-
Nomery 3:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ary ny andraikitry ny taranak’i Gersona+ tao amin’ny tranolay fihaonana dia ny nikarakara ny tranolay,+ ny rakotra,+ ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* mankao amin’ny tranolay fihaonana, 26 ny fefy lamban’ny+ tokotany, ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* mankao amin’ny tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day, ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny.
-
-
Nomery 3:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 I Elizafana zanak’i Oziela+ no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny* Kehatita. 31 Andraikitr’izy ireo ny nikarakara ny Vata,+ ny latabatra,+ ny fitoeran-jiro,+ ireo alitara,+ ny fitaovana+ ampiasaina rehefa manompo ao amin’ny toerana masina, ny lamba fanakonana,*+ ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny.+
-
-
Nomery 3:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Ny taranak’i Merary no niandraikitra sy nanara-maso ny rafitry+ ny tranolay, ny barany,+ ny andry,+ ny faladia itsatohany, ny fitaovany rehetra,+ ary izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny.+ 37 Andraikiny koa ny andry manodidina ny tokotany, ny faladia itsatohany,+ ny fantsika be fanenjanan-day, ary ny tady fanenjanan-day.
-