Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey
“Ahoana ny hevitrao momba ity fanontaniana ity? [Vakio ilay fanontaniana eo amin’ny fonony. Avelao izy hamaly.] Manome fanantenana antsika ny Baiboly. [Vakio ny Matio 6:9, 10.] Hazavain’ity gazety ity izay hitranga rehefa ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hatao etỳ an-tany ny sitrapony.”
Mifohaza! Mey
“Efa voalahatr’Andriamanitra ve izay hataontsika sy izay hiafarantsika, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity andinin-teny ity, fa avelan’Andriamanitra hifidy izay tiany hatao ny olona. [Vakio ny Deoteronomia 30:19.] Manazava izay lazain’ny Baiboly momba izany ity gazety ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Saika isan’andro isika dia mandre vaovao hoe nisy olona nanao zava-dratsy. [Milazà ohatra iray fantatry ny olona.] Efa nieritreritra ve ianao hoe sao dia mba misy fanahy ratsy àry mampirisika ny olona hanao izany? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Apokalypsy 12:12.] Hazavain’ity gazety ity ny fomba azontsika iarovan-tena amin’izany.”
Mifohaza! Jona
“Ahoana ny hevitrao momba izay lazain’ity andinin-teny ity? [Vakio ny 1 Timoty 6:10.] Araka ny hevitrao, misy vokany ratsy tokoa ve ny fikatsahana vola aman-karena? [Avelao izy hamaly.] Hazavain’ity gazety ity ny voka-dratsin’ny fikatsahana harena.”