FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 32:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hitako fa vahoaka mafy loha* io vahoaka io.+ 10 Koa aleo aho hanampatra ny hatezerako aminy dia handringana azy ireo. Fa ianao kosa hataoko lasa firenena lehibe.”+

  • Nomery 25:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa nanompo an’i* Balan’i Peora ny Israely,+ ka tezitra be tamin’izy ireo i Jehovah.

  • Deoteronomia 11:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tandremo anefa ny fonareo sao avelanareo ho voafitaka, ka ho voatarika hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany.+ 17 Fa raha manompo andriamani-kafa ianareo, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah. Dia hanidy ny lanitra izy mba tsy hisy orana,+ ka tsy hahavokatra ny tany. Tsy ho ela koa dia ho ripaka eo amin’ilay tany tsara homen’i Jehovah anareo ianareo.+

  • Mpitsara 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia tezitra be tamin’ny Israely i Jehovah, ka navelany handroba azy ireo ny mpandroba.+ Navelany ho resin’ny fahavalo manodidina azy koa izy ireo,+ ka tsy nahavita nanohitra an’ireny intsony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara