Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Olona maro no mijery tononandro alohan’ny hanapahany hevitra. Manan-kery eo amintsika ve ny kintana, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mahaliana fa miresaka momba ny antokon-kintana fijerena tononandro ny Baiboly. [Vakio ny 2 Mpanjaka 23:5.] Resahin’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba izany.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 18.
Mifohaza! Jona
“Matetika ny fiangonana no mitaky vola rehefa misy batisa na mariazy na fandevenana. Mety ve izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Jereo izay nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany. [Vakio ny Matio 10:7, 8b.] Resahin’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba ny fitakiana vola rehefa manao asa mifandray amin’ny fivavahana.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 22.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Olona maro no miantso an’ilay Mahery Indrindra hoe Andriamanitra. Fantatrao ve anefa fa lazain’ny Baiboly ny anarany? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Isaia 42:8a.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana no nesorina tao amin’ny Baiboly sasany ny anaran’Andriamanitra, sy hoe inona no dikan’ny hoe mahalala tsara an’Andriamanitra.”
Mifohaza! Jolay
“Mampanahy ny maro ny toe-karena. Miady saina ireo tsy an’asa, fa ireo manana asa kosa matahotra sao ho very asa. Mety hanampy antsika ve ity torohevitra ity, araka ny hevitrao? [Vakio ny Matio 6:34, ary avelao izy hamaly.] Misy torohevitra manampy antsika hahay hitantam-bola sy hifehy ny fihetseham-po, ato amin’ity gazety ity.”