Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
4-10 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 105
“Tadidiny Mandrakizay ny Fifanekena Nataony”
Miezaha Hino Kokoa ny Fampanantenan’i Jehovah Tontolo Vaovao
11 Hoatran’ny tsy mampino ny zavatra nampanantenain’i Jehovah ny vahoakany taloha. Ireto misy sasany amin’izany: Nanome toky an’i Abrahama sy Saraha izy hoe hataony manan-janakalahy ry zareo, na dia efa antitra aza izy mivady. (Gen. 17:15-17) Nilaza tamin’i Abrahama koa izy fa homeny ny taranany ny tany Kanana. Ny Israelita no taranak’i Abrahama. Aman-taonany ry zareo no andevo tany Ejipta, ka lasa hoatran’ny hoe tsy ho tanteraka mihitsy ilay fampanantenan’Andriamanitra. Tanteraka anefa izany. Nisy fampanantenana niavaka nataon’i Jehovah koa tatỳ aoriana. Nilaza izy hoe hahazo zanaka i Elizabeta na dia efa antitra aza. Niteny tamin’i Maria koa izy fa hiteraka an’ilay Zanany lahy, na dia mbola virjiny aza i Maria. Efa an’arivony taona talohan’izay i Jehovah no nampanantena ny fahatongavan’io Zanany io, tamin’ny mbola tany amin’ny zaridainan’i Edena. (Gen. 3:15) Tanteraka koa io fampanantenana io!
12 Vao mainka isika mino hoe manana hery hampisy ny tontolo vaovao i Jehovah, rehefa saintsainintsika ny fampanantenana nomeny hatramin’izay sy ny fomba nanatanterahany an’ireny. (Vakio ny Josoa 23:14; Isaia 55:10, 11.) Lasa vonona kokoa hanampy ny olona hino àry isika hoe tsy nofinofy na angano izany tontolo vaovao ampanantenainy izany. Rehefa niresaka momba ny lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah, dia izy mihitsy no nilaza hoe: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo.”—Apok. 21:1, 5.
it-21 014 § 10
Teny, Ny
Tsy maintsy manaiky ny tenin’Andriamanitra ny zavamananaina sy tsy mananaina, ary azon’i Jehovah ampiasaina mba hanatanterahana ny fikasany. (Sl 103:20; 148:8) Azo itokisana ny teniny, ary tsaroany foana ny fampanantenany ka tanterahiny. (De 9:5; Sl 105:42-45) “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny teniny, ary tsy hiverim-potsiny aminy fa hanatanteraka an’izay nokasainy.—Is 40:8; 55:10, 11; 1Pe 1:25.
Vatosoa Ara-panahy
Ny anjara toeran’ny tanora ao anatin’ny fianakaviana sambatra sy miray saina anankiray
15 “Nampijaliny tamin’ny fatorana ny tongony [ny an’i Josefa]; nogadrany vy izy, mandra-pahatongan’ny fotoana hahatanterahan’ny teniny; nizaha toetra azy ny tenin’i Jehovah.” (Salamo 105:17-19). Nandritra ny telo ambin’ny folo taona, dia nijaly i Josefa tamin’ny naha-andevo sady mpigadra azy, mandra-pahatanteraky ny fampanantenan’i Jehovah. Nozahan-toetra tamin’izany fitsapana izany izy. Na dia tsy nahatonga izany aza Jehovah, dia nanana antony tsara namelana izany hitranga. Moa ve i Josefa hitana ny fanantenany ny “tenin’i Jehovah” na dia tao aza ny famelezan’ny fahoriana nahatsiravina? Hitondra ireo toetrany tsara ho amin’ny fahamasahana ve izy, ka hamboly faharetana, fanetren-tena, hery ara-panahy sy fahavononana izay hahatonga azy ho afaka hiantsoroka asa sarotra? Azo atao ny milaza fa tafavoaka avy tamin’izany fitsapana izany i Josefa, toy ny volamena avy tao anaty afon’ny mpanadio metaly, madio kokoa sy mbola sarobidy kokoa ihany eo imason’Andriamanitra izay nampiasa azy tamin’ny fomba mahatalanjona taty aoriana.—Genesisy 41:14, 38-41, 46; 42:6, 9.
11-17 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 106
“Nohadinoin’izy Ireo Andriamanitra Ilay Mpamonjy Azy”
“Iza no Momba An’i Jehovah?”
13 Natahotra ny Israelita rehefa nahita an’ilay rahona matevina sy tselatra ary ireo zava-mahagaga hafa nataon’i Jehovah. I Mosesy àry no niangavian’izy ireo hampita ny tenin’i Jehovah tamin’izy ireo. Nanaiky i Mosesy ka nankany an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay mba hiresaka tamin’i Jehovah. (Eks. 20:18-21) Ela be anefa izy tany, dia natahotra ny Israelita. Hoatran’ny hoe very tany an’efitra mantsy izy ireo, satria tsy teo intsony ilay mpitarika natokisany. Niantehitra be loatra tamin’ny mpitarika olombelona angamba izy ireo. Niteny tamin’i Arona àry izy ireo hoe: “Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.”—Eks. 32:1, 2.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 3 sy 4
106:36, 37. Hita avy amin’ireo andinin-teny ireo, fa mifandray ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana fanatitra ho an’ny demonia. Mety hanjary hofehezin’ny fanahy ratsy àry ny olona manompo sampy. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Mitandrema tena amin’ny sampy.”—1 Jaona 5:21.
18-24 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 107-108
“Misaora An’i Jehovah fa Tsara Izy”
Aoka Hidera An’i Jehovah ny Fiangonana
2 Tsy fikambanana tsotra fotsiny ny fiangonana. Tsy fikambanan’ny olona mitovy fari-piainana izy io, na fikambanan’ny olona mitovy zavatra tiana, toy ny fanatanjahan-tena na fialam-boly. Ny hidera an’i Jehovah Andriamanitra no tena antony namoronana ny fiangonana. Efa nidera an’i Jehovah foana izy io hatramin’izay. Izao mantsy no lazain’ny Salamo 35:18: “Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.” Mampirisika antsika koa ny Salamo 107:31, 32 hoe: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona izy.”
Misaora An’i Jehovah dia Hotahiny Ianao
4 Inona no hanampy antsika hahay hankasitraka foana? Mila manaiky isika fa mahazo ny fitahian’i Jehovah, ary mila misaintsaina sy mankasitraka azy ireny. Eritrereto tsara koa ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehony. Nanao izany ny mpanao salamo ka niaiky fa maro be ny zavatra mahatalanjona nataon’i Jehovah.—Vakio ny Salamo 40:5; 107:43.
Vatosoa Ara-panahy
it-2425 § 3
Moaba
Niady tamin’ny Israely koa i Moaba rehefa lasa mpanjaka i Davida. Resy tanteraka anefa ny Moabita ka nandoa hetra taminy. Toa ny roa ampahatelon’ny miaramila moabita no novonoina, rehefa vita ilay ady. Mety ho nasain’i Davida nitsotra tamin’ny tany izy ireo ary norefesina tamin’ny tady, ka natokana hovonoina ny roa ampahatelony, fa ny ampahatelony kosa tsy novonoina. (2Sa 8:2, 11, 12; 1Ta 18:2, 11) Toa tamin’io ady io koa i Benaia zanak’i Joiada no “nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba.” (2Sa 23:20; 1Ta 11:22) Anisan’ny nanatanteraka ilay faminaniana nambaran’i Balama 400 taona mahery talohan’izay àry i Davida. Hoy ilay faminaniany: “Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:17) Toa io fandresena io koa no tian’ny mpanao salamo horesahina rehefa nilaza izy hoe ‘koveta isasan’Andriamanitra’ i Moaba.—Sl 60:8; 108:9.
25 NOVAMBRA–1 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 109-112
Asehoy hoe Manohana An’i Jesosy Mpanjaka Ianao
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 5
110:1, 2—Inona no nataon’i Jesosy Kristy, “Tompo[n’i Davida]”, nandritra ny fotoana nipetrahany teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra? Niakatra tany an-danitra i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Niandry teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy mandra-pahatongan’ny fotoana nanombohan’ny Fanjakany, tamin’ny 1914. Nanjaka teo amin’ny mpianany voahosotra anefa izy nandritra izany, ka nitarika ny asa fitoriana sy fampianarana nataon’izy ireo, sady nanomana azy ireo hiara-manjaka aminy.—Matio 24:14; 28:18-20; Lioka 22:28-30.
Tsy Hahaleo An’Andriamanitra Ireo Miady Aminy!
3 Niharam-pamelezana ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Tany amin’ny tany maro, dia nisy olona nikasa hanao ratsy ka niezaka hanakantsakana, eny, hampangina mihitsy aza, ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny Devoly, ilay Fahavalontsika lehibe indrindra, izay “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”, no nambosy azy ireo. (1 Petera 5:8). Rehefa nifarana tamin’ny 1914 ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, dia nametraka ny Zanany ho Mpanjaka vaovaon’ny tany Andriamanitra, ka nanome baiko hoe: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Lioka 21:24, NW; Salamo 110:2). Nampihatra ny fahefany i Kristy ka nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra, ary nitana azy ho etỳ amin’ny manodidina ny tany. Fantatry ny Devoly fa fohy ny androny, ka manampatra ny fahatezerany amin’ny Kristianina voahosotra sy ireo namany izy. (Apokalypsy 12:9, 17). Inona no vokatry ny famelezana niverimberina nampiharin’ireo olona niady tamin’Andriamanitra?
Mandrosoa Hatrany
Milaza fahasahiana hanombo-javatra ilay fampirisihana anao hampiasa ny talentanao. Sahy manatona ny hafa mba hiara-miasa aminy eo amin’ny fanompoana ve ianao? Mitady fahafahana hanampy mpikambana vaovao, tanora na osa anisan’ny fiangonanao ve ianao? Manolo-tena hanadio ny Efitrano Fanjakana na hanampy amin’ny fomba maro hafa any amin’ny fivoriambe ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy tsindraindray ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra, na manampy any amin’ny faritany mila fanampiana ve ianao? Raha rahalahy ianao, miezaka ve ianao mba hahafeno ireo fepetra ara-baiboly takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana sy ny anti-panahy? Anisan’ny famantarana ny fandrosoanao ny fahavononanao hanolotra fanampiana sy hanaiky andraikitra.—Sal. 110:3.
Vatosoa Ara-panahy
it-1855 § 3
Fifanekena
Fifanekena fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka. Voalaza ao amin’ny Salamo 110:4 io fifanekena io, ary asehon’ny Hebreo 7:1-3, 15-17 fa i Kristy ilay mpisorona. Nataon’i Jehovah tamin’i Jesosy Kristy irery ilay fifanekena. Toa niresaka momba azy io i Jesosy, rehefa nanao fifanekena tamin’ny mpianany momba ny fanjakana iray. (Lk 22:29) Nianiana i Jehovah fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka i Jesosy Kristy, ilay Zanany tany an-danitra. Mpanjaka sady mpisoron’Andriamanitra teto an-tany anefa i Melkizedeka. Ho Mpanjaka sy Mpisoronabe koa àry i Jesosy Kristy, saingy tsy eto an-tany, fa any an-danitra. Lasa Mpisoronabe mandrakizay izy rehefa niakatra tany an-danitra. (He 6:20; 7:26, 28; 8:1) Manan-kery mandrakizay àry io fifanekena io, satria ho Mpanjaka sy Mpisoronabe mandrakizay i Jesosy.—He 7:3.
2-8 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 113-118
Inona no Havalintsika An’i Jehovah?
Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana
13 Mazava avy amin’ny tenin’i Jesosy fa i Jehovah no tokony hotiavintsika voalohany indrindra. Kanefa tsy hoe vao teraka isika dia efa manana fitiavana lalina an’i Jehovah. Zavatra tsy maintsy ambolentsika izy io. Fony isika nandre voalohany ny momba azy, dia voasintona taminy isika noho izay zavatra rentsika. Nianatra tsikelikely ny fomba nanomanany ny tany ho an’ny taranak’olombelona isika. (Genesisy 2:5-23). Nianatra ny fomba nitondrany ny taranak’olombelona isika: Tsy nanary antsika izy fony namely voalohany ny fianakavian’olombelona ny ota, fa nanao zavatra kosa mba hanavotana antsika. (Genesisy 3:1-5, 15). Nitondra tamin-katsaram-panahy ireo nahatoky izy, ary tamin’ny farany, dia nomeny ny Zanany lahitokana mba hamelana ny fahotantsika. (Jaona 3:16, 36). Nampitombo ny fankasitrahantsika an’i Jehovah izany fahalalana nitombo izany. (Isaia 25:1). Nilaza i Davida Mpanjaka fa tiany i Jehovah noho ny fiahiany feno fitiavana. (Salamo 116:1-9). Ankehitriny i Jehovah dia miahy antsika, mitarika antsika sy manatanjaka antsika ary mampahery antsika. Arakaraka ny ianarantsika misimisy kokoa momba azy no mahatonga ny fitiavantsika hihalalina kokoa.—Salamo 31:23; Zefania 3:17; Romana 8:28.
Mahaiza Mandray Mahaiza Manome
Nisaintsaina toy izao ny mpanao salamo: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Sal. 116:12) Inona tokoa moa ny soa noraisin’i Davida? Nanampy azy i Jehovah nandritra ny fotoana ‘nampahory sy nampalahelo’ niainany. ‘Novonjen’i Jehovah tsy ho faty’ koa izy. Izany no nahatonga azy haniry ‘hamaly’ soa an’i Jehovah. Hoy izy: “Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho.” (Sal. 116:3, 4, 8, 10-14) Tapa-kevitra izy fa hanatanteraka ny teny rehetra nataony tamin’i Jehovah sy izay nasain’i Jehovah nataony.
Afaka manao toy izany koa ianao. Amin’ny fomba ahoana? Tokony hiaina mifanaraka amin’ny lalàna sy toro lalan’Andriamanitra ianao. Ataovy azo antoka àry fa ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra aminao. Ataovy azo antoka koa fa manaiky ny fitarihan’ny fanahiny ianao, eo amin’izay rehetra ataonao. (Mpito. 12:13; Gal. 5:16-18) Mazava ho azy fa tsy ho voavalinao ny soa rehetra ataon’i Jehovah aminao. ‘Hampifaly ny fony’ anefa ianao raha manompo azy amin’ny fo manontolo. (Ohab. 27:11) Voninahitra ho antsika ny mampifaly an’i Jehovah toy izany!
Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?
9 Lesona faharoa: Manompo an’i Jehovah isika satria mankasitraka azy. Mba hahitana hoe zava-dehibe izany, dia andao handinika ny sorona iombonana nataon’ny Israelita. Hitantsika ao amin’ny Levitikosy hoe ho “fisaorana” an’i Jehovah no nahatonga ny Israelita iray hanolotra sorona iombonana. (Lev. 7:11-13, 16-18) An-tsitrapo io sorona io fa tsy noterena. Ny fitiavany an’i Jehovah Andriamaniny no nahatonga azy hanao an’izany. Nihinana ny hena tamin’ilay sorona izy sy ny fianakaviany ary ny mpisorona avy eo. Natokana ho an’i Jehovah anefa ny ampahany sasany tamin’ilay biby. Inona izany?
10 Lesona fahatelo: Omentsika ny tsara indrindra i Jehovah satria tiantsika. Noheverin’i Jehovah ho ampahany tsara indrindra tamin’ny biby ny tavy. Nilaza koa izy hoe tena sarobidy ny taova sasany, anisan’izany ny voa. (Vakio ny Levitikosy 3:6, 12, 14-16.) Ahoana àry no fihetseham-pon’i Jehovah rehefa nisy Israelita nanome azy an’ireo an-tsitrapo? Faly be izy! Nasehon’ilay Israelita tamin’izany mantsy hoe tena te hanome ny tsara indrindra ho an’Andriamanitra izy. Hoatr’izany no nataon’i Jesosy. Izay tsara indrindra no nomeny an’i Jehovah. Nanompo azy tamin’ny fo manontolo mantsy izy, ary fitiavana no nahatonga azy hanao an’izany. (Jaona 14:31) Tena nahafinaritra azy ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tena tiany koa ny lalàny. (Sal. 40:8) Tsy maintsy ho nahafaly be an’i Jehovah ny nahita an’i Jesosy nanompo azy an-tsitrapo hoatr’izany!
11 Hoatran’ny sorona iombonana ny fanompoana ataontsika ho an’i Jehovah. Asehontsika amin’izany mantsy izay tena ao am-pontsika. Ny tsara indrindra no omentsika an’i Jehovah, satria tiantsika amin’ny fo manontolo izy. Mba eritrereto ange e! Hoatran’ny ahoana izao ny hafalian’i Jehovah mahita hoe an-tapitrisany ny olona manompo azy an-tsitrapo, satria tena tia azy? Tsy izay ataontsika ho an’i Jehovah ihany no hitany sy sarobidy aminy, fa ny antony mahatonga antsika hanao an’ilay izy koa. Hampahery antsika ny mitadidy an’izany. Raha be taona, ohatra, ianao ka tsy mahavita betsaka araka izay tianao intsony, dia matokia fa azon’i Jehovah tsara hoe fa maninona ianao no hoatr’izany. Mety hieritreritra ianao hoe kely ihany no azonao omena. Tsy izany anefa no jereny, fa ny fitiavana mahatonga anao hanao izay vitanao. Izay no tsara indrindra avy aminao, dia faly i Jehovah mandray an’izany.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Sarobidy amin’i Jehovah ny fahafatesan’ireo olony tsy mivadika.” (Sal. 116:15) Marina fa sarobidy amin’i Jehovah ny ain’ny mpanompony tsirairay. Tsy ny fahafatesan’ny mpanompony tsirairay anefa no tiana horesahina ao amin’io andininy io.
Tsy mety ny mampihatra ny Salamo 116:15 amin’ny Kristianina nodimandry, rehefa manao lahatenim-pandevenana, na dia tsy nivadika tamin’i Jehovah aza ilay Kristianina. Nahoana? Satria malalaka kokoa ny hevitr’io andinin-teny io. Te hilaza io salamo io hoe tena mafy be amin’i Jehovah ny fahafatesan’ny mpanompony amin’ny fitambarany, ka tsy havelany hitranga mihitsy izany.—Jereo ny Salamo 72:14; 116:8.
9-15 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 119:1-56
“Inona no Tokony Hataon’ny Tanora Raha Te Hanao ny Tsara Foana Izy?”
Mijanona ho madio amin’ny lafiny rehetra ve ianao?
10 Ao amin’ny Efesiana 5:5, i Paoly dia manome ho antsika izao fampitandremana izao: “Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).” Isan-taona anefa dia kristiana an’arivony maro no nanarina na noroahina noho ny nanaranam-po tamin’ny faharatsiam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy—noho ny ‘nanotana nihatra tamin’ny tenany.’ (1 Korintiana 6:18.) Ny ankamaroany dia tonga tamin’izany satria tsy ‘nitandrina araka ny tenin’Andriamanitra.’ (Salamo 119:9.) Maro, ohatra, ireo izay mampihena ny fiambenany ara-pitondrantena mandritra ny fotoana fakan-drivotra. Manao tsirambina ny fivoriana kristiana izy ireny sady mamatotra fisakaizana amin’ny mpaka rivotra hafa tsy manompo an’i Jehovah. Noho ny fahitany fa ‘olona faran’izay mendrika’ ireny, ny kristiana sasany dia nandray anjara niaraka tamin’izy ireny tamin’ny asa nampiahiahy sasany. Toy izany koa, ny hafa dia nanjary nifankazatra be loatra tamin’ireo mpiara-miasa taminy. Ny loholona iray dia namatotra fisakaizana tamin’ny anankiray amin’ireo vehivavy mpiara-miasa taminy ka niafara tamin’ny fandaozana ny fianakaviany mba hiaina miaraka aminy! Voaroaka àry izy. Endrey izany fahamarinan’ireto tenin’ny Baiboly ireto: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”!—1 Korintiana 15:33.
‘Ny Fampahatsiahivanao no Tian’ny Foko’
MANOME fampahatsiahivana ho an’ny vahoakany i Jehovah amin’izao fotoan-tsarotra izao, mba hanampiana azy ireo hiatrika olana. Mahazo fampahatsiahivana, ohatra, isika rehefa mamaky Baiboly samirery, na rehefa mandre ireo fanazavana na valin-teny any am-pivoriana. Tsy vaovao amintsika ny ankamaroan’ny zavatra vakintsika na rentsika amin’ny fotoana toy ireny. Mety ho efa nianarantsika ilay izy teo aloha. Mora manadino anefa isika, ka mila ampahatsiahivina antsika foana ny fikasan’i Jehovah sy ny lalàny ary toromariny. Tokony hankasitraka ny fampahatsiahivan’Andriamanitra isika. Mampahery antsika izy ireny, satria manampy antsika hitadidy ny antony anarahantsika fomba fiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no nahatonga ny mpanao salamo hihira ho an’i Jehovah hoe: “Ny fampahatsiahivanao ... no tian’ny foko.”—Salamo 119:24, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!
2 Mety hanimba antsika koa anefa ny zavatra jerentsika. Tena mifandray mantsy ny maso sy ny saina, ka mety hampitsiry na hampitombo faniriana ao am-pontsika ny zavatra hitantsika. I Satana Devoly no mifehy an’ity tontolo ratsy fitondran-tena sy tia tena ity, ka maro ny sary sy dokam-barotra aeliny. Mety ho voatarika mora foana hanao ratsy isika, na dia ataontsika indray mitopy maso fotsiny aza izy ireny. (1 Jaona 5:19) Tsy mahagaga àry raha nitalaho tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko. Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.”—Sal. 119:37.
Vatosoa Ara-panahy
Matokia ny Tenin’i Jehovah
2 Ny hasarobidin’ny tenin’Andriamanitra, na ny hafany, no foto-kevitry ny Salamo faha-119. Nataon’ilay mpanoratra nanaraka ny abidy hebreo io hira io, mba ho mora tadidina angamba. Mizara ho 22 ireo andinin-teny 176 ao anatiny. Ahitana andininy valo manomboka amin’ny litera mitovy ny fizarana tsirairay, araka ny teny hebreo nanoratana azy voalohany. Resahina ao ny tenin’Andriamanitra, ny lalàny, ny teni-vavolombelony na fampahatsiahivany, ny lalany, ny didiny, ary ny fitsipiny. Handinika ny Salamo faha-119 araka ny dikan-teny marina avy tamin’ny teny hebreo isika, ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Hazava kokoa amintsika io hira io, ary hankasitraka bebe kokoa ny Baiboly manontolo isika, rehefa misaintsaina ny zavatra niainan’ny mpanompon’i Jehovah fahiny sy ankehitriny.
16-22 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 119:57-120
Inona no Hanampy Anao Hiaritra Fahoriana?
“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”
2 Nahoana ny lalàn’Andriamanitra no nampionona ny mpanao salamo? Nahazo hery izy satria natoky fa niahy azy i Jehovah. Marina fa nanenjika azy ny fahavalony, kanefa nahatsiaro ho sambatra izy satria nandray soa avy tamin’ny fampiharana ny lalàna, izay nomen’Andriamanitra tamim-pitiavana. Niaiky izy fa nanisy soa azy i Jehovah. Tsy vitan’izany, fa lasa hendry noho ny fahavalony izy, rehefa nampihatra ny tari-dalana tao amin’ny lalàn’Andriamanitra. Niaro ny ainy mihitsy aza izany. Niadana sy nilamin-tsaina izy, satria nankatò ny lalàna.—Salamo 119:1, 9, 65, 93, 98, 165.
Tianao Fatratra ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?
3 Sarobidy tamin’ilay mpanao salamo ireo fampahatsiahivan’Andriamanitra, ka nihira toy izao izy: “Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, amin’ny fitandremana ny didinao. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny ratsy fanahy; tsy mba nanadino ny lalànao aho.” (Salamo 119:60, 61). Manampy antsika hiaritra fanenjehana ny fampahatsiahivan’i Jehovah satria matoky isika fa afaka manapaka ny tady fanakantsakanana izay amatoran’ny fahavalo antsika, ny Raintsika any an-danitra. Amin’ny fotoana mety, dia manafaka antsika amin’ny sakana toy izany izy, mba hahafahantsika hanatontosa ny asa fitoriana ilay Fanjakana.—Marka 13:10.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 5
119:71—Inona no mahatsara ny miaritra fahoriana? Vao mainka isika hianatra hitoky amin’i Jehovah sy hivavaka mafy aminy, ary hazoto hianatra sy hampihatra ny Teniny, rehefa miaritra zava-tsarotra. Hahita ny kileman-toetra tokony hialantsika koa isika, rehefa iharam-pahoriana. Tsy hahatezitra antsika ny fahoriana, raha avelantsika hanatsara ny toetrantsika.
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
3 Tena mangoraka i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Izy no tena afaka mampahery antsika. (Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.) Izy koa no mahay miara-ory indrindra. Manome toky ny mpanompony izy hoe: “Izaho Ilay mampionona anareo.”—Isaia 51:12; Sal. 119:50, 52, 76.
5 Afaka matoky tanteraka isika fa hanampy antsika i Jehovah. Tsy tokony hisalasala àry isika hivavaka aminy ka hamboraka ny alahelontsika sy izay ao am-pontsika. Faly isika mahalala hoe fantatr’i Jehovah tsara ny alahelontsika, ary mampahery antsika arakaraka izay tena ilaintsika izy. Ahoana no anaovany an’izany?
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 5
119:96—Inona no dikan’ny hoe ‘manam-pahataperana ny tanteraka rehetra’? Miresaka momba ny fahalavorariana, araka ny fiheveran’ny olona azy, ilay mpanao salamo eto. Te hilaza angamba izy fa ny fomba fiheveran’ny olona ny atao hoe fahalavorariana mihitsy no voafetra. Tsy manam-petra kosa ny didin’Andriamanitra, fa azo ampiharina amin’ny lafim-piainana rehetra. “Misy fetra avokoa ny lavorary”, hoy ny Fandikan-teny Katolika, fa “ny didinao no tsy manam-petra.”
23-29 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 119:121-176
Ahoana no Azo Isorohana Ratram-po?
Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Toro Lalan’i Jehovah
5 Tsy ampy ny mamaky na mahafantatra tsara ny lalàn’Andriamanitra, raha tiantsika hahasoa antsika izy ireny. Tsy maintsy miezaka isika mba ho tia sy hanaja azy ireny. Hoy mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.” (Amosa 5:15) Ahoana anefa no anaovana an’izany? Mila miezaka hitovy fomba fihevitra amin’i Jehovah isika. Haka ohatra isika mba hanazavana an’izany. Tsy mahita tory matetika ianao, dia asain’ny dokotera mihinana sakafo mahasalama kokoa sy manao fanatanjahan-tena. Asainy hovanao koa ny fahazaranao. Narahinao ny teniny, ary nandaitra tokoa ilay izy. Azo antoka fa tena hankasitraka an’ilay dokotera ianao.
6 Manome lalàna antsika koa ny Mpamorona antsika mba hiarovana antsika amin’ny vokatry ny ota sy hahatonga ny fiainantsika hihatsara. Misy lalàna, ohatra, ao amin’ny Baiboly hoe tsy azo atao ny mandainga, mamitaka, mangalatra, mijangajanga, mamono olona, ary mifandray amin’ny fanahy ratsy. (Vakio ny Ohabolana 6:16-19; Apok. 21:8) Eritrereto ny soa raisintsika rehefa mankatò an’izany isika. Ho tia sy hankasitraka an’i Jehovah sy ny lalàny isika, rehefa mahita hoe mahasoa antsika ny mankatò azy.
Ry Tanora—Inona no Katsahinareo?
12 Ambonin’ny zava-drehetra, dia tsy maintsy mianatra mankahala sy hahatsapa rikoriko ary tsy ho tia mainty izay ratsy ianareo. (Salamo 97:10). Ahoana no hankahalanareo izay zavatra mety hampifalifaly na hahitana fahafinaretana amin’ny voalohany? Amin’ny fieritreretana ireo ho vokany! “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo.” (Galatiana 6:7, 8). Rehefa alaim-panahy hanaiky ho resin’ny fahamaimaizana ianareo, dia eritrereto izay ho vokany lehibe—dia ny fomba ampahalahelovan’izany an’i Jehovah Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Salamo 78:41.) Eritrereto koa ny mety hisian’ny fananana anaka tsy nirina, na ny fahazoana aretina toy ny SIDA. Hevero koa ny fahasimbana ara-pihetseham-po sy ny famoizana ny haja amin’ny maha-olona, hahazo anareo. Mety hisy koa vokany atỳ aoriana be. Niaiky toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Samy efa nanana firaisana tamin’olon-kafa izahay mivady talohan’ny nifankahitanay. Na dia efa samy Kristiana aza izahay amin’izao fotoana izao, dia loharanom-pifandirana sy fahasarotam-piaro eo amin’ny fanambadianay ny fiainanay taloha mikasika ny firaisana.” Tsy azo odian-tsy hita koa ny famoizana ireo tombontsoanareo teokratika na ny mety hahavoaroaka anareo avy ao amin’ny kongregasiona kristiana! (1 Korintiana 5:9-13). Moa ve misy fahafinaretana mihelina mendrika izany vidiny lafo dia lafo izany?
Vatosoa Ara-panahy
Resy Lahatra Isika fa “Fahamarinana” ny Tenin’Andriamanitra
2 Mpanompon’i Jehovah isika, ka resy lahatra hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” izy, ary izay tsara indrindra foana no tiany homena antsika. (Sal. 31:5; Isaia 48:17) Fantatsika hoe afaka matoky ny Baiboly isika, satria “fahamarinana no votoatin’ny [tenin’Andriamanitra].” (Vakio ny Salamo 119:160.) Mitovy hevitra amin’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly isika. Izao no nosoratany: “Mbola tsy nisy diso izay nolazain’Andriamanitra hatramin’izay, ary tsy atahorana hitranga izany. Afaka matoky an’izay lazainy ny vahoakany, satria ry zareo matoky an’ilay Andriamanitra niteny an’ilay izy.”
30 DESAMBRA–5 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 120-126
Nitomany Izy Ireo Rehefa Namafy, fa Nihoby Kosa Rehefa Nijinja
Tahin’Andriamanitra Ireo Manome Voninahitra Azy
10 Miady amin’i Satana isika, rehefa manaiky ny ziogan’i Kristy, izany hoe manaiky ho mpianany. Mampanantena ny Jakoba 4:7 hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ Tsy mora izany, satria mitaky ezaka be ny fanompoana an’Andriamanitra. (Lioka 13:24) Mampanantena toy izao anefa ny Baiboly ao amin’ny Salamo 126:5: “Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana.” Andriamanitra mahay mankasitraka no ivavahantsika. “Mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra” izy, sady mitahy izay manome voninahitra azy.—Hebreo 11:6.
Hatanjaka Tsara ve ny Finoanao?
17 Malahelo be ve ianao satria maty ny olona iray akaikin’ny fonao? Raha izany, dia makà fotoana hamakiana ny tantaran’ireo olona natsangana tamin’ny maty ao amin’ny Baiboly. Vao mainka hino ianao hoe tena hatsangana ny maty. Sa ianao kivy be satria misy havanao voaroaka? Manaova fikarohana mba hahatonga anao ho resy lahatra hoe ny fomba hanitsian’i Jehovah foana no tsara indrindra. Na inona na inona olana mianjady aminao, dia hararaoty izany mba hanatanjahana ny finoanao. Aborahy amin’i Jehovah izay ao am-ponao. Aza mitokantokana fa miaraha foana amin’ny rahalahy sy anabavy. (Ohab. 18:1) Manaova zavatra hanampy anao hiaritra, na dia amin-dranomaso aza no anaovanao an’izany. (Sal. 126:5, 6) Mandehana foana mivory sy mitory ary tohizo foana ny famakiana Baiboly. Saintsaino foana koa ny fitahiana tsara be efa omanin’i Jehovah ho anao. Vao mainka ianao hino an’i Jehovah rehefa hitanao ny fomba anampiany anao.
Manohiza Mijinja!
13 Tena mampahery an’ireo mpijinjan’Andriamanitra, indrindra fa ireo iharam-panenjehana, ny Salamo 126:5, 6, manao hoe: “Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.” Ny hoe mamafy sy mijinja dia mampiseho ny fikarakaran’i Jehovah sy ny fitahiany an’ireo sisa niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona. Faly be izy ireo rehefa nafahana, nefa mety ho nitomany rehefa namafy voa tamin’ilay tany foana tsy nisy niasa nandritra ilay sesitany naharitra 70 taona. Nahita vokatra sy afa-po tamin’ny asa mafy nataony anefa ireo nanohy namafy sy nanao fanorenana.
14 Mety ho latsa-dranomaso isika rehefa voasedra, na rehefa mijaly noho ny fahamarinana isika na ny mpiray finoana amintsika. (1 Petera 3:14) Mety hiaritra zava-tsarotra isika rehefa manomboka mijinja, satria mety ho toa tsy misy vokany ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana. Raha manohy mamafy sy manondraka anefa isika, dia hampitombo Andriamanitra, ary hihoatra izay antenaintsika izany matetika. (1 Korintiana 3:6) Mampiseho izany tsara ny vokatry ny fizarantsika Baiboly sy boky ary gazety miorina amin’ny Soratra Masina.
Vatosoa Ara-panahy
Hery Natao Hiarovana: ‘Andriamanitra no Aro ho Antsika’
15 Hofakafakaintsika aloha ny momba ny fiarovana tsy ho faty. Afaka manantena isika mpivavaka amin’i Jehovah fa arovany isika amin’ny fitambarany. Ho mora rembin’i Satana isika, raha tsy izany. Ny zavatra tena tian’i Satana, “andrianan’izao tontolo izao”, hatao dia ny hanafoana ny fivavahana marina. (Jaona 12:31; Apokalypsy 12:17) Nisy fitondrana natanjaka be nandrara ny asa fitoriantsika sy saika handripaka tanteraka antsika. Nijoro tsara sy tsy nitsahatra nitory mihitsy anefa ny vahoakan’i Jehovah! Nahoana ireo firenena natanjaka no tsy nahavita nampijanona ny asan’ireo Kristianina toa vitsy sy tsy manam-piarovana ireo? Satria niaro antsika teo ambany elany mahery i Jehovah!—Salamo 17:7, 8.