FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/09 p. 4
  • Fomba Fanolorana Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanolorana Gazety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 5/09 p. 4

Fomba Fanolorana Gazety

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey

Vakio ny Matio 24:3, ary milazà hoe: “Misy mihevitra fa ny faran’ity tany ity no resahina eo. Ho potika ve ny tany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Raha ny valin-tenin’i Jesosy no jerena dia ny faran’ny zavatra hafa mihitsy no andrasantsika, fa tsy ny faran’ny tany. Manazava izany ity lahatsoratra eo amin’ny pejy 16 ity.”

Mifohaza! Mey

“Misy mpitondra fivavahana mampianatra fa homen’Andriamanitra harena isika, raha mampifaly azy. Mety hisy anefa olona tsara fanahy nefa mahantra. Tian’Andriamanitra ho mpanankarena ve isika, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Hebreo 13:5.] Hazavain’ity lahatsoratra ity ny fomba itahian’Andriamanitra antsika.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona

Betsaka ny olona mitady torohevitra momba ny fitaizan-janaka sy izay hahasoa ny ankohonany. Araka ny hevitrao, aiza no mety hahitana torohevitra tsara? [Avelao izy hamaly.] Hadinon’ny maro fa misy boky hahazoantsika torohevitra azo antoka, araka ny voalazan’ny 2 Timoty 3:16. [Vakio] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana isika no afaka matoky ny Baiboly. Misy torohevitra mahasoa koa ato.”

Mifohaza! Jona

“Maro ny vehivavy tsy te hiteraka, nefa lasa bevohoka. Afaka manampy azy hanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao ve ny Baiboly, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.] Asehon’ity gazety ity fa manan-kolazaina momba izany ny Baiboly.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara