FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/98 p. 1
  • Rankizy — Ianareo no Fifalianay!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rankizy — Ianareo no Fifalianay!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Ry Tanora — Inona avy Ireo Tanjonareo Ara-panahy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Mifalia Amin’izay Efa Ataonao ho An’i Jehovah Amin’izao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ahoana no Hanatratraranao ny Tanjonao Ara-panahy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 3/98 p. 1

Rankizy — Ianareo no Fifalianay!

1 Ry ankizilahy sy ankizivavy, fantatrareo tsara ve ny didin’i Jehovah hoe tokony hampidirina ao amin’ny asan’ny kongregasiona ianareo? (Deot. 31:12; Sal. 127:3). Fifaliana ny fananana anareo eo anilanay, rehefa miara-manompo an’i Jehovah isika! Manafana ny fonay ianareo, rehefa mipetraka amim-pilaminana ao amin’ireo fivoriana ary mihaino amim-pitandremana. Mampifaly anay indrindra ny ezaka ataonareo rehefa manome valin-teny amin’ny fiteninareo manokana. Faly ny kongregasiona manontolo rehefa manao ny anjara omena anareo amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, sy rehefa may ny hiaraka aminay eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ianareo, ary rehefa mandre izahay fa sahy mitory amin’ny mpiara-mianatra aminareo sy ny mpampianatra anareo ianareo. — Sal. 148:12, 13.

2 Tianay ho fantatrareo fa mirehareha noho ny aminareo izahay, rehefa mahita ny fahalalam-pombanareo, ny fisehoanareo ivelany madio sy milamina, ny fahadiovan’ny fitondran-tenanareo, ary ny fanajanareo ny olon-dehibe. Lehibe indrindra ny fifalianay rehefa asehonareo fa ‘mahatsiaro ny Mpanao anareo’ ianareo, amin’ny famerana tanjona teokratika ho anareo. — Mpit. 12:1; Sal. 110:3.

3 Lazao aminay ny tanjonareo: Nilaza toy izao tamin’ny mpiandraikitra ny distrika iray ny zazalahy iray, valo taona: ‘Voalohany aloha dia maniry ny hatao batisa aho, ary avy eo dia maniry hanampy ao amin’ny kongregasiona amin’ny fikarakarana ny zavamaneno sy ny fanamafisam-peo, amin’ny fikarakarana ny mpanatrika, amin’ny fanampiana eo amin’ny zavatra vita an-tsoratra, amin’ny famakiana fehintsoratra any amin’ny fianarana ny boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Avy eo dia maniry ny ho tonga mpanampy amin’ny fanompoana aho, ary avy eo dia ho loholona. Maniry ny ho tonga mpisava lalana koa aho, ary hanatrika ny sekolin’ny mpisava lalana. Avy eo dia maniry ny ho any amin’ny Betela aho, ho mpiandraikitra ny fizaran-tany na mpiandraikitra ny distrika.’ Fankasitrahana toy inona moa no nasehony ho an’ny tombontsoa manompo an’Andriamanitra!

4 Rehefa mitombo ara-batana sy ara-panahy ianareo, dia faly izahay mahita anareo mahatratra ireo tanjonareo. (Ampitahao amin’ny Lioka 2:52.) Isan-taona, dia an’arivony maro aminareo no tonga mpitory tsy vita batisa, ary avy eo dia mameno fepetra mba ho mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa. Mitombo ny fifalianay rehefa mahita anareo aorian’izay, miezaka mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ary hiditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro mihitsy aza. Tena fifalianay mihitsy ianareo, rankizy, ary loharanom-piderana mahatalanjona an’ilay Raintsika any an-danitra. Enga anie i Jehovah hitahy anareo be dia be! — Ohab. 23:24, 25.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara