5-7.
Ahoana no Amalian’i Jehovah ny Vavaka Ataontsika?
17 Vakio ny Salamo 86:6, 7. Nahazo antoka i Davida mpanao salamo hoe nihaino sy namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Afaka matoky hoatr’izany koa ianao. Hitantsika tamin’ireo ohatra nodinihintsika tato fa afaka manome fahendrena sy hery hiaretana i Jehovah. Azony ampiasaina hanampiana antsika koa ny fianakaviantsika ara-panahy, ary na dia ny olona mbola tsy manompo azy aza.
18 Marina aloha hoe tsy araka ny ieritreretantsika azy no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika indraindray. Fantatsika anefa hoe hamaly azy ireny izy. Izay ilaintsika mihitsy no omeny ary amin’ny fotoana tena ilantsika an’izany. Mivavaha foana àry, dia manàna finoana. Matokia fa hikarakara anao i Jehovah dieny izao, ary ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy ao amin’ny tontolo vaovao.—Sal. 145:16.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fo”: “Manompo amin’ny ‘fo manontolo’” § 1
Fo
Manompo amin’ny “fo manontolo.” Tsy ho velona ny olona iray raha analana ny fony ara-bakiteny. Ny fo an’ohatra kosa mety ho voazarazara. Hoy àry i Davida: “Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” Midika izany fa mety ho tsy amin’ny fo manontolo no itiavana na atahorana an’Andriamanitra. (Sl 86:11) Mety ‘hanana fo voazarazara’ ny olona iray, ka matimaty ara-panahy. (Sl 119:113, f.a.p.; Ap 3:16) Mety ‘hanana fo roa’ koa izy, izany hoe mety hanompo tompo roa na hamitaka ka hafa no lazainy nefa hafa ny ao an-tsainy. (Sl 12:2, f.a.p.) Nomelohin’i Jesosy ny mpihatsaravelatsihy toy izany.—Mt 15:7, 8.
SEPTAMBRA 23-29
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 88-89
Ny Fitondran’i Jehovah no Tsara Indrindra
Asehoy fa Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra Ianao
5 Manan-jo hitondra an’izao rehetra izao koa i Jehovah satria manao ny rariny foana izy rehefa mampihatra ny fahefany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah, dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany, satria toetra tena mahafinaritra ahy ireo.” (Jer. 9:24) Tsy mila lalàna nataon’ny olombelona tsy lavorary izy, mba hamaritana ny atao hoe rariny sy hitsiny. Izy mihitsy no efa manao ny rariny, ary tsy misy hokianina ny fanaovany an’izany. Nataony mifanaraka amin’izany ny lalàna nomeny ny olombelona. ‘Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany.’ Afaka matoky àry isika fa mifanaraka amin’ny rariny daholo ny lalàna sy toro lalana omeny, ary ny fanapahan-kevitra raisiny. (Sal. 89:14; 119:128) I Satana kosa tsy mahavita mampanjaka ny rariny eto amin’ity tontolo ity, nefa manakiana ny fitondran’i Jehovah.
Asehoy fa Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra Ianao
10 Tsy mampijaly ny vahoakany i Jehovah, ary tsy manao didy jadona. Lasa manana fahafahana sy mahatsiaro ho faly izay manaiky ny fahefany. (2 Kor. 3:17) Izao no nolazain’i Davida momba an’i Jehovah: “Haja amam-boninahitra no eo anatrehany, ary hery sy fifaliana no ao amin’ny fonenany.” (1 Tan. 16:7, 27) Hoy koa i Etana mpanao salamo: “Sambatra izay olona manao horakora-pifaliana. Handeha amin’ny fahazavan’ny tavanao foana izy ireo, Jehovah ô! Ny anaranao no ifaliany mandrakariva, ary ny fahamarinanao no isandratany.”—Sal. 89:15, 16.
11 Ilaina ny misaintsaina matetika momba ny hatsaram-panahin’i Jehovah. Ho resy lahatra kokoa isika amin’izay hoe ny fitondrany no tsara indrindra. Hitovy hevitra amin’ny mpanao salamo koa isika. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo any an-toeran-kafa.” (Sal. 84:10) I Jehovah no namorona antsika, ka fantany tsara izay ilaintsika mba hahatonga antsika ho tena sambatra. Mihoatra noho izay ilaintsika aza no omeny. Mahasoa antsika izay rehetra asainy ataontsika. Ho sambatra foana isika raha mankatò an’i Jehovah, na dia misy zavatra tsy maintsy afointsika aza amin’izany.—Vakio ny Isaia 48:17.
Ataovy Mafy Orina ny Finoanao An’ilay Fanjakana
14 Diniho ny zavatra nampanantenain’i Jehovah an’i Davida mpanjakan’ny Israely, ao amin’ilay fifanekena tamin’i Davida. (Vakio ny 2 Samoela 7:12, 16.) Tamin’i Davida nanjaka tao Jerosalema i Jehovah no nanao an’io fifanekena io. Nampanantena izy tamin’izay fa ho avy amin’ny taranak’i Davida ny Mesia, ka lasa niharihary kokoa ny firazanan’ilay taranaka. (Lioka 1:30-33) Nolazain’i Jehovah fa ‘hanan-jo ara-dalàna’ ho Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesia ny iray amin’ny taranak’i Davida. (Ezek. 21:25-27) I Jesosy io taranany io. “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” izy, ary ‘haharitra toy ny masoandro ny seza fiandrianany.’ Noho izany, dia “ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny fanjakan’i Davida. (Sal. 89:34-37) Tsy ho lasa ratsy mihitsy àry ny fitondran’ny Mesia, ary haharitra mandrakizay ny soa entiny.
Vatosoa Ara-panahy
‘Ianao Ihany no Tsy Mivadika’
4 Ny hoe “tsy mivadika”, araka ny Soratra Hebreo, dia midika hoe tsara fanahy sy tia ary mifikitra amin-javatra iray, ka tsy mamela azy io raha tsy tanteraka ny zavatra nikasana azy. Be fitiavana ny olona tsy mivadika. Nolazain’ny mpanao salamo fa “vavolombelona marina” ny volana, satria miseho foana isan’alina. (Salamo 89:37) Azo itokisana sy ianteherana izy io, araka izany. Tsy azo lazaina ho tsy mivadika toy ny olona anefa ny volana. Nahoana? Satria porofon’ny fitiavana ny tsy fivadihana, nefa tsy afaka maneho izany ny zavatra tsy manana aina.
5 Porofon’ny fitiavana ny tsy fivadihana, ao amin’ny Baiboly. Ny fisehoan’izy io fotsiny dia efa milaza fa mifandray ilay olona tsy mivadika sy ilay tsy ivadihana. Zavatra mitohy io tsy fivadihana io. Tsy toy ny onjan-dranomasina miova arakaraka ny rivotra izy io. Sady maharitra no matanjaka kosa ny tsy fivadihana, na fitiavana tsy mivadika, ka afaka mandresy ny sakana mahery indrindra.
30 SEPTAMBRA–6 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 90-91
Matokia An’i Jehovah Raha Te ho Ela Velona Ianao
Te Ho Ela Velona ny Olona
Be dia be ny fitsaboana lazaina fa mahatonga ny olona tsy ho mora antitra. Na eo aza izany, dia betsaka ny mpahay siansa miaiky fa manodidina ny 70 na 80 taona foana ny androm-piainantsika. Marina aloha hoe lasa ela velona kokoa ny olona, nanomboka tamin’ny taona 1800 tany ho any. Lasa nadio kokoa mantsy ny olona, ary nahita fanafody sy vaksiny hiadiana amin’ny aretina ny mpitsabo. Tsy hoe lasa ela velona be anefa isika na izany aza.
Nanoratra toy izao i Mosesy, 3 500 taona teo ho eo izay: “Fitopolo taona no androm-piainanay, ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona, dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany! Mihelina ihany ny andron’ny taonanay.” (Salamo 90:10) Marina foana ireo tenin’i Mosesy ireo, na dia miezaka mafy aza ny olona mba ho ela velona kokoa.
Mahavariana fa velona mihoatra ny 150 taona ny sokatra sasany. Ny baobaba indray velona an’arivony taona. Ny an’ny olombelona anefa 70 na 80 taona, ka lasa saina isika hoe ‘dia izany fotsiny ve ny fiainana?’
wp19.1 5, efajoro
Iza no Anaran’Andriamanitra?
Be dia be ny olona efa nanontany an’izany, ary mety ho anisany ianao. Misy, ohatra, milaza hoe: “Raha nisy namorona izao rehetra izao, dia iza izany no namorona an’Andriamanitra?”
Miaiky ny ankamaroan’ny mpahay siansa hoe nisy fiandohana izao rehetra izao. Manamarina an’izany ilay andininy voalohany ao amin’ny Baiboly hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”—Genesisy 1:1.
Tsy ho nisy ny kintana sy ny planeta raha tsy nisy namorona. Tsy maintsy hoe nisy nanao azy ny zavatra iray vao misy, fa tsy hiforona ho azy eo. Raha tsy misy zavatra iandohana mantsy dia tsy misy na inona na inona miforona. Tsy maintsy hoe nisy àry ny Mpamorona. Fanahy tena mahery sy marani-tsaina izy io, ary Jehovah no anarany.—Jaona 4:24.
Hoy ny Baiboly momba azy: “Talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra, sy ny niterahanao ny tany mbamin’ny tany lonaka, dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Salamo 90:2) Efa nisy foana àry Andriamanitra hatramin’izay. Izy no namorona an’izao rehetra izao “tany am-piandohana.”—Apokalypsy 4:11.
Manampy Antsika Handresy ny Tahotra ny Fitiavana
16 Fantatr’i Satana hoe mamy amintsika ny aina. Milaza izy fa vonona ny hamoy ny zava-drehetra isika, na dia ny fifandraisantsika amin’i Jehovah aza, raha izay no hahavelona antsika. (Joba 2:4, 5) Diso be anefa i Satana! Na izany aza, dia manararaotra an’ilay isika matahotra ny ho faty izy, mba hanerena antsika hiala amin’i Jehovah. I Satana mantsy no “manan-kery hahatonga fahafatesana.” (Heb. 2:14, 15) Indraindray ny mpanompon’i Jehovah rahonan’ny olona eo ambany fahefan’i Satana hoe hovonoina ho faty, raha tsy mandà ny finoany. Mety hisy fotoana koa isika harary mafy, dia hohararaotin’i Satana izany mba hahatonga antsika hampandefitra ny finoantsika. Mety hanery antsika hampidiran-dra, ohatra, ny dokotera sy ny fianakaviana tsy Vavolombelona, nefa mandika ny lalàn’Andriamanitra izany. Na mety hisy hiezaka handresy lahatra antsika mba hanaraka fitsaboana tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina.
17 Marina fa tsy te ho faty isika. Fantatsika anefa hoe ho tia antsika foana i Jehovah na dia maty aza isika. (Vakio ny Romanina 8:37-39.) Rehefa misy namany maty, dia tadidiny foana ry zareo ka hoatran’ny hoe mbola velona mihitsy. (Lioka 20:37, 38) Tsy andriny izay hamelomana azy ireo indray. (Joba 14:15) Nahafoy zavatra sarobidy be i Jehovah, mba ‘hahazoantsika fiainana mandrakizay.’ (Jaona 3:16) Fantatsika hoe tena tia antsika izy sady mikarakara antsika. Aza miala amin’i Jehovah mihitsy àry rehefa marary, na rahonana hoe hovonoina! Aleo kosa mangataka fampiononana sy fahendrena ary hery avy aminy. Izany mihitsy no nataon’i Valérie sy ny vadiny.—Sal. 41:3.
Vatosoa Ara-panahy
Manana Anjely Mpiambina ve Ianao?
Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika [mpianatr’i Kristy] ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.” (Matio 18:10) Tsy te hilaza anefa izy hoe manana anjely mpiambina azy ny olona tsirairay. Te hilaza kosa izy fa mitady izay hahasoa ny mpianany tsirairay ny anjely. Tsy misangy loza àry ny tena mpivavaka, satria tsy manantena izy ireo hoe hiaro azy foana ny anjelin’Andriamanitra.
Midika ve izany fa tsy manampy ny olona ny anjely? Tsia. (Salamo 91:11) Misy tena resy lahatra hoe nanampy sy nitari-dalana azy ny anjelin’Andriamanitra. Anisan’izany i Kenneth, ilay voaresaka tany aloha. Mety ho marina ny azy. Imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no mahatsapa fa manampy azy ireo amin’ny asa fitoriana ny anjely. Tsy hita maso anefa ny anjely, ka tsy haintsika hoe hoatran’ny ahoana avy no ampiasan’Andriamanitra azy ireny mba hanampiana ny olona. Na izany aza, dia tsy diso isika raha misaotra an’ilay Mahery Indrindra noho izy manampy antsika, na inona na inona fomba ampiasainy.—Kolosianina 3:15; Jakoba 1:17, 18.
OKTOBRA 7-13
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 92-95
Tsy Misy Tsara Hoatran’ny Manompo An’i Jehovah!
Ry Tanora, Miezaka Hanatratra Tanjona Ara-panahy ve Ianareo?
5 Voalohany, mila manana tanjona ara-panahy isika mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe tena ankasitrahantsika ny fitiavany antsika sy ny zavatra nataony ho antsika. Hoy ny mpanao salamo: ‘Tsara ny misaotra anao, Jehovah ô! Mampifaly ahy ianao, ka ny asanao no ampifalianao ahy, ary noho ny asan’ny tananao, dia mihoby aho.’ (Sal. 92:1, 4) Eritrereto àry ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ho anao. Nomeny aina ianao, ary nomeny ny Baiboly sy ny fiangonana. Lasa nahafantatra ny marina momba azy koa ianao, ary lasa afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Rehefa miezaka hanatratra tanjona ara-panahy àry ianao, dia asehonao an’i Jehovah hoe mankasitraka azy ianao noho izany fitahiana rehetra izany. Vao mainka hifandray tsara aminy ianao amin’izay.
Ny Hevitr’iza no Arahinao?
8 Hoatran’ny ray aman-dreny mahay mitaiza i Jehovah. Tiany ho afa-po amin’ny fiainana ny mpanompony. (Isaia 48:17, 18) Omeny toro lalana àry isika, mba hanampiana antsika hanao ny tsara sy hahay hifandray amin’ny hafa. Ampirisihiny isika mba hiezaka hitovy hevitra aminy sy hanaraka an’izay hitany hoe mety. Manampy antsika hieritreritra tsara izany, fa tsy mahatonga antsika ho voafehifehy be akory. (Sal. 92:5; Ohab. 2:1-5; Isaia 55:9) Raha manao an’izany isika, dia ho tsara ny safidy hataontsika, ka ho sambatra isika. Mbola ho afaka ny hanana ny maha izy antsika ihany koa anefa isika. (Sal. 1:2, 3) Tena mahasoa àry ny manaraka ny fomba fisainan’i Jehovah.
Sarobidy Amin’i Jehovah Andriamanitrao Ianao!
18 Matokia fa manana asa hampanaovina anao foana i Jehovah na dia mihantitra aza ianao. (Sal. 92:12-15) Mety hieritreritra ianao hoe voafetra ny vitanao, na hoe tsy misy dikany ny ezaka ataonao. Sarobidy amin’i Jehovah anefa izay rehetra ataonao ho azy, ary izany no nampianarin’i Jesosy. (Lioka 21:2-4) Izay azonao atao àry ifantohana, ohatra hoe miresaka momba an’i Jehovah sy mivavaka ho an’ny mpiara-manompo ary mampirisika ny hafa tsy hivadika. Tadidio koa fa tsy noho ny zavatra vitanao no mahatonga an’i Jehovah hihevitra anao ho mpiara-miasa aminy, fa satria ianao mankatò azy amin’ny fo manontolo.—1 Kor. 3:5-9.
Vatosoa Ara-panahy
‘Endrey ny Halalin’ny Fahendren’Andriamanitra!’
18 Mariho ny fomba nilazan’ny apostoly Paoly ny hoe tsy manam-paharoa ny fahendren’i Jehovah: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” (Romana 11:33) Matoa i Paoly nilaza hoe “Endrey”, dia midika izany fa nisy fihetseham-po mafy tao amin’ny teniny, dia ny tahotra izany. Mifandray akaiky amin’ilay teny nadika hoe “lavaka tsy hita noanoa” ny teny grika nampiasain’i Paoly ho an’ilay hoe ‘halaliny’ eto. Misy hevitra lehibe àry tonga ao an-tsain’ny mpamaky. Rehefa mijery ny fahendren’i Jehovah isika, dia toy ny mitazana ao anaty lavaka mangitsokitsoka, ary lalina sy lehibe ka tsy hitantsika mihitsy ny habeny. Vao mainka tsy ho haintsika koa ny hamaritra na hamantatra azy io amin’ny an-tsipiriany. (Salamo 92:5) Tsy mahatonga antsika hanetry tena ve izany?
14-20 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 96-99
‘Ambarao Isan’andro ny Vaovao Tsara’!
Inona Ilay Vaovao Tsara?
TOKONY hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” ny Kristianina, ka hanazava amin’ny olona fa io Fanjakana io dia fitondram-panjakana hitondra ny tany manontolo araka ny fahamarinana. Misy fomba hafa ampiasana ny teny hoe “vaovao tsara” koa anefa ao amin’ny Baiboly. Hitantsika ao, ohatra, ny hoe ‘vaovao tsara momba ny famonjena’, “vaovao tsaran’Andriamanitra”, “vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy.”—Salamo 96:2; Romanina 15:16; Marka 1:1.
Raha tsorina, dia anisan’ny vaovao tsara ny fahamarinana rehetra nolazain’i Jesosy sy nosoratan’ny mpianany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Tsy ny hitory momba ilay Fanjakana fotsiny àry no asan’ny tena Kristianina, fa ny hanao mpianatra koa.
Inona no Hitranga Amin’ny Andro Fitsarana?
Asehon’ny sary eo ankavanana ny hevitry ny olona maro momba izany. Olona an’arivony tapitrisa, hono, no ho eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary hotsaraina araka izay nataony talohan’ny nahafatesany izy ireo. Misy hiaina any an-danitra, fa ny sasany hijaly any amin’ny afobe. Milaza anefa ny Baiboly fa natao hanafoanana tanteraka ny tsy rariny ny Andro Fitsarana. (Salamo 96:13) I Jesosy no notendren’Andriamanitra ho Mpitsara amin’izany.—Vakio ny Isaia 11:1-5; Asan’ny Apostoly 17:31.
Hanjaka ny Fiadanana Mandritra ny Arivo Taona sy Aorian’izay!
18 Tapaka izany fifandraisana mahafinaritra izany, rehefa nanaiky an’i Satana ny olombelona, ka nikomy tamin’ny fitondran’i Jehovah. Nanao zavatra tsikelikely anefa i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914. Nanomboka namerina ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana ny Fanjakan’ny Mesia tamin’izay, ary mbola hitohy izany any amin’ny Arivo Taona. (Efes. 1:9, 10) Hotanterahina mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ireo zavatra mahatalanjona mbola ‘tsy hitantsika.’ Rehefa vita izany, dia ho tonga ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Inona no hitranga aorian’izay? Na dia efa nomena an’i Jesosy aza ny “fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”, dia tsy mieritreritra handrombaka ny toeran’i Jehovah izy. Manetry tena kosa izy ka “hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy.” Hampiasainy ho “voninahitr’Andriamanitra” ny fahefana manokana ananany.—Mat. 28:18; Fil. 2:9-11.
19 Efa lasa lavorary ny olombelona eto an-tany, amin’izay fotoana izay. Hanahaka ny modelin’i Jesosy izy ireo, ary hanetry tena sy hanaiky an-tsitrapo ny zon’i Jehovah hitondra. Ho tafavoaka amin’ilay fitsapana farany izy ireo, raha tsy mivadika. Ho hita amin’izany fa tena manaiky ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo. (Apok. 20:7-10) Horinganina mandrakizay ny mpikomy rehetra aorian’izay, na olombelona izany na anjely. Tena hahafinaritra tokoa ny fiainana amin’izay! Ho faly hidera an’i Jehovah ny fianakaviany any an-danitra sy etỳ an-tany, ary ho “zava-drehetra ho an’ny rehetra” izy.—Vakio ny Salamo 99:1-3.
Vatosoa Ara-panahy
it “Hira, II” § 3
Hira, II
Tsy ny Salamo ihany no miresaka “hira vaovao”, fa ireo boky nosoratan’i Isaia sy ny apostoly Jaona koa. (Sl 33:3; 40:3; 96:1; 98:1; 144:9; 149:1; Is 42:10; Ap 5:9; 14:3) Nohiraina izy io isaky ny nisy toe-javatra vaovao nahatonga an’i Jehovah hampihatra ny fahefany tamin’ny fomba vaovao, rehefa jerena ny teny manodidina. Milaza, ohatra, ny Salamo 96:10 hoe: “Lasa mpanjaka i Jehovah.” Toa ny fomba vaovao hampiharan’i Jehovah ny fahefany sy ny vokatr’izany ho an’ny lanitra sy ny tany, no foto-kevitr’io “hira vaovao” io.—Sl 96:11-13; 98:9; Is 42:10, 13.
21-27 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 100-102
Asehoy hoe Mankasitraka ny Fitiavan’i Jehovah sy ny Tsy Fivadihany Ianao
Inona no Hanampy Anao ho Vonona Hatao Batisa?
18 Toetra tsara ilay hoe tia an’i Jehovah, ary io no toetra tsara indrindra anananao. (Vakio ny Ohabolana 3:3-6.) Rehefa tia be an’Andriamanitra ianao, dia ho vitanao ny hiatrika ny olana eo amin’ny fiainana. Matetika ny Baiboly no miresaka hoe tia sy tsy mivadika amin’ny mpanompony i Jehovah. Firaiketam-po lalina izy io, ka midika izany hoe tsy handao ny mpanompony mihitsy izy ary ho tia azy ireo foana. (Sal. 100:5) Noforonina hitovy endrika amin’Andriamanitra ianao. (Gen. 1:26) Inona àry no azonao atao mba hanehoana fitiavana hoatr’izany?
19 Miezaha aloha hahay hankasitraka. (1 Tes. 5:18) Saintsaino izao isan’andro: ‘Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tia ahy izy?’ Aza hadinoina ny misaotra azy avy eo, ary tonòny ao amin’ny vavaka ny zavatra nataony ho anao. Raiso hoe nataony ho anao manokana ilay izy satria tiany ianao. Hoatr’izany no tsapan’ny apostoly Paoly momba an’i Jehovah. (Vakio ny Galatianina 2:20.) Saintsaino koa izao: ‘Te hamaly fitia azy ve aho?’ Raha tia an’i Jehovah ianao, dia hiezaka foana hanohitra fakam-panahy ary hahavita hiatrika olana. Io fitiavana io koa no handrisika anao hanohy foana ny fahazarana ara-panahy efa anananao, ary izany no hampisehoanao isan’andro isan’andro hoe tianao ilay Rainao.
“Aoka Ianareo Hisaina Tsara Foana sy Hiambina!”
10 Anisan’ny loza tsy maintsy halavirintsika ny milalao fitia, miboboka toaka, tendan-kanina, manao teny maharary, ary ny mijery fialam-boly misy herisetra na sary vetaveta, sy ny hoatr’izany. (Sal. 101:3) Mitady hirika foana mantsy ny Devoly fahavalontsika, mba hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (1 Pet. 5:8) Raha tsy mitandrina isika, dia mety hataon’i Satana izay hahatonga antsika hanomboka hitsiriritra, tsy hanao ny marina, tsy hety afa-po, hankahala ny hafa, hanambony tena, ary hitana lolompo. (Gal. 5:19-21) Hoatran’ny hoe mamafy voa ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika izy amin’izany. Mety hoe tsy mahery be ireo fihetseham-po ireo amin’ny voalohany. Ahoana anefa raha tsy tonga dia manao zavatra isika mba hanongotana an’ireo? Hitombo hoatran’ny zavamaniry misy poizina ireo, ka ho voa mafy isika.—Jak. 1:14, 15.
Manaraka ny Fampitandreman’i Jehovah ve Ianao?
7 Inona no tokony hataontsika mba hanalavirana ny mpampianatra sandoka? Tsy mampiditra azy ireny ao an-trano, tsy miresaka aminy, tsy mamaky ny bokiny, ary tsy mijery ny fandaharany ao amin’ny tele. Tsy mamaky na mamaly ny zavatra soratan’izy ireo amin’ny Internet koa isika. Nahoana isika no hentitra be toy izany? Satria tia an’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana” isika, ka tsy te hihaino fampianarana manohitra ny fahamarinana ao amin’ny Teniny. (Sal. 31:5; Jaona 17:17) Tiantsika koa ny fandaminan’i Jehovah. Izy io no nampianatra antsika ny marina, izay tena sarobidy tokoa. Nampianariny antsika, ohatra, hoe iza no anaran’Andriamanitra ary inona no dikan’ny anarany, inona no fikasany momba ny tany, ary manao ahoana ny olona rehefa maty. Nampahafantariny koa hoe mbola hatsangana ny maty. Azo antoka fa faly be ianao tamin’ny ianao vao nahalala an’ireo sy ny fampianarana hafa. Aza avela hanimba ny toe-tsainao àry ny olona manambany ny fandaminana, dia ilay fandaminana nampianatra anao an’ireo fampianarana sarobidy ireo.—Jaona 6:66-69.
8 Tsy hanaraka ny mpampianatra sandoka isika, na inona na inona lazain’izy ireny! Lavadrano tsy misy rano izy ireny, ka ho diso fanantenana isika raha miantehitra aminy. Tapa-kevitra isika fa tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Mbola tsy nandiso fanantenana antsika ny fandaminana. Nampianatra antsika ny marina avy ao amin’ny Baiboly foana izy io, ka toy ny hoe manome antsika rano madio sy manala hetaheta.—Isaia 55:1-3; Mat. 24:45-47.
Vatosoa Ara-panahy
it “Gisandrano” § 3-4
Gisandrano
Manidina mankany amin’ny toerana mitokana ny gisandrano matetika rehefa voky. Ampidininy ho eo amin’ny sorony ny lohany ary tsy mihetsika mihitsy izy, ka toy ny vato fotsy rehefa tazanin-davitra. Ora maro no anaovany an’io paozy mampahonena io. Mety tsara àry raha nilaza toy izao ny mpanao salamo, rehefa ory dia ory izy ka tsy nahavita na inona na inona: “Tahaka ny gisandrano any an-tany efitra aho.” (Sl 102:6) Mety ho toerana lavitra tanàna fotsiny, angamba heniheny, ilay hoe ‘tany efitra’ eo. Misy fotoana mbola ahitana gisandrano any amin’ireo heniheny any amin’ny faritra avaratry ny Lohasahan’i Jordana. Ny gisandrano fotsy (Pelecanus onocrotalus) no tena fahita any Israely. Hita any koa anefa indraindray ny gisandrano misy sanga (Pelecanus crispus) sy ny gisandrano mavokely ny lamosiny (Pelecanus rufescens).
Tena tian’ny gisandrano ny tany ngazana, satria tsy helingelenin’ny olona izy any. Manao akany sy mikotrika ary miala sasatra any izy rehefa mahazo trondro. Ilazana toerana aolo ny hoe gisandrano ao amin’ny Baiboly, noho izy tia toerana mitokana sy ngazana. Naminany, ohatra, i Isaia fa hitoetra any Edoma izy io. Midika izany fa ho lao ilay tany. (Is 34:11) Honina eny amin’ny tendron’ny andry nirodana ao Ninive koa ny gisandrano, hoy i Zefania. Ho rava tanteraka sy ho aolo mantsy ilay tanàna.—Ze 2:13, 14.
28 OKTOBRA–3 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 103-104
“Tsy Hadinony hoe Vovoka Ihany Isika”
Mahaiza Mandanjalanja Hoatran’i Jehovah
5 Manetry tena sy mangoraka i Jehovah, ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja. Niharihary, ohatra, hoe manetry tena izy tamin’izy handringana ny ratsy fanahy tao Sodoma. Naniraka anjely i Jehovah mba hanome toromarika an’ilay olo-marina antsoina hoe Lota. Nasainy nitsoaka tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy. Natahotra ny ho any anefa i Lota, ka niangavy tamin’i Jehovah mba havela handositra tao Zoara izy mianakavy. Tanàna kely efa hoe haringana io Zoara io. Afaka nisisika i Jehovah hoe harahin’i Lota an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomeny. Nanaiky ny fangatahan’i Lota anefa izy, na dia nidika aza izany hoe tsy horinganina indray i Zoara. (Gen. 19:18-22) Nangoraka ny mponin’i Ninive koa i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Naniraka an’i Jona mpaminany izy mba hilaza fa kely sisa dia horavana ilay tanàna ary horinganina ny ratsy fanahy tao. Rehefa nibebaka anefa ny Ninivita, dia nalahelo an-dry zareo i Jehovah ka tsy nandrava an’ilay tanàna indray.—Jona 3:1, 10; 4:10, 11.
Miantehera Amin’i Jehovah, Hoatran’i Samsona
16 Nizaka vokany mangidy i Samsona noho ny fahadisoana nataony, nefa mbola niezaka nanao ny sitrapon’i Jehovah foana izy. Ary isika? Tsy tokony hilavo lefona isika na dia nanao fahadisoana aza, ka nanarina na namoy tombontsoam-panompoana. Tadidio fa tsy manary antsika i Jehovah. (Sal. 103:8-10) Mbola azony ampiasaina isika, hoatran’ny tamin’i Samsona, na dia nanao fahadisoana aza.
17 Diniho ny ohatry ny rahalahy tanora atao hoe Michael. Be atao teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. Mpikarakara fiangonana mantsy izy sady mpisava lalana maharitra. Mampalahelo anefa fa nanao fahadisoana izy, dia nafoiny ny tombontsoany tao amin’ny fiangonana. Izao no nolazainy: “Nisosasosa erỳ ny fanompoako an’i Jehovah talohan’izay. Tampoka teo anefa dia hoatran’ny hoe nidona tamin’ny rindrina aho. Izaho aloha tsy nieritreritra mihitsy hoe hanary ahy i Jehovah e! Lasa saina anefa aho hoe mbola hiverina amin’ny laoniny ve ny fifandraisako aminy, ary mbola ho afaka hanao be eo amin’ny fanompoana hoatran’ny taloha ve aho.”
18 Soa ihany fa tsy nilavo lefona i Michael. Izao no notantarainy: “Ny hanatsara indray ny fifandraisako tamin’i Jehovah no tena nifantohako. Nivavaka tsy tapaka àry aho ka namboraka ny tao am-poko taminy, nianatra, ary nisaintsaina.” Rehefa nandeha ny fotoana dia nahazo tombontsoam-panompoana tao amin’ny fiangonana indray i Michael. Anti-panahy izy izao sady mpisava lalana maharitra. Hoy izy: “Nanohana sy nampahery ahy ny mpiara-manompo, indrindra fa ny anti-panahy. Izany no nanampy ahy hahita hoe mbola tia ahy i Jehovah. Tsy enjehin’ny eritreritro aho izao manompo ao amin’ny fiangonana. Nampianatra ahy iny zavatra niainako iny hoe hamela an’izay olona tena mibebaka i Jehovah.” Ahoana àry raha nanao fahadisoana ianao? Afaka matoky ianao hoe mbola hampiasa anao sy hitahy anao koa i Jehovah, raha manao izay azonao atao ianao mba hanitsiana an’izay tsy mety sy miantehitra aminy foana.—Sal. 86:5; Ohab. 28:13.
Afaka ny Hanatratra ny Tanjonao Ianao
2 Aza kivy raha mbola tsy tratranao ny tanjonao. Mitaky fotoana sy ezaka be mantsy na dia ny manatratra tanjona tsotsotra aza. Matoa ianao mbola miezaka manatratra an’ilay izy, dia midika izany hoe sarobidy aminao ny fifandraisanao amin’i Jehovah sady te hanome azy ny tsara indrindra ianao. Sarobidy amin’i Jehovah koa ny ezaka ataonao. Mazava ho azy anefa fa tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy izy. (Sal. 103:14; Mika 6:8) Tanjona azonao tratrarina àry fidina, izany hoe izay mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. Rehefa avy nifidy tanjona ianao, dia inona no azonao atao mba hanatratrarana an’ilay izy? Andao isika hijery soso-kevitra vitsivitsy.
Vatosoa Ara-panahy
Hery Natao Hamoronana: Ilay “Nanao ny Lanitra sy ny Tany”
18 Inona no ianarantsika avy amin’ny fampiasan’i Jehovah ny heriny mba hamoronana? Gaga tanteraka isika mahita ny karazan’ireo zavaboariny. Hoy ny mpanao salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! ... henika ny zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24) Tena marina izany! Nahita zavamananaina maherin’ny iray tapitrisa ny manam-pahaizana, ary samy hafa kosa ny hevitra momba ny isany, satria misy milaza hoe mety hisy 10 na 30 tapitrisa, na betsaka noho izany. Mety tsy hahita zavatra hatao sary intsony ny mpanao hoso-doko, indraindray. Tsy mety ritra kosa anefa ny herin’i Jehovah hamoronana zavatra vaovao.