-
Deoteronomia 7:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+ 4 Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+
-
-
Nehemia 13:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Noteneniko mafy àry izy ireo, dia nozoniko. Nokapohiko ny lehilahy sasany+ dia nongotako ny volony, ary nasaiko nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra ry zareo sady noteneniko hoe: “Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy na ho vadinareo.+ 26 Tsy izany ve no nahatonga an’i Solomona mpanjakan’ny Israely hanota? Tsy nisy firenena nanana mpanjaka hoatr’azy mihitsy,+ na taiza na taiza. Tia azy mantsy ny Andriamaniny,+ ka nanao azy ho mpanjakan’ny Israely manontolo. Na izy aza anefa voataonan’ireo vadiny hafa firenena ka lasa nanota.+ 27 Tsy mampino mihitsy hoe nahavita an’izao zavatra ratsy be izao ianareo! Nivadika tamin’ilay Andriamanitsika ianareo rehefa nanambady vehivavy hafa firenena.”+
-