Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Martsa
Herinandron’ny 2 Martsa
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: “Aza Mitsahatra Manao Izao ho Fahatsiarovana Ahy”. Lahateny ataon’ny loholona iray. Miresaha vetivety momba ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 80-81, ka antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fanatrehana ny Fahatsiarovana.
22 min: “Ampitao Tsikelikely Amin’ny Hafa ny Fanantenana ny Fiainana Mandrakizay”. Fiaraha-mandinika ny lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Hazavao vetivety ny fomba azo ampiasana fanontaniana amin’ny fomba mandaitra mba hanohizana resaka iray. Manomeza ohatra ny amin’ny fanontaniana misarika ny saina sy ny fanontaniana hahalalana fomba fijery izay azo ampiasaina amin’ny fitoriana. (Jereo ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 51-52, fehintsoratra 10-12.) Asao ny mpitory mahay iray hanao fampisehoana ny iray amin’ireo fitsidihana voalohany anolorana hevitra miaraka amin’ilay fiverenana mitsidika, ka hampiseho ny fanombohana fampianarana Baiboly.
Herinandron’ny 9 Martsa
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
20 min: Ny Fomba Handresena ny Fahasasarana Ara-panahy. Loholona roa miara-mandinika ny faritra voafefy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1986, pejy 19. Ho an’ny tsirairay amin’ireo “Famantarana Fahasasarana”, dia hazavao araka ny Soratra Masina ny fomba ahafahan’ny olona iray mandray soa avy amin’ilay hevitra hoe “Izay Manampy Haharitra”, mifandray aminy. Avy eo dia manadinadìna mpitory roa izay hilaza ny fanampiana azony tamin’ny fampiharana ireo hevitra ireo, mba hihazonana ny tanjany ara-panahy.
20 min: “Hanao Azy Io Indray ve Isika?” (Fehintsoratra 1-11). Fanontaniana sy valiny. Mitantarà zava-misongadina tamin’ny ezaka manokana nanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily sy May farany teo, araka ny tatitra ao amin’ny Diary 1998. Tonòny ny isan’izay nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy teo an-toerana nandritra iny fotoana iny. Diniho ny tombontsoa manokana mivantana raisintsika avy amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana, ary asehoy ny fandrosoan’ny kongregasiona noho izy io. Sorito ny fandaharam-panompoana kasaina hatao amin’ny Aprily sy May mba hanampiana hafa koa hanao ny asan’ny mpisava lalana. Azon’ny mpitory atao ny maka fangatahana.
Herinandron’ny 16 Martsa
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asao ny olona liana rehetra mba hanatrika ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny 29 Martsa. Ny lohateniny dia hoe: “Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly?”
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
22 min: “Hanao Azy Io Indray ve Isika?” (Fehintsoratra 12-19). Fanontaniana sy valiny. Diniho indray ireo fepetra takina voasoritra ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 113-114. Hazavao fa manomana ny olona iray ho amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Asao ny sasany izay nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily sy May farany teo, hilaza ny fomba nandaminany ny fandaharam-potoanany mba hahatratrarana ireo 60 ora takina. Iza tamin’ireo fandaharam-potoana tao amin’ny pejy farany tamin’ilay takelaka fanampiny no nety indrindra taminy? Raha mamela ny fotoana, dia mitantarà fanandraman-javatra hita ao amin’ny Diary 1987 (frantsay), pejy 48-49, 245, 246. Ampirisiho ireo mpitory mba haka fangatahana, aorian’ny fivoriana.
Herinandron’ny 23 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra hanomboka hanasa ireo olona liana ho amin’ny Fahatsiarovana, amin’ny 11 Aprily. Asehoy ny taratasy fanasana, ary ampirisiho ny rehetra mba haka maromaro aminy ary hanomboka hizara azy amin’itỳ herinandro itỳ. Lazao ny anaran’izay rehetra ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Hazavao fa tsy tara loatra raha omena izao ny fangatahana. Sorito ny fandaharam-potoana manontolon’ireo fivoriana ho an’ny fanompoana kasaina hatao amin’ny Aprily.
20 min: Ampiomano ho Amin’ny Fanompoana eny Amin’ny Saha Ireo Vaovao. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ireo mitarika fampianarana amin’ny boky Fahalalana, dia tokony hieritreritra ny hampiomana ny mpianany handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Sariho ny saina ho amin’izay voalaza ao amin’ny boky Fahalalana, pejy 105, fehintsoratra 14, sy ny pejy 179, fehintsoratra 20. Diniho indray ny fomba fanaovan-javatra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1989, pejy 16, 17, fehintsoratra 7-10, hahafahana handray ireo vaovao ho mpitory tsy vita batisa. Mandiniha fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, fehintsoratra 19, mba hanampiana ireo mpitory vaovao tsy vita batisa hanomboka ny fanompoana.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Fanontaniana sy valiny. Loholona iray mijery ny fanazavana ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 131, fehintsoratra 1, 2.
Herinandron’ny 30 Martsa
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany, tamin’ny Martsa. Asehoy ny nomerao farany amin’ny gazety, ary resaho hoe lahatsoratra inona avy no azonao asongadina rehefa manolotra azy ireo, ary milazà hevitra voafaritra tsara azo resahina. Diniho ireo “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana”, ary sorito ny fandaharana momba ny Fahatsiarovana eo an-toerana. Tokony hanao fandaharana farany ny rehetra mba hanampiana ireo mpianatra Baiboly sy olona liana hafa hanatrika. Ampahatsiahivo ny rehetra tsy hanadino hanaraka ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ny Fahatsiarovana, izay nalamina ho amin’ny 6-11 Aprily, ary aseho ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro.
15 min: “Rankizy — Ianareo no Fifalianay!” Fanontaniana sy valiny. Tantarao ny fanandraman-javatra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1987, pejy 25.
15 min: Mandraisa Soa Feno avy Amin’ny Diary 1998. Miara-mijery ny pejy 3-6, 31, amin’ny fianakaviany ny ray iray, ka manasongadina ny zava-bita teokratika naneran-tany tamin’ny taon-dasa. Diniho ny soa azon’ny fianakaviana avy amin’ny famakiana sy ny fiaraha-mandinika ny teny hodinihina isan’andro sy tapany sasany ao amin’ny Diary, amin’ny fotoam-pisakafoana, ary aoka ianareo ho tapa-kevitra ny hanohy hanao izany mandritra ny taona.