-
Deoteronomia 2:30-35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Tsy namela antsika handalo tao amin’ny taniny anefa i Sihona mpanjakan’i Hesbona. Navelan’i Jehovah Andriamanitrareo hiziriziry amin’ny heviny+ sy hanamafy ny fony mantsy izy, satria tiany ho resinao. Dia izany tokoa izao no mitranga.+
31 “Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Efa nomeko anao i Sihona sy ny taniny. Koa alaivo ho anareo ny taniny.’+ 32 Rehefa nivoaka hiady tamintsika tao Jahaza i Sihona sy ny vahoakany manontolo,+ 33 dia nataon’i Jehovah Andriamanitsika resintsika ry zareo. Dia resintsika izy sy ny zanany ary ny vahoakany manontolo. 34 Azontsika daholo ny tanànany tamin’izay fotoana izay, ka noravantsika tanteraka ny tanàna tsirairay, ary naringantsika ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Tsy nasiantsika niangana izy ireo na iray aza.+ 35 Ny biby fiompy sy ny fananana ihany no nalaintsika ho babo tao amin’ireo tanàna resintsika.
-
-
Mpitsara 11:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 “‘Avy eo, dia naniraka olona nankany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona, ny Israely mba hiteny hoe: “Mba avelao izahay handalo ao amin’ny taninao rehefa hankany amin’ny toerana halehanay!”+ 20 Tsy natoky anefa i Sihona hoe handalo fotsiny eo amin’ny taniny ny Israely. Dia novoriny ny vahoakany rehetra, ka nitoby tany Jahaza izy ireo ary niady tamin’ny Israely.+
-