FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 8:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho àry ilay fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe: ‘Hisy lehilahy avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo anatrehako eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, raha mitandrina tsara an’izay ataony ny taranakao, ka manaraka an’izay atoroko, tahaka ny nanarahanao an’izay natoroko anao.’+

  • Salamo 89:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 “Efa nanao fifanekena tamin’ilay voafidiko aho,+

      Ary efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko+ hoe:

       4 ‘Hataoko maharitra mandrakizay ny taranakao,+

      Ary hataoko mafy orina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny seza fiandriananao.’”+ (Sela)

  • Salamo 89:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Nahita an’i Davida mpanompoko+ aho,

      Ka nohosorako+ menaka masina izy.

  • Salamo 89:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Haharitra mandrakizay ny taranany;+

      Haharitra eo anatrehako toy ny masoandro ny seza fiandrianany.+

  • Isaia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.

      Tsy hisy farany koa ny fiadanana+

      Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.

      Ho mafy orina+ izy io,

      Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,

      Manomboka izao ka ho mandrakizay.

      Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.

  • Jeremia 33:20, 21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Raha vitanareo ny manafoana ny fifanekena nataoko momba ny andro sy ny fifanekena nataoko momba ny alina, mba hisakanana ny andro sy ny alina tsy ho tonga amin’ny fotoana tokony hahatongavany,+ 21 dia amin’izay ihany vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin’i Davida mpanompoko,+ ka tsy hanana zanakalahy ho mpanjaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany+ izy. Amin’izay ihany koa vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin’ny Levita mpisorona mpanompoko.+

  • Matio 9:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Rehefa niala teo i Jesosy, dia nisy jamba roa lahy+ nanaraka azy sady niantsoantso mafy hoe: “Mba iantrao izahay, ry Zanak’i Davida ô!”

  • Lioka 1:69
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 69 Ary nanangana tandroka famonjena*+ ho antsika tao amin’ny taranak’i Davida mpanompony+ izy,

  • Asan’ny Apostoly 2:30, 31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Mpaminany izy, ary fantany fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny iray amin’ny taranany no hapetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany.+ Noho izany, dia 31 fantatr’i Davida mialoha fa hitsangana amin’ny maty i Kristy ary efa niresaka momba an’izany izy. Noresahiny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana* i Jesosy sady tsy lo ny nofony.+

  • Asan’ny Apostoly 13:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary rehefa nesoriny i Saoly, dia notendreny ho mpanjakan’izy ireo i Davida.+ Izao no nambarany momba azy: ‘Nahita an’i Davida zanak’i Jese+ aho. Lehilahy sitraky ny foko izy,+ ary hanao an’izay rehetra tiako.’ 23 Avy tamin’ny taranak’izany lehilahy izany no nanomezan’Andriamanitra mpamonjy ho an’ny Israely. Tsy iza izany fa i Jesosy, araka ny efa nampanantenainy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara