Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey
“Mihabetsaka ny loza voajanahary, ka mihevitra ny olona fa sazin’Andriamanitra isika. Ahoana no hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 1 Jaona 4:8.] Hazavain’ity lahatsoratra ity ny antony ilazantsika fa tsy avy amin’Andriamanitra ny fijaliana ateraky ny loza voajanahary.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 30.
Mifohaza! Mey
Vakio ny Matio 6:10. Manontania avy eo hoe: “Efa mba noeritreretinao ve hoe inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa tsy miova ny fikasany momba ny tany, hatrany am-boalohany, araka ny hazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Anisan’ny be mpahalala ny tantaran’i Noa sy ny Safodrano. Tena nisy ve ny Safodrano, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mahaliana fa niresaka azy io ho tantara tena nisy i Jesosy. [Vakio ny Lioka 17:26, 27.] Manome antony inoana ny fitantarana momba ny Safodrano ity gazety ity. Resahina ato koa ireo lesona lehibe avy amin’io fitantarana io.”
Mifohaza! Jona
“Sarotra ny mitaiza ankizy, indrindra rehefa mihalehibe izy ireo, ka miova be tampoka ny vatany. Aiza no hahitan’ny ray aman-dreny torohevitra azo itokisana, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Isaia 48:17, 18.] Misy torohevitra mahasoa ato amin’ity gazety ity, mba hanampiana ny ray aman-dreny hanana fahendrena sy fahalalana rehefa mitaiza ny zanany.”