-
Josoa 1:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Homeko anareo izay toerana rehetra hohitsahin’ny tongotrareo, araka ny efa nampanantenaiko an’i Mosesy.+ 4 Ary hanomboka any an-tany efitra ny faritry ny taninareo dia hitohy hatrany Libàna sy hatrany Eofrata, ilay renirano lehibe, izany hoe ny tany rehetra izay an’ny Hetita,+ ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe* eo andrefana.*+ 5 Tsy hisy olona hahatohitra anao raha mbola velona koa ianao.+ Hoatran’ny nanampiako an’i Mosesy no hanampiako anao.+ Tsy handao anao aho ary tsy hahafoy anao mihitsy.+
-