-
2 Samoela 7:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.”’”+
-
-
1 Mpanjaka 8:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho àry ilay fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe: ‘Hisy lehilahy avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo anatrehako eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, raha mitandrina tsara an’izay ataony ny taranakao, ka manaraka an’izay atoroko, tahaka ny nanarahanao an’izay natoroko anao.’+
-
-
Salamo 132:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Efa nianiana tamin’i Davida i Jehovah;
Tsy hivadika amin’izao teniny izao mihitsy izy:
“Ny iray amin’ny taranakao
No hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.+
-