FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 49:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+

  • Nomery 24:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hahita azy aho, nefa tsy izao dia izao,

      Hahatazana azy aho, nefa tsy ho ato ho ato.

      Hisy kintana+ hivoaka avy amin’i Jakoba,

      Ary hisy tehim-panjakana+ hipoitra avy amin’i Israely.+

      Tena hovakiny ny handrin’i* Moaba,+

      Sy ny karandohan’ny zanaka rehetra tia herisetra.

  • Lioka 7:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary raiki-tahotra ny rehetra, dia nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nilaza hoe: “Mpaminany lehibe no efa tonga eto amintsika”,+ sy hoe: “Nitsinjo ny vahoakany Andriamanitra.”+

  • Jaona 1:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Nahita an’i Natanaela i Filipo,+ ka hoy izy: “Efa hitanay ilay olona noresahin’i Mosesy ao amin’ny Lalàna sy noresahin’ny Mpaminany, dia i Jesosy zanak’i Josefa,+ avy any Nazareta.”

  • Jaona 6:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Rehefa hitan’ny olona ny famantarana nataon’i Jesosy, dia hoy izy ireo: “Io mihitsy ilay Mpaminany ho tonga amin’izao tontolo izao.”+

  • Asan’ny Apostoly 3:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Niteny tokoa mantsy i Mosesy hoe: ‘Hanendry mpaminany ho anareo i Jehovah* Andriamanitrareo, dia mpaminany hoatr’ahy, avy eo amin’ny rahalahinareo.+ Henoy izay rehetra lazainy aminareo.+

  • Asan’ny Apostoly 7:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 “Izany Mosesy izany ilay nilaza tamin’ny zanak’Israely hoe: ‘Hanendry mpaminany ho anareo Andriamanitra, dia mpaminany hoatr’ahy, avy eo amin’ny rahalahinareo.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara