Ampio Ireo Olona Fanateranao Gazety
1 Maro amin’ireo olona hitantsika eny amin’ny fanompoana no manaiky hotsidihina sy mandray tsara ny gazetintsika, nefa tsy mazoto hianatra Baiboly. Afaka manampy azy ireny isika, rehefa manatitra gazety tsy tapaka any aminy. Rehefa mahapetraka gazety ianao, dia raiso ny anaran’ilay olona, ny adiresiny, ny daty nitsidihana azy, ny nomeraon’ny gazety voapetraka, ary ny andinin-teny noresahina taminy. Soraty koa izay zavatra voamarikao, ka mety hampiseho fa liana izy. Rehefa tonga ny gazety vaovao, dia jereo izay hevitra mety hahaliana an’ireo olona fanateranao gazety. Ireny no resaho rehefa mitsidika azy ianao. (1 Kor. 9:19-23) Mety hisy hahaliana azy ny zavatra vakiny ao amin’ny gazetintsika, ka haniry hahafantatra bebe kokoa izy.
2 Fantatsika anefa fa tsy ho lasa mpanompon’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona, raha mamaky ny gazetintsika fotsiny. Ahoana àry no hanampiantsika azy ireo bebe kokoa, satria ilaina maika ny hitadiavan’ny olona an’i Jehovah ankehitriny? (Zef. 2:2, 3; Apok. 14:6, 7) Afaka mamaky andinin-teny iray voafantina tsara amin’izy ireo isika, isaky ny manatitra gazety any aminy.
3 Andinin-teny iray ihany dinihina: Eritrereto ireo olona fanateranao gazety, ary manomàna dinidinika miorina amin’ny loha hevitra mahaliana ny tsirairay aminy. Andinin-teny iray ihany resahina isaky ny mitsidika azy. (Fil. 2:4) Raha nisy maty vao haingana, ohatra, ny havan’ilay olona, dia mety horesahinao mandritra ny fitsidihana maromaro izay lazain’ny Baiboly momba ny maty sy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Azonao atao ny maka hevitra avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana” sy “Fananganana ny Maty”, mba hanomanana ireny dinidinika ireny. Afaka mandinika loha hevitra mifandray amin’izany ianao aorian’izay, toy ny hoe hofoanana ny aretina, ny fahanterana, ary ny fahafatesana. Tadiavo àry izay loha hevitra mahaliana an’ilay olona, ary resaho aminy tsikelikely izay lazain’ny Baiboly momba izany.
4 Ampio izy hahatakatra ilay andinin-teny: Tsara raha atao tsotra sy fohy ilay fiaraha-midinika. Tsy ampy anefa ny mamaky fotsiny an’ilay andinin-teny nofantenana. Hajambain’i Satana mantsy ny sain’ny olona, mba tsy hahafantarany ny vaovao tsara. (2 Kor. 4:3, 4) Mila ampiana hahatakatra ny Baiboly na dia ireo mahafantatra azy io tsara aza. (Asa. 8:30, 31) Makà àry fotoana hanazavana ilay andinin-teny, ary mampiasà ohatra toy ny rehefa manao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. (Asa. 17:3) Ataovy izay hahitan’ilay olona fa tena mahasoa azy eo amin’ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra.
5 Ampitomboy tsikelikely ny andinin-teny iarahanareo midinika, raha tian’ilay olona izay ianarany. Mety handinika andinin-teny roa na telo indray ianareo, isaky ny fitsidihana. Jereo ny fotoana mety, mba hametrahana ny bokikely Takina na ny boky Mivavaha. Mety hianatra Baiboly ilay olona fanateranao gazety amin’ny farany.
[Fanontaniana]
1. Ahoana no hanampiantsika ireo olona fanaterantsika gazety?
2. Nahoana no ilaina maika ny hitadiavan’ny olona an’i Jehovah ankehitriny, ary ahoana no hanampiantsika azy ireo bebe kokoa?
3. a) Ahoana no hanomanantsika ireo dinidinika ampiasana andinin-teny iray? b) Inona no loha hevitra tena mahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo?
4. Nahoana no zava-dehibe ny hanampiana ny olona hahatakatra ny andinin-teny ampiasaintsika, ary ahoana no hanaovantsika izany?
5. Inona no azo atao mba hahatonga ny olona fanateranao gazety hianatra Baiboly?