Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Be dia be izao ny zavatra mampiady saina eo amin’ny fiainana. Araka ny hevitrao, mbola azo ampiharina ve ity tenin’i Jesosy ity? [Vakio ny Matio 6:25, ary avelao izy hamaly.] Hazavain’ity gazety ity fa raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, dia tsy hanahy be loatra amin’ny resa-bola na olana ara-pianakaviana na loza mitranga.”
Mifohaza! Jolay
“Olona maro izao no mahatsapa hoe hoatran’ny tototry ny zava-manahirana foana. Tsy manaiky an’izany ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa mila matanja-tsaina isika mba hahavita hiatrika olana eo amin’ny fiainana. [Vakio ny Ohabolana 24:10.] Manome torohevitra tena azo ampiharina ity gazety ity, sady miresaka tantaran’olona efa nampihatra an’izany.”