FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 24:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Hoy izy tamin’ny olony: “Sanatria ahy ny hikasi-tanana ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah, satria tsy ankasitrahan’i Jehovah izany. Tsy hanao an’izany aho, fa voahosotr’i Jehovah izy.”+ 7 Izany no nolazain’i Davida mba hisakanana* ny olony tsy hamely an’i Saoly. I Saoly kosa nitsangana ka niala tao amin’ilay lava-bato, ary nanohy ny diany.

  • 1 Samoela 26:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Notenenin’i Davida anefa i Abisay hoe: “Aza mamono azy, fa iza no mikasi-tanana ny voahosotr’i Jehovah+ ka tsy ho meloka?”+

  • 1 Samoela 26:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa sanatria ahy ny hikasi-tanana ny voahosotr’i Jehovah,+ satria tsy ankasitrahan’i Jehovah izany! Koa alaivo, azafady, ny lefona eo akaikin’ny lohany sy ny jaogy fasiany rano, dia andao handeha.”

  • Salamo 3:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Jehovah ô, nahoana no lasa be dia be toy izao ny fahavaloko?+

      Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy?+

       2 Betsaka no milaza momba ahy hoe:

      “Tsy hovonjen’Andriamanitra izy.”+ (Sela)*

  • Salamo 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Jehovah Andriamanitro ô, ianao no ialofako.+

      Vonjeo aho tsy ho azon’izay rehetra manenjika ahy ka afaho.+

  • Salamo 71:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Miresaka zava-dratsy momba ahy ny fahavaloko,

      Ary miara-mikaon-doha ireo mifofo ny aiko,+

      11 Ka miteny hoe: “Efa nafoin’Andriamanitra izy.

      Enjeho izy dia sambory, fa tsy misy mpamonjy.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara