-
Genesisy 28:16-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia taitra tamin’ny torimasony i Jakoba, ka niteny hoe: “Tena eto amin’ity toerana ity i Jehovah, fa izaho no tsy nahafantatra.” 17 Natahotra izy tamin’izay sady niteny hoe: “Hafakely mihitsy ity toerana ity fa masina! Tena tranon’Andriamanitra mihitsy ity,+ ary eto no vavahadin’ny lanitra!”+ 18 Ary nifoha maraina i Jakoba, dia nalainy ilay vato nataony ondana ka nataony tsangambato. Dia nandraraka menaka teo ambonin’ilay tsangambato izy.+ 19 Koa nataony hoe Betela* ny anaran’ilay toerana, nefa Lozy no anaran’ilay tanàna taloha.+
-