Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra
“Maro no lasa tsy mino ny Mpamorona. Araka ny hevitrao, nahoana? [Avelao izy hamaly.] Anisan’ny mahatonga izany angamba ity voalaza ity. [Vakio ny Habakoka 1:2, 3.] Misy fanontaniana mampisalasala ny olona ka mahatonga azy tsy hino an’Andriamanitra. Manampy hahita ny valin’izy ireny ity lahatsoratra ity.” Sokafy eo amin’ny pejy 11.
Mifohaza! Oktobra
“Tsy hitanao ve hoe manana olana maro ny fianakaviana ankehitriny? [Avelao izy hamaly.] Maro no tsy mahafantatra fa misy torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ity voalaza ity. [Mamakia andinin-teny iray avy ao amin’ilay gazety.] Resahin’ity Mifohaza! laharana manokana ity, fa afaka manampy ny fianakaviana amin’ireo olana samihafa atrehiny ny toro lalan’ny Baiboly.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra
“Avy ao amin’ny Baiboly daholo ve izay ampianarin’ny fivavahana, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mampitandrina antsika mba tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso ny Baiboly. [Vakio ny Kolosianina 2:8.] Ahariharin’ity gazety ity fa misy foto-pinoana enina ampianarin’ny fivavahana, nefa mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra.”
Mifohaza! Novambra
“Zatra mampiasa fitaovana maoderina toy ny finday sy ordinatera ny olona. Araka ny hevitrao, mitsitsy fotoana sa mandany fotoana izy ireny? [Avelao izy hamaly.] Maro no manaiky an’ity torohevitra ity, izay mampirisika antsika hampiasa tsara ny fotoana. [Vakio ny Efesianina 5:15, 16.] Resahin’ity gazety ity ny fomba hiheverana ny hafa sy hahaizana mandanjalanja, rehefa mampiasa fitaovana maoderina.”