FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ianao foana taloha no nitarika ny Israely rehefa nisy ady,*+ tamin’i Saoly mbola mpanjakantsika. Ary nilaza taminao i Jehovah hoe: ‘Ianao no ho mpiandry ny Israely vahoakako, ary ianao koa no ho mpitarika ny Israely.’”+

  • 1 Tantara 17:7-10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+ 8 Ary hanampy anao aho na aiza na aiza alehanao,+ ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra.+ Dia hataoko malaza ny anaranao, toy ny anaran’ny olo-malaza eny ambonin’ny tany.+ 9 Ary hanokana toerana hametrahako ny Israely vahoakako aho. Dia hipetraka ao izy ireo, ka tsy hisy hanakorontana intsony. Tsy hampijaly* azy ireo intsony koa ny olona ratsy fanahy, hoatran’ny nataon’izy ireny taloha,+ 10 tamin’ny fotoana nanendreko mpitsara hitondra ny Israely vahoakako.+ Ary hataoko eo ambany fahefanao ny fahavalonao rehetra.+ Izao koa no lazaiko aminao: ‘Hanao trano* ho anao i Jehovah.’

  • 1 Tantara 28:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Tamin’ny fianakaviamben’ny raiko iray manontolo anefa, dia izaho no nofidin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ho mpanjakan’ny Israely mandrakizay.+ Nifidy an’i Joda ho mpitarika+ mantsy izy, ary tamin’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko+ no nofidiny. Tamin’ny zanaky ny raiko kosa, dia izaho no nankasitrahany ka nataony mpanjakan’ny Israely rehetra.+

  • Salamo 78:70, 71
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 70 Nifidy an’i Davida+ mpanompony izy,

      Ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry,+

      71 Teny am-piandrasana ondrivavy mampinono;

      Notendreny ho mpiandry an’i Jakoba vahoakany izy+

      Sy ho mpiandry an’i Israely lovany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara