-
Genesisy 15:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: “Mba jereo ange ny lanitra, azafady e! Dia isao ny kintana raha mahavita manisa azy ianao.” Hoy koa izy taminy: “Ho tahaka an’ireo ny taranakao.”+
-
-
Genesisy 46:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia niteny tamin’i Israely, tao amin’ny fahitana tamin’ny alina, Andriamanitra hoe: “Jakoba, Jakoba!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko!” 3 Ary hoy Andriamanitra: “Izaho no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny rainao.+ Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko firenena lehibe ianao rehefa any.+
-
-
Nomery 2:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ireo no Israelita voasoratra anarana, arakaraka ny fianakaviambeny avy. Nisy 603 550+ ireo voasoratra anarana rehetra tao amin’ireo toby ka afaka nanompo tao amin’ny tafika.
-