-
Nomery 21:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tsy navelan’i Sihona handalo tao amin’ny taniny anefa ny Israely. Nangoniny daholo kosa ny vahoakany, dia nivoaka hiady tamin’ny Israely tany an-tany efitra izy. Ary tonga tao Jahaza izy ka niady tamin’ny Israely.+ 24 Resin’ny Israely anefa izy ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina tao.+ Dia nalain’ny Israely ny taniny,+ hatrany Arnona+ ka hatrany Jaboka,+ teo akaikin’ny Amonita. I Jazera+ mantsy no sisin-tanin’ny Amonita.+
-
-
Josoa 12:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nandresy an’ireo mpanjaka tao amin’ilay tany ny Israelita, ka nalain’izy ireo ny tanin’izy ireny, izay teny atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, manomboka eo amin’ny Lohasahan’i* Arnona+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona,+ sy ny ilany atsinanana amin’i Araba manontolo.+ Ireto avy izany mpanjaka izany: 2 I Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, izay nipetraka tao Hesbona. Nanjaka tao Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona izy.+ Avy eo afovoan’io lohasaha io ny faritra nanjakany, ka hatrany amin’ny antsasak’i Gileada eo amin’ny Lohasahan’i* Jaboka, izay sisin-tanin’ny Amonita.
-